You are on page 1of 62

0

MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA
SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

ONIVERSITEN’I TOLIARA

TOERAM-PIANARANA AMBONY
MOMBA NY TENY AMAN-TSORATRA SY NY
SIANSA MAHA OLONA

SAMPANA TENY SY LAHABOLANA ARY


RIBA MALAGASY

NY FEHEZANTENY TSOTRA
SY NY FEHEZANTENY MARO LAFY

Asa fikarohana Mémoire de Maîtrise ès Lettres,


natolotry Ramatoa kely RAZAFINANTENAINA Judith,

teo ambany fitarihan’Andriamatoa TSIMILAZA Alphonse,

Maître de Conférences

20 Janvier 2012

Taom-pianarana 2006-2007
1

TENY FANOLORANA

Mahafaly ny tenanay ny manolotra izao andram-pikarohana izao, andram-pikarohana izay


entina ho anjara biriky eo amin'ny fandinihana, fahalalana ary fampivoarana ny teny.

Sehatra iray azo itarafana ny maha firenena ny firenena ny teny, satria izany teny izany no
isan'ny fitaovana maneho sy mirakitra ny antsipiriam-piainana sy ny lafin-javatra maro misy
amin'io firenena io. Noho izany dia zava-dehibe ny fandinihana sy fanaovana asa fikarohana
momba ny teny.

Efa maro ireo mpanao asa fikarohana no mirotsaka an-tsehatra amin'ny asa fampandrosoana
sy fikolokoloana ny teny. Samy manana ny sehatra anompanany ny fandinihana ny teny ireo
mpikaroka ireo. Ny fandinihana eo amin'ny lafin'ny fifehezanteny no nosafidinay hitondrana ny
fikarohana natao. Tsy hoe tsy nisy ny nandinika teo amin'ny lafin'ny fifehezanteny fa hoy ny ntaolo
hoe “Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana”. Ka ho fandraisanay anjara amin'ny
fanatevenana ny asa fikarohana momba ny teny dia indro arosonay ny voka-pikarohana kely mba
vitanay izay nomena ny lohateny hoe : Ny fehezanteny tsotra sy ny fehezanteny maro lafy. Tsy
mihambo ho nahalavorary izahay ary tsy milaza ho nahatontosa koa; fa amin'ny maha mbola zaza
vao miana-mandeha anay dia tsy maintsy misy ny tsy fahalavorariana ato anatin'ity asa ity. Dia
manolotra fisaorana an'ireo rehetra izay nanampy tamin'ny asa izahay.

Toloranay fisaorana eram-po, eran-tsaina Andriamatoa TSIMILAZA Alphonse,


mpampianatra mpikaroka izay nanaiky nitarika sy nitantana anay tamin'ity asa ity. Izy no angady
nananana sy vy nahitana izao asa izao. Nahafoy tena tokoa izy, tsy nitandro hasasarana, nahafoy
fotoana sy andro tamin'ny fanampiana, fanoroana lalana, fanitsiana anay na dia betsaka aza ireo
adidy aman'andraikitra iantsorohany. Koa fisaorana lehibe no atolotray azy fa tsy niseho
masoandro akory izao asa izao raha tsy teo izy.

Toloranay fisaorana koa Ramatoa RANOROSOA Noeline, mpampianatra mpikaroka,


Talen'ny Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy izay nandrisika anay ny mba hahavitana
ny asa sy nankahery mandrakariva tamin'ny fanaovana ny asa.
2

Toloranay fisaorana ireo mpanabe isan-tsokajiny izay samy nitaiza anay tato amin'ny
SteLaRiM ka nahatonga anay tamin'izao dingana izao.

Farany, toloranay fisaorana ireo havana izay nampahery sy nanampy anay mandrakariva
tamin'ny fanaovana ny asa. Sitraka enti-matory ka hovaliana raha mahatsiaro izany.
3

TENY FAMPIDIRANA

Manana ny fomba fandinika nentina nanatanterahana azy ity asa fikarohana ity. Ankoatra
an'ireo fomba fiasa fahita isan-karazany handinihana ny fifehezanteny dia ny tsikera ara-
pananahana sy ara-piofohana no sehatra iasana amin'ity asa fikarohana ity. Maro ireo mpandinika
nikaroka momba ny fifehezanteny. Iry ireo dia samy manana ny fomba fiasa nampiasainy. Ny
fomba fandinika izay nampiasain'i Noam Chomsky, Jean Dubois, Christian Nique, Nicolas Ruwet
sy ireo mpanara-dia azy ireo no arahina eto. Ireo mpandinika ireo dia nandalina momba ny tsikera
ara-pananahana sy ara-piofohana.

Miompana amin'ny fandinihana ny “fehezanteny tsotra sy ny fehezanteny maro lafy” ny asa.


Ny fiforonan'ny fehezanteny maro lafy avy amin'ny fehezanteny tsotra no ifotorany. Raha lazaina
amin'ny fomba hafa izany dia azo atao hoe: ny fananahana ny fehezanteny maro lafy avy amin'ny
fehezanteny tokan-dafy no ijoroan'ny asa. Ny atao hoe fehezan-teny tsotra dia fehezanteny fohy
indrindra, tsy ahitana afa-tsy lazaina tokana ary enti-milaza tokana; io no lafiny iray; ny atao hoe
fehezanteny maro lafy dia fehezanteny ahitana lazaina roa na mihoatra an'izany ary enti-milaza roa
na mihoatra an'izany ihany koa. Raha vavarana ny fehezanteny maro lafy dia manome fehezanteny
tsotra roa na mihoatra.

Mba hampazava ny fandinihana, dia ireo fehezanteny teraka avy amin'ny fehezanteny roa
mahaleo tena no anompananay ny asa. Ny fehezanteny maro lafy rehetra dia miforona avy amin'ny
fitambaran'ny fehezanteny roa mahaleo tena na fitambaran'ny fehezanteny betsaka noho izany ny
isany fa mitambatra tsiroroa. Ao anatin'ireny karazam-pehezanteny ireny dia ahitana voanteny
manakambana ireo fehezanteny niandohana ho tokana. Ireo voanteny ireo dia mpampitohy na
mpampiankina. Ato anatin'ity asa ity no anavahana azy ho mpampitohy na mpampiankina.

Ny mpampitohy dia mpanakambana voanteny na andianteny mitovy sokajy sy mitovy anjara


asa. Ny mpampiankina kosa dia voanteny manakambana teny na andian-teny tsy mitovy sokajy
sady tsy mitovy anjara asa. Eo amin'ny fehezanteny maro lafy dia mety ho takona ny tapaky ny
fehezanteny. Nosafidina ny tsikera an-pananahana sy ara-piofohana hanatontosana ny asa satria
ireo tsikera ireo no noheverina fa hahafahana manazava ny fiforonan'ny fifehezanteny maro lafy
avy amin'ny fehezanteny tsotra. Ahafahana manazava tsara ny firafitry ny fehezanteny, tsotra na
maro lafy, ny tsikera ara-pananahana. Hoy I Christian Nique:
4

"La grammaire générative ne se veut pas descriptive, mais explicative, et les linguistes,
comme tous les chercheurs, émettent des hypothèses qu'ils essaient de vérifier dans leurs
travaux."(C. NIQUE, 1976, t. 13)

Azo adika toy izao io andininy notsongaina io: Tsy mikatsaka fitanisana ny tsikera ara-
pananahana fa mikatsaka fanazavana, ary ny mpahay teny, toy ny mpikaroka rehetra, dia mamoaka
petra-kevitra izay tadiavin'izy ireo hohamarinina amin'ireo asany.

Io finiavana hanazava no anisan'ny toetra mampiavaka ny tsikera ara-pananahana ka


mahatonga ny mpandala hanombana ireo paika samy hafa entina mamorona fehezanteny:
famolavolana fitsipika, kisary, raki-pohy, miaraka amin'ny eva isan-karazany.

Ny tsikera ara-piofohana kosa dia mahazava tsara ny fananahana ny fehezanteny maro lafy
avy amin'ny fehezanteny tsotra.

Mampiasa ny ataon'ny Profesora Rabenilaina hoe saina tselatra izahay amin'ny fanatontosana
ny asa. Nampiasa ny fahaizanay ny teny malagasy izahay tamin'ny famoronana ireo fehezanteny
nodihina. Azonay antoka fa marim-pototra ireny fehezanteny noforoninay ireny amin'ny maha
tompon-teny anay.

Notsinjaraina toy izao ny drafitra nentina hamakafakana ity asa ity :

Fizarana voalohany : Ny famantarana ny fehezanteny tsotra sy ny fehezanteny maro lafy.


Ampiasaina ato amin'ity fizarana ity ny sivana ahafahana manasokajy ny karazam-pehezanteny
tsotra sy ny maro lafy, indrindra eo amin’ny firafitr'izy ireo.

Fizarana faharoa : Ny fiforonan'ny fehezanteny maro lafy. Aseho indrindra indrindra ato
amin'ity fizarana ity ireo fomba na tetika entina mamorona na mananaka ny fehezanteny maro lafy
miainga amin'ny fehezanteny tsotra.

Na ny fizarana voalohany na ny fizarana faharoa dia samy anehoana ny olana ateraky ny


fandinihana ny fehezanteny tsotra sy maro lafy ary misy amin'izany olana izany natsidika fotsiny fa
tsy nahitam-baliny.
5

FANAFOHEZAN-TENY

Tsara ny manambara mialoha fa ny fanafohezan-teny hita ato amin'ity asa ity dia tsy zavatra
noforonina fa ireo izay efa nampiasain' ireo zoky teo aloha, indrindra ny novolavolain'ny Profesora
Rabenilaina sy ireo manaraka azy, na dia nisiam-panovana kely aza izy ireo. Mba tsy
hananosarotra amin'ny famakiana ny asa dia indro hasehonay eto am-mpiandohana izy ireo :

F: fehezanteny
M: matoanteny
VM : vondrona matoanteny
VA : vondron'anarana
TM : tarika matoanteny
TA: tarika anarana
Tt : tsirin- teny
Ft: mpamari-toetra
S: mpanoritra
A: anarana
RO : mpampitohy
RK: mpampiankin-teny
6

FIZARANA VOALOHANY

NY FAMANTANTARANA NY FEHEZANTENY

TSOTRA SY NY FEHEZANTENY MARO LAFY


7

I.0 FANAMARIHANA ANKAPOBENY

Hita ato anatin'ity fizarana voalohan'ny asa ity ny fandrasana ny fehezanteny tsotra sy ny
fehezanteny maro lafy. Ny fehezanteny tsotra no fototra iforonan'ny fehezanteny maro lafy. Izany
dia hita amin'ny alalan'ny firantsanan'ny fehezanteny. Ny fandrasana ara-drafitra ny fehezanteny,
ny fanasilahana no ahitana io firantsanana io.

Ny fandrasana ara-drafitry ny fehezanteny dia fanehoana ny endrika aman-toetoetry ny tarika


na silaka sy ny anjara asan'ny teny amam-pehezanteny.

Ny tsikera ara-drafitra na ny hairafitra natombok’i L. Bloomfield, mpahay teny amerikana,


no anisan'ny lalan-tsaina ianteherana ato amin'ny asa. Immediate Constituent Analysis, hafohezina
hoe ICA no iantsoan'ny Amerikana azy io. Fandrasana ho sila-bantany no azo andikana azy na
fitsipi-pitenenana ara-tarika ihany koa. Io fomba fandinika io no loharano nipoiran'ny fitsipi-
pitenenana ara-piofohana (Z. Harris) sy ny fitsipi- pitenenana ara-pananahana sy ara-piofohana (N.
Chomsky sy ny tariny).

Ny tena mampiavaka izany tsikera izany amin'ny haiteny ara-drafitra dia izy io azo
ampiasaina hanehoana ny rafitry ny fehezanteny amin'ny alalan'ny lamina iraymampilahatra sy
mampifampiditra ny teny. Mifampiditra hatrany ny tarika ao anaty fehezanteny iray ka amin'ny
farany dia mamorona na miteraka an'ilay fehezanteny manontolo. Azo atao ny maneho an-tsary ny
firafitry ny fehezanteny amin'ny alalan'ny lazain'ny mpandala ny haiteny ara-pananahana hoe
fitsipi-pitenena na amin'ny alalan'ny sary. Ahitana ny fifampifehezan'ny tari-teny ao anatin'ny
fehezanteny ireo fomba fandrasana ny fehezanteny ireo.

