You are on page 1of 1

🛑 Sao mahasoa antsika @ fitaizana

✍🏻 Meizah
Be dia be ianareo no manontany ny fomba nitazainay an'ito olona faran'izay hendry
ito ka hizara fikafika kely aminareo za. Tenenko dien'ny eto fa zaza voalohany ato
aminay i Raphaël ary tena tsy mbola nisy zazakely nandalo tato fa dia atoroko ihany
aloha sao mahasoa.

- Hatramin'ny nahaterahany dia natao nahaleo tena foana izy. Tsy natao niraiki-po be
taminay tsirairay. Feno fitiavana foana anefa ny fiainany fa efa nampiomanina izy hoe
rien est éternel. Nampianarina azy kosa anefa fa ireto olona ireto dia tena
indispensable amin'ny fiainanao (za, ny dadany, papi sy mamie ary ny tonton sy
taties).

- Nampianarina nahay niara niaina tamin'olona hafa foana izy ary mitovy daholo ny
fanajana ny olona rehetra na madio na maloto. Tsisy hoe ry mpiasa, ry mainty ry fotsy
ry tsy manao kapa. Mitovy daholo.

- Ny base, bonjour merci pardon azafady tsy maintsy atao rehefa miaina. Fahalalam-
pomba no basen'ny fiainana.

- Mila madio, tsy manary fako raha tsy ao anaty poubelle....

- Tsy gaté velively. Izay misy dia hifaliana foana. Dia rehefa tsy misy dia mionona fa
indray andro any mbola hisy foana.

- Tsy kapohana izy fa resahana ohatran'ny olon-dehibe. Rehefa manontany izy de


valiana tsara tsy hanianiana dia tsy hadroadroana. (Manontany izy hoe inona no Ilana
4x4 dia manazava ianao hatramin'ny crabot).

- Tsy bedesina amason'olona izy. Oetina amin'ny toerana mitokana dia azavaina azy
ny hadisoana nataony.

- Azavaina azy daholo ny zavatra tsy mety aminy rehetra ary ny risque mety hitranga
raha mbola ataony. (Tsy midongy glace io fa hainy fa mankarary ny tendany zany).

- Hampianarina izy hanana patience. Mila miaritra vao mahazo vokatra. Mila miezaka
vao mahazo bravo.

- Tsy maninona na mbola tsy mahay mamaky teny aza tsy maninona na mbola tsy
mahay manoratra aza. Il a toute une vie devant lui pour apprendre... Tsy maika zany...
Rehefa épanoui dia izay...

Farany.... Tsy mbola nampitahaiko tamin'ny zanak'iza na iza io zanako io... Tsy aiko
ze any aloha... Fa ny ana io miavaka. Ny anareo koa. Dia tsy ampitahaiko.

You might also like