You are on page 1of 1

ANKATOKY NY FANDRAISANA:

MPANDRAY NY FANASAN’NY TOMPO SY KATEKOMENA: MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

LESONA 1 : I JESOA : MPANOMPON’ANDRIAMANITRA HO ANTSIKA

Handinika lohahevitra vaovao indray isika ao anatin’izao ankatoka izao dia ny MAHA
MPANOMPON’ANDRIAMANITRA ANTSIKA. Ka ny Lesona voalohany dia ny hoe “I JESOA:
MPANOMPON’ANDRIAMANITRA HO ANTSIKA”

Hoy ny Asan’ny Apostoly 3, 26: “Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo
voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.”

Tondroina ho Mpanompon’Andriamanitra i Jesoa eto. Raha mandinika ny atao hoe Mpanompon’Andriamanitra isika
araka izany aloha, dia i Jesoa no banjinintsika, alaintsika tahaka amin’izany fanompoana izany. i Jesoa tokoa na dia
Andriamanitra aza dia naka ny endriky ny mpanompo (Fil 2, 7) mba ho hitantsika izay endriky ny fanompoana
mendrika an’Andriamanitra.

Toy ny ahoana moa i Jesoa raha tondroina hoe Mpanompo eto?

1. MPANOMPO NATSANGAN’ANDRIAMANITRA

Heviny: mpanompo velona, tsy sanatria akory mbola mitoetra ao am-pasana na efa tratry ny lo, fa efa
natsangan’Andriamanitra. Ny fandresena ny fahafatesana dia midika ho fandresena ny herin’ny ota.

Fampiharana: Hialao ny faharatsiana. Fa raha olona mino an’i Jesoa isika dia hoy Izy hoe: “Izay rehetra velona ka
mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay”. Izay mino an’i Jesoa araka izany dia efa velona indray. Efa ao amintsika ny
hery hialana amin’ny ota. Tsarovy fa masina Andriamanitra ka fanompoana amin’ny fahamasinana no mendrika Azy.
Ny faharatsiana eto dia mizara roa:

Inona no faharatsiana
- Misy ny faharatsiana iombonana (fialaNAREO REHETRA amin’ny faharatsiaNAREO).
iombonantsika na iombonanareo tokony hibebahantsika na ibebahanareo?
- Misy ny faharatsiana anao manokana (isam-batan’olona). Inona no faharatsiana tokony hibebahako na
hibebahanao eo anatrehan’Andriamanitra?
2. MPANOMPO NIRAHIN’ANDRIAMANITRA

Heviny: i Jesoa raha tonga teto amin’izao tontolo izao dia hoy ny nambarany: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho
mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'Izay naniraka Ahy” Jaona 6, 38. Ny iraka rehetra dia misy baiko voarainy avy
tamin’ny mpaniraka azy, ary izany no tanterahiny.

Fampiharana: Ataovy izay nanirahan’Andriamanitra anao. Sanatria ve dia hisy mpitandrina na birao na diakonina,
mpiandry, mpandray ny fanasan’ny Tompo tsy mahalala izay nanirahan’Andriamanitra azy? Na koa mahalala fa tsy
manao? Na koa manao ihany fa tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra?

Inona no nanirahin’Andriamanitra ahy na izaho ka tsy ataoko na ataonao?


3. MPANOMPON’ANDRIAMANITRA HO ANTSIKA

Heviny: “nirahina voalohany aminareo” i Jesoa hoy i Petera eto. Izay voatondro hoe “aminareo” eto dia ny Jiosy, izay
firenena voafidy. Isika izao koa raha manaiky fa mpianatr’i Jesoa isika dia olom-boafidy. Hoy Izy: “ Tsy hianareo no
nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo...” Jao 15, 16

Fampiharana: Raiso i Jesoa. Nomena ho antsika i Jesoa mba hamonjy antsika (Jao 3, 16). Nomena ho antsika i Jesoa
mba ho Tompontsika, ka hahatonga antsika ho mpanompo izay natsangany koa ary irahiny hanao ny sitrapony.

Efa noraisinao ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao ve i Jesoa?


VAVAKA IFARIMBONANA

You might also like