Araka an'ireo mpahay teny ara-pananahana, ny atao hoe fitsipi-piterenana dia fitambaran'ireo
fitsipika entina mamorona ny fehezanteny. Ny fitsipika anankiray dia ahitana ny tari-teny
hoforonina ankavia, ny tsilo eo afovoany ary ny teny enti-mamorona ny tarika eo ankavanan'ny
tsilo. Eo amin'ny fisainan'ny mpandala ny hay teny ara-pananahana, ny tari-teny eo ankavian'ny
tendro dia maneho ny andianteny hoforonana na hateraka; matetika dia aseho amin'ny alalan'ny
tarehin-tsoratra vaventy misolo ny tarika izy io; ny tsilo dia famantarana  entina maneho ny
famoronana ny tarika; matetika, ahitana tarehin-tsoratra misolo tari-teny roa na mihoatra atohin'ny
famantarana + eo ankavanan'ny tondro. Amin'ny farany. dia voanteny tokana no eo ankavanan'ny
8

tendro. Azo raisina ho ohatra ny fananahana ny fehezanteny Mandinika ny mpikaroka maro. Toy
izao ny fitsipi-pitenenana azo amoronana io fehezanteny io:
FTM+TA 1
TMTt+A 2
TA S+VA 3
VA A+Mt 4
FP (F)
A dinika, mpikaroka 5
Tt man- 6
S ny 7
Ftmaro 8

Lamina no azo ilazana ny endri-tsary. Fitambaran'ny fitsipika ny lamina.

Toy izao ny vakin'ireo tarehin-tsoratra sy eva ao anatin'ny lamina: FP(F) = fitsipi-


pananahan'ny F, F = fehezanteny, TM = tarika matoanteny, TA = tarika anarana, VA =
vondron'anarana, A = anarana, Tt tsirinteny, S = mpanoritra, Ft = mpanoritra. Ny eva  dia
manondro ny hetsika hatao, ny eva  dia manondro fitambarana , ny tarehi-marika dia maneho ny
laharana.

Marihina fa samy hafa dia samy hafa ny hevitra fonosin'ny lamina eo amin'ny mpandala ny
haiteny ara-drafitra sy ny mpandala hay teny ara-pananahana. Ho an'ireo voaloahany, ny lamina dia
maneho ny firasan'ny fehezanteny F; ho an'ireto farany, dia maneho ny tetika entina mamorona na
mananaka ny fehezan-teny ny lamina. Raisina ho ohatra ny fitsipika voalohany. Ho an'ny mpahay
teny ara-drafitra, io fitsipika io dia mifono hevitra hoe: Ny fehezanteny dia mirasa na misilaka ho
tarika anarana sy tarika matoanteny ho an'ny mpahay teny ara-pananahana kosa, io fitsipika io dia
mifono hevitra hoe: raha hamorona ny fehezantery F, dia apetraka aloha ny tarika matoanteny, dia
apetraka manaraka azy ny tarika anarana.

Ny fomba fijery ara-pananahana no itondrana ity asa ity, kanefa tsy ampifanoherina amin'ny
fijery ara-drafitra izany setria azo ampifandraisina ireo fomba fijery anakiroa ireo. Amin'ny
ankapobeny, ny firasan'ny fehezanteny ihany no ampiasaina entina mamorona fehezanteny.
9

Azo aseho amin'ny alalan'ny sary hafa noho ny endri-tsary hita eo ambony ny fisilahan'ny
fehezanteny. Maro ny fanehoana an-tsary naroson'ny mpahay teny azo anasilahana ny fehezanteny,
anisan' izany ireto efatra ireto:

a Ny endrika vatakely : Hocket


b Ny endrika petatsoratra: Harris
d Ny endrika fononteny: Wells
e Ny endrika hazo : Chomsky

Hojerena tsirairay ireo endrika ireo amin'ny alalan'ity ohatry fehezanteny anankiray ity:.
Mandinika ny teny malagasy ny mpikaroka maro.

I.1 - Ny endrika vatakely (Hocket)

Toy izao no azo anehoana io fehezanteny io arnin'ny vatakely:

Man- dinika ny teny Malagasy ny mpikaroka maro


8 9 10 14 15 6 12 13

teny malagasy

Mandinika ny teny Malagasy mpikaroka maro


4 5 7

mandinika ny teny Malagasy ny mpikaroka maro


2 3

mandinika ny teny malagasy ny mpikaroka maro


1

Raha vakina atambatambatra ny fizarazaran'ny vatakely dia manome ao ny vata faratampony,


dia ny fehezanteny. Ohatra, ny tarika singan-teny teny (vata-kely 14) dia mitambatra amin'ny tarika
singan-teny malagasy (vata 15) mba hamorona ny tarika teny malagasy (vata 11). Ny tarika singan-
teny ny (vata 10) dia mitambatra amin'ny tarika teny malagasy (vata 11) mba hanome ny tarika ny
teny malagasy (vata 5). Ny tarika singan-teny mandinika (vata 4) dia mitambatra amin'ny tarika ny
teny Malagasy (vata faha 2). Ny tarika mandinika ny teny malagasy (vata 2) dia mitambatra
10

amin'ny tarika ny mpikaroka maro mba hanome ny fehezanteny manontolo Mandinika ny teny
malagasy ny mpikaroka maro.

I.2 Ny endrika petatsoratra (Harris)

I Harris dia mihevitra fa tokony homena anarana tsirairay ireo hevitra ao anatin’ny sary.
Izany no atao hoe petatsoratra, mitanisa ny sokajim-pehezanteny. Azo raisina ho ohatra amin'izany
ny petatsoratra mifandraika amin'ny sary vatakely.

Man- dinika ny teny Malagasy ny mpikaroka maro


8 9 10 14 15 Mpanoritra anarana Mpamari-
toetra
Tsirin- Anarana Mpanoritra Vondrona
teny anarana
Matoanteny Tarika anarana Mpanoritra Vondrona anarana

Tarika matoanteny Tarika anarana

Fehezanteny

I. 3 Ny endrika fononteny (Wells)

Fononteny mampifampiditra no ampiasaina eto. Ny fononteny mifampiditra no maneho ny


fisilahana na fizarazaran'ny fehezanteny. Samy azo ampiasana tarehimarika mba hanamorana ny
famakiana azy na ny fanehoana amin'ny endrika vatakely na ny fanehoana amin'ny endrika
fononteny. Azo ampiasaina ny tarehintsoratra am-piandohan-teny ho solon'ny petatsoratra. Ohatra:

( ( ( (Man-) (dinika) ) ( (ny) (teny) (malagasy) ) ) ) ( (ny) ( (mpikaroka) (maro) ) ) )


1248 89 8 4 5 10 10 14 14 15 15 11 5 2 3 6 6 7 12 12 13 13 7 3 1

F TM M TT TT A A M TM TA S S A A TA F
( ( ( ( Man- ) (dinika) ) ) ( ( ny ) ( mpikaroka ) ) )
1 2 4 7 7 8 8 4 2 3 5 5 6 6 3 1
11

I.4 Ny endrika hazo (Chomsky)

Sary hafa no naroson'i Chomsky ny fandrasana ny fehezanteny ho silany maromaro sy ny


fidiran'ireo silany ireo ao anatin'ny sokajin-tsilany na tarika. Izany sary izany dia miendrika hazo
na diagrama mirantsana hanehoana.

TM TA

M TA S VA

Tt A S VA A Ft

A Ft

Man- dinika ny teny malagasy ny mpikaroka maro

Maneho silany iray avy ny tonony amin'io hazo. Ny fakany ao ambony no maneho ny silany
ambony indrindra. Ny tonony farany ambany kosa no maneho ny silany kely indrindra kely
indrindra

Maneho ny fanasilahana ny fehezanteny ny sary raha toa ka dinihina avy amin'ny


fehezanteny manontolo mankany amin'ny silany kely indrindra. Maneho ny famoronana ny
fehezanteny kosa izy io raha raisina avy amin'ny silany kely indrindra ny fandinihana azy ka
faranana amin'ny fehezanteny manontolo.

Eo amin'ny lafiny siantifika, mitovy ny lanjan'ny endrika samy hafa anehoana ny fisilahan'ny
fehezanteny. Eo amin'ny lafiny fampianarana kosa dia manatombo ny sary hazo noforonin'i
Chomsky noho izy maneho mazava ny fisilahana araka ny hita maso. Zava-dehibe amin'ny
fandrasana ara-drafitra ny fehezanteny ny fanehoana amin'ny alalan'ny hazo satria fanehoana ny
fisilaky ny fehezanteny ho tarika sy ny fisilaky ny tarika an-tohatra hatramin'ny singany kelikely
12

indrindra. Zava-dehibe ho an'ny tsikera ara-pananahana ihany koa ny sary hazo satria maneho ny
famoronana fehezanteny, ny fampiterahana fehezanteny, araka ny voalaza etsy aloha. Tsy inona
akory ny fehezanteny fa fitambaran'ny hasin-teny sy voanteny an-tohatra. Farany, zava-dehibe ho
an'ny tsikera ara-piofohana ny sary hazo satria maneho ny fomba ivadihan'ny fehezanteny mahaleo
tena ho fehezanteny miankina sy iankinana na ho fehezanteny mifampiankina.

Ity endrika hazo naroson'i Chomsky ity no sehatra hiasana ato anatin'ity asa ity.

I.5 Ny fehezanteny maro lafy

Fehezanteny tsotra no naseho tao amin'ny zana-pizarana voalohany. Aseho ato amin'ity zana-
pizarana faharoa ity ny fehezanteny maro lafy. Araka ny voalaza etsy ambony dia fehezanteny
vokatry ny fitambaran'ny fehezanteny roa mahaleo tena no dinihina hatrany hatrany. Fehezanteny
tokana ny fehezanteny maro lafy nefa ahitana lazaina roa sy enti-milaza roa. Misy karazany roa izy
ireo, dia ny fehezanteny mifampitohy sy ny fehezanteny mifampiankina. Misy rafitra iavahan'izy
ireo. Samy ahitana voanteny manambatra ny fehezanteny mifampitohy sy ny fehezanteny
mifampiankina.

Ao amin'ny fehezanteny mifampitohy, dia teny na andian-teny mitovy sokajy sady mitovy
anjara asa no atambatry ny voanteny mpanambatra; ao anatin'ny fehezanteny mifampiankina kosa
dia andian-teny mitovy sokajy na tsy mitovy sokajy no akamban'ny voanteny mpanambatra saingy
tsy mitovy anjara asa izy ireo. Fehezanteny mifampitohy no azo ilazana ny fehezanteny maro lafo
iasan'ireo voanteny mampitambatra teny na andian-teny mitovy sokajy sy mitovy anjara asa;
fehezanteny mifampiankina kosa no azo ilazana ny fehezanteny maro lafy iasan'ny voanteny
mampitambatra fehezanteny tsy mitovy anjana asa. Mpampitohy no ilazana ny voanteny
mampitambatra ny teny na andian-teny mitovy sokajy sy mitovy anjara asa ao anatin'ny
fehezanteny maro lafy; mpampiankina no ilazana ny voanteny manambatra ny fehezanteny
miankina sy iankinana. Fitohizana no azo ilazana ny toetran'ny fehezanteny maro lafy iasan'ny teny
na andian-teny mitovy sokajy sy mitovy anjara asa; fifampiankinana no azo ilazana ny toetran'ny
fehezanteny tsy mitovy aniara asa. Ao anatin'ny fehezanteny mifampiankina dia misy ny
fehezanteny miankina sy ny fehezanteny iankinana.
13

Haseho voalohany ato anatin'ny zana-pizarana voalohan'ny asa ity ny firafitry ny fehezanteny
mifampitohy, iasan'ny mpampitohy, dia haseho amin'ny manaraka ny fehezanteny mifampiankina,
iasan' ny mpampiankin-teny.

I.6 Ny fampitohizana na fandrohizana

Vokatry ny fampitohizana ny fehezanteny maro lafy mifampitohy. Ny fampiasana ny


voanteny atao hoe mpampitohy no amoronana ny fehezanteny mifampitohy. Araka ny hita
mandrakariva, ny mpampitohy dia ireo voanteny entina mampitohy teny roa na andian-teny roa
mitovy sokajy. Ireo teny atohy ireo dia mety ho anarana, mpamari-toetra, matoanteny. Ho hita ato
anatin'ny asa kosa fa fehezanteny aloha no atambatr'ireo voanteny tondroina amin'ny anarana hoe
mpampitohy ireo. Ireto misy vondron'ny mpampitohy : sy, sady, na, amin'ny, na...na, sady...no. Ny
hasongadina ato amin'ny zanapizarana ity ny fanakambanan'ny mpampitohy ny voanteny na
andian-teny mitovy sokajy sy mitovy anjara asa.

I.6.1 Fandinihana antsipiriany ny mpampitohy

Ohatra no entina manazava ny firafitry ny fehezanteny mifampitohy. Indro fehezanteny F:


Milalao i Bao i sy i Bozy. Maro lafy ity fehezanteny ity satria manana lazaina roa: i Bao no lazaina
voalohany ary i Bozy no lazaina faharoa. Ekena fa enti-milaza anankiray ihany no ao anatin'ny
fehezanteny, dia matoanteny milalao. Fantatra anefa fa io fehezanteny io dia teraka avy amin'ny
fitambaran'ny fehezanteny anankiroa: ny fehezanteny niandohana voalohany dia Milalao i Bao, ny
fehezanteny niandohana faharoa dia Milalao i Bozy. Azo vavarana toy izao ny fehezanteny F:
Milalao i Bao, milalao i Bozy, na Milalao i Bao sy milalao i Bozy. Hita araka ny fandrasana fa roa
ny enti-milaza ao anatin'ny fehezanteny Milalao i Bao sy i Bozy, roa ihany koa ny lazaina ao
anatiny, saingy takon' ila ny enti-milaza.

