You are on page 1of 1

ANKATOKY NY FANDRAISANA: MPANDRAY NY FANASAN’NY TOMPO SY KATEKOMENA: MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

LESONA 3: MPANOMPON’ANDRIAMANITRA AFAKA TAMIN’NY OTA

Teny Fitarihana

Ry havana Malala, ny ankatoka tahaka izao ho antsika araka izay efa natombotsika indroa ankatoka izay dia
miompana amin’ny fandinihantsika tena amin’ny maha Mpanompon’Andriamanitra antsika. Ny lesona farany moa
dia ny hoe : “MPANOMPON’ANDRIAMANITRA FANTATRY NY DEVOLY”, mampahatsiahy antsika fa manam-pahavalo
isika, tena misy ny devoly ary tsy maintsy miomana hiady aminy isika; ary koa, natao hanoro ny lalam-pamonjena
tokana isika dia i Jesoa ka sady tsy manompo sampy no tsy mampanompo sampy ny olona. Anio, lohahevitra vaovao
indray no dinihina dia ny hoe: MPANOMPON’ANDRIAMANITRA AFAKA TAMIN’NY OTA

Vakio: Rom 6, 20-23

Ny epistily ho nosoratan’i Paoly ho an’ny fiangonana tao Roma ry havana dia taratasy nanomana ny kristianina tany
an-toerana ny amin’ny hahatongavany any. Io taratasy io dia ambaran’ny mpandinika fa famelabelarana feno
indrindra momba ny hafatra tian’i Paoly hampitaina. Ny ampitainy eto moa dia ny hoe ny
mpanompon’Andriamanitra dia efa afaka tamin’ny ota. Ireto zavatra roa ireto no manamarika ny fiainan’ny olona
afaka tamin’ny ota izany araka izay hita eto:

1. MPANOMPON’ANDRIAMANITRA MIZOTRA AMIN’NY FAHAMASINANA

Jereo tsara fa misy fiovana lehibe hitantsika eto ho an’ny kristianiana. Raha nantsoina hoe “Mpanompon’ny ota” izy
teo aloha dia tonga “Mpanompon’Andriamanitra”. Ny teny hoe “mpanompo” moa eto dia tena manondro mihitsy ny
hoe “andevo”, tsy tompon’ny tena fa entin’ny ota amin’izay hitiavany azy. Fa rehefa tonga ao amin’i Jesoa Kristy kosa
dia tonga mpanompo “afaka”, ka tsy ny ota intsony no mibaiko azy fa Andriamanitra. Ary izany no mampiavaka ny
mpanompon’Andriamanitra, afaka tamin’ny herin’ny ota ka afaka manohitra ny fahotana noho ny amin’i Jesoa
Kristy. Olona miavaka amin’ny hafa isika, tsy noho ny faniriantsika anefa fa noho ny safidintsika hanompo
an’Andriamanitra, ka Izy mihitsy no mampiavaka antsika. Ary izany fiavahana izany no antsoina hoe “fahamasinana”.
Ny mpanompon’Andriamanitra dia kristianina marina, nahazo fiainana vaovao. Ny tena manompon’Andriamanitra
izany dia afaka miteny toy izao: FAHINY AHO............................................... FA ANKEHITRINY KOSA AHO
DIA ...................................

Miavaka amin’ny olon’izao tontolo izao isika. Inona no zavatra ataon’ireo tsy mpino mpiara-monina na
mpiara-miasa aminao ka iavahanao aminy satria tsy mba ataonao?
Tsy mijanona hatreo fotsiny anefa izany maha-mpanompon’Andriamanitra antsika izany fa:

2. MPANOMPON’ANDRIAMANITRA MIZOTRA MANKANY AMIN’NY FIAINANA MANDRAKIZAY

Ny “fiainana mandrakizay” dia ny fiainan’Andriamanitra omeny izay mino an’i Jesoa zanany. Omeny ankehitriny izany
(1 Jao 5, 10-12); nefa koa homeny amin’ny fahafenoany amin’ny Farany ao amin’ny Fanjakany rahatrizay, araka ny
hitantsika eto amin’ity Rom 6, 22 ity.

Tsarovy àry fa manana fiainana mandrakizay isika. Tandremo sao amidy satria ny fiainana hono tena lafo ankehitriny
ka amidinao ny anao. Azony ny fiainana mandrakizay fa aza atakalo ny fiainana an-tany izay mandalo ihany.

Toy ny ahoana tokoa moa ny olona mahafoy ny fiainana mandrakizay izany ka manakalo azy amin’ny
fiainana an-tany?

FANDINIHANTENA: Mpanompon’Andriamanitra afaka tamin’ny ota hianao: Mizotra amin’ny fahamasinana ve?
Mizotra ho any amin’ny Fiainana mandrakizay ve?

VAVAKA MANGINA: Fisaorana, Fibebahana ary fanavaozam-panoloran-tena

You might also like