You are on page 1of 226

Inona Marina no

Ampianarin’ny Baiboly?
s
Mangataha hianatra Baiboly maimaim-poana.

191010
bh-MG
Inona Marina no
Ampianarin’ny Baiboly?

BOKIN’I

Sary: ˛ Pejy 24-25: WHO photo by Edouard Boubat


˛ Pejy 88-89: Baomba mipoaka:
Based on USAF photo; ankizy: Based on WHO photo by W. Cutting

Tsy natao hamidy ity boky ity. Navoaka izy ity mba hampianarana Baiboly
maneran-tany, ary tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo.
Midira ao amin’ny www.jw.org/mg, raha te hanao fanomezana ianao.
Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy amin’ilay dikan-teny maoderina hoe
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny andinin-teny ato.
What Does the Bible Really Teach?
Pirinty natao tamin’ny Oktobra 2019
Malagasy (bh-MG)
˘ 2005, 2015
Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
MPAMPANONTA
Nadikan’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly
eto Madagasikara, BP 116, 105 Ivato.
Natao teto Madagasikara.
LOHA HEVITRA ATO ANATINY

TOKO PEJY
Izao ve no Fikasan’Andriamanitra? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 3
1. Inona no Marina Momba An’Andriamanitra? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 8
2. Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 18
3. Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany? 9 9 9 9 9 27
4. Iza moa i Jesosy Kristy? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 37
5. Ny Vidim-panavotana no Fanomezana
Tsara Indrindra 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 47
6. Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 57
7. Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo
Havanao Efa Maty 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 66
8. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 76
9. “Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 86
10. Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 96
11. Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly? 9 9 9 9 9 9 9 106
12. Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 115
13. Sarobidy ny Aina 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 125
14. Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? 9 9 9 9 9 9 9 9 134
15. Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 144
16. Miandania Amin’ny Fivavahana Marina 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 154
`
17. Manatona An’Andriamanitra Amin’ny
Alalan’ny Vavaka 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 164
18. Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao
Raha Atao Batisa 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 174
19. Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra 9 9 9 9 9 9 9 9 9 184
Fanazavana Fanampiny 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 194
Izao ve no Fikasan’Andriamanitra?
NA MAMAKY gazety ianao, na mijery
tele, na mihaino radio, dia misy resa-
ka heloka bevava sy ady ary fampiho-
rohoroana foana amin’izy ireny. Na ia-
nao mihitsy no manana olana, ohatra
hoe marary, na nisy havanao maty. Mety
ho “vontom-pahoriana” ianao, hoatran’
ilay lehilahy tsara fanahy atao hoe Joba.
—Joba 10:15.
Eritrereto hoe:
ˇ Izao ve no nokasain’Andriamanitra
ho ahy sy ho an’ny olombelona
rehetra?
ˇ Aiza no ahitako fanampiana mba
hiatrehako ny olana mahazo ahy?
ˇ Mbola hisy fiadanana ihany ve eto
an-tany indray andro any?
Mamaly an’ireo fanontaniana ireo
ny Baiboly.
4
AMPIANARIN’NY BAIBOLY FA
IRETO NY FANOVANA HATAON’
ANDRIAMANITRA ETO AN-TANY.

“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny


mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana
intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo
na ny fitarainana na ny fanaintainana.”
—Apokalypsy 21:4

“Hahavita hianika
tendrombohitra toy
ny serfa ny malemy
tongotra.”—Isaia 35:6

“Hampahiratina ny
mason’ny jamba.”
—Isaia 35:5
‘Hivoaka izay rehetra any
am-pasana.’—Jaona 5:28, 29

“Tsy hisy mponina


hilaza hoe: ‘Marary
aho.’ ”—Isaia 33:24

“Hahavokatra be ny
tany.”—Salamo 72:16
6 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

MAHASOA ANAO NY MIANATRA BAIBOLY


Aza tonga dia mieritreritra hoe no-
finofy fotsiny ireo zavatra nolazaina
tao amin’ny pejy teo aloha. Andria-
manitra mantsy no nampanantena fa
hanao an’ireo, ary hazavain’ny Baibo-
ly hoe ahoana no hanaovany azy.
Tsy izay ihany anefa. Hi-
tantsika ao amin’ny Baibo-
ly koa hoe ahoana no atao
raha tena te ho sambatra
ianao dieny izao. Eritrere-
to kely ange ny zavatra
mampanahy anao sy ny
olana mahazo anao e!
Tsy manam-bola ve,
ohatra, ianao, sa miko-
rontana ny tokantranonao?
Marary ve ianao, sa misy maty
ny havanao? Afaka mampahery
anao sy manampy anao hiatrika an’
izany ny Baiboly. Valiana ao, ohatra, ireto:
ˇ Nahoana isika no mijaly?
ˇ Ahoana no hiatrehana ny zavatra mampanahy
eo amin’ny fiainana?
ˇ Inona no azontsika atao mba ho sambatra kokoa
ny fianakaviantsika?
ˇ Lasa aiza ny olona rehefa maty?
ˇ Mbola hahita ny havantsika efa maty ve isika
indray andro any?
ˇ Azo antoka ve fa tena hanatanteraka ny zavatra
nampanantenainy Andriamanitra?
Izao ve no Fikasan’Andriamanitra? 7

Te hahalala an’izay ampianarin’ny Baiboly ianao, matoa


mamaky an’ity boky ity. Tena hanampy anao izy ity. Misy fa-
nontaniana eny ambany pejy, ary ao amin’ny fehintsoratra
ny valiny. Olona an-tapitrisany no mianatra Baiboly amin’
ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miezaka mamaly an’ireo
fanontaniana ireo. Mahafinaritra azy ireo izany, ary enga
anie ka hahafinaritra anao koa. Ho faly sy ho afa-po ianao
rehefa hahalala hoe inona marina no ampianarin’ny Baibo-
ly. Enga anie ka hotahin’Andriamanitra ianao amin’izany.