Fehezanteny maro lafy mifampitohy no misy eto satria iasan'ny voanteny mpampitohy ny
fehezanteny. Ny mpampitohy sy no miasa eto. Azo aseho amin'ny alalan'ny sary hazo ny maha
maro lafy ny fehezanteny Milalao I Bao sy i Bozy . Betsaka ny sary hazo azo anehoana ity
fehezanteny ity, nefa hoatra ny anankiray ihany no eken'ny sain'ny mpampiasa ny teny malagasy
ho marina, dia ity sary manaraka ity:
14

Sary voalohany

TM
VA

Tt A TA R0 TA

S A S A

Mi- lalao i Bao sy i Bozy

Manome ny fanasilahana ny fehezanteny F ity fanasilahana anankiray eto ity satria ahitana
miavaka tsara ny tarika matoanteny TM manondro ny enti-milaza sy ny tarika anarana TA
manondro ny lazaina. Ahitana ireo vondrona anarana roa VA ao anatin'ny TA. Mitovy tantana ireo
VA anankiroa satria fehezin'ny VA mivantana. Atambatry ny mpampitohy R0 ny TA anankiroa.

Misy fomba hafa azo anehoana ny fehezanteny F amin'ny maha tari-teny azy, araka ireto sary
manaraka ireto:
15

Sary faha 2

TM VA

Tt A TA TA

S a S A

A R0

Mi- lalao i Bao sy i Bozy

Sarotra inoana fa maneho marina ny fanasilahana ny fehezanteny F ny sary faha-2. Ekena fa


hita samy miavaka tsara ny TM sy ny TA, saingy ny fiasan'ny mpampitohy R0 sy no tsy hita. Tsy
hita miavaka tsara ny maha mpampitohy anarana azy fa latsaka any ambany ny toerany izy ao
anatin'ny TA voalohany izy, mamarana izany tarika izany. Sarotra ny mino fa fehezin'ny iray
amin'ny tarika VA ny mpandrohy R0.Tsy hainay ny anarana homena ny tarika Bao sy ka nomenay
ny anaram-pohy a.
16

Sary faha 3

TM VA

Tt A S d

b
TA

A R0 S A

Mi- lalao i Bao sy i Bozy

Tsy azo raisina ho fanasilahana ny F ny sary faha-3 satria mbola latsaka any ambany
mamarana ny tarika anarana tsy hay anarana b ny toeran’ny singa R0 sy. Tsy hita izay maha
mpampitohy anarana azy eto satria tsy misy anarana atohiny. Ankoatr'izany, mitovy tantana ny
singa i sy ny tarika tsy hay anarana d, samy fehezin'ny VA.
17

Sary faha 4

TM VA

Tt A S d

A E

R0 TA

S A

Mi- lalao i Bao sy i Bozy

Tsy azo raisina ho fanasilahana ny fehezanteny F ny sary faha-4. Eto tsy mitovy tantana ny
singa Bao atohin'ny R0 sy sy ny tarika anarana i Bozy; anarana tsy voasoritra ny singa Bao, anarana
voasoritra kosa ny tarika i Bozy. Tsy mitovy tantana ny voasoritra sy ny tsy voasoritra.
Ankoatr'izay, tsy azo inoana fa mitovy tantana ny mpanoritra S sy ny andian-teny tsy fantatra
anarana Bao sy i Bozy.
18

Sary faha-5

TM VA

Tt A TA

S A E

R0 TA

S A

Mi- lalao i Bao sy i Bozy

Azo raisina hofanasilahana ny fehezanteny F ihany ity sary faha-5 ity. Manana ny
fahaleovantenany ny mpampitohy R0 eto ; mitombina ny andian-teny atohy eto : ny tarika anarana i
Bao sy ny tarika anarana i Bozy. Mitovy tantana ny tarika atohiny eto, andian-teny izay samy tarika
anarana. Ny mampanahirana ny saina fotsiny dia ny tsy fahitana ny anarana homena ny andian-teny
sy i Bozy.

I.6.2 Ny fehezanteny maro lafy misy enti-milaza mifampitohy

Tsy ny lazaina ihany no mety mitohy ao amin'ny fehezanteny maro lafy fa ny enti-milaza
ihany koa. Eo amin'ny fehezanteny atao hoe tso-drafitra, dia eo ankavia no misy ny fitohizana eo
amin'ny sary hazo. Raisina ho ohatra eto ny fehezanteny. Mihinana sy misotro i Koto. Azo aseho
amin'ny alalan'ny sary toy izao ity fehezanteny ity:
19

Sary faha 6

VM TA

M R0 M S A

Mihinana sy misotro i Koto

Maneho ny fisilahan'ny fehezanteny Mihinana sy misotro i Koto ny sary faha-6 satria mitovy
tantana ny tarika matoanteny VM manondro ny enti-milaza sy ny tarika anarana TA manondro ny
lazaina ary mitovy tantana ihany koa ireo matoanteny M atohin'ny mpampitohy R0. Mitovy tantana
ireo matoanteny M satria samy misilaka mivantana avy eo amin'ny tarika matoanteny VM. Mitovy
sokajy ny M, samy matoanteny.

Fehezanteny maro lafy ny fehezanteny Mihinana sy misotro i Koto satria misy enti-milaza
anankiroa. Enti-milaza anankiray no ao anatin'ny fehezanteny manontolo, saingy mitsinjara enti-
milaza roa io enti-milazan'ny F io satria samy afaka mitarika fehezanteny fototra ka mandray ny
toeran'ny enti-milaza. Ny fehezanteny Mihinana sy misotro i Koto dia mirasa Mihinana i Koto sy
Misotro i Koto. Feno eto araka ny sary faha-6 ny maha fehezanteny maro lafy ny fehezanteny
Mihinana sy misotro i Koto satria mirakitra enti-milaza roa sy lazaina roa ity fehezanteny ity,
saingy takona ny iray amin'ny lazaina.

Azo aseho amin'ny alalan'ny sary hafa noho fehezanteny Mihinana sy misotro i Koto. Toy
izao ny endrik’izany sary fanasilahana izany:
20

Sary faha-7

VM TA

M TM S A

R0 M

Mihinana sy misotro i Koto

Azo raisina ho fanasilahana ny F sary faha-7 satria maneho fa mitovy tantana ny VM sy ny


TA. Ary ahitana ny R0 mampitohy ny singa roa mitovy sokajy M. Ny sary hafa ankoatra ny sary
faha-6 sy faha-7 dia tsy azo raisina ho hazo fanasilahana ny fehezanteny F satria, araka ny hita
amin'ny ohatry ny fehezanteny maro lafy etsy ambony, dia tsy maneho ny fitovian-tantana eo
amin'ny enti-milaza izy ireo.

Hoatra ny manatombo ny sary faha-7 miohatra amin'ny sary faha-6 satria maneho ny
fandrasana eken'ny eritreritry ny mpampiasa ny teny Malagasy. Ekena tsara ny fandrasana ny
andian-teny mihinana sy misotro ho mihinana sy sy misotro araka ny asehon'ny sary faha-7, fa
sarotra eken'ny eritreritra ny fandrasana ity andian-terry ity ho misotro sy sy misotro, araka ny
asehon'ny sary faha-6. Raha raisina silahana ireo sary roa farany, eken'ny eritreritra kokoa ny sary
faha-8
21

Sary faha-8
VM

M TM

R0 M

mihinana sy misotro

noho ny sary

Sary faha-9
VM

R0
M M

mihinana sy misotro

I.6.3 Ny mpampitohy sara-droa

Efa mpampanahirana ny manapaka ny firafitry ny fehezanteny maro lafy iasan'ny


mpampitohy tokana. Vao mainka mampanahirana ny maneho an-tsary ny fehezanteny maro lafy
iasan'ny mpampitohy saradroa tahaka ny na .... na..., sady ....no...Atsidikay ny olana eto fa tsy
androsoana ny vahaolana hentitra.

Ilay mpampitohy voalohany dia miasa ao anatin'ny fehezanteny.Tonga andro any na ny


vahiny na ny tompon-tanàna. Roa ny toerana misy ny na. Samy ao anatin'ny tarika tarika anarana
mandray ny toeran'ny lazaina izy roa. Tsy azo lazaina ho mpampitohy ny na voalohany satria tsy
hita izay voanteny mitovy sokaiy atohiny. Azo ambara ho mpampitohy ny na faharoa satria
mibaribary ny voanteny mitovy sokajy atohiny, dia ny tarika anarana ny vahiny sy ny tarika
anarana ny tompon-tanàna, samy mitana ny anjara asa lazaina ireo tarika anarana ireo. Tsy omena
22

anarana mpampitohy angamba ny na voalohany fa endri-teny manamafy fotsiny. manamafy ny


fiarahan'ny fahatongavan'ny sokajin'olona roa samy hafa, dia ny "vahiny" sy ny "tompon-tanàna'.

Ny mpampitohy sara-droa faharoa dia miasa ao anatin'ny fehezanteny Sady mihira no


mandihy i Ketaka. Ny sary eo ambany no maneho ny fisilahan'ity fehezanteny ity. Eto samy hafa
ny voanteny misaraka manondro ny mpampitohy: sady sy no. Azo lazaina ho mampiankin-teny
sara-droa izy io satria azo inoana fa mpampitohy tokana no manakambana ny fehezanteny tsotra
roa ho fehezanteny maro lafy tokana. Ny fehezanteny tsotra eto dia Mihira i Ketaka sy Mandihy i
Ketaka. Ny mpampitohy tokana misara-droa sady no no manambatra ireo fehezanteny tsotra. Samy
ao anatin'ny tarika matoanteny izy roa. Tahaka ny amin'ny mpampitohy na…na, tsy azo lazaina ho
mpampitohy ny voanteny sady satria tsy misy ny voanteny atohiny; azo lazaina ho mpampitohy
kosa ny voanteny no satria manambatra ireo voanteny mitovy sokajy sy mitovy afiara asa mihira sy
mandihy. Ho hita ao amin'ny fizarana faharoa ny fisarahan'ny sady no ho sady sy no.

Sary faha-10

VM TA

RO TM S A

M E

Tt A R0 TM

Tt A

Sady mi- hira no man- dihy i Ketaka


Mety ho tafiditra ao anatin'ny fameno ny mpampitohy saradroa tahaka ny hita ao anatin'ny
fehezanteny Mianatra na maraina na hariva aho. Ato anatin'ity fehezanteny ity, ny mpampitohy
23

saradroa na...na dia tafiditra ao anatin'ny andianteny na maraina na hariva, fameno milaza fotoana
mirafitra amin'ny enti-rnilaza mianatra.Toy izao ny sary hazo azo anehoana ny fehezanteny.

Sary faha-11

TM TA

M E

RO VA

A R0 A

Mianatra na maraina na hariva aho


24

na

sary faha-12

TM TA

M E

VA

RO E

A R0 A

Mianatra na maraina na hariva aho

I.7 NY FIFAMPIANKINANA

Fehezanteny anankiroa no mifampiankina. Raha ny marina, dia azo atao ny mampitaha ny


anankiray amin'ireo fehezanteny roa ireo, dia ahazoana fehezanteny mahaleo tena tanteraka, tsy
mila ny tapany faharoa. Ny tapaky ny fehezanteny faharoa kosa dia tsy feno, miaraka amin'ilay
mety mahaleo tena izy vao azo ampiasaina. Izay no azo ilazana ity tapany faharoa ity ho miankina
amin'ilay tapany voalohany. Azo raisina ho ohatra ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo satria
marary ny reniny.

