You are on page 1of 1

TORO-HEVITRA HIVOAHANA AMIN’NY OLANA MISY ANKEHITRINY

1) Ny dinika ambony latabatra boribory ihany no ahafahana mijery vaha-


olana maharitra amin’izao savorovoro misy eto amin’ny tany sy firenena
izao izay andraisan’ireo kandida sy ny vondron-kery samihafa ary ny
fikambanana mijoro eto amin’ny firenena.
2) Angatahana ny fijoroan’ny fitsarana amin’ny fampiharana ny lalana
velona momban’ny lalam-pifidianana misy eto amin’ny tany sy ny
firenena mba ho eken’ny rehetra.

3) Angatahana ny fijoroan’ny mpitandro filaminana hampanjaka ny rariny


sy ny hitsiny ary ny lalam-panorenanana ka hampitsarahatra ny
fampiasan-kery amin’ny malagasy mpiray tanindrazana.
4) Atsahatra ny fifampihatsiana etsy sy eroa hisoroana ny ady an-trano.
5) Atsahatra aloha ny fifidianana mandrapahita vahaolana sy filaminana.
6) Angatahana hatrany ny firaisankinan’ny malagasy rehetra mba ahazoana
fitoniana mandritran’ny fifidianana.
7) Hisaorana hatrany ireo vondrona tonga saina rehetra izay mikaon-doha
mitady vahaolana amin’izao savorovoro izao.
Madagasikara, faha 10 Novambra 2023

You might also like