FANTARO NY BAIBOLINAO
MISY boky sy taratasy 66 ao amin’ny Baiboly. Mizara ho
toko sy andininy izy ireny, mba ho mora jerena. Rehefa misy
andinin-teny omena ato amin’ity boky ity, dia manondro ny
toko ny tarehimarika voalohany aorian’ny anaran’ilay boky,
ary manondro ny andininy izay tarehimarika aorian’izay. Ny
hoe “2 Timoty 3:16”, ohatra, dia midika hoe Timoty faha-
roa, toko faha-3, andininy faha-16.
Vetivety ianao dia ho zatra mamadika Baiboly, rehefa mi-
jery an’ireo andinin-teny ato amin’ity boky ity. Ary mani-
nona raha manomboka mamaky Baiboly isan’andro? Raha
mamaky toko telo na dimy isan’andro ianao, dia ho voava-
kinao ao anatin’ny herintaona ny Baiboly manontolo.
TOKO 1

Inona no Marina Momba


An’Andriamanitra?
Tena miahy anao ve Andriamanitra?
Hoatran’ny ahoana ny toetrany?
Manana anarana ve izy?
Afaka mifandray akaiky aminy ve ianao?
EFA nisy ankizikely nanontany zavatra anao ve? Vao mahay
miteny ny ankizy matetika dia efa be fanontaniana. Jereny
tsara ianao sady anontaniany, ohatra hoe: Fa maninona ny
biby no tsy miteny? Maninona kay no maizina be rehefa
amin’ny alina? Na efa miezaka mamaly aza ianao, dia mbo-
la anontaniany ihany hoe: Fa maninona?
2 Tsy ny ankizy ihany no tia manontany,

fa na ny olon-dehibe koa aza. Mety hoe tsy


mahita lalana, ohatra, isika, na te hisoro-
ka loza, na misy zavatra tiantsika ho fa-
ntatra, dia manontany olona. Maro ane-
fa no tsy tia manontany intsony, na dia
amin’ny zavatra tena lehibe aza. Tsy vo-
nona hitady ny valiny akory izy ireo.
3 Eritrereto, ohatra, ilay fanontaniana

eo amin’ny fonon’ity boky ity,


na ny ao amin’ny teny fampidi-
rana, na ny eo am-piandohan’
ity toko ity. Anisan’ny tena to-
1, 2. Nahoana isika no mila manontany
foana?
3. Nahoana ny olona maro no tsy miezaka hi-
tady ny valin’ireo fanontaniana tena lehibe
intsony?
Inona no Marina Momba An’Andriamanitra? 9

kony hoeritreretinao ireo. Olona maro anefa no tsy miezaka


hitady ny valin’ireo intsony. Misy mihevitra fa tsy takatry ny
saina izay lazain’ny Baiboly momba an’ireo, satria sarotra be.
Ny sasany indray mieritreritra hoe mahamenatra izany ma-
nontany izany. Misy kosa milaza fa ny mpitondra fivavahana
ihany no tena mahavaly an’ireo. Ary ahoana ny hevitrao?
Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ve ny Baiboly?
4 Mety hanontany ianao hoe: ‘Inona no tena antony na-

moronana ny olona? Tsy misy azontsika antenaina ve afa-tsy


ny hoe teraka, dia antitra, dia maty? Manao ahoana izany
Andriamanitra izany?’ Azo inoana fa tianao ho hita ny valin’
ireny fanontaniana ireny. Tsara ny manontany zavatra hoatr’
ireo, ary tokony hikaroka foana ianao mandra-pahitanao ny
tena marina. Hoy mantsy i Jesosy Kristy, mpampianatra ma-
laza: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foa-
`
na, dia hahita ianareo. Dondony foana, dia hovohana iana-
reo.”—Matio 7:7.
`
5 Aza kivy ary mitady ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo
amin’ny fiainana. Tsy hanenina ianao raha manao an’izany.
(Ohabolana 2:1-5) Na inona na inona nolazain’ny olona ta-
minao, dia tena misy ny valiny ary ho hitanao ao amin’ny
Baiboly izany. Tsy hoe tsy takatry ny saina izay lazainy ao.
Vao mainka ho sambatra aza ianao raha mahalala an’ilay izy,
sady hanana fanantenana. Hodinihintsika aloha ny fanonta-
niana iray mampiasa saina ny olona maro.
TSY MIRAHARAHA OLONA SY MAFY FO
VE ANDRIAMANITRA?
6 Izany no eritreretin’ny olona maro. ‘Tsy ho hoatr’izao mi-