Azo zaraina roa ny fehezanteny: Tsy tonga nianatra i Solo sy satria marary ny reniny. Afaka
misintaka amin'ny satria marary ny tapany voalohany nefa mahafeno ny fepetra amin'ny
fehezanteny mahaleo tena azy. Fiteny ny hoe: Tsy tonga nianatra I Solo, iasan'ny enti-milaza TM
Tsy tonga nianatra sy ny lazaina TA i Solo. Tsy fiteny ny hoe : Satria marary ny reniny raha tsy
25

misy tari-teny eo alohany na aoriany. Miaraka amin'ny tari-teny tahaka ny Tsy tonga nianatra i
Solo, mialoha azy na manaraka azy, vao afaka miasa ny andian-teny satria marary ny reniny. Samy
fiteny ny hoe : Tsy tonga nianatra Solo satria marary ny reniny sy Satria marary ny reniny, tsy
tonga nianatra i Solo. Mitaky fampiasana ny kianteny dia ny fehezanteny miantomboka amin'ny
andian-teny hafa noho ny enti-milaza tahaka ny eto amin'ny fehezanteny farany ; ny fehezanteny
feno eto dia : Satria marary ny reniny, dia tsy tonga i Solo. Fa azo atao ny manaisotra ny kianteny
dia. Tsapa araka ny fanamarihana fa tsy afaka miasa irery ny andian-teny satria marary ny reniny ;
izany no ilazana azy ho miankina. Ao anatin'ity andian-teny ity, dia misy ny fehezanteny feno,
afaka mandeha irery hoe Marary ny reniny. Raha ny tena izy, ity fehezanteny ity no miankina
amin'ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo. Azo alahatra mifanesy ireo fehezanteny roa ireo
raha toa asiana fiatoana eo anelanelany. Azo marihina amin'ny alalan'ny eva // ny fiatoana. Samy
fiteny ny hoe Tsy tonga nianatra i Solo // marary ny reniny sy ny Marary ny reniny // tsy tonga
nianatra i Solo. Azo soloana faingo ny mari-piatoana, izay manome : tsy tonga nianatra i Solo,
marary ny reniny sy Marary ny reniny, tsy tonga nianatra i Solo. Ny asan'ny voanteny satria ao
anatin'ny fehezanteny noraisina ho ohatra dia ny manambatra ny fehezanteny marary ny reniny
amin'ny fehezanteny tsy tonga nianatra i Solo tsy mila fiatoana eo anelanelan'ireto fehezanteny
ireto. Noho ny tsy fahafahan'ny fehezanteny marary ny reniny miasa irery rehefa nirafetan'ny
satria, dia lazaina fa miankina izy amin'izay ary ny voanteny satria no mampiankina azy amin'ny
fehezanteny tsy tonga nianatra i Solo. Ny voanteny tahaka an'ny satria izay mampiankina
fehezanteny amin'ny fahezanteny hafa dia sokajina hoe mpampiankina.

Mifono hevitra manokana ny mpampiankina. Ny mpampiankina satria dia manondro anton-


javatra na antony. Ao anatin'ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny, ny
foto-dresaka, izay ambaran'ny fehezanteny mandeha aloha Tsy tonga nianatra i Solo, dia ny tranga
"tsy fahatongavana nianatra", manondro ny anton'izany ny voanteny satria, dia ny tranga "aretina".

Marihina fa raha avadika ireo fehezanteny fototra ao anatin'ny ohatra noraisina, dia tsy
hevitra anton-javatra intsony no voamarika amin'izay fa voka-javatra na vokatra. Tsy ny voanteny
satria intsony no enti-mampiankina amin'izay fa ny voanteny ka. Ao anatin'ny andiam-pehezanteny
Marary ny reniny, tsy tonga nianatra i Solo, dia takatry ny mpampiasa ny teny malagasy avy
hatrany fa ny foto-dresaka dia ny tranga "aretina" ary ny vokatr'izany dia ny tranga "tsy
fahatongavana nianatra". Io hevitra vokatra na tohin-tranga tsy azo ihodivirana io no marihina
amin'ny alalan'ny fampiasana ny mpampiankin-teny ka, ahazoana ny fehezanteny Marary ny reniny
ka tsy tonga nianatra i Solo.
26

Maromaro ireo mpampiankin-teny eo amin'ny teny malagasy. Azo atao ny mitanisa azy ireny
ao anaty fafana miaraka amin'ny hevitra fonosiny. Indreto misy andiany azo raisina amin'izany:

Mpampiankina Hevitra fonosina

satria, azony anton-javatra

ka voka-javatra

mba zava-kendrena

fa anton-javatra, fanambarana. fifanoherana

raha fepetra, fotoana

noho fampitahana

nony fotoana

izay fanondroana

Ny sasan-tsasany amin'izy ireo ihany no ampiasaina ato anatin'ny asa. Anisan'ny ezaka
nataonay tao amin'ny laha-dresaka eo ambony ny fanehoana ny maha mpampiankina ny
mpampiankina. Mba hampazava tsara ny fipetraky ny fiankinana na fampiankinana, dia hasehonay
amin'ny alalan'ny sary hazo izy io.

I.7 1 Fanehoana an-tsary

Ohatra avy hatrany no raisina hanehoana ny fiankinan'ny fehezanteny. Karazam-pehezanteny


roa no haroso eto : ny fehezanteny irafetan'ny mpampiankinteny tsotra sy ny fehezanteny
irafetan'ny mpampiankin-teny sara-droa. Haseho miaraka amin'izany ny olana mipetraka amin'izy
ireo. Ny fehezanteny voalohany dia: Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny. Toy izao
no azo anehoana io fehezanteny io an-tsary:
27

Sary faha-13
F

VM TA

TT TM S A S

M M RK F

TM TA

S A

Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny

Hita fa miankina amin'ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo ny fehezanteny marary ny
reniny satria ambany dia ambany ny toerana misy azy eo amin’ny sary. Ambony kosa ny toerana
misy ny fehezanteny iankinana Tsy tonga nianatra i Solo. Ny RK: satria manelanelana ny
fehezanteny anankiroa no manatanteraka ny asa fampiankinana ny fehezanteny.

Ny fahezanteny faharoa dia Nilaza i Koto fa hody. Manana ny maha izy azy ity fehezanteny
ity satria takon'ila ny fehezanteny miankina mamorona azy. Feno ny fehezanteny iankinana Nilaza
i Koto; tsy ampy kosa ny fehezanteny miankina: ny enti-milaza fotsiny no hita, dia ny matoanteny
hody, takona ny lazaina ny i Koto. Mitranga ny toy izao raha ohatra mitovy ny lazaina eo amin'ny
fehezanteny iankinana sy ny fehezanteny miankina. Ny fehezanteny manontolo dia avy amin'ny
fitambaran'ny matoanteny fototra roa: Nilaza (zavatra) i Koto sy Hody i Koto. Ny fehezanteny feno
dia Nilaza i Koto fa hody i Koto. Ny mpampiankin-teny fa no manao ny asa fanakambanana. Noho
ny lazaina mitovy eo amin'ny fehezanteny miankina sy ny iankinana, dia voafafa ny lazainan'ny
fehezanteny faharoa. Ny lazaina tokana i Koto dia mitsinjara amin'ny enti-milaza anankiroa, na
28

raha arahina amin'ny fanehoana ara-tsokajy ny tarika anarana i Koto dia mitsinjara amin'ny tarika
matoanteny nilaza sy hody. Azo aseho an-tsary toy izao ny fehezanteny Nilaza i Koto fa hody:

Sary faha-14

TM TA

TA

M S A E

RK F

Nilaza i Koto fa hody

Hita eo amin'ny sary fa miankina ny fehezanteny hody na fa hody satia ambany dia ambany
toerana misy azy. Izy aza no mitana ny toerana ambany inûindra amin' ny fitsinjaran -toerana.

Ny fehezanteny farany hodinihina ato amin'ity fizarana ity dia : Matanjaka noho ny zandriny
ilay rangahy. Hafa firafitra noho ireo fehezanteny hita hatramin’izao ity fehezanteny ity satria
misisika ao anatin'ny fehezanteny iankinana ny fehezanteny miankina. Io fehezanteny maro lafy io
dia avy amin'ny fehezanteny fototra Matanjaka ilay rangahy sy Mantanjaka ny zandriny. Ao
anatin'ilay fehezanteny maro lafy. ny fehezanteny Matanjaka ilay rangahy no iankinana ary ny
fehezanteny Mantanjaka ny zandriny no miankina. Toy izao ny sary hazo aza anehoana ny
fehezanteny Matanjaka noho ny zandriny ilay rangahy.
29

Sary faha-15
F

TM TA

M E S A

RK F

S A

Matanjaka noho ny zandriny ilay rangahy

Hita eo amin'ny sary fa tafatsoka ao anatin'ny fehezanteny iankinana Matanjaka ilay rangahy
ny mpampiankin-teny noho miaraka amin'ny fehezanteny miankina ampidiriny ny zandriny. Teo
amin'ny ohatra hita hatramin'izao, mipetraka ivelan'ny fehezanteny iankinana ny fehezanteny
miankina. Ny fehezanteny miankina ampidirin'ny mpandrohy izay koa dia afaka mitsofoka ao
anatin'ny fehezanteny iankinana. Ny fehezanteny Mitsidika ny vahiny izay marary ny minisitra dia
ahitana fehezanteny miankina marary ampidirin'ny mpampiankin-teny izay misisika ao anatin'ny
fehezanteny iankinana Mitsidika ny vahiny ny minisitra. Ilay fehezanteny maro lafy dia avy
amin'ny fehezanteny tsotra Mitsidka ny vahiny ny minisitra sy Marary ny vahiny. Takona ila ny
fehezanteny miankina satria ny lazainany dia mamerina ny anarana fameno ao anatin'ny
fehezanteny iankinanana.
30

FEHINY

Nodinihina tato amin'ny fizarana voalohan'ny asa ny firafitry ny fehezanteny tsotra sy ny


fehezanteny maro lafy. Noezahina nofaritana amin'ny fomba hentitra ny atao hoe fehezanteny
tsotra sy ny fehezanteny maro lafy. Nofakafakaina tamin'izany ny firasan'ny karazan'ireo
fehezanteny ireo, nampiasana ireo endri-tsary sy eva samy hafa nampisongadinana ny fisilahan'ny
fehezanteny. Amin'ireo endrika voadinika, ny vata, ny fononteny ary ny hazo, miaraka amin'ny
petatsoratra, dia nomena lanjany manokana ny fampiasana ny sary hazo noho ny tombontsoa
asehony eo amin'ny lafiny hay fampianarana. Ny endrika sary hazo no nampiasaina nampibaribary
ny firafitry ny fehezanteny miankina amin'ny fehezanteny iankinana ao anatin'ny fehezanteny maro
lafy.

Hodinihina amin'ny fizarana manaraka ny fiforonan'ny fehezanteny maro lafy. Raha jerena
avy amin'ny hetsiky ny mpampiasa ny teny, dia hotsikeraina amin'izany ny tetika na paika amin'ny
famoronana na fananahana ny fehezanteny maro lafy avy amin'ny fehezanteny tsotra anankiroa. Ny
fitambaran'ireo hetsika ampiasaina amin'ny paika enti-mamorona fehezanteny no atao hoe
fiofohana. Telo no isan'ny hetsika ampiasaina miaraka na tsia amin'ny fiofohana, dia ny
fanampiana, ny fianaisorana na fampanjavonana ary ny famadihan-toerana. Hatomboka amin'ny
fananahana ireo fehezanteny maro lafy ateraky ny fampitohizana ny fandinihana, dia faranana
amin'ny fananahana ny fehezanteny maro lafy ateraky ny fampiankinana. Hatrany hatrany,
hatomboka amin'ny famoronana ireo fehezanteny maro lafy tsy dia mametraka olana ny
fandinihana, dia faranana amin'ny fananahana ireo fehezanteny maro lafy misy olana saro-bahana.

Amin'ny famakafakana izay hatao, dia ampiasaina ny sary hazo maro lafy, hamafisina
amin'ny alalan'ny fampiasana ny fononteny sy ny petatsoratra. Mifintina kokoa mantsy ny
fononteny noho ny sary hazo raha ampiasaina amin'ny fehezanteny fohy tahaka ny ezahina
hampiasaina ato anatin'ny asa mba hampazava ny fandinihana.
31

FIZARANA FAHAROA

NY FOFORONAN’NY
FEHEZANTENY MARO LAFY
32

II.0 FANAMARIHANA ANKAPOBENY

Hatrany hatrany, dia fehezanteny anankiroa no entina mamorona fehezanteny maro lafy.
Fehezanteny fototra no ilazana azy ireo, omena anarana Fl sy F2. F no omena ho anaran'ny
fehezanteny maro lafy voaforona.

