You are on page 1of 3

Mpanozondoha: (miantso) Fitsarana Prezid: Iza no Radaoro? Radaoro: (mitsangana) Izaho tompoko Prezid: Iza no rasoa?

Rasoa: (mitsangana) Izaho tompoko Prezid: Ianareo mivady mitsangana avokoa Radaoro: (miteny)Eny Tompoko Prezid: Ity misy fitsarana Radaoro: (miteny)Eny Tompoko Prezid: Fisaraham-panambadiana Rasao: (miteny) Eny Tompoko Prezid : Ka ahoana sy ahoana No hevitrao Rasoa? Rasoa: Azafady aminareo re ry Prezid Tsy hanambady anio raha izaho Fa lehilahy maditra ratsy fanahy Tsy mampiditra vola an-trano Tsy mody izy raha tsy mamo Tsy tsara ho any ny miaraka Fa aleo re izahay hisaraka Divorsa no ilaiko Sy masaka an-tsaiko

Prezid: Ka ahoana Radaoro no mba hevitrao? Aza mihafihafy fa lazao Izany no teninny vadinao Miandry ny fitsarana Lazao fa aza mihanahana Efa nampody vady va ianao Sa nijanona fontsiny taminizao Miandry ny fitsarana Aminizay hevitrao Radaoro: Azafady aminao aho ringahy mpitsara Fa toa tafahoatra loatra ity tantara Izao re ny teny kely tiako hambara In-telo aho no nampody Fa Rasoa no tsy nety nody Rasoa:(miteny) Lainganyy izany tompoko, laingany izany Radaoro: Divorsa no iriany Ka ataovy izay tiany

Prezid:

Izao re no izy ry izy mivady Henoinareo azafady Tsy misy izay mpivady tsy miady Fa ho setrinizany Mifandefitra ihany Ny zanakareo jerena Fa tena mampahonena Hijaly mandra-maty Ho kamboty tsy satry ...... Hisintona kely ny fitsarana (Lasa mivaoka)

Radaoro: Fa maninona moa Rasoa Rasoa: (miteny) Haninona? Radaoro: Raha mifampody isika roa

Rasoa: (miteny) tsy misy io RAdaoro: Mahonena ireo zanatsika r Mangina ny tokantrano anie Andao re ry vady tiako Ny hendry no faniriako Ao aoriana ianao dia hahita Fa neniko daholo ny efa vita Azafady aho Ndrematoa Aza izaho no hivakina loha Be no efa vitanao Efa tofoka raha izaho Any an-kafa indray re Mba mimamo lava Fa Rasoa efa leo sy toa tatam-bava Mba hiafio re ny tranomaizina Sazy mihatra ka tsy azo laizina.

Rasaoa:

(Miditra ny mpitsara sy ny mpanozondoha) Mpanozondoha: Fitsarana Prezida: Rehefa nandinika ny fitsarana Ka namolavola tsara ireo lalna Izao re ny teny fara-fiantrana

Modia aloha lisaina tsara Sao hanenina any afara Ny ankizy mbola zaza Sao dia mitanatana vava Rodobe: Nahoana ny hajanny firenena! Ny hasinny tokatrano no hosena Voninahitra tokony an-tsobiky Ka atao fatam-bary fa tsy vohitsy Mifanaraha ianareo Ny zaza madinika no jereo Ny toetra modely no aoka haseho Ny fo misandaotra re mba toneo Nahoana ny hajanny firenena! Ny hasinny tokantrano no hosena Voninahitra tokony an-tsobiky Ka atao fatam-bary fa tsy vohitsy.

You might also like