You are on page 1of 12

Fisy teknika sy

toro-lalana

Ny fiompiana akoho
fakana hena
Centre de formation
agricole Toamasina
Ny fiompiana akoho fakana hena

FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENY
Fiompiana atao ho fampidirambola sy ho fanatsarana sakafo ny fiompiana akoho fakana hena. Roa
karazana ny azo ompiana fa ny karazany haingam-pitombo «Starbro», «Cobb», «Hubbard Isa» no tsara
ompiana. 45 andro ny faharetan’ny fiompiana ary milanja manodididina ny 2 kg ny akoho iray raha
tanteraka antsakany sy andavany ny fitondrana ny fiompiana voarakitra ao anatin’ity torolalana ity.

1 - NY TOERANA FIOMPIANA
• Tokony ho toerana malalaka sady marin-drano.
• Maina tsara sady avoavo.
• Lavitry ny tabataba.
• Misy zavamaniry manodidina mba handrindrana
ny hafanana.
• Manamora ny asa fikarakarana rehetra ny fisian’ny
herin’aratra (hazavana, fanafanana, fanaraha-maso)
• Misy rano madio fanome ny akoho sy hanaovana
fanadiovana.
• Ny fitodiky ny trano dia kendrena mba hifanapaka
amin’ny fiavian’ny rivotra amin’ny fotoana mafana.

2 - NY TRANO
Kendrena mba:
• Hiaro ny akoho amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro (rivotra, orana,hafanana,
hatsiaka) sy ny fahavalony (biby mpanimba sy mpangalatra),
• Ho mora diovina,
• Hahazo rivotra tsara sy hazavana,
• Tokony 10% ny velaran’ny trano ny velaran’ny varavaran-kely.
Rindrina : tsara raha vita amin’ny fitaovana mora lokoina fotsy (chaux) ny ao anatiny;
Tafo : Aty amin’ny faritra mafana, dia atao 3 m ny haavony; azo ampiasaina
ny bozaka na ravina na satrana.

2
Ny filàna rivotra eo amin’ny akoho : Tokony hitovy, tsy miovaova ny fihetsehan’ny rivotra.Tandremana
mba tsy hisy «courant d’air», indrindra ho an’ny akoho 1 - 7 andro.
Rehefa feno 15 andro ny akoho dia tokony hisy rivotra tsara ao an-tranon’akoho mba hahamaina ny
lafika. Raha mando ny lafika dia mamoaka fofona amoniaka.

Ny hazavana : Tena ilaina ny hazavana satria raha tsy ampy izany dia tsy afaka mihinana sy misotro
izy ka manatara ny fitomboany.
Ny fomba fandrefesana ny hazavana :
Taonany Hazavana Faharetany Ampitomboina ny refin’ny trano ampiasaina ny
1 - 15 andro 3 - 5 watts/m2 24 ora hazavana ilaina mba ahafantarana ny tanjaky ny
hazavana ampiasaina. Ohatra : trano 20m2 x 3 watts/
10 - 14 ora
3 -4 herinandro 1 - 2 watts/m2 m2 = 60 watts (hazavana ampiasaina).
isan’andro
Raha tsy misy herin’aratra dia mampiasa jiro pétrole ka
Herinandro faha jerena tsara ny hazavana ahafahan’ny akoho mihinana
0,3 watts/m2 24 ora
5 no mihoatra sy misotro. Miankina amin’izay no anampiana ny jiro
pétrole ampiasaina.

Ny hafanana : Tena ilain’ny akoho ny hafanana. Tsara raha mampiasa fijerena maripana (thermomètre)
ary ny fihetsiky ny akoho dia ahafahana mijery ny hafanana antonony.

Hafanana manodidina
Herinandro Hafanana ao an-trano (°C)
ny fatana (jiro) (°C)
1 36° - 34°C 33°C
2 34° - 32° C 31° C
3 32° - 30° C 29° C
4 30° - 28° C 27° C
5 29° - 26° C 25° C

3
Ny fiompiana akoho fakana hena

Ny fitaovana manome hafanana :


Jiro manafana mandeha amin’ny herin’aratra (lampe chauffante na ampoule) na fatana saribao na taim-bakona
no ampiasaina hanafanana ny tranon’akoho (mila fitandremana anefa ny afo sy ny pitik’afo amin’izany).

