You are on page 1of 3

TARATASY FIFANARAHANA FANOFANA FIARA FITATERANA

Misy eo amin’ny:

✓ Andaniny, mpanofa fiara


Andia ANDRARANGY Mahasedra, Mention Industries Agricoles et Alimentaires ao amin’ny École Supérieure des
Sciences Agronomiques, Université d’Antananarivo, izay soloin’ireto mpianatra voatonona anarana eto ambany ireto :
- ANDRIAMALALA Hajanandrianina Andy
- RAVONJIARIMANANA Manovosoa Fanomezana
- RAKOTONDRAMONJA Nomenajanahary

✓ Ankilany, Tompon’ny fiara


-

Nifanaiky izahay arak’ireto andininy voalaza manaraka ireto fa :

Andininy 1 : Hitondra ny fiara voalaza etsy ambony hitatitra ny mpianatra M2 2022/2023 Mention Industries Agricoles et
Alimentaires ao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSAgro), Université d’Antananarivo hanao
« Voyage d’étude » any amin’ny Faritra Atsimon’ny nosy, mandritry ny 31 andro. Manomboka ny Talata 25 Aprily 2023
ka hatramin’ny Alakamisy 25 Mey 2023 no hanaovana izany.

Andininy 2 : Ny fikarakaràna ny momba ny fiara rehetra alohan’ny handeha sy mandrapatapitry ny dia voalaza ao amin’ny
tetiandro dia ny tompon’ny fiara no miantoka izany sy manao izay hahatomombana tsara ny dia.

Andininy 3 : Ny toerana iaingàna ny Talata 25 Aprily 2023 dia eny amin’ny ESSAgro Ambohitsaina amin’ny roa ora ary
ny toerana iverenana dia eny ihany ny Alakamisy 25 Mey 2023.

Andininy 4 : Ny hofan’ny fiara isan’andro mandritra ny fitaterana dia EFATRA ALINA SY IRAY HETSY ARIARY (140 000
AR) ka mitotaly ho EFATRA ALINA SY TELO HETSY SY EFATRA TAPITRISA ARIARY (4 340 000 AR).

Toy izao ny fitsinjaràna amin’ny fandoavana ny vola:

- Eo am-panasoniavana ity fifanarahana ity ny antsasany mitotaly FITO ALINA SY IRAY HETSY SY ROA
TAPITRISA ARIARY (2 170 000 AR).
- Amin’ny fotoana fiverenana sy hahatongavana eny amin’ny ESSAgro Ambohitsaina ny mitotaly FITO ALINA
SY IRAY HETSY SY ROA TAPITRISA ARIARY (2 170 000 AR) ambiny.

Andininy 5: Ny solika, ny sakafon’ny mpamily (olona 01) sy ny mpanampy azy raha misy (olona 1) dia ny mpanofa no
miantoka izany.

Andininy 6: Miantoka tanteraka ny fahatongavan’ny mpianatra mandroso sy miverina ny mpamily sy ny mpanampy azy.
Raha sanatria misy ny fahasamponana ka mahatara ny dia miantoka ny sara-pijanonana mihoatra ny voalaza ao anaty
tetiandro miraikitra amin’ity taratasy ity ny tenany.

Andininy 7: Raha misy ny fahasamponana eny an-dalana mikasika ny fiara ka tsy voavaha eny an-toerana ny olana
(olana mikasika ny calculateur, moteur, pont, sns) dia miantoka tanteraka amin’ny fanafarana fiara hafa ny mpamily
hanohizana ny dia manaraka ny tetiandro.

Andininy 8: Ny fiara mitondra ny mpianatra dia tsy mandeha amin’ny alina mba ialàna amin’ny lozam-pifamoivoizana izay
mety hiseho; ankoatra izay tranga efa hifanarahan’ny mpanofa sy ny mpamily.

Andininy 9: Voafetra toy izao ny hafangainam-pandeha :


- Lalana vita amin’ny tara : 70 - 80kmh
- Lalan-tany : 30 – 40 kmh
Tompon’antoka amin’ny fahavoazana ny mpamily raha sanatria ka mihoatra an’io voalaza etsy ambony io ny hafangainam-
pandeha.
Mba isorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga dia manana alalana feno ny mpampianatra sy ireo solon-tenan’ny
mpianatra [Délegué] ary ny mpiahy ny mpianatra [mpampianatra] hampatsiahy ny mpamily raha sanatria tsy mifanaraka
amin’ny hafangainam-pandeha voalaza etsy ambony io ny fiara iadidiany.

Andininy 10: Ny isan’ny olona mandeha ny fiara (ho an’ny fiara roa) dia toy izao :
- Mpianatra : 31
- Mpampianatra : 1
- Mpahandro : 2
- Mpamily : 2
- Mpanampy ny Mpamily : 2
Ny anarana sy ny fanampiny mikasika ny mpandeha rehetra dia miraikitra amin’ity fifanarahana ity.

Andininy 11 : Ny fitondràna olona hafa ankoatran’ireo izay voarakitra ao anaty lisitra dia tsy maintsy nahazahoan-dalana
tamin’ireo Solon-tenan’ny mpianatra na ny mpampianatra.
Andininy 12 : Raha misy fiovàna eo amin’ny fandaharam-potoana (mitombo na mihena) dia miova araky ny isan’ny andro
ny hofan’ny fiara.

Natao izao fifanarahana izao mba hanan-kery amin’izay mety ilàna azy rehetra.

Nanaiky tsy misy fifanerena ary manamafy ny fifanekena ny fanaovana sonia ity taratasy ity :

Ny Tompon’ny fiara Ny solon-tenan’ny Mpianatra Ny Responsable Mention Industries


[Anarana sy sonia] [Anarana sy sonia] Agricoles et Alimentaires

Taratasy miraikitra amin’ity fifanarahana ity :

- Dika mitovy ny fahazoan-dalana itondra ny mpianatra


- Dika mitovy ny carte grise ny fiara
- Dika mitovy ny Assurance ny fiara
- Dika mitovy ny taratasy familian’ny mpamily sy ny mpanampy azy
- Dika mitovy ny karampanondron’ny mpamily sy ny mpanampy azy
- Lisitry ny mpandeha (mpianatra + mpampianatra + mpahandro)
- Tetiandro ny dia.

Atao telo isa ity fifanarahana ity ka samy mitazona iray avy ireo telo tonta manao sonia etsy ambony.

You might also like