You are on page 1of 14

IREO FAHATSIAROVANA

HEBREO
« ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo
amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: Ity volana ity ho
voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana
amin'ny taona ho anareo izy » (Eks 12/1)
(T.A P158)
- Mifanandrify tanteraka ny taom-baovao Malagasy
sy ny taom-baovao Hebreo dia ny 1 Abib.
- Mahita volana alohan’ny ABIB
« Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny
ondry na amin'ny osy izy; ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo
amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
Ary hanalany ny ra, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-
baravaran'ny trano izay hihinanany azy » Eks 12/5,7)
« Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny ra izay ao anatin'ny bakoly ary ny ra izay ao
anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-
baravaran'ny tranonareo avy hianareo ambara-pahamarain'ny andro. Fa Jehovah handeha hamely ny
Egyptiana; ary raha mahita ny ra eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo
ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana » (Eks
12/22,23)
(T.A P162)
« Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy
mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. Aza hanina
manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny
tongony ary ny fadiny. Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy
lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo » (Eks 12/8,9)

(T.A 162): Tonom-bilany

« Amin'ny hariva dia vory eo amin'ny tonombilany, izay midika endim-bilany dia sakafo
ahitana ireo taovan'omby, fo, vavony...izay nampiana ny trafony »

« Tsy manan-katao tonombilany! Olo-mahantra ! - Izay antra no manotne! Olona kamboty! 1


p. 170. 2 pp. 170, 171. 3 Refo est pour refy. 4 p. 171 »
« Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny
valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny
tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia
hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah » (Eks
12/11)
Notazonin’ireo Malagasy hatrany io fomba io teo tany
aloha na dia teo aza ny fanakanana mafy nataon’ireo
frantsay ny taona 1897 (T.A 170)
Ny tehina @ tsinana alahamady
Rehefa migadona ny andron’ny taona vaovao dia mandrehitra afo tamin’ireo toerana avo,
mora tazana ireo Malagasy. Mbola fahatsiarovana ny nivoahana tany Egypta fahiny ihany
koa izy io.

« Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra
ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
20 ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny
rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa
tonta mandritra ny alina » (Eks 14/19,20)

« Afo tsy maty na Arendrina ho an’ny ankizy »


Mba hifampitohizan’ny Paska isan-taona, ireo Hebreo dia manajanona ampahany kely
tamin’ny hena izay nankalazain’izy ireo ny Paska ho amin’ny Paska manaraka, io no
nantsoina tamin’ny teny Hebreo hoe « Bassar Ha Pessah Lifnei Shanah ».

« jaka mialo-taona » no nahafantaran’ny Malagasy io fahatsiarovana io teto madagasikara


Ny fandroana Malagasy
Isaky taom-baovao Malagasy no natao ny fandroana. Izay noraran’i Joseph Simon Gallieni tamin’ny
alalan’ny « arrêté 458 » ka nosoloiny ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay dia ny 14 Jolay
izany.

« ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Amin'ny andro voalohany amin'ny volana
voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana »(Eks 40/1)
Ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia fantatry ny Malagasy tamin’ny anarana hoe
« Tsinana Alahamady »
Eks 40/12): « Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka
ampandroy amin'ny rano izy » / io no « fandroana » Malagasy: tsy maintsy voadio amin’ny rano aloha
ireo zanak’i Aarona vao afaka manatitra ny fanatitra.
Ny omby volavita
Tsy maintsy manatitra ny fanatitra ho fanavotana ho an'ny tenany sy ny
ankohonany aloha i Aarona,
io ilay omby volavita(omby natokana ho an'ny levita). Rehefa izany dia manao
fanatitra ho an'ny vahoaka izy
« mamono omby volavita ny Andriana ary mamono omby malaza ny vahoaka
Apis: ombilahy masin'i Memphis. Herodote(484 - 425) izay milaza fa io ombilahy
masina io dia tsy maintsy nanana ny marika nampiavaka azy manokana dia ny
marika fotsy teo amin'ny handriny, io no ilay omby volavita.
Ireo taranaka Levita tao Avaratra no nampiasa io karazana omby io.
Ny volana voalohany Malagasy dia nitondra ny anaran'ny andriamanibavy Asera
« volasira »(volana Asira)/ novain'Andrianampoinimerina ho Alahamady io andro io
tamin'ny 1805 nohon'ny fifanarahana ara-politika teo amin'i Andrianampoinimerina
sy Andriamahazonoro de Matitanana
Asera=Ishtar(andriamanitry ny fijangajangana Babyloniana)
Fahatsiarovana vitsivitsy
Ny vady loloha: (Gen 38/8)/ (T.A P329),
Zanak’olomianadahy: (Gen 28/5)/ (T.A P332)
Vahiny avy lavitra: (Gen 18/ 1,2)/ T.A P366)
Fanajana Ray amandreny: (Eks 20/ 12)/ (T.A P370)
Ny famoràna: (Gen 17/ 10,13)/ (T.A P365) La Ellah)
Menaka tamin’ny vato: (Gen 28/ 18)

Sa+n+Iaakov: zanakova/hova
Sa/za+n+ari: sanahary/ zanahary
Samerina

You might also like