Refin’ny tranon’akoho :
Herinandro 1 2 3 4 5 6 7 8 Ny akohokely 1000 izany dia mila trano
velarana 100m2 izay asiana efitra azo akisaka
Isan’ny akoho/m2 40 30 20 10 10 10 10 10
isan-kerinandro
3 - NY AO ANATIN’NY TRANONY

3 - 1 Ny fanambaniny : Vita amin’ny fitaovana mora sasàna na soloina. Vita simenitra na tany
voadama, hazo na volo.

3 - 2 Ny varavaran-kely : Tsara ny manisy lamba tsy lena fotsy tantera-pahazavana (ohatra:


plasitika) sy karakara vy mba hanakanana ny rivotra mahery raha ilaina, kanefa tsy manakana ny
hazavana.

3 - 3 Ny tavy fisotroana sy fihinanana :


Atao fitaovana mora diovina isan’andro, tsy miteraka harafesina na fahalovana.
Atao mifanitsy amin’ny haavon’ny lamosin’ny akoho ny haavon’ny fitaovana. Arakaraka ny fandanian-
drano no tokony hamerana ny halehibeny sy ny isany.

Sokajy Refin’ny fisotroana Refin’ny fihinanana


Akoho madinika 5 - 10 sm isan’akoho (1 m x 0,10 m x 0,03 m)
0 - 23 andro
2 - 3 sm isan’akoho
Famaranana 5 - 10 sm isan’akoho (1 m x 0,15 x 0,05 m)
24 - 45 andro

4
Fisotroana rano (Abreuvoir) Fihinanana (Mangeoire)

Siny plastika avadika ambony lovia, na tavoahangy Vita amin’ny volo na hazo (planche). Kendrena tsy
na volo. ho mora manary hanina kanefa tsy manahirana
Mba isakanana ny akoho tsy hitaingina eo ka ny akoho. Misy fanakanana tsy ahafahan’ny akoho
mety handoto ny rano dia tokony asiana zavatra miditra ao anatiny.
vita avy amin’ny hazo na tanimanga apetraka eo
ambony.

Tsara raha miloko marevaka ireo fitaovam-pihinana sy fisotroana mba hanintona ireo akoho.

3-4 Ny lafika :

Taim-bakona maina tsara no ampiasaina ka 8 - 10 sm no ateviny. Mila arahi-maso sy soloina ny lafika


raha mando satria mamparary ny akoho.

5
Ny fiompiana akoho fakana hena

4 - FITANTANANA NY FIOMPIANA

4 - 1 Fanombohana
• Vao tonga ao amin’ny tranony ny akohokely vaovao dia tsara raha omena fanafody mampitony na
«anti-stress» mba hanalana ny havizanana, ny fanaintainana vokatry ny lalan-davitra sy ny fiovan-
toerana.
• Adiny efatra aorian’ny fahatongavany vao omena sakafo ny akoho ary atao ambony baoritra kely tsy
malama izany sakafo izany, ary soloina miandalana amin’ny fitaovam-pihinanana ny baoritra.
• Lanjaina isan-kerinandro ny akoho mba ahitana ny fitombony ka raha hita fa tsy tena ara-dalàna
izany dia tokony omena vitaminina na antibiotika.
• Ny fifampitsaingohana dia tsy misy loatra amin’ny fiompiana akoho fakana hena. Mety hisy anefa
izany raha toa ka mafana loatra, na mazava loatra, na misy tsiro tsy ampy amin’ny sakafony.

4 - 2 Ny sakafo
• Sakafo misy tsiro sy hery mifandanja araka ny sokajiny no omena ny akoho.
• Tokony in-4 na in-5 isan’andro no mizara sakafo.
• Tsara ny mividy provandy ho an’ny fiompiana latsaky ny 100 - 200.
• Kendrena mba ho provandy mifanentana amin’ny dingan’ny fiompiana hatrany no ampiasaina.

