You are on page 1of 2

NY FOMBA IAROVAN-TENA AMINIREO FANDRIKI SATANA

Fanamarihana ho anny mpandahateny:


Ampio ny mpanatrika mba hahatakatra fa tena misy i Satana Devoly sy ireo teti-dratsiny, ary tsy tokony hohamaivani-
na. Asongadino ireo fomba azo ampiharina izay ahafahantsika miaro tena sy ireo valisoa noho ny fanaovana izany

ZAVABOARY TENA MISY I SATANA, TSY NY FAHARATSIANA FOTSINY IZY (4 min.)


Zavatra inoanny besinimaro: Tsy zavaboary tena misy i Satana (wMG 1/12/92 p. 32)
Izany dia fandrika iray ampiasaini Satana mba hifehezana hatrany ny taranakolombelona
Raha ny marina, dia eo ambaninny fifehezany izao tontolo izao manontolo (1Jn 5:19)
Ny Baiboly dia loharanom-panazavana iray azo ianteherana mahakasika ani Satana
Mampiseho ani Satana ho fanahy iray tena misy ny fitantaranny Joba 1, 2
Manaporofo koa ny maha tena misy ny Devoly ny fakana fanahy ani Jesosy (Mt 4:1-11; wMG 1/12/88 p. 13-14)

NY ANTONY MANOSIKA ANI SATANA SY IREO ZAVA-KENDRENY (6 min.)


Noforonina lavorary izy, saingy namela ny fanirian-daza fatratra hifehy azy (Jk 1:14, 15)
Tapa-kevitra ny hanaporofo ny tenany ho ambony noho i Jehovah izy taminny fanodinana anireo zavaboary manan-
tsaina noforoninAndriamanitra hiala taminAndriamanitra (dg-MG p. 13-14)
`
Nanohitra ny maha ara-dalana ny fiandriananAndriamanitra (Ge 3:1-5)
Natosiky ny avonavona (1Ti 3:6, NW)
Ny fanoherany ani Jehovah dia manjary fitsapana ho anny zavaboary manan-tsaina rehetra raha ny aminny tsy
fivadihana amini Jehovah (Jb 1:9-11; 2:4, 5)
Ny antony tokony hiambenantsika raha ny amini Satana
Mba tsy hitondrany fahavoazana ho antsika (1Pe 5:8)
Mba hanohanantsika ny fiandrianani Jehovah sy mba hampifaliantsika ny fony (Oh 27:11)
Raha miambina isika, dia hahazo valisoa: fiainana mandrakizay

IREO FANDRIKA AMPIASAINI SATANA (10 min.)


Aminizao andro farany sarotra izao, i Satana dia mamitaka olona maro aminny alalanny fitiavana fahafinaretana (2Ti
3:1, 4, NW)
Filanny maso, filanny nofo (1Jn 2:16; wMG 1/8/86 p. 11-12)
Mozika mampietry be mpitia, fandaharana ao aminny televiziona sy sarimihetsika manimba ara-pitondran-tena
Mandrisika ireo mpijery fanatanjahan-tena hanana firehetana feno fanindrahindram-pirenena sy firehetana ara-piva-
vahana mihitsy aza, i Satana
Manaitra ny avonavona izy; nahatonga ny fahalavoani Eva (Ge 3:5, 6)
Niavonavona i Kaina sy i Nimroda (Ge 4:3-8; 10:8, 9)
Anisanireo fandriki Satana ny avonavona noho ny firazananny tena (gF 8/2/85 p. 4-5)
Resinny avonavona ilay lehilahinota (2Te 2:3, 4)
Mampiasa ny herinny fanintonana eo aminny lahy sy ny vavy
Nahataona anjely hivadika (Ge 6:2; Jd 6)
Ny vehivavy moabita dia nitaona koa ny Isiraelita hanana firaisana taminy (No 25:1)
Miasa araka ny zava-kendreni Satana ny fampitam-baovaonizao tontolo izao, ireo tantara mitohy ao aminny televi-
ziona na ao aminny radio
Aminireo voaroaka isan-taona, ny ankamaroany dia noho ny fahalotoam-pitondran-tena
Fandrika maloto ny sigara sy ny paraky ary ny fanandevozanny zava-mahadomelina (2Ko 7:1)
Fandriki Satana koa ny fivavahan-diso (1Ko 10:20)
Fandrika hafa koa ny fanaovana ny asanny maizina sy ny fahalianana ta hahafanta-javatra momba azy io (Is 8:19, 20)
Ampiasaini Satana koa ireo mpivadi-pinoana
Manao izay hanararaotana ireo raharaha madinika sy ny alahelony manokana izy ireo (Mt 24:48-51)
Fandrika iray hafa ampiasaini Satana ny tahotra olona (Oh 29:25)

NY FOMBA IAROVAN-TENA AMINIREO FANDRIKI SATANA (20 min.)


