Didy faharoa: “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao fa tsy
ataon’i Jehovah tsy hanan-tsiny tokoa izay manonona foana ny anarany”. Raha ny fo no ampianarina ao amin’ny didy voalohany dia ny lela indray kosa no ahitsy eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny didy faharoa: ny vava no ampianarina. Hoy ny Ntaolo malagasy: “Tandremo ny vava leiretsy fa ny vava anie ka toa voron-damba mitriatra atsy, mitriatra eroa, ny vava anie ka alakaosy raha tsy manoto olona manoto tena; fa vava soa sakafo, teny ratsy adidy; ny vava anie ka toy ny salaka, ny tompony ihany no afatony; fa tsy misy melo-batana fa izay melo-bava no melo-batana; ny vava tsy ambina no hahitan-doza; izay manta vava no manambara ny afenina ary izay ataon’ny vava no maningotra ny aina…” “Tandremo leiretsy ny lela ka manaova soa, raha manao soa mbola tanora, misy ho enti mihaantitra misy ho enti-maty, ka izany no hanaovana hoe: manaova soa mba tsy hohadinoina, fa ny soa atao orim-bato, ny soa atao vatsy zaraina…” Tsarovy fa toy ny olona mihinan-trondro ny fiainana ka samy manala ny taolana am-bavany. Tadidio fa tsy misy olona mamon’ny toaka am-bavan’ny hafa. Tandremo tsara àry ny lelanao mba tsy ho tahaka ny lelan’omby: hilelaka ny trafony, ny lelany; hihaotra ny tongony, ny lelany; hiditra an-korony, ny lelany; hiraoka ny hanina hiditra am-bavany, ny lelany. Tandremo fa ny nenina anie ka tsy omby hasesy aloha fa alika manaraka afara. Koa aza manonona foana ny anaran’i Jehovah, fa tsy maintsy hotsaraina ny olona ary tsy hisy ho afa-maina ny amin’ny teny foana izay naloaky ny vavany. Koa raha miteny isika dia aoka hiteny toy ny miteny Tenin’Andriamanitra, dia ho Filazantsara velona eto amin’ny tany sy Firenena tokoa isika. Amin’ny anaran’i Jesosy, amena.