Professional Documents
Culture Documents
Omby Vavy Be Ronono-2
Omby Vavy Be Ronono-2
Toko -1-KARAZANA
Tanjona : Misafidy karazan’omby mifanaraka amin’ny fomba fiompy misy
1.1.3./ Prim’Holstein
Fiaviana – France, azo avy amin’ny fampivadiana FFPN x Holstein
Friesian
Mitaky fikolokoloina sy fikarakarana indrindra ny ara-tsakafo
1.2./ Ireo karazana azo avy amin’ny fampivadiana omby eto Madagasikara
1.2.2./ Rana :
Azo avy amin’ny fampivadiana omby gasy x FFPN na PRN na Normande
• Vokatra ronono: 2,500litatra
• Karazan’omby ompian’ny ankamaroan’ny mpiompy
Toko -2-TRANON’OMBY
Tanjona:
Tranon’omby tsara mahaaro azy ireo amin’ny hafanana, orana, hatsiaka
amin’ny fotoanan’ny ririnina
1- Torolalalana ankapobeny eo amin’ny fanamboarana ny trano
Trano amboarina amin’ny toerana maina sy tsy azon’ny hamandoana
Tsy azon-drivotra loatra
2- Trano ipetrahan’ny omby vavy voarefy
Tsy maintsy asiana faritra samihafa ao an-tranon’omby
- Hialana sasatra, hisakafoanana, hanaovana ny fitsaboana, hiterena azy.
2.1.1./ Halavany:
halavan’ny biby + 0,10m na
1,60m-2,2m: omby vavy
2,20m : omby lahy
1,20m : zanak’omby
1,90m : vatotr’omby
2.1.2./ sakany:
1,2m – 1,60m: omby lehibe
0,60m : zanak’omby
2.2.1./ Ny rindrina
- Fitaovana na akora ilaina
Ny hazo no tena tsara ampiasaina mba hisian’ny fidiran’ny rivotra madio
ary ahafahan’ny rivotra maloto sy ny fofona maimbo mivoaka. Azo
arafitra amin’ny fomba maro, mora afindra raha misy ilana izany
Ny biriky
Volobe tetitetehana
- Ny ahavony
Rindrina tsy feno , 1,50m ny ahavony mba hisian’ny rivotra madio
betsaka miditra ao an-trano
Ho an’ny zanak’omby tsy mahatanty hatsiaka be dia be, tsy maintsy atao
feno ny rindrina, saingy karohana hatrany ny ahazoany rivotra madio
hatrany.
Tsy maintsy asiana lafika (mololo, ahitra maina, ...) mba hiaro amin’ny
famandoana nefa tsy maintsy solona isan’andro
Sarotra diovina
Mitana hamandoana ny fahavaratra
2.2.3./ Ny tafo
Natao hiaro azy amin’ny hafanana sy ny hatsiaka ary ny orana. Tokony
tsy hosoloina matetika
Tafo bozaka: Tsy dia lafo loatra, mahaaro tsara amin’ny hafanana sy ny
hatsiaka
Tafo taila: Tsy dia lafo loatra, mahaaro tsara amin’ny hafanana sy ny
hatsiaka, nefa tsy maintsy soloina matetika, mitahiry voalavo.
Tafo fanitso: Lafo vidy, miaro tsara amin’ny hatsiaka, hafanana ary ny
hamandoana, mateza
Tafo ravim-potsy
2.2.4./ Ny vavahady:
Ahavony : 2m farafahakeliny.
Ilaina ny vavahady mba hidirana ao an-tranon’omby ahafahana manadio
sy mizara sakafo
Habeny : sakany: 1,20m
3.1.1./ Rano:
Ny filana ara-drano dia miankina indrindra amin’ny fotoan’andro sy ny
sakafo hohanina
Fanampiana rano ara-dalana ho an’ny omby: omby vavy mitondra
vohoka: 30l à 40l, omby mamokatra ronono: 70 à 80l
3.1.2./ Otrik’aina:
Asany:
Ilaina mba hanome hafanana ho an’ny vatan’ny omby
Ilaina eo amin’ny fihetsiketsehany
Ilaina eo amin’ny famokarana ronono
Ireo sakafo misy otrik’aina (glucides sy lipides)
3.1.3./ Ny prôteina
Vokatra manome proteina:
Ny sérèaly: vary , varim-bazaha, katsaka
Mangahazo, vomanga, ovy
Ampombom-bary, ampombom-barimbazaha
Ny asan’ny protida:
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 4
natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana
Ilaina eo amin’ny fitombon’ny nofo eo amin’ny famokarana hena
Ilaina amin’ny famokarana ronono
3.1.4./ Ny Mineraly
Fiahaviany:
Soja
Faikana soja, failam-boanjo, faikana hasy na landihazo,faikam-boanio
Vovo-trondro maina, vovo-taolana, vovon’akorandrika
Vovoka hena sy rà
Ny anjara asany:
Ilaina eo amin’ny fiforonana sy fanamafisana ny taolana
Fampitomboana ny nofo sy ny ronono
Ny tsy fahampiany dia miteraka tsy fitomboana sy areti-taolana
(Ostéopathie),fikorontanan’ny fananahan’ ny omby
Ny tsy fahampiana:
Kalsioma sy fosfora: Ny tsy fahampian’ireo dia miteraka tsy
fahombiazana
Vokany:
fahafahan-jaza, mihamahia ny omby
Ny sira: manome tsiro ny sakafo, mitombo hery mampitombo
3.1.5./ Ny Vitaminina
Ny sakafo amin’ny ankapobeny dia misy otrik’aina sy protida ary
mineraly
Ny vovoka taolana ( misy kalisioma, fosfôra)
Sakay (Ca)
Ny sira (Sodioma)
• Ny tsy fahampian’ny vitaminina dia mitondra fikorontanana eo amin’ny
fitomboana sy fananahany ary miteraka fahafatesana
4.1./ Fampitomboan-taranaka
Matetika ny vavy dia ampanarahana amin’ny omby lahy na manao
ny fampaanarahana enti-tanana
4.2./ Famokaran-dronono
Fiterena
Ny tena fampiasa dia ny fiterena amin’ny tanana.