hitsy’, hono, ‘ny fiainana, raha tena miahy antsika Andriama-


nitra.’ Feno ady sy fankahalana ary fahantrana tokoa ny tany.
Marary sy mijaly koa isika, ary misy havantsika maty mihitsy
4, 5. Inona avy ny fanontaniana lehibe mety ho tiantsika ho fanta-
tra, ary nahoana isika no tokony hitady ny valiny?
6. Nahoana ny olona maro no mieritreritra fa tsy miraharaha ny fi-
jaliantsika Andriamanitra?
10 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

aza. Izany no mahatonga ny olona maro hilaza hoe: ‘Raha tena


miahy antsika sy mijery ny olana mahazo antsika Andriamani-
tra, tsy hisakana an’ireo zavatra ireo mba tsy hitranga ve izy?’
7 Ny mpitondra fivavahana mihitsy aza indraindray no ma-

hatonga ny olona hieritreritra fa mafy fo Andriamanitra. Re-


hefa misy loza mantsy, dia lazainy fa izany, hono, no sitra-
pon’Andriamanitra. Toy ny manome tsiny an’Andriamanitra
anefa izy ireo, rehefa miteny an’izany. Inona kosa no tena la-
zain’ny Baiboly? Hoy ny Jakoba 1:13: “Rehefa misy fitsapana,
dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamani-
tra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy
Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.”
`
Tsy Andriamanitra mihitsy ary no mahatonga ny zavatra ra-
tsy. (Vakio ny Joba 34:10-12.) Marina fa avelany hitranga ilay
izy, kanefa tsy mitovy mihitsy ny hoe mamela zavatra hitra-
nga sy ny hoe mahatonga an’izany hitranga.
8 Eritrereto hoe misy lehilahy iray hendry sy be fitiava-

na. Nanan-janakalahy efa lehibe niara-nipetraka taminy izy.


`
Naditra io zanany io taty aoriana, dia niala tao an-trano.
Navelan’ilay rainy handeha izy fa tsy nosakanany. Vao mai-
nka naditra izy tany, ka nahita olana. Ilay rainy ve no naha-
tonga an’izany? Tsia. (Lioka 15:11-13) Avelan’Andriamanitra
hanao ratsy koa ny olona raha izay no safidiny. Tsy izy anefa
no mahatonga ny olana mitranga aorian’izay. Tsy rariny mi-
`
hitsy ary raha Andriamanitra indray no omena tsiny amin’
ny olana rehetra mahazo ny olombelona.
9 Misy antony matoa avelan’Andriamanitra hanao ratsy ny

olona. Mpamorona hendry sy mahery izy, ka tsy voatery ha-


nazava an’izany antony izany. Nolazainy tamintsika anefa
7. a) Inona no lazain’ny mpitondra fivavahana, ka mahatonga ny
olona maro hieritreritra hoe mafy fo Andriamanitra? b) Inona mari-
na no ampianarin’ny Baiboly momba ny fitsapana mahazo antsika?
8, 9. a) Hazavao amin’ny ohatra fa tsy mitovy ny hoe mamela ny za-
vatra ratsy hisy sy ny hoe mahatonga an’izany. b) Nahoana no tsy ra-
riny raha manome tsiny an’Andriamanitra isika noho izy mamela ny
olona hanao ratsy?
Inona no Marina Momba An’Andriamanitra? 11

izany satria tia antsika izy. Hianaranao any amin’ny Toko


faha-11 izany. Matokia anefa fa tsy Andriamanitra no maha-
tonga ny olana mahazo antsika. Izy irery ihany aza no azo
antenaina handamina an’izany!—Isaia 33:2.
10 Ankoatra izany, dia masina Andriamanitra. (Isaia 6:3) Mi-

dika izany fa tsy manao ratsy mihitsy izy na kely aza, ka azo
atokisana tanteraka. Tsy hoatr’izany ny olombelona, satria
mety hanao ratsy izy ireo indraindray. Na ny manam-pahefa-
na faran’izay manao ny marina aza tsy mahavita manarina
ny tsy mety ataon’ny olon-dratsy. Andriamanitra kosa ane-
fa mahery indrindra. Mahavita manarina ny tsy mety voka-
try ny nataon’ny olona izy, ary tena hanao an’izany. Ho-
foanany tsy hisy mandrakizay ny faharatsiana!—Vakio ny
Salamo 37:9-11.
MALAHELO VE ANDRIAMANITRA REHEFA
IHARAN’NY TSY RARINY ISIKA?
11 Ahoana anefa ny fiheveran’Andriamanitra ny zava-

mitranga eto an-tany sy eo amin’ny fiainanao? Milaza ny


Baiboly fa “tia rariny” Andriamanitra. (Salamo 37:28) Ma-
nana fitsipika mazava momba an’izay tsara sy ratsy izy, ary
tena tsy tiany rehefa hoe tsy rariny. Milaza ny Baiboly fa
“nalahelo ny fony”, rehefa feno zava-dratsy teto an-tany
taloha. (Genesisy 6:5, 6) Tsy miova Andriamanitra hatra-
min’izay ka hatramin’izao. (Malakia 3:6) Tsy tiany mihi-
tsy ny mahita olona mijaly, anisan’izany ianao. Milaza ny
Baiboly fa ‘miahy anao izy.’—Vakio ny 1 Petera 5:7.
12 Mbola misy porofo hafa manome toky antsika hoe

tena tsy tian’Andriamanitra ny mahita olona mijaly.


