You are on page 1of 1

ALAHADY 01 AVRILY 2012.

ALAHADIN’NY SAMPANKAZO

1 – Faly miarahaba antsika rehetra indray nahavita soa ny herinandro iny ka nahatratra izao alahadin’ny
SAMPAKAZO, fanombohana ny herinandro masina izao.
Misaotra ny Komitim-piangonana nanomana sy nanentana ny litorjia androany.
2 – Ireo Olomasina ankalazaina mandritra ity herinandro ity sy ny mpanentana ny Litorjia amin’ny
Lamesa maraina na ny hariva :
Androany alahady amin’ny 5 ora hariva misy lamesa ho an’ireo tsy afaka mamonjy maraina.
Mpanentana ny Komitim-piangonana.
Alatsinainy 02 Avrily : Md. François de Paul : TMV
Talata 03 Avrily : Md. Richard : Antily
Alarobia 04 Avrily : Md. Isidore = Ny Tanoran-dry Masera.
Alakamisy 05 Avrily : ALAKAMISY MASINA : Md. Vincent ferrier = FET (Lamesa @7h30 hariva+Fiamb
Masna mandra-maraina, izay handraisan’ny Fikambanana Masina rehetra anjara)
Zoma 06 Avrily : ZOMA MASINA ; Mb Mélanie = VTP (6h00 : Hasivianandron’ny famindrampon’Atra.
15h00 lalan’ny HzFj ; 19h00 fotoam-pivavahana fanandratana ny Hazofijaliana sy fandevenana an’i Jesoa
Kristy)
Sabotsy 07 Avrily : Md. Jean Baptiste de la Salle. SABOTSY MASINA = (6h00 maraina : Mitohy ny
hasivianandron’ny Famindram-po) Misasakalin’ny Paka = Mpp Katesizy (Batemy Katekomena)
Alahady 08 Avrily: ALAHADIN’NY PAKA : Ankalazana ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty :
Lamesa voalohany : Komity ; Faharoa : FET. Sady manao Fidadiavam-bola ireo. Famerenana ihany koa ny
Enveloppe Denier de Culte.
Dia faly miarahaba an’ireo tratry ny tsingerin-taona nahatarahany sy tonga fety amin’iny herinndro
iny, ary dia mirary herinandro masina mahafinaritra ho antsika.
3 – Ny Rakitra tamin’ny alahady faha-5 amin’ny Karemy lasa teo
Fiangonana = 141 990 Ar
Fanorenana = 71 940 Ar
Caritas = 40 190 Ar
Chemin de Croix = 33 610 Ar

4 – Filazana samihafa
A – Ho fanomanana ny Fiambenana Masina ny Alakamisy Masina mifoha Zoma Masina dia :
Miantso solon-tena roa isam-pikambanana masina sy olona roa isan-kartier ary ny solon-tenan-drelijiozy
ny fiangonana mba hiara-midinika ny handaminana io alim-bavaka io. Ny fotoana dia ny alatsinainy
hariva @6 ora hariva ao amin’ny efitrano Mb. Marthe. Hoy ny Garde d’H sy ny Vaomieran’ny Finoana.
B – Entanina koa isika rehetra mba hamonjy ny hasivianandron’ny Famindram-pon’Andriamanitra
manomboka ny Zomà Masina ho avy izao isaky ny amin’ny.
C – Entanina koa isika mba tsy hitondra fitafiana mena ny Alakamisy Masina sy ny Zomà Masina ho
fiombonana amin’i Jesoa nijaly sy nahafoy ny ainy ho antsika.
D – Manao ny famerenana ny litorjian’ny misasak’alina ireo mpampianatra katesizy sy ny
Katekomena sy ireo voatendry hanao ny fihetsika aorian’izao Sorona Masina izao.
Dia izay sy izay ny filazana ka misaotra antsika naharitra nihaino hatramin’ny farany, ary dia mirary
Paka sambatra ho antsika rehetra.
Mbola hiteny ny solon-tenan’ny VF alohan’ny handraisan’ny Président ny fitenenana.

You might also like