Rehefa hamorona fehezanteny maro lafy, dia alahatra ny fehezanteny fototra F1 sy F2. Mbola
samy manana ny fahaleovantenany ny fehezanteny fototra amin'izay, izay marihina amin'ny
alalan'ny fononteny toy izao: (F1)(F2). Dia apetraka eo anelanelan'ny fehezanteny anankiroa ny
voanteny manakambana azv ho fehezanteny tokana. R no anarana azo omena io voanteny
mpanakambana io. Rehefa tafakambana ny fehezanteny anankiroa dia lasa fehezanteny tokana F,
izay marihina amin'ny alalan'ny fononteny mahafaoka na ny andiam-pehezarrteny manontolo. Eto,
mbola samy mitana ny endriny ny Fehezanteny F1 sy F2. Toy izao no anehoana izany:
( ( F1 ) R ( F2 ) )

F F1 F1 F2 F2 F

Mandrakariva, misy rehefa avy eo ny fifandaminana ataon'ny F1 sy F2, iasan'ireo paika


mitambatra ho fiofohana ka mampanova endrika ny F1, ny F2, ny R , ny ampahany amin'izy ireo na
izy rehetra.. lzay fifandaminana mihatra amin'ny ( ( F1 ) R ( F2 ) ) na F izay no ezahina havoitra ato
anatin'ny fizarana faharoa ny asa. Azo lazaina ho famadihana ny fehezanteny tsotra ho fehezanteny
maro lafy izany asa izany ka ampiasana ny fiofohana. Araka an'i Ruwet:

« Une transformafion esf définie comme une relation d'une certaine sorte existant entre
deux types de phrase ou entre un type de phrase et un type de construction »
(N ; RUWET, t. 237 )

Adika malalaka toy izao ny tsonga: Ny fiofohana dia faritana toy ny fifandraisana manokana
eo amin'ny karazam-pehezanteny samy hafa na eo amin'ny karazana fehezanteny sy rafi-teny.

Ny karazana fehezanteny roa ampifanovana na ahofoka eto dia ny fehezanteny tsotra sy ny


fehezanteny maro lafy.
33

Hatrany hatrany, heverina ho toy ny tokana ny endrika R0 na dia mety ho fitambaran'ny


voanteny samy hafa aza. Ny fifandaminana eo amin'ny F1 sy F2 no mety hitazona na hanasaraka ny
hasinteny R0. Ezahina hohazavaina arfiin'ny antsipiriany ny famoronana ireo fehezanteny noraisina
ho ohatra tao amin'ny tizarana voalohany noho izy ireo samy mirakitra sejon-javatra hafa kely ao
anatin'ny seho iombonana, nefa mety miampy ny fandinihana ny famoronana ny fehezanteny hafa
izany.

Na dia famoronana fehezanteny aza no voambolana tokony hampiasaina noho ny fandinihana


mifototra amin'ny tsikera ara-pananahana, miorina amin'ny toeran'ny mpampiasa ny teny
mpamolavola ny fehezanteny, heverinay fa azo atao ny mampiasa ny voambolana fiforonan'ny
fehezanteny mifototra amin'ny fifandaminan'ny fehezanteny samy fehezanteny. Azo
ampifandraisina ireo fomba fijery roa samy hafa ireo satria ny fomba fifandaminan'ny fehezanteny
ihany no ampiasain'ny mpampiasa ny teny amin'ny famoronana fehezanteny. Mety afangaronay ny
filaza eto ka ampiasana ny voambolana mifanandnfy amin'ireo fijery roa samy hafa.

II.1 Ny fiforonan'ny fehezanteny amin'ny alalan'ny fitohizana

Ny fandinihana ireo fehezanteny maro lafy vokatry ny fampitohizana na fampiasana ny


mpampitohy no isantarana ny famakafakana ny fananahana ny fahezanteny maro lafy. Ny
famoronana ny fehezanteny iasan'ny mpandrohy tokana no anombohana ny fandinihana. Raisina ho
ohatra ny fehezanteny maro lafy iasan'ny mpampitohy sy. Ohatra, ny fehezanteny Milalao i Bao sy
i Bozy.

II.1. 1 Ny fiforonan'ny fehezanteny Milalao i Bao sy i Bozy

lreto ny fehezanteny roa niforonan'ny fehezanteny F Milalao i Bozy

F1 : Milalao i Bao.

F2: Milalao i Bozy.

Amin'ny voalohany alahatra mifanesy ny F1 sy F2 , dia atao anaty fonosana miaraka amin'ny
petatsoratra tahaka izao:
34

(Milalao i Bao) sy (Milalao i Bozy)


F1 F1 F2 F2

Mbola samy mahaleo tena ny F1 endrika. sy F2 eto. Azo aseho an-tsary toy izao ny endrika

Sary faha- 16

F1 F2

TM TA TM TA

Tt A S A S A A A

Mi- lalao i Bozy Mi- lalao i Bao

Mba hahazoana fehezanteny tokana omena anarana hoe F, dia atambatra ny F1 sy F2 amin'ny
alalan'ny fametrahana ny mpampitohy sy eo anelanelan'izy ireo. Toy izao ny endrika azo:
( ( Milalao i Bao) sy ( Milalao i Bozy ) )

F F1 F1 F2 F2 F
35

Aseho toy izao ny endrika

Sary faha-17
F

F1 F2

TM TA R0 TM TA

Tt A S A S A S A

Mi- lalao i Bozy sy Mi- lalao i Bao

Fanampiana no hetsika am-piofohana eto, fanampiana ny mampiankin-teny R0 sy. Tsy


mijanona amin'io endrika ny andian-teny satria mikaviavia ny fitenenana Milalao i Bao sy milalao i
Bozy. Mihatra amin'ny fehezanteny ny hetsika ampiofohana hafa, dia ny fanjavonana raha arahina
amin'ny fiasan’ny fehezanteny, fanaisorana raha zohina amin'ny fiasan'ny mpampiasa ny teny.
lharan'ny fanjavonana ny matoanteny milalao ao anatin'ny fehezanteny F, ka ahazoana ny
fehezanteny Milalao i Bao sy i Bozy. Tokana ny matoanteny ao anatin'ny fehezanteny, saingy ao
anatin'ny sain'ny mampiasa ny teny malagasy dia mitsinjara amin'ny lazaina anankiroa i Bao sy i
Bozy ny enti-milaza milalao. Efa hitantsika tao amin'ny sary voalohany ny fisilahan'ny fehezanteny
milalao i Bao sy i Bozy ary tariteny mitovy sokajy sy mitovy anjara asa no atambatry ny
mpampitohy sy.

Ny fiforonan'ny fehezanteny mifampitohy atambatry ny mpampitohy sara-droa no dinihina


manaraka. Ohatra : ny fehezanteny iasan'ny mpampitohy sady no.

II.1.2 Ny fiforonan'ny fehezantany Sady mihira no mandihy i Ketaka.

Ity fehezanteny ity dia niforona avy amin'ny fehezanteny fototra hoe:
36

F1 : Mihira i Ketaka
F2 : Mandihy i Ketaka

Rehefa atambatra amin'ny alalan'ny fanampiana ny mampitohy ireo fehezanteny ireo, dia
manome ny fehezanteny F azo aseho amin'ny fononteny toy izao:

( ( Mihira i Ketaka ) sady no ( mandihy i Ketaka ) )

F F1 F1 F2 F2 F

Aseho an-tsary toy izao ny fehezanteny maro lafy F: ( ( Mihira i Ketaka ) sady no (mandihy i
Ketaka ) )

Sary faha-18

F1 F2

TA

TM TA R0 TM S A

Tt A S

Mihira i Ketaka sady no mandihy i Ketaka

Ny rantsana tokana avy amin'ny F no manambara fa tokana ny mpampitohy sady no


manambatra ireo fehezanteny roa tonta. Tsy mijanona amin'io endriny io ny mpampitohy fa
mivaky roa. Aseho an-tsary toy izao izany fivakisana izany :
Sary faha-19
37

F1 F2

TA

TM TA R0 A

TM

S r1 r2 S

Tt ftM

Mihira i Ketaka sady no mandihy i Ketaka

Ny rantsana roa avy eo amin'ny R0 no manambarafa mizara ho rl sady sy r2 no ny


mpampitohy R0. Manambara ny fivakisana fa mizaka tena ireto vakin'ny mpampitohy ireto, dia
afaka misara-toerana. Raha aseho amin'ny endrika fononteny ny fehezanteny F dia mety maneho
fisilahana toy izao

( ( Mihira i Ketaka ) ( ( sady ) ( no ) ) ( mandihy I Ketaka ) )

F F1 F1 R0 r1 r1 r2 r2 R0 F2 F2 F

Roa ny tranga ara-piofohana mihatra amin'ny fehezanteny F: ny fanjavonana sy ny fivadihan-


toerana. Manjavona ny tarika anarana i Ketaka ao amin'ny F1; ny tarika anarana i Ketaka ao
amin'ny F2 no manjary lazainan'ny fehezanteny manontolo, mitsinjara amin'ny enti-milazan'ny F1
sy F2. Miova toerana ny vakiny r1 sady ka mifindra eo alohan'ny TM mihira ao amin'ny F1; ny r2
kosa dia mijanona eo amin'ny toerany. Ny fitambaran"ireo tranga ireo dia manome ny fehezanteny
Sady mihira no mandihy i Ketaka. Ny sary faha-10 no maneho ny fisilahan'ity fehezanteny ka
38

ahazoana milaza fa ny singa no manao ny asa fampitohizana ao anatiny fa fanamafisana ny


fiarahan'ny hetsika fotsiny no ambaran ny singa sady.

Marihina fa samy azo ampiasaina ho mpampitohy mahaleo tena ny singa sady sy no.
Amin'izay, eo anelanelan'ny F1 sy F2 mandrakariva no ipetrahany, na raha eo amin'ny fehezanteny
amin'ny endriny niofoka eo anelanelan'ny tari-teny mitovy sokajy sy mitovy anjara asa atohiny.
Fiteny ny hoe Mihira sady mandihy i Ketaka sy Mihira no mandihy i Ketaka. Faheno ihany koa ny
hoe Mihira i Ketaka sady mandihy sy Mihira i Ketaka no mandihy. Amin'ny fiteny goragora, azo
ampiasaina aza ny hoe Sady mihira, mandihy i Ketaka. No mihira, mandihy i Ketaka. Tsy hidiranay
lalina ny fampiasana ireo mpampitohy satria tsy izany no fototry ny asanay fa ny fandinihana
amin'ny antsipiriany ny famoronana fehezanteny maro lafy izay heverina fa manara-penitra.

Ny karazan'ny fehezanteny hodinihina ato amin'ny zana-pizarana ateraky ny fampitohizana


dia ny fehezanteny iasan'ny mpampitohy sara-droa eo amin'ny fameno. Ohatra, ny fehezanteny
Miasa na maraina na hariva aho.

II.1. 3 Ny fiforonan'ny fehezanteny Mianatra na maraina na hariva aho.

Hatramin'izao, ireo fehezanteny maro lafy ahitana fitohizan'ny lazaina sy entimilaza no


voadinika. Mety mihatra amin'ny fameno ny fampitohizana amin'ny fehezanteny maro lafy.

Ny fehezanteny Mianatra na maraina na hariva aho dia miforona avy amin'ny fehezanteny
fototra :

F1 : Mianatra maraina aho

F2: Mianatra hariva aho

Fameno milaza fotoana ny voanteny maraina sy hariva ao amin'ireo fehezanteny fototra satria
raha feno izy ireo dia mandray ny voanteny lazaina ho mpampiankinteny amin- , nefa azo sokajina
amin'ny anarana hafa tahaka ny mpanambatra. Ireo voanteny mampiankina fehezanteny ihany no
tokony homena ny anarana hoe mpampiankin-teny na mpampiankina. Ireo voanteny na singan-teny
mamatotra teny na tari-teny mitovy sokajy sy mitovy anjara asa ihany no tokony homena ny
39

anarana hoe mpampitohy. Ny fehezanteny F1 sy F2 raha feno dia miendrika Mianatra amin'ny
maraina aho sy Mianatra amin'ny hariva aho; takona ny mpanambatra amin-.

Akamban'ny mpampitohy na…na ny fehezanteny fototra, dia manome"ny endrika mirasa:

( ( Mianatra maraina aho ) na ( mianatra na hariva aho ) )

F F1 F1 F2 F2 F

Hafahafa ny mieritreritra fa ny zana-teny anankiray dia afaka mifanesy amin'ny tenany mba
hamorona mpampitohy sara-droa.

Iharan'ny fiofohana ny fehezanteny F. Voalohany, mifindra toerana ny vakiny na voalohany,


ny na faharoa mijanona eo amin'ny toerany, dia manome

( ( Mianatra na maraina aho ) na ( mianatra hariva aho ) )

F F1 F1 F2 F2 F

Mifafa ny tarika anarana aho ao amin'ny fehezanteny Fl, mifafa ny matoanteny mianatra ao
amin'ny F2, dia manome ny fehezanteny fototry ny fandinihana : Mianatra na maraina na hariva
aho. Amin'ny fandraisana an'ity fehezanteny ity, ao an-tsain'ny mpampiasa ny teny malagasy, dia
misy fitsinjarana anjara asa roa sosona. Mitsinjara amin'ny enti-milaza mianatra ao amin'ny
fehezanteny anankiroa ny lazaina aho; dia mitsinjara amin'ny lazaina aho miasa amin'ny
fehezanteny anankiroa ny enti-milaza mianatra.