10. Nahoana isika no afaka matoky fa hanarina an’izay zavatra tsy
mety rehetra Andriamanitra?
11. a) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny tsy rariny? b) Inona
no tsapan’Andriamanitra rehefa mahita anao mijaly?
12, 13. a) Nahoana isika no manana toetra tsara, toy ny fitiavana,
ary inona no tsapantsika rehefa mahita olona mijaly isika? b) Nahoa-
na ianao no afaka matoky fa tena hanafoana ny olana eto an-tany
Andriamanitra?
12 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Noforonina araka ny endriny ny olombelona. (Genesisy


`
1:26) Noho izy manana toetra tsara ary no mahatonga
antsika hanana toetra tsara. Malahelo ve, ohatra, ianao re-
hefa mahita olona tsy manan-tsiny mijaly? Koa raha ianao
aza hontsa mahita an’izany, mainka fa Andriamanitra!
13 Anisan’ny toetra mampiavaka ny olombelona ny fitia-

vana, ary manahaka an’Andriamanitra koa izy amin’izany.


Milaza mantsy ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiava-
na.” (1 Jaona 4:8) Manam-pitiavana isika, satria mitovy
toetra aminy. Ny fitiavana no mahatonga anao te hanala
ny fijaliana sy ny tsy rariny. Ary ahoana raha manana hery
hanaovana an’izany ianao? Tsy ha-
Raha misy olona taonao ve izany? Afaka matoky koa
tianao hahafantatra ianao fa tena hamarana ny fija-
anao, dia lazainao
aminy ny anaranao. liana sy ny tsy rariny Andriamani-
Lazain’Andriamanitra tra. Tsy nofinofy na fampanantena-
amintsika ao amin’ny na poakaty fotsiny ireo voalaza ao
Baiboly koa ny amin’ny teny fampidirana amin’ity
anarany boky ity. Tsy maintsy ho tanteraka
ny fampanantenan’Andriamanitra!
Mila mianatra bebe kokoa momba
azy anefa ianao, mba hinoanao an’
izany.
TIAN’ANDRIAMANITRA
HAHAFANTATRA AZY IANAO
14 Inona no hataonao, raha misy

olona tianao hahafantatra anao?


Azo antoka fa holazainao aminy
`
ny anaranao. Manana anarana ary
ve Andriamanitra? Betsaka ny fiva-
vahana milaza fa “Andriamanitra”
na “Tompo” no anarany. Tsy tena
14. Iza no anaran’Andriamanitra, ary na-
hoana isika no tokony hampiasa ny ana-
rany?
Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no
Mpamorona an’izao rehetra izao,
ary be fitiavana izy

anarana anefa ireo, fa anaram-boninahitra toy ny hoe


`
“mpanjaka” na “prezida.” Milaza ny Baiboly fa manana
anaram-boninahitra be dia be Andriamanitra. Anisan’iza-
ny ny hoe “Andriamanitra” sy “Tompo.” Milaza koa anefa
ny Baiboly fa manana ny tena anarany izy, dia Jehovah.
Hoy ny Salamo 83:18: “Ianao irery ihany, izay manana
anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany
manontolo!” Raha tsy misy an’io anarana io ao amin’ny
Baibolinao, dia jereo ny antony, ao amin’ny Fanazavana
Fanampiny, pejy 195-197. Miverimberina im-7 000 eo ho
eo ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny ny anaran’
Andriamanitra. Hita amin’izany fa tena tiany hahafantatra
14 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ny anarany sy hampiasa azy io ianao. Nanome ny Baiboly


izy mba hampahafantarana ny tenany.
15 Tena misy dikany be ny anarana nofidin’Andriamani-

tra. Ilay hoe Jehovah mantsy dia midika fa mahavita ma-


natanteraka an’izay nampanantenainy sy nokasainy rehe-
tra izy.1 Tena miavaka ny anaran’Andriamanitra, ary izy
ihany no manana an’io anarana io. Maro ny zavatra ma-
mpiavaka an’i Jehovah. Inona avy izany?
16 Hitantsika tao amin’ny Salamo 83:18 fa i Jehovah ‘ire-

ry ihany no Avo Indrindra.’ Izy irery koa no antsoina hoe


1 Manazava kokoa ny dikan’ny anaran’Andriamanitra sy ny fomba
fanononana azy ny Fanazavana Fanampiny, pejy 195-197.

15. Inona ny dikan’ilay anarana hoe Jehovah?


16, 17. Inona ny dikan’ilay anaram-boninahitr’i Jehovah hoe:
a) “Mahery Indrindra”? b) “Mpanjakan’ny mandrakizay”? d) “Mpa-
morona”?

