You are on page 1of 1

Kilasy 

: KOMINIO VOALOHANY

DIDY FOLO

Izaho no Tompo Andriamanitrao


1- Ianao aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy Izaho; manompoa an’Andriamanitra ianao: tiava Azy amin’ny fonao manontolo.
2- Aza manonom-poana ny Anaran’Andriamanitra
3- Mankamasina ny andro alahady; aza miasa, fa manompoa an’Andriamanitra.
4- Manaja ny Ray aman-dReninao, mba ho ela velona ianao.
5- Aza mamono olona
6- Aza minjanganjanga
7- Aza mangalatra
8- Aza miampanga lainga, aza mandainga
9- Aza maniry vadin’olona
10- Aza maniry fananan’olona

DIDIN’NY EGLIZY
1- Mankamasina ny andro fety natokan’ny Eglizy hohamasinina
2- Mamonje lamesa na ny fanompoam-pivavahana amin’ny andro alahady sy amin’ny andro fety natokan’ny
Eglizy hohamasinina, raha tsy misy antony lehibe
3- Manambàra amin’ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra na dia indray makà isan-taona ihany aza
4- Manaova Kôminio tsara amin’ny vaninandro fankalazana ny Paka
5- Mifadia hanim-be, ary mifadia hena amin’ny Alarobian’ny Lavenona, sy ny Zoma Masina

FOMBA FIKONFESENA (KONFESY)


Mandeha tsirairay mamonjy ny Pretra
Mandohalika:
- Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen
• Tsofirano aho Raiko fa nanota: ( Lazaina raha mbola tsy nikonfesy mihintsy, ary lazaina ny fotoana nikonfesenao farany raha efa
nikonfesy ianao)
• Izao avy ny fahotako Mompera ( Fitanisana ireo fahotana vatanao, tsy misy azo afenina fa lazaina daholo ny fahotanao)
• Miampanga-tena amin’izany fahotako izany aho, ary mikasa mafy hiala aminy.
Pretra:
- Fananarana ataon’ny pretra sy fanomezana Asa fivalozana
- Mampanao fanenenana
Andriamanitra Tompoko, malahelo mafy amin’ny ratsy nataoko taminao aho, satria Ianao no tsara indrindra ka tokony ho tiana
indrindra, ary Ianao tsy tia ny ratsy manampo tsy hanao ratsy aminao intsony aho sy hanao asa fivalozana noho ny fitahianao ahy.
- Famelana ny fahotana ataon’ny pretra.

EOKARISTIA

I- Famaritana
- Teo amin’ny Testamenta taloha, na eo amin’ny olona mbola tsy nahalala an’i Jesoa Kristy dia biby na vokatry ny tany
no afoy ho an’Andriamanitra hiaikena fa Izy no Tompony: izany no nataon’ny Razantsika hitsaohany an’Andriamanitra,
hiderany Azy, hisorohana izay loza mananontanona, hifonana sy hanalana faditra ary hangataham-pitahiana
- Tonga i Kristy dia foana ny ram-biby sy ny sorona hafa fa Ran’ny Tenany no sorona Tokana atolotra hanadio ny fo
ho afaka amin’ny asa ratsy, hanompoantsika an’Andriamanitra velona
- I Jesoa Kristy no namorona ny Eokaristia mba hahafahany nonina eto am-povoantsika sy manolotra ny tenany ho
sakafon’ny fanahintsika.
- I Kristy no manasa antsika isaky ny Sorona Masina mba handraisantsika ilay Fanavotana teo amin’ny hazofijaliana
II- Mizara roa lehibe sy Sorona Masina
1- Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
- Mifampiarahaba fa tafahaona, irarian’ny Pretra fahasoavana isika amin’ny Anaran’I Kristy izay manasa antsika hivory
- Mifona mba ho afaka amin’ny alahelon’Andriamanitra
- Fihainoana ireo tenin’Andriamanitra
2- Ny tena Sorona
a) Fanomanana ny sakafo iaraha-mihinana
- Fanatitra ny mofo sy ny divay: hamerenana ny Alakamisy Masina hananantsika ny tenan’ny Tompo ho sakafo hampiray
antsika Eglizy amin’ny Mofo iray ifampizarana
b) Hamasinina atao Sorona ny mofo sy ny divay miaraka amin’ireo fointsika: mba hiova tenan’i Jesoa Kristy
c) Fiara-mihinana ny sakafo oman’ny Ray fanaporofoana fifankatiavana Azy ao amin’i Kristy fampiraisana

You might also like