Herinandro Taona (andro) Karazana provandy Fatran’ny provandy (g) Lanjan’ny akoho (g)
1 1-7 23 170
2 8 - 14 Provandy 47 417
3 15 - 21 «Démarrage» 74 745
4 22 - 28 106 1157
5 29 - 35 Provandy «Démarrage» + «Finition» 140 1634
6 36 - 42 166 2140
7 43 - 49 Provandy «Finition» 187 2639
Ny lanjan’ny provandy lanin’ny akoho iray hatramin’ny faha-49 androny dia 5,2 kilao.

6
Fomba fanao raha manova sokajin-tsakafo: Tsy azo ovaina tampoka ny sakafo fa atao miandalana ho
an’ny sokajy rehetra. Ao anatin’ny 5 andro ny fanovana.
Andro Sakafo taloha (%) Sakafo vaovao (%)
1 80 20
2 60 40
3 40 60
4 20 80
5 - 100
Marihina fa ny sakafo vita voafangaro dia tsy azo tehirizina mihoatra ny roapolo andro.
Fanamarihana hoan’ny akoho efa feno 45 andro sy mihoatra : Ajanona indray andro mialohan’ny
amonoana azy ny fanomezana sakafo fa tsy maintsy omena rano kosa. Tsara kokoa ny henany amin’izay.
TANDREMO : Tsy tsara ny miompy ny akoho mihoatra ny 45 andro fa mivadika ho fatiantoka hoan’ny
mpiompy izany noho ny fandaniana eo lafiny ara-tsakafo sy fikarakarana.

Rano : Mila rano madio tsara sy tsy tapaka ny akoho. Tsara fantarina ihany ny fandaniana rano mba
ahazoana manomana ny fitaovana ilaina amin’izany.
Taonan’ny akoho (herinandro) Rano (ml/isan’andro/isan’akoho)
1 46
2 94
3 148
4 212
5 280
6 332
7 374
Ny fatran’ny rano lanin’ny akoho iray hatramin’ny faha-49 androny dia 1,76 litatra.

7
Ny fiompiana akoho fakana hena

5 - FAHASALAMANA
5 - 1 Fiarovana

Ireto ny fepetra amin’ny fitaizam-pahasalamana :


• Fahadiovan’ny trano (anatiny sy ivelany) ary ireo fitaovana ao anatiny,
• Sakafo mahavelona,
• Fifandraisan’ny samy akoho (mila arahi-maso),
• Fanaovana vaksiny fanefitra,
• Raha misy marary dia atokana ary raha maty dia dorana mba hisorohana ny fihombon’ny
fahavoazana.

Ny fahadiovana no tena fiarovana lehibe indrindra :


• Atao ny fanadiovana tanteraka rehefa mifarana ny famokarana.
• Esorina ny lafika sy ny fitaovana rehetra.
• Fafana ny jofo sy ny loto miraikitra.
• Sasana rano mahamay na misy eau de javel ny trano sy ny fitaovana rehetra.
• Asiana fanafody famonoana bibikely sy poizim-boalavo.
• Apetraka tsy ampiasaina mandritry ny 15 andro ny efitra (vide sanitaire). Kendrena mba tsy hisy
olona hafa miditra ankoatry ny mpikarakara ao amin’ny trano mandritra ny fanadiovana.
• Tsara ny mampiasa fanafody fandomana tongotra «pédiluve» eo am-baravarana fidirana.

5- 2 Vaksiny

Omena vitaminina ny akoho mandritra ny telo andro : iray andro mialoha ny fanaovana vaksiny, ny
andron’ny fanaovana vaksiny ary iray andro aoriana ny fanaovana vaksiny. Ny andro anomezana ny
vaksiny dia esorina adiny iray mialoha ny fisotroana rano mba hangetaheta tsara ny akoho. Adiny roa
aorian’ny nanomezana ny vaksiny dia esorina ny fisotroana rano misy vakisiny fa mivadika ho poizina ho
an’ny akoho izany.

8
Taona Vaksiny Aretina Fanomezana azy
Andro faha 6 HB1 Pesta Rano fisotro (8 litatra)
Andro faha 12 CEVAC IBD L Gomboro Rano fisotro (12 litatra)
Andro faha 16 IBD INTER Gomboro Rano fisotro (15 litatra)
Andro faha 21 LASOTA Pesta Rano fisotro (20 litatra)

Fanamarihana: Ny rano ampiasaina afangaro amin’ny vaksiny dia rano tsy voadio na misy fanafody
fanadiovan-drano (Oh: ranon’ny Jirama) fa rano avy amin’ny lava-drano na paompy tany.