Tia ny zanany ny
ray tsara fanahy.
Tena tia antsika
koa ilay Raintsika
any an-danitra
Inona no Marina Momba An’Andriamanitra? 15

“Mahery Indrindra.” Hoy mantsy ny Apokalypsy 15:3:


“Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamani-
ˆ
tra o, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lala-
nao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay.” Ilay anaram-bonina-
hitra hoe “Mahery Indrindra”, dia midika fa tsy misy
mahery noho i Jehovah, sady tsy misy mitovy aminy.
Ilay anaram-boninahitra hoe “Mpanjakan’ny mandraki-
zay” indray, dia midika fa izy irery ihany no efa nisy foa-
na hatramin’izay. Hoy ny Salamo 90:2: “Efa Andriama-
nitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” Tsy
mahagaga ve izany?
17 Miavaka koa i Jehovah, satria izy irery no Mpamoro-

na. Hoy ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voni-


ˆ
nahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah o, eny, ry
ˆ
Andriamanitray o, satria namorona ny zava-drehetra ia-
nao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana
azy ireny.” Tsy ho nisy ny zava-drehetra raha tsy noforo-
nin’i Jehovah. Izy no nanao ny anjely, ny kintana eny
amin’ny lanitra, ny voankazo eny ambony hazo, ny tro-
ndro ao anaty ranomasina sy renirano, ary ny zavatra hafa
rehetra.
AFAKA MIFANDRAY AKAIKY
AMIN’I JEHOVAH VE IANAO?
18 Tsy tena sahy mifandray amin’i Jehovah ny olona sa-

sany, rehefa mahalala ny toetrany. Mieritreritra izy ireo


hoe ambony loatra Andriamanitra, ka tsy ho afaka hifa-
ndray aminy mihitsy izy ireo sady tsy hisy dikany aminy
akory aza. Tsy izany mihitsy anefa no lazain’ny Baiboly.
Lazainy kosa fa ‘raha ny marina, dia tsy lavitra antsika tsi-
rairay’ i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 17:27) Mampirisika
`
antsika aza ny Baiboly hoe: “Manatona an’Andriamanitra,
dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.
18. Nahoana ny olona sasany no mieritreritra hoe tsy ho afaka hifa-
ndray akaiky amin’Andriamanitra mihitsy, nefa inona no lazain’ny
Baiboly?
16 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
Ahoana ary no ahafahanao manatona an’Andriama-
19

nitra? Tohizo aloha izao efa ataonao izao, ka mianara foa-


na momba azy. Hoy mantsy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy
ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahala-
la anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay
nirahinao.” (Jaona 17:3) Hahazo “fiainana mandrakizay”
ianao, raha mianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy. Efa
hitantsika fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:16)
Manana toetra tsara hafa be dia be koa anefa izy. Milaza,
ohatra, ny Baiboly fa “Andriamanitra mamindra fo sy tsa-
ra fanahy” izy, “tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno
fitiavana sady tena tia fahamarinana.” (Eksodosy 34:6)
“Tsara toetra sy vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5)
Manam-paharetana i Jehovah. (2 Petera 3:9) Tsy mivadika
izy. (Apokalypsy 15:4) Raha mamaky Baiboly foana ianao,
dia ho hitanao hoe ahoana no nampisehoan’i Jehovah an’
ireo toetra ireo sy ny toetrany hafa.
20 Marina fa tsy afaka mahita an’Andriamanitra ianao,

satria Fanahy izy. (Jaona 1:18; 4:24; 1 Timoty 1:17) Raha


mianatra momba azy ao amin’ny Baiboly foana anefa ia-
nao, dia hiaiky hoe tena misy izy. “Hahita ny hatsaran’i Je-
hovah” ianao, araka ny tenin’ny mpanao salamo. (Salamo
27:4; Romanina 1:20) Arakaraka ny ianaranao momba an’
i Jehovah no hahatonga anao hiaiky hoe tena misy izy.
Vao mainka ho tia azy ianao amin’izay, sady hifandray tsa-
ra aminy.
21 Ho tsapanao tsikelikely fa tena Ray tokoa i Jehovah.

(Matio 6:9) Tiany toy ny zanany isika, ka tsy hoe nataony


ho velona fotsiny, fa tena tiany ho sambatra koa. (Salamo
36:9) Ankoatra izay, dia milaza ny Baiboly fa afaka ny ho
19. a) Ahoana no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra, ary
inona ny soa ho azontsika amin’izany? b) Inona ny toetran’Andria-
manitra tianao indrindra?
20-22. a) Tsy afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ve ianao sa-
tria tsy hita maso izy? Hazavao. b) Mety hampirisika anao hanao ino-
na ny olona sasany, nefa inona no tokony hataonao?
Inona no Marina Momba An’Andriamanitra? 17

naman’i Jehovah ny olombelona. (Jakoba 2:23) Mba eri-


trereto ange hoe ianao lasa naman’ilay Mpamorona an’
izao rehetra izao e!
22 Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hisy olona ha-

mpirisika anao tsy hianatra Baiboly intsony. Te hiaro anao


angamba izy, satria matahotra sao hivadi-pinoana ianao.
Aza avela hisy hanakana anao tsy hifandray amin’Andria-
manitra anefa, satria izy no namana tsara indrindra.
23 Mety tsy hazava aminao ny zavatra sasany, amin’ny

