You are on page 1of 1

Tompokolahy sy tompokovavy !

Ny hitstikitsika hono no tompon’ny dihy, ny vivia no tompon’ny rano. Ny lalana ho


an’ny mpandeha fa ny teny kosa tsy mba rombahina. Mijoro etoana aho, sanatria tsy mandeha
tsy vohizina toa lakan-jejo, na jejo alohan’ny tompony toa kavin-drozaroza. Fa noho ny teny
natao lany era dia natolotr’ireto ankizy ireto ahy ny fitenenana hanehoanay ny aty amponay
amin’izao tonon’andro manokana izao.
Ny tenindrazatsika hono vakoka tsy tonta, todihasina afaka misedra ny vanim-potoana
rehetra. Ny azafady kosa soatoavina malagasy manome hasina ny miteny ary manome
voninahitra ny hitenenana. Hoseranana am-pitenenana ianareo Tompokolahy, hosalovanina
am-pivolànana ianareo Tompokovavy ka tolorana ny azafady.
Ny tendrombohitra hono fandrian’ny zavona, ny lohasaha fandrian’ny moka, fa ny
miteny kosa fandrian’ny tsiny. Koa miala tsiny aho raha hiteny eto anatrehanareo. Tsy noho ny
teny diso sy ny tsy fahaizako miteny ihany fa noho ny haja amam-boninahitrareo mianakavy
ihany koa.
Manaraka izany, zo tovanan-kasina hono ny arahaba, tsy fanafina na fandrimbona, koa
ny voaloham-pitenenana dia andeha atolotsika an’Andriamanitra ny dera ny haja , ny saotra fa
efa Azy hatramin’ny taloha izany ary ho Azy mandrakizay. Atolotra ho antsika kosa ny arahaba,
koa arahaba tafahoana samy tsara Tompokolahy, arabaina mifankahita samy soa
Tompokovavy.
Izay no ela tompoko, nefa ela tsy azo lalovam-potsiny, fa rijan-teny sy fanalahidy
hidirantsika amin’ny votoatin-dresaka.
Tonga ilay andro nandrasana. Ny anay vava maika hiteny, ny anareo sofina maika
hihaino. Koa miarahaba ana ore ry Neny tratr’izao fetinao izao. Indreto izahay zanakao
miarahaba anao, nanao ny mendrika ka tretrika irendrehan’ny meva sy ny tsara. Miarahaba anao
naneho ny kanto ka ho ankatoavina. Raha miteny ho henoina, raha mivolana ho hajaina, raha
mandeha ho savàna ando, raha tojo orana hotoloran-tsarotro. Tsy ho ditsoky ny tambolin-tadio
eo amin’ny andraikitra raisina anie ianao fa ho tonga rofia temitry ny ala. Ho hazo vola mamoa
voahangy ka hitsiriam-pahendrena, hitsimoham-pahalalàna, hivelaram-pandrosoana. Hitahy
anao anie ny tompo ka hampahery anao hatrany.
Eto am-pamaranana, dia indro ry Neny misy mari-pahatsiarovana kely atolotray ho anao
hanehoanay ny hafalianay. Ekeo ka ataovy toa loha-pary avy amin,andriana ka sitrahina fa
tolotr’olo-malaza. Zay no vitan’ireto zanakao, ka indro oroka mamy no hamenoanay azy.
Misaotra ry neny malala. Hitahy anao anie ny Ray.

You might also like