You are on page 1of 2

TSINDRIMANDRY & FAHITANA - NY FANAZARANTENA ATAO MBA

HAMPATANJAKA AZY.
#vision #clairvoyance #occult #powers #exercice #meditation
Toy ny disciplines rehetra dia ny fanazarantena sy ny fanazarantsaina ary ny
famerimberenana ihany no ahafahana mifehy azy. Rehefa manao pratique foana ianao dia
miha matanjaka ny hery ao anatinao ary miha mahiratra ny vision anao. Tsy ampy fotsiny ny
fananana connaissances sy références théoriques fa ilaina ny fampiharana raha te hahomby
amin'ny zavatra atao.
Raha tianao hatanjaka sy hazava tsara ny vision azonao dia zava-dehibe tsy tokony
adinoina ny fahadiovan'ny vatana. Izay ny antony amporisihanay anareo foana hoe manaova
néttoyage de l'aura matetika, indrindra rehefa pleine lune.
Efa misy rahateo ny "kit de nettoyage énergétique" izay ahitana ny fitaovana rehetra ilaina
amin'ny purification. Ka afaka mandefa MP amin'ny page ianareo izay mila izany.
Ireto ny fototra mila fehezina : Relaxation - Concentration - Visualisation - Meditation -
Ethics
Relaxation
Mipetraka tsara amin'ny posture izay azahoana aina (Jereo ao amin'ny commentaire ny
karazana postures azo atao).
Manao respiration profonde et lente mandritra ny 5mn hatramin'ny 7mn.
Rehefa voafehy ny fofonaina dia mora aminao ny mifehy ny vatana sy ny saina. Izay ny
antony anaovana azy.
Concentration
Rehefa manana fahazarana mifantoka haingana amina zavatra iray ianao dia mora ny
misambotra ireo information mampazava ny vision.
Misy karazana exercice maromaro azo atao ireto.
Feo : Makà feo iray any ivelan'ny trano, na izay feo henonao manodidina anao dia afantohy
amin'iny feo iray iny ny saina.
Tsiro : Rehefa misakafo ianao; ohatra hoe mihinana pizza : Akimpio ny maso, dia ezaho
fantarina ireo karazana goûts henonin'ny vavanao. Ataovy ohatrany milalao dia ezaho
fantarina ny ingredients mandrafitra an'ilay sakafo.
Loko : Mianara manavaka couleur. Izany hoe jereo amin'ny détail ny loko hitan'ny
masonao rehefa mijery. Atombohy amin'ny loko hitanao ao an-trano. Jereo ny intensité sy ny
variation.
Fofona : Makà zavatra maromaro mamoaka fofona (oh : encens, ranomanitra,
voninkazo, ...). Akimpio ny maso ary afantohy amina fofona iray ny saina. Avy eo mifindra
amin'ny anankiray indray, ... Raha misy fofona maromaro eo dia izay hifantohanao ihany no
tokony ho heno.
Emotions : Manaova liste-na emotions karazany 7 : asio négative sy positive. Hiaino
tsirairay ireo voasoratra anaty liste. Hitanao eo avy eo hoe iza no vitanao ny mamorona azy,
ary iza amin'ireo no tena emotions matanjaka tsapanao.
Visualisation
Akimpy ny maso sady mamorona sary an-tsaina ka ataovy tsapanao ny antsipirihan-javatra
rehetra ao anatin'ilay tranga foroninao.
Ohatra :
Alainao sary an-tsaina ianao mandeha eny amina zaridaina mahafinaritra. Ataovy hitanao
daholo ireo karazana loko sy karazana voninkazo maniry eo an-jaridaina.
Ataovy henonao ny rivotra mitsoka misafo ny vatanao rehefa mandeha manatona akaiky
ianao. Makà voninkazo iray izay tena mahasarika ny masonao ny lokony, dia fofony. Ataovy
henon'ny orona tsara ilay fofona mahafinaritra sy mitondra fitoniana.
Ataovy tsapa ilay fifaliana sy fahasambara rehefa miaina eo amin'ilay toerana mahafinaritra.
Betsaka ny scène azo foronina fa rehefa voafehinao io visualisation io dia ho hitanao fa lasa
matanjaka be ny fahitana sy ny tsindrimandrinao.
Meditation.
Fotoana hanambarana ny Relaxation - Concentration - Visualisation.
Ezaho atao lavalava amin'izay ny visualisation rehefa miditra manao méditation
Amin'ny voalohany mety mbola sahirana ianao manao an'ireo rehetra ireo, fa rehefa manao
séances régulières tsy maintsy mahita fivoarana. Ary manomboka tsapanao amin'izay ny
karazana hery sy talenta ao anatinao

You might also like