voalohany. Aza menatra manontany anefa. Nilaza i Jesosy


fa mila manetry tena hoatran’ny ankizikely isika. (Matio
18:2-4) Ary fantatsika fa be fanontaniana ny ankizy. Tian’
Andriamanitra hahita ny valin’ny fanontanianao ianao.
Ao amin’ny Baiboly aza deraina mihitsy ny olona nazoto
nianatra momba an’Andriamanitra. Nandinika tsara ny
Soratra Masina izy ireo, mba ho azony antoka hoe marina
ny zavatra nianarany.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:11.
24 Mila mianatra Baiboly isika raha tena te hahalala an’

i Jehovah. Tsy mitovy amin’ny boky rehetra izy io. Nahoa-


na? Hodinihina ao amin’ny toko manaraka izany.
23, 24. a) Nahoana ianao no tokony hanontany foana rehefa mia-
natra? b) Inona no hodinihina ao amin’ny toko manaraka?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Miahy anao manokana Andriamanitra.
—1 Petera 5:7.
ˇ Jehovah no tena anaran’Andriamanitra.
—Salamo 83:18.
ˇ Manasa anao hanatona azy i Jehovah.
—Jakoba 4:8.
ˇ Be fitiavana sy mamindra fo i Jehovah.
—Eksodosy 34:6; 1 Jaona 4:8, 16.
TOKO FAHA-2

Boky avy Amin’Andriamanitra


ny Baiboly
Inona no mampiavaka ny Baiboly
amin’ny boky hafa?
Tena afaka manampy anao
hiatrika olana ve ny Baiboly?
Nahoana no azonao itokisana ny
faminaniana ao amin’ny Baiboly?

EFA nahazo fanomezana manokana avy tamin’ny nama-


`
nao ve ianao? Faly ery angamba ianao tamin’izay. Tena
tian’ilay namanao ianao matoa omeny fanomezana. Azo
antoka fa nankasitrahanao izany.
2 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ary

tokony hankasitrahantsika. Tena miavaka mantsy io boky


io, satria milaza zavatra tsy hitantsika na aiza na aiza mi-
hitsy. Tantaraina ao, ohatra, ny namoronana ny lanitra
feno kintana sy ny tany ary ny lehilahy sy vehivavy voalo-
hany. Misy toro lalana tena manampy antsika hiatrika
zava-tsarotra ao. Hazavaina ao koa ny fomba hanatantera-
han’Andriamanitra ny fikasany sy hanatsarany ny fiainana
`
ety an-tany. Fanomezana faran’izay tsara tokoa ny Baiboly!
3 Matoa i Jehovah nanome antsika ny Baiboly, dia midi-

ka izany hoe tiany hahafantatra azy tsara isika. Afaka


`
manampy anao hifandray amin’i Jehovah ary ny Baiboly.
Tsy mampahery anao ve izany?
1, 2. Nahoana ny Baiboly no fanomezana faran’izay tsara avy amin’
Andriamanitra?
3. Nahoana i Jehovah no nanome antsika ny Baiboly, ary nahoana
izany no tena mampahery?
19

Misy amin’ny fiteny maro be “Ny Soratra


Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”
4 Manana Baiboly ve ianao? Be dia be koa no manana

azy io. Misy amin’ny fiteny 2 600 eo ho eo ny Baiboly ma-


`
nontolo na ny ampahany aminy. Afaka manana azy io ary
ny 90 isan-jato mahery amin’ny mponina eran-tany. Iray
tapitrisa mahery ny Baiboly voazara isan-kerinandro. Dimy
arivo tapitrisa eo ho eo koa ny Baiboly efa natonta, na
izy manontolo izany na ny ampahany aminy. Tsy misy
boky mitovy amin’izany mihitsy!
5 “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra”

koa ny Baiboly. (Vakio ny 2 Timoty 3:16.) Ny Baibo-


ly mihitsy no milaza hoe: ‘Avy tamin’Andriamanitra no
nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masi-
`
na azy.’ (2 Petera 1:21) Inona ny dikan’izany? Inty misy
ohatra: Misy lahiantitra iray mangataka an-janany mba ha-
noratra taratasy. Ny heviny sy ny toromarika nomeny
`
no ao amin’izy io. Taratasiny ary izy io raha ny mari-
na, fa tsy an’ilay zanany. Toy izany koa ny Baiboly. Ny
4. Nahoana ianao no miaiky fa tsy misy boky mitovy amin’ny Bai-
boly?
5. Inona ny dikan’ny hoe “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andri-
amanitra” ny Baiboly?
20 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

hevitr’Andriamanitra no hita ao, fa tsy ny an’ny olona


nanoratra azy io. Tena “tenin’Andriamanitra” tokoa ny
Baiboly manontolo.—1 Tesalonianina 2:13.
MIRINDRA TSARA SY MARINA
Nandritra ny 1600 taona mahery no nanoratana ny
6