Ekeo fa mila fiarovana aminilay Mpamitaka ianao (2Ko 11:3)
Ny hoe miaro dia midika hoe manome fiarovana, mampialokaloka, miambina mba tsy hiharam-pahavoazana
Tohero aminny fotoana rehetra i Satana (Jk 4:7)
Tsy maintsy tadidina mandrakariva ao an-tsaina ireo raharaha iadian-kevitra napoitranny Devoly (rs-MG p. 375-376)
Tokony haharikoriko antsika ny zava-dratsy, na dia mety ho toa mahafinaritra toy inona aza izy ireny (Sl 97:10; 1Ko
14:20)
Namela ohatra i Jesosy (He 1:9)
Tsy maintsy tafina mandrakariva ny fiadiana ara-panahy (Ef 6:11-18; wF 15/5/92 p. 21-23)
Valahana misikina fahamarinana
Ny fihazonana ny saina ho feno ny fahamarinanAndriamanitra dia hanampy antsika handamina zava-manahirana
sady hiaro antsika
No. 115 4/95 J.G.
Rariny ho fiarovan-tratra
Tsy maintsy mitandrina ny fo sy manana antony manosika madio (Oh 4:23)
Nampitandrina i Jesosy sao ho tonga mavesatra ny fontsika, hany ka tsy hametraka ny tombontsoanilay Fanja-
kana eo aminny toerana voalohany isika (Lk 21:34, 35)
Tongotra mikiraro ny filazantsaranny fihavanana
Aoka ianao hanana faharetana sy hahay handanjalanja eny aminny fanompoana eny aminny saha mba handrese-
na ny fanoherana apoitrani Satana (Lk 10:5, 6)
Finoana ho ampinga
Ampitomboy io fiadiana natao hiarovan-tena io, aminny fianarana sy ny fisaintsainana ny Baiboly ary ny fifanera-
serana aminireo mpiara-mivavaka
Ny fanarabiana, ny fanendrikendrehana, ny teny maharary, ny fanesoana, sy ny lainga dia samy vonoinio ampi-
nga io avokoa
Velomy ny finoanao aminny fanampiana ny hafa (Jk 2:26)
Famonjena ho fiarovan-doha
Ny fanantenana ny famonjena dia tahaka ny aro loha (1Te 5:8)
Hatanjaho io fanantenana io aminny firesahana momba azy io aminny hafa
Sabatry ny fanahy
Mila mahafantatra tsara kokoa ny Baiboly isika mba hanalana sarona ny asa feno hafetsen-dratsy sy ny fampiana-
ran-disoni Satana; tsy maintsy mampiasa azy io amim-pahakingana isika
Ny vavaka koa dia fanampiana iray eo aminny fiarovana ny tena aminireo fandriki Satana
Tokony ho tafiditra aminizany ny fangatahana, ny fitalahoana, ny fisaorana, ny fiderana (Fi 4:6, 7)
Ny vokatry ny fanahy dia fiarovana mafy amini Satana sy ny asanny nofo (Vakio Galatiana 5:19-23)
Ny fitiavana ani Jehovah sy ireo mpiray finoana dia tsy manome toerana ho anny asanny nofo (1Ko 13:4-8)
Ny fahalemem-panahy dia manalefaka ny fahatezerana sady misakana ny fifandirana (Oh 15:1, NW)
Ny fifehezan-tena dia manampy mba hisakanana tsy ho resinny asanny nofo
Tsy maintsy manisy mafy ny tenantsika ho mangana mba hihazonana azy io ho madio ara-pitondran-tena (1Ko 9:27)
Ny famahanana ny saina aminny zavatra tsara dia tsy manome toerana ho anny eritreri-dratsy (Fi 4:8)

IREO VALISOA NOHO NY NIAROVAN-TENA TAMINIREO FANDRIKI SATANA (5 min.)


Feonny fieritreretana tsara noho ny nitondrana tena tsara (1Pe 3:16)
Fifaliana aminny fandraisana anjara aminny fanamarinana ny fiandrianani Jehovah
Aminizay isika dia manome valiny ho anAndriamanitra mba homeny ilay Mpiteny Ratsy azy (Oh 27:11)
Mampirisika ny hafa mba hahatoky koa ny fihazonantsika ny tsy fivadihantsika (Fi 1:12-14)
Valisoa lehibe hafa iray ny fiainana mandrakizay ao aminny fandehan-javatra vaovao
Ho mpanjaka manapaka any an-danitra ny Kristianina voahosotra (Ap 5:10)
Ho tafita velona aminny Haramagedona ny olona betsaka ka handray anjara aminny fanaovana ny tany ho paradi-
sa (Ap 7:9-14)
Tsy mety ho azontsika ireo valisoa ireo raha tsy miambina hatrany isika sady miaro tena aminireo fandriki Satana (Mt
24:13)
(Jereo koa wMG 1/12/88 p. 13-18; wMG 1/5/85 p. 27-31; wMG 15/5/85 p. 20-25; rs-MG p. 373-378)
(Araho akaiky ny planina, ary tandremo ny fotoana voatondro ho anny fizarana tsirairay. Tsy voatery hovakina ny andinin-teny rehetra
voatonona)
No. 115 pejy 2 HATAO AO ANATINNY 45 MINITRA

You might also like