Marihina fa fehezanteny no atohin'ny mpampiankin-teny. Raha jerena maimaika ny


fisilahan'ny fehezanteny Milalao i Bao sy i Bozy, dia hoatra ny voanteny mitovy sokajy no
atambatry ny mpampitohy sy. Fehezanteny no atambatry ny mpampitohy. Fehezanteny no
tondroin'ny fampiasana ny mpampitohy fa tsy voanteny na andianteny mitovy sokajy.
Tahaka ny mpampitohy, fehezanteny maro lafy no ambaran'ny fampiasana ny mpampiankin-
teny. Ny famatovatoana ny famoronana ny fehezanteny maro lafy ateraky ny fampiankinana no
dinihina amin'ny zana-pizarana faharoan'ny asa.
40

II. 2 Ny fiforonan'ny fehezanteny maro lafy vokatry ny fampiankinana

Hita tao amin'ny fizarana voalohany ny famaritana ny atao hoe fampiankinana amin'ny
alalan'ny famaritana ny atao hoe fehezanteny miankina. Tsy inona akory ny fampiankinana fa
fampidirana ny fehezanteny hosingan'ny fehezanteny maro lafy ka tsy ahafahana mampiasa azy
raha tsy miaraka amin'ny fehezanteny irafetany izay atao fehezanteny iankinana. Ny paika
ampiasain'ny mpampiasa ny teny na heverina fa ampiasain'ny mpampiasa ny teny amin'ny
famoronana izany fehezanteny maro lafy iasan'ny fehezanteny tsy mahaleo tena na miankina izany
no hovoaboasana ato anatin'ny tapany farany amin'ny asa. Atomboka amin'ny famoaboasana ny
fehezanteny maro lafy ateraky ny fampiasana ny mpampiankin-teny tokana ny asa, tohizana
amin'ireo mametraka olana tsotsotra, dia faranana amin'ireo famoronana ireo fehezanteny
mametraka olana saro-bahana. Tahaka ny asa teo aloha,dia ezahina hohazavaina ny famoronana
ireo fehezanteny hita tao amin'ny fizarana voalohany, miampy karazam-pehezanteny vitsivitsy.

II.2.1 Ny fiforonan'ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny


reniny.

Ny fehezanteny maro lafy F: Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny dia niforona
avy amin'ny fehezanteny fototra:

F1: Tsy tonga nianatra i Solo.

F 2: Marary ny reniny.

Heverina ho toy ny fehezanteny fototra ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo na dia
ahitana matoanteny anankiroa izay samy mety ho enti-milazan'ny fehezanteny tsotra roa samy hafa
aza.

Mba hahazoana ny fehezanteny maro lafy F, dia alahatra mifanesy ny fehezanteny F1 sy F2.
Toy izao ny endrika azo:

( Tsy tonga nianatra i Solo ) ( Marary ny reniny )

F1 F1 F2 F2
41

Mba hahatokana io laharam-pehezanteny anankiroa io, dia atsofoka eo anelanelan'ny F1 sy F2


ny mpampiankin-teny RK satria, atao anaty fonosana, dia toy izao ny endrika azo:

( ( Tsy tonga nianatra i Solo ) satria ( Marary ny reniny ) )

F F1 F1 F2 F2 F

Azo aseho amin'ny sary hazo toy izao ny fehezateny


:
Sary faha-20

F1 RK F2

TM TA TM TA

TT TM S A S A

M M

Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny

Mbola samy mahaleo tena ny fehezanteny F1 sy F2 eto, sarahin'ny mpampiankin-teny satria


fotsiny. Mitovy tantana ny F1 sy F2 satria samy misilaka mivantana avy amin'ny F; mitovy tantana
amin'izy ireo koa ny mpampiankin-teny satria. Tsy mijanona eo ny fifandraisan'ny F1 sy F2 ary RK.
Misy fandaminana ifanaovan'izy telo tonta. Azo sainina an'eritreritra ny hetsika isehoan'izany
fifandamin ana izany. Tarihin'ny RK satria i F, dia mikorisa manaraka ny rantsana FF1, miravona
amin'ny F1, dia levona ao anatin'ny F1. Mikorisa manaraka ny rantsana F1TA ny RK satria miaraka
amin'ny F2, midina manohy ny zotrany, dia mandray toerana mitovy tantana amin'ny TA
lazainan'ny F1. Dia tafiditra ho singa ao anatin'ny F1 ny andian-teny satria + F2.
42

Azo aseho amin'ny alalan'ny fampiasana tsilo ny hetsika mitambatra ho fifandaminana eo


amin'ny F1 sy F2 ary RK satria.

Sary faha-21

F1 RK F2

TM
TA TM TA

TT TM S A S A

M M

Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny

Ny sary dia maneho ny ftkisahan'ny F sy satria miaraka amin'ny F2. Ny tsilo tapatapaka 
dia maneho ny fikisahan'ireo singa ao anatin'ny F2. Eo amin'ny lafiny fiofohana, azo lazaina ho
fivadihan-toerana sy famafana ny sehon-javatra eto. Io fampifangaroana ny F amin'ny F1 sy
fametrahana ny andian-teny satria + F2 eo amin'ny toerana mitovy tantana amin'ny singan'ny F1 io
no azo lazaina ho fampiankinana ny F2 amin'ny F1. Marihina tsara fa Fl no iankinan'ny F2.fa tsy F.
Nanjavona ny F. Ireo fehezanteny niandohana no sisa tavela saingy nitatra ny F1 satria manary ny
fizakan-tenany ny mpampiankin-teny, dia mirafitra amin'ny fehezanteny ialohavany. Mifafa ny
fonosan'ny F1, dia mikisaka mandray ny toeran'ny F ny F1. Vokatry ny fiasan'ny K: satria ny
fampiankinana. Izany no maha mpampiankina azy. Fiofohana no azo ilazana ny fitambaran'ny
hetsika ifandaminan'ny F1 sy F2. Ny vokatr'izany dia asehon'ny sary faha-22 eo ambany izay
mifandraika amin'ny sary faha-13 fa nasiam-panitsiana mba hifanaraka amin'izay vao voalaza etsy
aloha.
43

Sary faha-22

F1

TM TA

TA

TT TM S A E

M M RK F2

TM TA

S A

Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny

Maneho ny sary fa miankina amin'ny F1 ny F2 satria toerana ambany dia ambany no misy ry
anatin'ny F1. Vokatry ny fitambaran'ny fehezanteny fototra F1. Tsy tonga nianatra i Solo sy ny
fehezanteny fototra F2 Marary ny reniny ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny
reniny. Teo am-boalohany, dia nomena anarana hoe F ity fehezanteny ity. Amin'ny farany,
mifangaro amin'ny F1 izy ity satria tokana ny lazainan'ny F sy F1, dia ny tarika anarana i Solo. Azo
atao ny maneho fa ity marina ny lazain'ny F sy F1 amin'ny alalan'ny fametrahana ny tarik’anarana i
Solo am-paran'ny fehezanteny. Manara-pitsipika ny andian-teny Tsy tonga nianatra satria marary
ny reniny i Solo na dia tsy fampiasa aza.

Hita ao anatin'ny fehezan-teny ampidirin'ny mpampiankin-teny mpisolo izay ny fehezanteny


miankina tafiditra eo anelanelan'ny enti-milaza sy ny lazainan'ny fehezanteny iankinany.
44

II. 2.2 Ny fehezanteny maro lafy iasan'ny izay

Sady mpisolo no mpampiankin-teny ny voanteny izay. Io no hany mpisolo mpampiankin-


teny eo amin'ny teny malagasy. Amin'ny fampiasana ny mpampiankina satria, dia fehezanteny
miankina mipetraka eo ivelan'ny fehezanteny iankinany no azo. Ahazoana fehezanteny miankina
sahala amin'izany ny fampiasana ny mpisolo mpampiankina izay. Ohatra amin'izany ny
fehezanteny Omena valisoa ny mpianatra izay mahafatra-po. Fehezanteny fototra roa no
niandohana eto, dia F1 Omena valisoa ny mpianatra, F2 Mahafatra-po ny mpianatra. Rehefa
nakambana ho tokana ireo fehezanteny fototra ireo, dia nanome ny fehezanteny etsy ambony, izay
ahitana ny fehezanteny miankina izay mahafatra-po, tandindon'ny fehezanteny fototra Mahafatra-
po ny mpianatra, mipetraka aorian'ny fehezanteny iankinany Omena valisoa ny mpianatra. Ny
hodinihina ato anatin'ity zana-pizarana ity dia ny fehezanteny miankina ampidirin'ny izay
mipetraka ao anatin'ny fehezanteny iankinany, izany hoe eo anelanelan'ny enti-milazan'io
fehezanteny iankinana io sy ny lazainany. Azo raisina ho ohatra amin'izany ny fehezanteny F:
Mitsidika ny vahiny izay marary ny minisitra.

Ny fiforonan'ny fehezanteny Mitsidika ny vahiny izay marary ny minisitra.

Ny fehezanteny fototra niavian'ity fehezanteny ity dia :

F1: Mitsidika ny vahiny ny minisitra.

F2: Marary ny vahiny.

Rehefa atambatra amin'ny laharana F1F2 ireo fehezanteny ireo, dia mitaky ny fampitsofohana
ny mpampiankin-teny izay eo anelanelany. Toy izao ny endrika anaty fononteny azo:

( ( Mitsidika ny vahiny ny minisitra ) izay ( Marary ny vahiny ) )

F F1 F1 F2 F2 F

Voalaza fa sady mpampiankin-teny ny voanteny izay no mpisolo. Anarana na tarika anarana


no soloan'ny izay, eto, ny tarika anarana ny vahiny na ny anarana vahiny no soloan'ny singan-teny
45

izay. Misy anarana miverina eo amin'ny fehezanteny roa mifanesy vao azo ampiasaina ny mpisolo
izay.

Mihatra ny fiofohana izay midika ho fampiankinana ny F2 amin'ny F1. Miala any ny fonosana
mamatotra ny F1, dia mandray ny toeran'ny F ny Fl. Miaraka amin'izay, miteraka ny fonosana
manakambana ny voanteny satria amin'ny F2. Azo omena anarana E ny andian-teny satria + F2.
Toy izao izany rehetra izany raha aseho am-ponosana.

( Mitsidika ny vahiny ny minisitra ( izay ( marary ny vahiny ) ) )

F1 E F2 F2 E F1

Tsy afaka mijanona amin'izao ity andian-teny ity, tsy ny tarika anarana ny ministra no
soloan'ny voanteny izay fa ny tarika anarana ny vahiny: tsy ny "minisitra" no marary fa ny
"vahiny''. Mitohy ny fiofohana. Miova toerana ny andian-teny izay (marary ny vahiny), mikisaka
aorian'ny ny vahiny ao anatin'ny F1. Toy izao ny hetsika raha aseho an-tsary fonosana:

( Mitsidika ny vahiny ( izay ( marary ny vahiny ) ny minisitra ) )

F1 E F2 F2 E F1

Tafatsofoka ao anatin'ny F1 ny F2. Mibaribary ny maha mpampiankina ny F2 amin'ny F1.


Manapitra ny fiofohana ny fanjavonan'ny tarika anarana ny vahiny ao anatin'ny F2 noho izy io
mamerina ny tarika anarana ny vahiny ao anatin'ny F2. Toy izao ny endrika azo, aseho anaty fonon-
teny :

( Mitsidika ny vahiny ( izay ( marary ) ny minisitra ) )

F1 E F2 F2 E F1
Io no endriky ny fehezanteny mahazatra andavanandro. Marihina fa tamin'ny fanehoana ireo
seho namadika ny andian-teny F1 + F2 ho fehezanteny maro lafy, dia voatazona hatrany hatrany ny
toeran'ny F1 sy F2 amin'ny alalan'ny fampiasana ny fonosana. Azo aseho an-tsary hazo ny endrika
farany azo amin'ny fampiankinana ampiasana ny mpisolo izay
.
46

Sary faha-23

F1

TM TA

TA S A

M VA

S A E

RK F2

Mamangy ny vahiny izay marary ny minisitra

Marihina fa ny voanteny tokana marary sisa no misolo toerana ny fehezanteny fototra F2


Marary ny vahiny . Mibaribary ny frankinany amin'ny fehezanteny F1 : an-tendrony ambany
indrindra no misy azy ao anatin'ny F1 izay marary ny minisitra F1 ihany ny fehezanteny F satria
mitovy amin'ny lazainan'ny F1 sy ny enti-milazany ny an'ny F

Ity ohatra ity dia mifandraika amin'ny ohatra tondroin'ny sary faha-12, dia ny fefiezanteny
hoe Matanjaka noho ny zandriny ilay rangahy.

