You are on page 1of 2

ALAROBIAN-DAVENONA

Fanao loterana ve ny ALAROBIAN-DAVENONA? Inona no dikany? Ara-tSoratra Masina ve ny


fanaovana azy?

Ny alarobian-davenona dia fomba fanaon’ireo Fiangonana ara-tantara toy ny Katolika, ny


Metodista, ny Presbyteriana ary ny Loterana. Tamin’ny voalohany dia nantsoina tamin’ny teny
latina hoe: "dies cinerum" midika hoe: "andron’ny lavenona" izy io ary efa hita fa fanaon’ny
Fiangonana hatramin’ny taonjato faha-8 araka ireo tahirin-tsoratra hita.

Ny alarobian-davenona dia fanombohan’ireo 40 andro antsoina hoe “lent” (efa manana teny
Malagasy amin’izany ve ny FLM?) ny katolika dia mampiasa ny hoe “karemy”. Azonao atao ny
mikajy izany satria ny 05 Avril ohatra no Paska dia 18 Febroary no alarobian-davenona. Ny
“lent” dia manambara vavaka, fibebahana, fanenenana noho ny ota sy ny fanavaozana
aterak’izany eo amin’ny fiainan’ny mino amin’ny alalan’ny finoana.

Raha "année bissextile" ny taona 2012 dia lasa 45 ny andro manelanelana ny alarobian-davenona
sy ny Paska (alahady). Rehefa tsy bissextile kosa ny taona dia 44 andro io elanelana io.

Ny alarobian-davenona dia marihina amin’ny alalan’ny fanosoran’ny pastora lavenona


miendrika hazofijaliana eo amin’ny handrin’ny kristiana. Ny lavenona dia mampahatsiaro ny
fomba fanao hita ao amin’ny TT mikasika ny fibebahana. Rehefa nibebaka ny olona ao amin’ny
TT dia mihosotra vovoka sy miakanjo fisaonana (akanjo tsotra sy tsy marevaka). Alainy ny
vovo-tany dia hahosony ny lohany sy ny vatany mba hampiseho fa malahelo sy manenina noho
ny fahotany izy (jereo Job 42:6; 2 Sam 13:19; Est 4:1,3, Isa 61:3; Jer 6:26; Eze 27:30, Dan 9:3).
Jesosy tenany koa manambara mikasika izany ao amin’ny Mat 11:21: “Lozanao, ry Korazina!
Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo
aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.” (Mat 11:21)

Io no fototra niavian’ny alarobian-davenona. Tadidio fa ireo alahady mandritra ny “lent” dia


manambara fibebahana sy fifonana amin’ny fahotana ka tsy mahagaga raha naka zavatra hita
maso avy tany amin’ny TT ny Fiangonana mba hanehoana sy hampahatsiarovana ny kristiana fa
mpanota izy ary mila mibebaka alohan’ny hanatonany ny latabatra masina amin’ny Fanasan’ny
Tompo.

Ahoana no fomba ahazoana ny lavenona? Maro amin’ny fiangonana no mandoro ireo sampan-
drofia nankalazana ny “alahadin’ny sampan-drofia” mba hakana ny lavenona. Tamin’ny Andro
Antenantenany dia nafafy tamin’ny lohan’ny kristiana ny lavenona sady miteny ny Pastora hoe:
“fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao” (Gen 3:19). Taty afara dia
nahosotra teo amin’ny handrina sady miteny io teny io ihany ny Pastora. Mankeo amin’ny alitara
ny kristiana ary eo no anaovana izany fombafomba izany.
Ny vovoka dia manambara fa vovoka isika ary manmbara koa fa namboarina avy amin’ny
vovoka ka hiverina vovoka ary tena ho faty tokoa raha tsy mibebaka. Ny hazofijaliana indray dia
manambara fa izay mibebaka ny fahotany dia mahazo famelan-keloka avy amin’i Jesosy noho ny
hazofijaliana izay nitondrany ny fahotan’ny mpanota rehetra. Maro amin’ny krstiana no tsy
manasa io marika eo amin’ny handriny io, tsy hoe hisehosehoana akory fa mba
hampahatsiarovana ny manodidina sy izay mihaona aminy fa vovoka izy ary mila mibebaka mba
tsy ho tara. Ny FIBEBAHANA sy ny MAHA VOVOKA (olona ho faty) antsika no tena hevitry
ny Alarobian-davenona.
Tadidio fa tsy voalaza ao anaty Soratra Masina akory izany fanosorana lavenona amin’ny
handrina izany ary tsy nandidian’Andriamanitra antsika koa. Noho izany dia malalaka ny
kristiana na hanao izany izy na tsia. Fombafomba "symbolique" fotsiny ihany izany ary tsy
ahazoana famonjena ary tsy mahavery ny tsi-fanaovana azy.

You might also like