You are on page 1of 4

FEHILIHA

 MANGA  (Script  pour  bande  son  3mn)  


Angano  malagasy  
 
Feon-­‐kira,  rivodrivotra  
Nandritra  ny  fotoana  maromaro  ramatoa  Rafara  no  mitazana  miankandrefana  eo  
amoron-­‐dranomasina  isan-­‐kariva.  Tsikaritr’ity  zanany  lahy  tokana  izany  fihetsiky  ny  
reniny  izany,  ka  tsy  naharitra  ny  anao  nanatona  azy  sady  velom-­‐panontaniana.  
 
Tsidy  :  Nahoana  ange  i  Neny  no  malahelo  tarehy  tahaka  izao  foana  e  ?  
 
Nisento  ny  reniny  vao  namaly.  
Rafara  :  Fito  taona  lasa  izay  no  tsy  niverenan-­‐dRasily  rainao  intsony  
 raha  nilaza  fa  handeha  hanarato  izy  ry  Tsidy  a  !  
 
Tsidy  :  Eny,  efa  notenenin’i  Neny  ahy  izany  !...hay  efa  misy  fito  taona  sahady  
izay  ?...mba  lazalazao  ahy  ho  ny  amin’izany  dadako  izany  ry  Neny  ?  Raha  azoko  
tsara  manko  dia  vao  telo  taona  aho  zany  no  hitako  farany  izy  an  !  
 
Rafara  :  Izany  tokoa  anaka  !  ..  Lehilahy  tia  fiavanana  sady  sariaka  izay  dadanao  
izay,  lava  ranjanana  izy  ary  toa  anao  manja-­‐manga  izao  koa  ny  hodi-­‐tavany…Ary  
izy  tsy  miala  fehiloha  manga  izay…  Olona  tsotra  Rainao  ry  Tsidy  nefa  dia  izao  !  
…(sady  mitomany  ramatoa  Rafara)  
 
Tsidy  :  Neny  a  !  …  Toa  mampifoha  ny  ambompoko  te  hitady  an’i  dada  izany  fiainany  
izany  ry  neny  kah  !  Aleo  fa  tadiaviko  any  izy  ry  neny  a  !...Tsy  maintsy  hitako  izay  
misy  an’i  Dadaraha  mbola  velona  any  izy  !...Mino  aho  fa  efa  hahita  azy  aho  raha  
mbola  any  izy  ry  neny  a  !  Izaho  rahateo  efa  mahay  mitondra  lakana  tsara  !  
 
Rafara  :  Ianao  izay  vao  folo  taona  i  ove  ry  Tsidy  dia  hahavoy  lakana  raha  sendra  
manonja  tampoka  ny  ranomasina  a  !...sady  misy  atsantsa  ko  ange  any  e  !  
 
Tsidy  :  raha  mbola  velona  any  koa  i  Dada  ,    
tsy  maintsy  hitako  izay  misy  azy  ry  neny  a  !  
 sady  tsisy  loza  hanjo  ahy  any  fa    hotadiaviko  amin’ny  anaran’ny  fihavanana    
sy  ny  ra  iraisanay  i  dada…matokia  ahy  ianao  !  
 
Rafara  :  Raha  sanatria  ho  very  any  koa  iana  ,  tsy  izaho  vato  kiboribory  ve  sisa  no  
eto  !  Dia  inona  no  ataoko  ry  Tsidy  a  ?!  Aiza  no  tany  alehako  raha  sanatria  
maninomaninona  any  koa  ianao  ?  
 
Tsidy  :  Aza  manahy  i  neny  fa  hanantona  an’Ingahy  Randrasana  aho,  anontany  sy  
haka  traikefa  any  aminy.  Dia  iza  koa  moa  ilay  lazain’i  Neny  fa  naman’i  Dada  tsy  
mahafoy  azy  iny  ?  
 
Rafara  :  Ingahy  Rabehoavy…Nefa  na  izany  aza  tsy  vahaolana  izany  firesahanao  
amin’izy  ireo  izany  ry  Tsidy  kah  !  
 
 
 
Feon-­‐kira  malahelo  
Dia  tsy  nahaleo  ny  dohika  an’i  Tsidy  ramatoa  Rafara  fa  lasa  nitady  an-­‐drainy  any  an-­‐
dranomasina  ihany  izy.Tahotra  sy  tebiteby  no  niainan-­‐dramatoa  Rafara  tao  anatin’ny  
andro  maromaro,  ho  faty  any  an-­‐dranomasina  any  koa  ny  zananay  sa  ho  velona  ihany  ka  
ho  tafody  soa  aman-­‐tsara  ?...  
 