Ireo ohatra nodinihina hatramin'izao dia fehezanteny maro lafy miafara amin'ny lazaina, na
an'ny lazaina iankinana izany na lazainan'ny fehezanteny miankina. Tafiditra amin'ny rafitra
mahazatra izy ireo satria ny ankabeazan'ny fehezanteny malagasy dia miantomboka amin'ny enti-
milaza ary miafara arnin'ny lazaina. Raha raisina amin'ny filaharan'ny sokajin-teny , ny
ankabeazan'ny fehezanteny Malagasy dia misilaka tarika matoanteny (TM) sy tarika anarana (TA).
Azo lazaina aza fa ny firafitra TM + TA no fototry ny fehezanteny malagasy rehetra.
47

Ny hodinihina amin'ny manaraka dia fehezanteny maro lafy miafara amin'ny enti-milaza.
Fehezanteny tsy mahazatra io satria heno ho banga, andrasana ny tapany lazaina. Ohatra amin'izany
ny fehezanteny F: Nilaza i Koto fa hody.

II.2.2 Ny fiforonan'ny fehezanteny Nilaza i Koto fa hody

Ny fehezanteny Nilaza i Koto fa hody dia miforona avy amin'ny fehezanteny fototra :

F1 : Nilaza zavatra i Koto


F2 : Hody i Koto

Apetraka ny fameno zavatra eto satria matoanteny mihatra mitaky fameno ilsana ny
rnatoanteny milaza. Rehefa atambatra ho fehezanteny tokana amin'ny filaharana F1F2 ireo
fehezanteny fototra, dia mitaky ny fisisihan'ny voanteny fa eo anelanelan'izy ireo, ka manome ny
andian-teny

( ( Nilaza zavatra i Koto ) fa ( hody i Koto ) )

F F1 F1 F2 F2 F
48

Azo aseho an-tsary hazo toy izao ny fehezanteny:

Sary faha-24
F

F1 R0 F2

M a M TA

A TA S A

S A

Nilaza zavatra i Koto fa hody i Koto

Mametraka olana eo amin'ny lafiny fijery ny famoronana ny fehezanteny Nilaza i Koto te


hody avy amin'ny andian-teny Nilaza zavatra i Koto fa hody i Koto. Ny fomba haingana indrindra
azo atao amin'izany dia hoe: Esorina ny fameno zavatra ao amin'ny F1, esorina i Koto ao anatin'ny
F2, dia vita. Raha izany no atao, dia tsy hita ny maha mpampiankina ny fehezanteny F2 amin'ny F1.

Azo atao ihany ny manakisaka ny fonosin’ny Fl alohan'ny hamafana ny tarika zavatra sy ny


tarika i Koto ao amin'ny F2. Dia mandray ny toeran'ny F ny F1 anin'izay. Toy izao ny sary am-
ponosana azo

( Nilaza zavatra i Koto fa ( hody i Koto ) )

Fl F2 F2 F1
49

Toy izao ny sary hazo mifanandrify amin'io:

Sary faha-25

TM TA

A
M S E

A RK F2

M TA

S A

Nilaza zavatra i Koto fa hody i Koto

Mba hahazoana ny fehezanteny izay tadiavina, dia esorina ny fameno zavatra ao amin'ny F1
sy ny tarika i Koto ao amin'ny F2. Hoatra ny rariny ny anaovana izay satria ny lazainan' F1 no lasa
lazainan'ny fehezanteny manontolo noho izy io nandray ny toeran'ny F. Raha ny marina anefa, dia
miafara amin'ny lazaina ny fehezanteny tso-drafitra. Raha izay no izy, dia tokony aorian'ny F2 ny
tarika i Koto lazainan'ny F1. Endrika toy izao no azo amin'izany:

( Nilaza zavatra fa ( hody i Koto ) i Koto )

F1 F2 F2 F1

Azo fafana ny voanteny zavatra satria tsy inona ny zavatra tondroin'ity voanteny ity fa hody i
Koto mitory ny hevitra fonosin'izy roa. Azo amin'izay ny endrika toy izao:
50

( Nilaza fa ( hody i Koto ) i Koto )

Fl F2 F2 F1

Azo aseho an-tsary toy izao io endrika io:

Sary faha-26

F1

TM TA

E
M

RK F2 S A

TM TA

S A

Nilaza fa hody i Koto i Koto

Amin’ity andian-teny ity, rariny raha esorina ny tarika i Koto ao anatin,ny F2 satria tsy izy io
no lazaina mamarana ny fehezanteny fa ny tarika i Koto ao anatin’ny F1. Ny endrika azo amin’izay
dia.
( Nilaza fa ( hody ) i Koto )
F1 F2 F2 F1

Fehezanteny manara-peritra ny andian-teny Nilaza fa hody i Koto, indrindra raha


mifandrindra aminy tsara ny lantom-peo anononana azy. Raha soloana izy ny tarika i Koto dia
51

fehezanteny manara-drafitra fampiasa matetika no azo, dia ny hoe Nilaza fa hody izy. Ny rafitra
tena mifandraika amin’izany tena fampiasa dia ny mananaka ny fehezanteny Nilaza hody izy.

Raha akapoka ny ady hevitra momba ny famoronana ny fehezanteny Nilaza i Koto fa hody,
dia avy amin'ny endrika

( Nilaza zavatra i Koto fa ( hody i Koto ) )


F1 F2 F2 F1

No nanatsoahana azy rehefa nitarina an'eritreritra hivavatra manarona ny F ny F1. Ao


anatin'ny fehezanteny ihany ny lazaina saingy tsy mamarana azy fa milafika ao antenantenan'ny
fehezanteny. Tsy misakana ny mpampiasa ny teny tsy hahatsapa ny anjara asany izany.

Ny fiforonam-pehezanteny farany hodinihina ato anatin'ny fizarana faharoa sady fandinihana


farany atao amin'ny fiforonan'ny fehezanteny ato anatin'ny asa dia ateraky ny fampiasana ny
mpampiankin-teny sara-droa. Manana ny seho mampiavaka azy ny fiasan'io karazan'ny
mpampiankin-teny tokan-tena io. Raisina ho ohatra ny fiforonan'ny fehezanteny F Nivoaka izy na
dia avy aza ny orana. Ny mpampiankin-teny saraka eto dia na dia aza. Marihina fa afaka mandeha
irery ny mpampiankina na, manome ny fehezanteny Nivoaka izy na avy ny orana, afaka mandeha
roa ny mpampiankina sara-droa na dia, manome ny fehezanteny Nivoaka izy na dia avy ny orana.
Saingy ny mpampiankin-teny sara-telo na dia aza no raisina noho ny seho hafa kely misy amin'ny
fampiasana ity mpampiankin-teny ity.

II. 2.3 Ny fiforonan'ny fehezanteny Nivoaka izy na dia avy aza ny orana

Ny fehezanteny Nivoaka izy na dia avy aza ny orana dia miforona amin'ny fehezanteny
fototra:

F1: Nivoaka izy


F2: Avy ny orana.

Refiefa atambatra ho tokana ireo fehezanteny fototra ireo dia anisihana ny npampiankin-teny
na dia aza eo anelanelany. Aseho toy izao izany:
52

( ( Nivoaka izy ) na dia aza ( Avy ny orana ) )

F Fl F1 F2 F2 F

Raisina ho tokana ny mpampiankin-teny na dia aza. Aza aseho loy izao izany eo amin'ny
fiforonan' ny fehezanteny:

Amin'ny alalan'ny fonosana:

( ( Nivoaka izy ) ( na dia aza ) ( Avy ny orana ) )

F F1 Fl R K RK F2 F2 F

na F1(na dia aza)F2 raha tsorina.

An-tsary hazo:

Sary faha-27

F1 na dia aza F2

F na dia aza F2

Araka ny voalaza ao amin'ny andininy II.2.1, dia afaka mizara ny mpampiankin-teny saraka
na dia aza. Telo ny endrika mety hisilahany '. na + dia + aza, na + dia aza, na dia + aza.

Azo aseho amin'ny alalan'ny fitsipika manaraka, na amin'ny alalan'ny fonosana na amin'ny
alalan'ny sary hazo, ireo fisilahan'ny mpampiankin-teny:
53

Alalan’ny fitsipika Alalan’ny fonosana

RK na+ dia + aza (na)+ (dia) + (aza)

RK  na+ dia aza (na)+ (dia aza)

RK  na dia + aza (na dia) + (aza)

Alalan'ny sary hazo

Sary faha-28

RK RK RK

na dia aza na dia aza na dia aza

Amin'ireo fomba telo azo andrasana ny mpampiankinteny na dia aza, dia ny fomba farany na
dia + aza no noraisin'ny Malagasy hampiasaina. Manamarina izany ny fehezanteny F. Nivoaka izy
na dia avy aza ny orana. Nitambatra ny andian-teny na dia, sady nijanona eo amin'ny toerana
tokony hisy azy; ny singan-teny aza kosa dia nisaraka tamin'ny namany, niova toerana, dia
namonjy nipetraka aorian'ny voanteny fototry ny enti-milazan'ny fehezanteny miankina. Fiovan-
toerana no hetsika ara-piofohana mihatra eto. Toy izao no ahazoana maneho izany amin'ny
fampiasana fononteny sy sary hazo amin'ilay fehezanteny fototry ny fandinihana:

Amin'ny fononteny :

( ( Nivoaka izy ) ( na dia ) ( avy ( aza ) ny orana ) )

F F1 F1 RK RK F2 RK RK F2 F
54

Amin'ny sary hazo:

Sary faha-29

F1

TM TA

E
A

RK F2

TM TA

M RK S A

Nivoaka izy na dia avy aza ny orana

Ny matoanteny avy fototry ny enti-milaza no voakasika ny fisilahana eto amin'ny


fehezanteny F. Fiatoana no manavaka ny fivondronan'ny andian-teny ao anatin'ny fehezanteny F.
Azo marihina amin'ny eva // ny fiatoana. Toy izao no azo anehoana ny fehezanteny dinihina eto:
Nivoaka izy // na dia // avy aza //ny orana. Tsy fiteny ny hoe Nivoaka izy // na dia aza // avy ny
orana; tsy fiteny tahaka izany koa ny hoe Nivoaka izy // na avy dia aza // ny orana. Tsy fantatra ny
nahatonga hitsipaka ireto andian-teny farany ireto ho fehezanteny. Angamba ny hevitra fonosin'ny
voanteny tsirairay ao anatin'ny mpampiankin-teny na dia aza mbamin'ny fampiasana ireo voanteny
ireo am-pehezanteny no nahatonga izany. Anisan'ny olana azo trandrahina amin'ny manaraka io.
55

FEHINY

Famoaboasana ny fiforonan'ny fehezanteny maro lafy no natao tato amin'ny fizarana


faharoan'ny asa. Fehezanteny tsotra roa hatrany no nifotorana, natomboka tamin'ireo fehezanteny
vokatry ny fandrohizana, notohizana sy nofaranana tamin'ny fehezanteny vokatry ny
fampiankinana. Karazan-teny manokana atao hoempandrohy sy mpampiankin-teny no ampiasaina
arnin'ny famoronana ny fehezanteny maro lafy.

Mazava araka ny vokatry famoaboasana natao fa fehezanteny hatrany no afatot'ireo voanteny


atao hoe mpandrohy. Alaim-panahy ny mpandinika hihevitra fa ny voanteny mitovy sokajy tahaka
ny anarana samy anarana, ny matoanteny samy matoanteny, ny mpamari-toetra samy mpamari-
toetra na ny tambin-teny samy tambin-teny no akamban'ny mpandrohy fa tsy ny fehezanteny samy
fehezanteny. Ohatra ao anatin'ny fehezan-teny Mihira ny ankizy sy ny olon-dehibe, mety hihevitra
ny mpandinika fa ny tarika anarana ny ankizy no mikambana amin'ny tarika anarana olon-dehibe ka
mamorona lazaina tokana mirafitra amin'ny enti-milaza tokana marihin'ny tarika matoanteny
mihira. Tahaka izany ihany koa, mety hihevitra ny mpandinika fa ny fehezanteny Sady mihira no
mandihy i Ketaka dia fehezanteny tsotra ahitana enti-milaza tokana sady mihira no madihy sy
lazaina tokana i Ketaka, dia mianina amin'izay. Azo lazaina fa fomba fijery diso izany.
Fehezanteny roa no tokony ho azo an-tsaina ambadik'ireo fehezanteny roa vao nomena ho ohatra,
samy manana ny lazainany, samy manana ny enti-milazany. Mety ikambanan'izy ireo ny enti-
milaza na ny lazaina saingy roa hatrany ny isany ary fehezanteny mahaleo tena izy ireo. Efa
narahina tato amin'ny asa ny fomba ahazoana ny fehezanteny fototra niavian'izy ireo ka tsy mila
averina eto intsony ny tafakafakana izany.

Hatrany hatrany, amin'ny famoronana fehezanteny maro lafy vokatry ny fampiankinana, dia
ny fandaharana fehezanteny iankinana arahin'ny fehezanteny miankina no naroso tato anatin'ny asa.
Ho hita ao amin'ny teny famaranana fa tsy tahaka izay foana ny rafitra isehoan'ny fehezanteny
maro lafo amin'ny fampiasana azy ireo andavanandro.
56

TENY FAMARANANA

Toy izay ny famakafakana an'ity lohahevitra mikasika ny fehezanteny tsotra sy ny


fehezanteny maro lafy. Tao amin'ny fizarana voalohany, dia ny famantarana ny fehezanteny tsotra
sy ny fehezanteny maro lafy no nimasoana, ary tao amin'ny fizarana faharoa, dia ny fiforonan'ny
fehezanteny maro lafy no novelabelarina.

