You are on page 1of 1

NY BATEMY

I- Famaritana
- Ny Batemy dia : Fananganana ny olona ho zanak’Andriamanitra amin’ny rano sy ny Fanahy Masina, fanokanana azy ho an’ny
Trinite Masina ka anomezana ny finoana marina mampiray an’i Kristy.
- Maha zanaky ny Eglizy ka ho tonga mpisorona, mpanjaka, firenena Masina.
- Fifindrana amin’ny tena fiainana iraisana amin’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona.

II- Atao eo anatrehan’ny Fiangonana, dia :


- Tompon’andraikitra amin’ny finoana ny olona atao Batemy
- Ny ray aman-dReny no manome toky ny Fiangonana fa hanabe ny zanany araky ny maha zanak’Andriamanitra azy.
- Ny mpiantoka kosa hanampy ny zanany haharitra amin’ny finoana sy maha kristianina marina.

III- Famantarana maro ampiasaina :


- Ny rano : mamono ny fahotana no manome ny Ain’Andriamanitra
- Ny teny : Izaho manao Batemy anao amin’ny Anaran’ny Ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina : anokanana antsika ho an’I Trinite
Masina
- Ny jiron’ny Paka : mampatsiaro fa mandray amin’ny Pak any Batemy ary I Jesoa Kristy no fahazavana harahina.
- Ny diloiko roa karazana :
o Ny O.C : mba samy hohosoran’ny Eglizy Renintsika menaka
o Ny S.C : maha-pisorona, mpanjaka ary mpaminany.
- Ny ankanjo fotsy : milaza fa mitafy an’I Kristy
- Ny famantarana ny hazofijaliana : manambara fa an’I Kristy izay vita Batemy
- Ny efeta : anokanana ny fandrenesana hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy history azy.

IV- Ny Batemy dia misy :


- Batemin-jaza
- Batemin-jaza vory saina
- Batemin’olon-dehibe

Fiekem-pinoana apostôlika
Izaho mino an’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, mpahary ny lanitra sy ny tany.
Izaho mino an’I Jesoa Kristy Zanany tokana Tompontsika, noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’I Maria Virjiny, nijaly faha-Pôntsy
Pilaty, nofatsihana tamin’ny hazofijaliana. Maty dia nalevina, nidina tany ambanin’ny tany, nitsangan-ko velona tamin’ny andro
fahatelo, niakatra any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any izy mbola ho avy
hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina Katôlika, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan’ny
vatantsika ho velona ary ny fiainana mandrakizay.
Amen.

You might also like