Baiboly. Tsy nitovy ny fotoana niainan’ireo mpanoratra


azy io, sy ny fari-piainan’izy ireo. Ny sasany tantsaha,
mpanarato, na mpiandry ondry. Ny hafa indray mpamina-
ny, na mpitsara, na mpanjaka. Dokotera kosa i Lioka,
mpanoratra Filazantsara. Mirindra tsara anefa ny Baiboly,
hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.1
7 Hita ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly

hoe ahoana no nampisy ny olana teto an-tany. Ny boky fa-


rany indray miresaka fa ho lasa paradisa, na zaridaina, ny
tany manontolo. Zava-nitranga nandritra ny 4 000 taona
eo ho eo no voaresaka ao amin’ny Baiboly, nefa samy
mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra daholo. Tena
mirindra tokoa ny Baiboly, ka hita mihitsy hoe boky avy
amin’Andriamanitra.
8 Mifanaraka tsara amin’ny siansa ny Baiboly. Misy zava-

tra lazain’izy io aza tsy fantatry ny olona raha tsy ela


` `
be taty aoriana. Hita ao amin’ireo lalana nomena ny
Israelita ao amin’ny Levitikosy, ohatra, hoe ahoana no hi-
tandroana fahasalamana, ary inona no atao rehefa misy
areti-mifindra. Ny firenena nanodidina azy ireo anefa tsy
nahalala an’izany. Tsy fantatry ny olona koa taloha hoe
boribory ny tany, nefa ny Baiboly efa nilaza an’izany. (Isaia
1 Misy milaza fa mifanohitra ny andininy sasany ao amin’ny Bai-
boly. Tsy marina anefa izany. Jereo ny toko 7 amin’ny boky Ny Bai-
boly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombe-
lon’i Jehovah.

6, 7. Nahoana isika no milaza fa tena mirindra ny Baiboly?


`
8. Milaza ohatra mampiseho fa mifanaraka tsara amin’ny siansa ny
Baiboly.
Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly 21

40:22) Efa nilaza koa ny Baiboly fa ‘mihantona eo amin’


ny tsy misy ny tany.’ (Joba 26:7) Tsy boky momba ny sia-
nsa ny Baiboly, nefa marina foana izay zavatra lazainy
momba ny siansa. Hita tokoa hoe avy amin’Andriamani-
tra io boky io.
9 Raha jerena koa ny tantara, dia marina sy azo itokisa-

na ny Baiboly, sady misy tsipiriany. Tsy ny anaran’ny


olona fotsiny no ao, fa ny razambeny koa.1 Tsy mitovy
amin’ny mpahay tantara ireo nanoratra ny Baiboly. Mate-
tika mantsy ny mpahay tantara no tsy miresaka zavatra
ratsy momba azy ao amin’ny bokiny, ohatra hoe resy ny
fireneny. Ny mpanoratra Baiboly kosa nitantara ny mari-
na foana, na dia ny fahadisoany sy ny an’ny fireneny
aza. Niaiky, ohatra, i Mosesy ao amin’ny Nomery fa na-
nao fahadisoana lehibe, ka nanarina mafy. (Nomery 20:
2-12) Tsy milaza ny marina hoatr’izany matetika ny bokin-
tantara hafa. Hafa mihitsy ny Baiboly, satria avy amin’
Andriamanitra.
AZO AMPIHARINA TSARA NY TOROHEVITRA AO
10 “Mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsia-
na izay diso” ny Baiboly, satria avy amin’Andriamanitra.
(2 Timoty 3:16) Azo ampiharina tsara izay lazainy ao. Hita
hoe tena mahafantatra tsara ny olombelona ilay nampa-
noratra azy. Tsy mahagaga izany satria avy amin’i Jehovah
io boky io, ary izy no nanao antsika! Mahafantatra tsara
ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika, mihoatra noho
ny tenantsika mihitsy aza, izy. Fantany koa izay hahasa-
mbatra antsika sy izay tsy tokony hataontsika.
1 Jereo, ohatra, ny lisitry ny razamben’i Jesosy ao amin’ny Lioka 3:
23-38.

9. a) Inona ny porofo fa marina sy azo itokisana ny tantara ao amin’


ny Baiboly? b) Ahoana no fiheveranao ny Baiboly, rehefa hitanao hoe
nilaza ny marina ny mpanoratra azy io?
10. Nahoana no tsy mahagaga raha azo ampiharina ny zavatra lazain’
ny Baiboly?
Nilaza mialoha i
Isaia, mpanoratra
Baiboly, fa ho
rava i Babylona

11 Jereo, ohatra, ny toritenin’i Jesosy teo an-tendrombohi-


tra, ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Na-
mpianatra zavatra faran’izay tsara izy tao. Ohatra hoe inona
no tena mahasambatra, na ahoana no atao raha misy tsy mi-
fankahazo aminao. Nampianatra ny olona hivavaka koa izy,
11, 12. a) Inona avy no noresahin’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo
An-tendrombohitra? b) Inona koa no azo ampiharina ao amin’ny Bai-
boly, ary nahoana no tsy mety lany andro ny toroheviny?
Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly 23

ary nampirisika azy ireo mba tsy hitoky amin’ny vola sy ha-
rena. Mbola mahasoa sy azo ampiharina foana ireo tenin’i
Jesosy ireo hatramin’izao.
12 Misy toro lalana momba ny fianakaviana sy ny fomba