5-3 Ny aretina

Maladie de marek : Aretina avy amin’ny virus . Mahavoa ny akoho kely. Mihamahia, mandringa ary
mety ho tsy hahita ny akoho.
New castle “pseudo peste aviaire” : Misy fanaviana ny akoho, tsy mahinan-kanina, te hisotro rano
matetika ary mitsangana ny volony.
Gumboro : Aretina mamely ny akoho 3-6 herinandro. Marary kibo ny akoho. Tsy mahinan-kanina, tsy
mitombo ary mety ho faty.
Bronchite infectieuse : Mikohaka, sahiraha ny fiainany mety hisy fivontosana amin’ny fivavian’ny
akoho. Mety ho miova ny atodiny ary mety ho tara ny fanatodizany.
Variole aviaire : Misy fivontosana mipoitra amin’ny lohan’ny akoho, tsy mahinan-kanina ary maty
tampoka.
Choléra : Tsy miaina tsara ny akoho, mikohaka sy mievina, mivalana ary miloko mavo, na maintso ny
fivalanany. Tsy maha hetsika ny elany sy ny tongony. Mety ho mihamatrotra ny sangany ary mivonto ny
masony.
Grippe aviaire : avy amin’ny virisy H5N 1. Vetivety dia maty ny akoho (1 na 2 andro aoriana).
Kankana : Ny coccidies dia kankana madinika kely manakana ny fitombon’ny akohokely na mety
mitarika fahafatesana aza. Taimbodiana ny akohokely tratran’io kankana io. Ny akoho mbola kely no
ilaina omena ny ody kankana «anticoccidien».

9
Ny fiompiana akoho fakana hena

6 - FITANANA AN-TSORATRA

Tokony hanana kahie hiraketana ny momba akoho isan’andiany. Toy izao no hita eo amin’izany : Anaran’ny
mpiompy, adiresiny, mpamatsy, karazan’akoho, trano fiompiana, daty nidiran’ny akoho, isa vao tonga,
etc.

Ary eo ambany misy tabilao toy izao :


Daty Taonany Lanjany Sakafo Karazan-tsakafo Isan’ny maty Fanamarihana

Tsara ny ahaizan’ny mpiompy ny kaotim-pitantanana mba ahafahany mandalina ary manitsy eo amin’ny
lafiny ara-teknika sy toe-karena. Toy izao ny endriky ny kaontim-pitantanana :

VIDIN’NY IRAY ISANY FITAMBARANY


A - VOLA LANY
Akohokely 500 100 50 000
Provandy 800 520 416 000
Totalin’ny vola lany
B - VOLA MIDITRA
Akoho velona (kg) 4 800 37 177 600
Akoho voakarakara (kg) 5 900 105 619 500
Totalin’ny vola miditra
TOMBOM-BAROTRA
Vola miditra - vola mivoaka (B-A)

10
FANOROAM-PEJY
Fampahafantarana akapobeny............................................................................. 2
1 - Ny toerana fiompiana....................................................................................2
2 - Ny trano..................................................................................................... 2
3 - Ny ao anatin’ny tranony................................................................................ 4
4 - Fitantanana ny fiompiana.............................................................................. 6
5 - Fahasalamana..............................................................................................8
6 - Fitanana an-tsoratra....................................................................................10

Ity boky toro-lalana ity dia natao tao anatin’ny «Centre de formation agricole» tontosain’ny Centre Technique Horticole de
Tamatave (CTHT) miaraka amin’ny Projet AMBATOVY sy ny PGRM.

Centre de Formation agricole - Toamasina - CTHT


Bâtiment ex-opération café - Bd Joffre - Tamatave 501 - Madagascar
Tél: 020 53 311 37 - Fax: 020 53 322 04
Mobile : 032 07 668 58 - 033 15 011 86
E-mail : ctht@moov.mg - Site web : www.ctht.org

You might also like