 
Feon-­‐kira  mirihotra  
Tetsy  an-­‐danin’izany  kosa  i  Tsidy  dia  lasa  nikaro  an-­‐drainy  tokoa  tany  an-­‐dranomasina,  
tsy  fantany  veroka  na  aiza  ho  aiza  no  misy  an-­‐drainy  na  aiza  ho  aiza  ,  tsy  fantany  ihany  
koa  na  mbola  velona  ihany  izay  rainy  izay  na  efa  tsy  any  intsony.  Ny  masaka  tao  an-­‐
tsain’i  TSidy  dia  ny  ahita  an-­‐drainy  fotsiny.  
 
Feon-­‐dranomasina  tony  
Tao  anatinny  roa  andro  dia  tsara  ny  andro,  tony  tsara  ny  ranomasina,  kinanjo  tamin’ny  
andro  faha-­‐telo  dia  nisy  tafio-­‐drivotra  mafy.  Sahirana  i  Tsidy  satria  ny  lakana  kely  dia  
kely  nefa  ny  onjan-­‐dranomasina  mahery  dia  mahery.    
 
Feon-­‐dranomasina  mikorontana  
Tsy  kivy  anefa  izy  fa  ny  fanantenany  hikaroka  an-­‐drainy  ihany  no  hibahana  tao  an-­‐
dohany,  ary  ny  fanantenany  fa  mbola  hiaona  amin’ny  rainy  no  nandrisika  azy  hiady  
amin’ny  tafio-­‐drivotra  sy  ny  onja  mahery  !  
Feon-­‐dranomasina  miantona  
 
Nony  ampitso  dia  tony  ihany  ny  andro…  ka  roso  ihany  ny  dia,  afaka  ny  fitaintainan’i  
Tsidy  satria  tsy  nivadika  ilay  lakana  kely  ,  na  dia  nahatsiaro  reraka  aza  izy  dia  ny  ahita  
an-­‐drainy  foana  no  hetahetany.  
 
Nony  harivariva  ny  andro  dia  nahita  sambo  lehibe  tamy  nanantona  azy  i  Tsidy.  Akory  
zato  hafaliany…  sao  mba  ao  ny  rainy.  Novoiziny  malaky  ny  lakany,  ary  tsy  efa  dia  tody  
teo  akaikin’ilay  sambo.  Nihanika  ny  vatofantsika  izy.  Tsy  nanano  sarotra  taminy  izany  
satria  efa  zatra  mihanika  izy.Akory  tokoa  ny  hafaliany  nahita  lehilahy  nanao  fehiloha  
manga  !  avy  izy  dia  niantsampy  teny  aminy  sady  faly.  
 
Tsidy  :  Dada  !  dada  !  ….  Hitako  ihany  Dada  malala  !!  
 
Lehilahy  1  :  Dadadadan’ialahy  inona  ?...  tsisy  dadan’ialahy  eo  !  
 Raha  endry  ialahy  vahao  ireto  entana  ireto,  fa  raha  tsy  izany  ialahy  matiko  !    
Fa  iza  moa  no  niteny  tamin’ialahy  hoe  mididkidira  ato  anaty  samboko  !?  
 
Teo  vao  fantatr’i  Tsidy  fa  tsy  ny  rainy  velively  no  manana  izany  fanay  ratsy  masiaka  
izany.  Diso  fanantenana  izy  !  Novahani  Tsisy  ary  ny  entana,  natahotra  manko  izy  sao  
hovonoinity  lehilahy  ity  ;  akory  ny  fahagagany,  vola  sy  firavaka  no  tao  anatinilay  entana.  
 
Lehilahy  1  :  …hahahahhahhha  !!!!  Raha  otran’izao  foana  no  azon-­‐tsika  leity,  
tsy  mahafaty  antoka  ny  mangalatra  a  !  
 