Dingana arahina amin’ny fiterena
Tsy maintsy madio ny fitaovana rehetra ampiasaina amin’ny fiterena (siny
...)
Tsy maintsy madio, manao fitafiana madio ny mpitery ronono
Tsy maintsy omanina mialoha ny nonon’omby mba handotso ( sasana
amin’ny rano matimaty ny loha-nono), terena kely avokoa ny
nonon’omby efetra mba ivoahan’ny ronono voalohany izay azo antoka fa
maloto
Azo atao ny mampiasa ny zanak’omby mba hampan-dotsoana ny
nonon’omby ho an’ireo reniomby miara-mitoetra amin’ny zanany
Indroa isan’andro no tsara hiterana ny omby
Maharitra eo amin’ny 7 à 10mn ny fiterena tena izy
Tsy maintsy foanana tanteraka ny ronono sisa tavela ao amin’ny
nonon’omby satria :
o Ao no mifatratra ny menaka izay manome ny tsiro ny ronono
o Manome vahana ny otrik’aretina mpanimba ny nonon’omby ny fijanonany
maharitra ao
Tatavanina amin’ny lamba madio ny ronono azo mba hialan’ny loto
rehetra
5.1.1./ RABOKA
Fisehony ivelany: Mikohakoha-maina tsy maharitra sady mitsitapitapy ny
omby indrindra rehefa reraka sy mangatsiaka ny andro. Avy eo
mihamatetika ny fikohafana, sempotra izy raha vao manao fihetsehana
kely. Amin’ny farany, mikohaka matetika sy mitarazoka ary mamoaka
rehoka amin’ny vavany mihitsy aza. Mitombo habe ny mosavin-kena na
eo amin’ny foto-tsoroka, na eo amin’ny elanelam-pe.
5.1.4./ Fivalanan-dririnina
Fisahon’ny aretina:
Malaindaim-pihetsika, mitsangam-bolo
Tampoka, mivalana be, tena mandranoka sy mipiriritra mihitsy sady tena
maimbo. Misy fanaviana kely
Mitohy tsy ankijanona ny fivalanana raha tsy mahazo fitsaboana,
mihamahia ny omby. Miafara amin’ny fahafatesana raha tsy mahazaka
ilay aretina izy
Drodro na habokana: areti-koditra vokatry ny “bacterie” antsoina hoe:
Dermatophilus Congelensis”. Areti-mifindra saingy tsy dia mitondra
fahafatesana loatra fa manelingelina eo amin’ny famokarana kosa.
Fisehon’ny aretina:
Misy fivontosana kely maromaro mipoitra eny amin’ny hoditry ny omby.
Misy nana ao anatiny ary mihintsana ny volo amin’ireny fivontosana
ireny. Mivadika ho fery ary misy tako-pery avy eo
5.2.1./ Ditan’omby
Fisehon’ny aretina:
malain-komana, mitsangam-bolo
mivalana matetika
hatsatsa amin’ny ankapobeny
mihamahia miandalana
ny omby vavy mpamokatra ronono dia mihena ny vokatra azo
mora reraka
Misy fivontosana eo amin’ny verany
Mety ho faty raha tsy voatsabo
5.2.2./ Kankana
Maro ireo kankana izay mipetraka any amin’ny:
Taovam-pandevonan-kanina
Taovam-pisefoana
Anaty hoditra
5.3.1./ Ny fizihiran-kibo
Misy karazany 2:
Ny fiangonan’ny rivotra betsaka eo amin’ny roroha izay tokony hivoaka
rehefa mandinika na mamadik’ota izy kanefa tsy mivoaka
Ny fiangonan’ny roatra ( rivotra tafa-haro amin’ny rano) ao amin’ny
roroha ihany
• Ny fihinanan’ny omby vilona tanora loatra, be rano efa simba , ory vilona
mora levonina be dia be, toy ny zava-maniry mandrotsa-boa no tena
antony mampiforona haingana ny rivotra na roatra ao anatin’ny
vavonin’omby ao ka mampizihitra azy.
5.3.2./ Fahakendana
Fisehon’ny aretina
Sady tsy mihinana, no tsy misotro ary tsy mamadik’ota ny omby
Mamoaka rora be dia be izy ary mizihi-kibo ihany koa
Mety hiafara amin’ny fahafatesana
5.3.3./ Areti-nono
Fisehon’ny aretina
Amin’ny voalohany matsora kokoa ny ronono mivoaka, misy zavatra
mivaingambaingana madinika
Avy eo mihamarihitra ny ronono, miova loko, mivoara mena be ny nono
marary
Madity be avy eo, mivonto be sy mafy ny nonon’omby, manaintaina raha
tsapaina amin’ny tanana. Vokatr’izay malain-komana, mihamahia
Amin’ny farany, mijanona ny fanaintainana, mijanona ho mafy ny nono,
tsy mivoaka intsony ny ronono