Navoitra tao amin'ny fizarana voalohany ny sivana ahafahana manasokajy ny karazam-


pehezanteny tsotra sy maro lafy, indrindra ny firafitr'izy ireo. Nodinihina akaiky ny firafitry ny
fehezanteny tsotra sy ny fehezanteny maro lafy ary ny famaritana azy ireo. Nofakafakaina ny
firasan'izy ireo tamin'ny alalan'ny endri-tsary sy ny eva isan-karazany. Fa ny sary hazo no nomena
lanja manokana tamin'izany satria mampibaribary kokoa ny firafitry ny fehezanteny.

Tao amin'ny fizarana faharoa kosa dia fandinihana ireo fomba na tetika entina mamorona na
mananaka ny fehezanteny maro lafy miainga amin'ny fehezanteny tsotra no natao. Fehezanteny
tsotra roa no fototra iorenan'ny fehezanteny maro lafy, entina amoronana azy. Hita izany tamin'ny
alalan'ny fampitohizana sy fampiankinana ny fehezanteny ; ireo voanteny atao hoe mpampitohy sy
mpampiankina no ampiasaina amin’ny famoronana fehezanteny maro lafy.

Rafitra tokana no entina mamorona fehezanteny maro lafy; fehezanteny roa elanelanina
voanteny mpanakambana, mpandrohy na mpampiankina. Hatrany hatrany, fehezanteny roa
mirafitra sahala amin'izany no namoronana fehezanteny ary fehezanteny mirafitra toy izany ihany
koa endriky ny fehezanteny maro lafy vokatra.

Tsy sahala amin'izany foana anefa ny endriky ny fehezanteny maro lafy ampiasain'ny
mpiteny amin'ny resaka ataony andavanandro ; ary azo ambara fa tsy feno ny fandinihana raha tsy
asiana teny ireo firafitra hafa fampiasa ireo. Mampiasa ny firafitra tsotra ny mpampiasa ny teny
rehefa mamorona fehezanteny maro lafy; rehefa voamboatra kosa ny fehezanteny maro lafy, dia
azon'ny mpanamboatra azy atao ny mandamina azy araka izay itiavany azy. Mety ho araka ny
hafatra tiany hampitaina.

Eo amin ny maha fehezanteny maro lafy mirohy, dia misy ny fehezanteny miantomboka
amin'ny mpandrohy. Ohatra ny hoe Ary tamin'izany fotoana izany. dia mbola niadana ny
olombelona. Raha ny marina, takona ny fehezanteny nakamban’ny ary ka nahatonga io voanteny io
hiantomboka ny fehezanteny. Eo amin'ny fehezanteny maro lafy ateraky ny fampiankinana no tena
ahitana rafitra mivaona amin'ny rafitra nampisaina tato anatin'ny asa.
57

Matetika avadiky ny mpiteny ny toeran'ny fehezanteny miankina sy ny iankinana. Azo


avadika toy izany ny fehezanteny miankina sy ny iankinana ao amin'ny fehezanteny Tsy tonga
nianatra i Soto satria marary ny reniny ka ahazoana ny fehezanteny Satria marary ny reniny, tsy
tonga nianatra i Solo. Tokony hampiasana ny kianteny dia ity fehezanteny farany ity noho
miantomboka amin'ny andian-teny mitana anjara asa hafa noho ny enti-milazany, nefa, azo atao ny
manaisotra io kianteny io, tahaka ny hita ao amin'ny ohatra etsy aloha.

Faheno ny fehezanteny miantomboka amin'ny mpisolo mpampiankin-teny izay, indrindra


amin'ny ohabolana. Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika. Takona ny ilan'ny fehezanteny
tsotra namoronana ireo fehezanteny maro lafy ireo. Izy ireo dia avy amin'ny fehezanteny tsotra :
mitambatra ny zavatra, zavatra ny vato ho an'ny voalohany ; misaraka ny fasika, zavatra ny fasika
ho an'ilay faharoa. Azon'ny mpiteny atao ny mamarana ny fehezanteny amin'ny voanteny
manakamba na fehezanteny tahaka ny ohatra omen-dRabasikilera ao amin'ny asa fikarohana
vitany. Manome izy ao hoe Hendry izy ka! (t. 33). Io ka io dia mety arahin'ny kianteny dia miseho
amin'ny endriky ny fanovany samy hafa araka ny fiteny malagasy . ka la! hoy ny Sihanaka, kalë!
hoy ny Tsimihety, ka de! hoy ny Ambaniandro, k'da! hoy ny any atsimo atsinanana, Hafahafa
ihany ny fadehan-javatra amin'ireto fehezanteny atomboka na faranana amin'ny voanteny
mpanakamban-teny ireto satria ny zavatra enti-manakambana indray no anombohana na
amaranana, ary ny zavatra hotohizana na hatohy indray no ahintsana. Izany anefa ny zava-misy,
mifandraika amin'ny toetry ny hafatra tian'ny mpiteny hampitaina. Ilay ohatra nomen-dRabasikilera
dia azo.

Ny fitsimbadimbadiky ny fampiasana ny fehezanteny maro lafy no nahadiso fijery ny


Profesora Rajaona mikasika ny firafitry ny fehezanteny ampiankinin'ny mpisolo mpampiankina ka
nandrosoany ny fisian'ny enti-milaza voasoritra eo amin'ny teny malagasy. Ambarany ao amin’ny
Structure du malgache (t.t. 67 – 72) fa ny fehezanteny Ny mahagaga dia ny tranony, ara-bakiteny
"sa maison est ce qui est étonnant” = “sa maison est étonnante", dia iasan'ny enti-milaza voasoritra
ny mahagaga, ary io fehezanteny io dia miforona avy amin'ny fehezanteny mahagaga ny tranony.
Tokony harenina io fijery io. Raha vavarana ny fehezanteny Ny mahagaga dia ny tranony dia
manome Ny zavatra izay mahagaga dia ny tranony. Azo antoka fa io fehezanteny io dia avy
anin'ny fehezanteny fototra roa samy hafa.

Tsy tarika enti-milaza akory ny andian-teny ny mahagaga fa tarika anarana iasan'ny mpisolo
mpampiankina izay, misolo ny anarana zavatra ao anatin'ny tarika anarana ny zavatra; saingy
nihintsana ity tarika anarana ity.
58

Azon'ny mpampiasa ny teny atao koa ny manambatra fehezanteny mihoatra ny roa eo


amin'ny fiteny andavanandro. Ohatra, Nony tafahaona tao am-pianarana izahay dia nahatsapa, fa
tsy tonga nianatra i Solo satria narary ny reniny. Fehezanteny efatra samy hafa no amoronana io
fehezanteny io. Ny isan'ny matoanteny no isan’ny fehezanteny fototra miasa

Zavatra mora tadiavina izy izay ka tsy mila asiana resaka lava. Santionany amin'ny
famadibadihana mety hataon'ny mpiteny amin'ny fehezanteny maro lafy ireo, ary mety
mampifanolana ny mpikaroka ny fandinihana azy, fa ny famoronana fototra kosa dia fehezanteny
roa no ihany no ampiasaina.

Amin'ny maha miana-mandeha anay, dia tsy azo atao ny tsy hiaky fa misy madilana
hotetenana sy lesoka tokony harenina ato amin'ity asa ity. Raisinay an-tanan-droa ireo
fanamarihana mba hahafahana manatsaratsara kokoa ny amin’ny manaraka. Izany dia midika fa
mbola misy dingana tianay hirosoana amin'ity lohahevitra ity satria tsy tratra indray mandeha ny
fijerena ny an-tsipiriany madinidinika ato anatiny.
59

BOKY NANOVOZAN-KEVITRA

ANDRIANARIVONY, Danielson, 1973, Fitsipi-pitenenana ho an' ny rehetra, Antananarivo,


Salohy, 113 t

CHOMSKY, Noam, 1969, Structures syntaxique, Paris, Ed. du Seuil, 147 t


1971, Aspects de la théorie syntaxique, Paris, Ed. du Seuil, 245 t

DUBOIS, Jean, DUBOIS-CHARLIER, Françoise, 1970, Eléments de la linguistique française:


syntaxe, Paris, Larousse, 295 t

GROSS, Maurice, 1971, Grammaire transformationnelle du français. Syntaxe du verbe, Paris,


Larousse, 181 t
JOUJOU, Linda, 2005, Etude sur la génération de la phrase complexe en Français, Mémoire de
Maitrise, Université de Tuléar, 82 t

KAYNE, Richards, 1977, Syntaxe du français. Le cycle trasformationnel, Paril Ed. du Seuil, 440 t
MARTINET, André, 1969, Eléments de linguistique générale, Paris, Armand Colin, 244 t

NIQUE, Christian, 1976, Initiation méthodique à la grammaire générative, Paris, Armand Colin,
172 t

RABASIKILERA, 1996, Ny teny KA sy ny hevitra fonosiny, Mémoire de Maitrise, Université de


Tuléar, 102t
RABENILA|NA, Roger, Bruno, 1977, Tsikera ara-tarika sy ara-piofohana I, Antananarivo,
FOFIPA , 96 t.
2001, Ny teny sy ny fiteny malagasy, Antananarivo, SME, 254 t

RAJAONA Siméon, 1972, Structure du malgache. Etude des formes préducatives, Fianarantsoa,
Ambozontany, 785 t

RAJEMISA-RAOLISON, Régis, 1985, Rakibolana malagasy, Fianarantsoa, Ambozontany, 1061 t

RUWET, Nicolas, 1970, Introduction à la grammaire générative, Paris, Plon, 452 t


1972, Théorie syntaxique et syntaxe du français, Paris, Seuil, 295 t
SAUSSURE, Ferdinand de, 1981, Cours de linguistique générale, Paris, Armand Colin, 509 t
60

FIZAHAN-TAKILA

TENY FANOLORANA ............................................................................................................. 0


TENY FAMPIDIRANA : .......................................................................................................... 3
FANAFOHEZAN-TENY : ........................................................................................................ 5
FIZARANA VOALOHANY NY FAMANTANTARANA NY FEHEZANTENYTSOTRA SY NY
FEHEZANTENY MARO LAFY............................................................................................... 6
I.0 Fanamarihana ankapobeny.................................................................................................... 7
I.1 - Ny endrika vatakely (Hocket) ..................................................................................... 9
I.2 Ny endrika petatsoratra (Harris) .................................................................................. 10
I. 3 Ny endrika fononteny (Wells) .................................................................................... 10
I.4 Ny endrika hazo (Chomsky) ........................................................................................ 11
I.5 Ny fehezanteny maro lafy............................................................................................ 12
I.6 Ny fampitohizana na fandrohizana .............................................................................. 13
I.6.1 Fandinihana antsipiriany ny mpampitohy ............................................................. 13
I.6.2 Ny fehezanteny maro lafy misy enti-milaza mifampitohy ................................... 18
I.6.3 Ny mpampitohy sara-droa..................................................................................... 21
I.7 Ny fifampiankinana ............................................................................................................ 24
I.7. 1 Fanehoana an-tsary .............................................................................................. 26
Fehiny ....................................................................................................................................... 30
FIZARANA FAHAROANY FOFORONAN’NY FEHEZANTENY MARO LAFY ............. 31
II.0 Fanamarihana ankapobeny ................................................................................................ 32
II.1 Ny fiforonan'ny fehezanteny amin'ny alalan'ny fitohizana ........................................ 33
II.1. 1 Ny fiforonan'ny fehezanteny Milalao i Bao sy i Bozy ........................................ 33
II.1.2 Ny fiforonan'ny fehezantany Sady mihira no mandihy i Ketaka. ........................ 35
II.1. 3 Ny fiforonan'ny fehezanteny Mianatra na maraina na hariva aho. .................. 38
II. 2 Ny fiforonan'ny fehezanteny maro lafy vokatry ny fampiankinana.......................... 40
II.2.1 Ny fiforonan'ny fehezanteny Tsy tonga nianatra i Solo satria marary ny reniny.40
II. 2.2 Ny fehezanteny maro lafy iasan'ny izay ............................................................. 44
II.2.2 Ny fiforonan'ny fehezanteny Nilaza i Koto fa hody ............................................ 47
II. 2.3 Ny fiforonan'ny fehezanteny Nivoaka izy na dia avy aza ny orana ................... 51
Fehiny ....................................................................................................................................... 55
TENY FAMARANANA.......................................................................................................... 56
BOKY NANOVOZAN-KEVITRA ......................................................................................... 59
Fizahan-takila ........................................................................................................................... 60
61

You might also like