Nihorona  ny  hodidihan’i  Tsidy  !  hay  jiolan-­‐tsambo  ity  natoniny  !  Nipararetra  i  TSidy  ,  tsy  
hitany  izay  atao.hiverina  any  an-­‐dakana  ,  ahoana  no  fomba  fidina  any  an-­‐dranomasina  ?  
…Ny  sambo  efa  lasa  alavitra,  ny  lakana  nentina  efa  tsy  eo  intsony,  hijanona  ao  anaty  
sambo  ,  fahavalo  no  manoloana  !  Hany  hery  dia  nanaiky  tsy  fidiny  izay  nasain’ity  jiolahy  
ity  natao  i  Tsidy.  
Nanao  asa  tsy  eran’ny  aina,  ny  sakafo  amin’izany  tsizarizary  !  Nony  hariva  dia  nasainity  
jiolahy  ity  nankao  amin’ny  trano  maizimaizina  i  Tsidy,  akory  ny  hatairany  fa  nisy  olona  
nifatotra  tao.  Tsy  afaka  niteny  koa  i  Tsidy  satria  notapenana  lamba  ny  vavany.  
Nony  maraina  ny  andro,  zavatra  nidoboka  mafy  no  nanaitra  an’i  Tsidy,  hitany  avy  eo  
aminny  lavaky  ny  varavarana  nitoerany  fa  nisy  biby  lehibe  tao  anaty  sambo,  ary  rehefa  
nandrapaka  an’ireo  jiolahin-­‐tsambo,  dia  lasa  nankany  an-­‐dranomasina  ilay  biby  be  !  
Teo  vao  nikorapaka  izy  sy  ilay  olona  niaraka  taminy  tao  amin’ity  trano  kely  ,  niezaka  
namaha  ny  fehy  tamin’ny  vavan  ilay  anakiray  ,  avy  eo  namaha  ny  tady  namatotra  ny  
tanany.  Nivoaka  ilay  efitrano  kely  ry  zareo,  ary  dia  nihazakazaka  namonjy  ilay  fehiloha  
manga  nanaovan’ilay  jiolahy  ity  rangahy.  
 
Lehilahy  2  :  Soa  fa  tsy  lasan’ny  biby  ity,  hoy  ilay  rangahy  miantso  ilay  fehiloha  !  
vintana  !  vintana  !  vintana  !  
Taitra  i  Tsidy  raha  naheno  izany  satria  izay  ilay  henony  tamin’Ingahy  Randrasana  sy  
Ingahy  Rabehoavy  ,  izay  ilay  fitenin’ny  rainy  izay  vintana  miverina  in-­‐telo  izay.  
 
Tsidy  :  ….d…d  ,da…dada  !!!  
Lehilahy  2  :  …ny  zanako  !?  ny  zanako  !  
 
Tsy  tapitrizay  koa  dia  tonga  tamin’ny  sambo  hafa  Rabehoavy  sy  Randrasana.  Gaga  izy  
mianaka  nahita  azy  mirahalahy  ka  velom-­‐panontanina  :  ahoana  no  nahatongavanareo  
aty  ?  
 
Dia  nitantantara  ry  zareo  fa  tsy  nandry  ny  sainy  ny  handefa  irery  an  i  Tsidy  hikaroka  ny  
rainy,  ka  dia  nanaraka  avy  tato  aoriana  ry  zareo  nanampy  azy,  ary  noho  ny  fifanampiana  
nataon’Ingahy  Randrasana  sy  Ingahy  Rabehoavy  dia  lasa  tao  amin’ireo  jiolahin-­‐tsambo  
ilay  biby  be.  
 
Dadan’i  Tsidy:  vintana  !  vintana  !  vintana  !no  tsy  nahalanin’ny  biby  anay  mianaka  fa  
ny  jiolahy  no  tratrany  !  
 
Feon-­‐kira,  rivodrivotra  
Rehefa  tonga  soa  aman-­‐tsara  tany  an-­‐tanana  ry  zareo  dia  hendrey  ny  hafalian-­‐drenin’i  
Tsidy  fa  hitany  ihany  izy  mianaka,  ary  dia  rafitra  nigogogogo  nitomany  indray  izy  :  
Rafara  :  …  faly  loatra  aho  e  !  
 
Dadan’i  Tsidy  :Vintana  !  vintana  !  vintana  no  nananako  an’Ingahy  Randrasana  sy  
Ingahy  Rabehoavy  namako  ,  afaka  nanampy  ka  nifankahitantsika  indray  .  
 
Tsidy  :  vintana  !  vintana  !  vintana  no  nahitako  ilay  fehiloha  manga  nifankahitako  
tamin’i  Dada  indray  !!!  
 
Feon-­‐kira  
Izany  tantaran’i  Tsidy  izany  rankizy  dia  milaza  amintsika  fa  mampahomby  aminny  lafiny  
rehetra  ny  fihavanana.  Koa  hajao  ary  ny  fihavanana.  «    Aza  atao  fihafana-­‐bato  ka  raha  
tapaka  tsy  azo  atohy  intsony  ,  fa  ataovy  fihavanam-­‐by  raha  tapaka  azo  atohy  »  .    
 
Atsipy  hono  ny  tady  eo  an-­‐tandroky  ny  omby,    
Atsipy  ny  teny  am-­‐po,’ny  mahalala…  
 
 
 
 
Tantara  :  RABENANDRASANA  Lalao  François  
©TFLM  
 
 
 
 
 
 
 

You might also like