You are on page 1of 1

Andamasiny faha-16 Desambra 2019

HO AN’NY

GOVERNORAN’NY FARITRA ATSIMO ANDREFANA


TALEM-PARITRA NY FAMPIANARANA ATSIMO ANDREFANA
BEN’NY TANÀNAN’NY KAOMININA
AMBANIVOHITRA MITSINJO BETANIMENA

ANTONY : Fitarainana sy fampahafantarana

Tompoko,
Voninahitra lehibe ho anay fokonolona eto amin’ny Fokontany
Andamasiny Tanambao, Kaominina Ambanivohitra Mitsinjo Betanimena, no
anaovanay izao taratasy fitarainana izao aminareo Ray aman-dreny voalaza
anarana etsy ambony, noho izao antony manaraka izao :
Misy fanamboarana lakilasy manara-penitra ety aminay, tetik’asan’ny
Filoham-pirenena araka ny filazana’ireo mpiasa mpanamboatra io foto-
drafitr’asa io.
Izahay Tompoko, dia miteny mazava fa mankasitraka sy misaotra ny
Filoham-pirenena Malagasy nahatsiaro anay amin’io fanomezana lakilasy io.
Saingy ny fomba fametrahana azy no mila fanarenana na fanakisahana kely fa
mahavoakasika ny toera-ponenanay, nefa ny toerana dia mbola malalaka azo
am-pikisahana io foto-drafitr’asa io. Koa noho izany ny asa mandeha ihany.
Raha ohatra azo atao dia mangataka aminareo izahay ny hamaha io olana io
haingana. Azafady Tompoko.
Manantena ny fahatsoram-ponareo.
Misaotra mialoha !

You might also like