You are on page 1of 2

Fankasitrahana

 Raha vehivavy hono no bevoka tsy mananbady dia solafaka zay, raha ito satroka ito no
mienjera dia latsaka izay, raha ny nifiko no mavomavo dia katsaka izay, fa raha tanana tsy
mitehaka @ izany dia tapaka tpklhay sy tpkvavy.

Fanokafana
 Ny andao andao hono mahavery entana, ny andraso andraso maha ela dia, tsy hiandry ny
andro hariva nefa zahay fa ny anio tsy hiverina intsony kanefa tpklay kanefa tpkvavy na inona
maha dodona na inona maha maika na betsaka aza ny rano ny ravitoto tsy mba fanasa, na
maranitra aza ny antsy ny totokena tsy mba fitetika.

 Tany tsipaka gisa hono mahatsiaro ny dia manga natao fony faha zaza, ny rovidamba ririnina
mahatsiaro ny lafinin neny, mahita an’izao fotoana izao kosa dia mahatsiaro ny fitenenan’ny
Ntaolo malagasy manao hoe : Na mamy aza ny loha tory mitsangana raha manao zovy ny
mpiambina, raha maharenoka aza ny reny tory mifoha raha voadonan-baravarana ary raha
mavesatra aza ny fara tory mitsangana raha maneno ny akoho , ny fanirian’ny jamba hono
ahita ny kintana eny @ raon’ny lanitra, raha vetsovetson’ny moana hikalo sy hitafatafa sahala
@zao ka raha fanirianay mianakavy tpk dia……

Teny mitovy hevitra


 Ray aman-dreny
 Ampiga aran-bolamena, raha mitraka voninahitrin’ny lanitra, raha miondrika
fahazavan’ny tany, nahivita trano tsy very anarana, nahavita trano tsy very faty.

 Angady maha tapaka ahitra

 Zoky be toa ray


 Olona mitovy saranga @ tena
 Angady manga tsara ofana tsy mifidy tany ho trandrahana, omba lahy be vozona tsy
mifidy tany hiadina, avanana loatra @ fandaharan-teny ka tsy azo hitenenan-bilan-
drindrina ary tsy menatra ny hadenbaka raha misy teny mifaningon-dia.
 Zandry zanaka
Sakely mihoa joro, saonjo mihoatra akondro, solofo dinbin’ny ala, kolokolo dibin’ny vary,
tsilo dinbin’ny felana.

Fialana tsiny
 Fanariana ny tsiny
Koa dia halako ny tsiny tpklahy halako ny tsiny tpkvavy tsy ho amiko izay miteny tsy
ho anareo izay miheno fa rehefa afaka ny tsiny fanalan’ny vava sy ny fondro
fanalan’ny molotra amin’ny atao satria tahaka ny salaka izy io ny soa atao miodidina
ratsy atao mamatotra dia hande hanao ny marina intsika hanao ny hitsiny hanao ny
rariny indrindra indrindra hanatanteraka ny adidy hanatanteraka ny andraikitra amizay
misaraka amintsika tahaka ny lanitra sy ny tany, isika tsirairay avy sy ny tsiny

Hasina sy ny arahaba
Ny tady nahorina mora vahana, ny dihy tsara gadona miara mamindra fa ny teny afa
tsiny mora harindra. Rehefa afaka ary ny tsiny fanalan’ny vava ny fondro fanalan’ny
molotra dia ny hasina sy ny arahaba indray izao no ande hatolotra.

You might also like