fiasa ary ny fifandraisana amin’ny olona koa ao amin’ny Bai-


boly. Azon’ny olona rehetra ampiharina izy ireny, ary maha-
soa ny torohevitra ao. Nasain’Andriamanitra nanoratra toy
izao i Isaia mpaminany: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao,
Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”—Isaia 48:17.
BOKY MISY FAMINANIANA
13 Misy faminaniana be dia be ao amin’ny Baiboly, ary
maro no efa tanteraka. Nasain’i Jehovah nilaza, ohatra, i Isaia
`
mpaminany fa ho rava ny tananan’i Babylona. (Isaia 13:19;
14:22, 23) Nolazaina tamin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no
`
handravana an’ilay tanana. Hisy miaramila hanafika azy. Ha-
` `
taon’izy ireo aloha izay haharıtra ny reniranon’ilay tanana,
ary tsy mila miady akory izy ireo dia ho tafiditra ao. No-
lazain’i Isaia mialoha mihitsy aza ny anaran’ilay mpanja-
ka handresy an’i Babylona, dia i Kyrosy.—Vakio ny Isaia
44:27–45:2.
14 Nisy miaramila nitoby teo akaikin’i Babylona, 200 tao-
`
na teo ho eo taty aoriana, izany hoe ny alin’ny 5 Oktobra
539 T.K.1 Ilay mpanjaka persianina atao hoe Kyrosy no mpi-
tarika azy ireo. Nanomboka tanteraka amin’izay ilay famina-
niana. Tena ho tafiditra ao Babylona tokoa ve anefa ny tafik’
i Kyrosy, ary tsy hila hiady akory?
15 Nanao fety ny Babylonianina tamin’io alina io, ary tsy

nieritreritra mihitsy hoe hisy hanafika. Nisy manda avo be


1 Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny “A.K.” hoe
“Aorian’i Kristy.”

13. Inona avy no nasain’i Jehovah nolazain’i Isaia mpaminany mia-


loha, momba an’i Babylona?
14, 15. Hazavao fa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ny tenin’i Isaia
momba an’i Babylona.
24 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
mantsy nanodidina ny tananany. Fetsy i Kyrosy, ka naviliny
`
lalana ny renirano nandalo tao amin’ilay tanana. Afaka nia-
mpita nankeny amin’ilay manda izy ireo rehefa nihena ny
rano. Ahoana anefa no nidiran’izy ireo tamin’ilay manda tao
Babylona? Tsy fantatra izay antony, fa navelan’ny Babylonia-
`
nina nidanadana ny vavahadin’ilay tanana tamin’io alina io!
16 Izao no voalaza momba an’i Babylona: “Tsy honenana

intsony izy, ary tsy hisy toerana ho azy intsony hatramin’


ny taranaka fara mandimby. Tsy hanangana ny tranolainy
any ny Arabo, ary tsy hisy mpiandry ondry hampandry ny
andian’ondriny any.” (Isaia 13:20) Voalaza eo fa sady ho resy
i Babylona, no tsy honenana intsony mandrakizay. Izany to-
koa no nitranga. Tsy misy mipetraka mantsy izao ao amin’
`
ilay tananan’i Babylona fahiny, any amin’ny 80 kilaometa-
tra any atsimon’i Bagdad, any Irak. Tanteraka ilay nasain’i Je-
hovah nolazain’i Isaia hoe: ‘Hofafako amin’ny kifafa fandri-
nganana izy.’—Isaia 14:22, 23.1
1 Mbola manazava ny faminanian’ny Baiboly koa ny pejy 27-29
amin’ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Va-
volombelon’i Jehovah.

16. a) Inona no nolazain’i Isaia fa hiafaran’i Babylona? b) Ahoana no


nahatanterahan’izany?
Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly 25

17 Vao mainka matanjaka ny finoantsika rehefa hitantsika


hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Raha nanatantera-
ka ny fampanantenany taloha mantsy i Jehovah, dia azo
antoka fa hotanterahiny koa ilay teniny hoe hatao paradisa
ny tany. (Vakio ny Nomery 23:19.) Manantena tokoa isika fa
hahazo “fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andri-
amanitra tsy mahay mandainga, eny, efa nampanantenainy
hatry ny ela be.”—Titosy 1:2.1
‘VELONA NY TENIN’ANDRIAMANITRA’
18Hitantsika tato amin’ity toko ity, fa boky tena miavaka
ny Baiboly. Mirindra tsara izy io, mifanaraka amin’ny siansa
1 Vao iray monja amin’ireo faminanian’ny Baiboly efa tanteraka ny
nandravana an’i Babylona. Noravana koa, ohatra, i Tyro sy Ninive.
(Ezekiela 26:1-5; Zefania 2:13-15) Naminany koa i Daniela fa hisy fa-
njakana matanjaka maromaro hifandimby aorian’i Babylona, anisan’
izany i Media sy Persa ary Gresy. (Daniela 8:5-7, 20-22) Misy famina-
niana maro momba ny Mesia, tanteraka tamin’i Jesosy Kristy, ao
amin’ny Fanazavana Fanampiny, pejy 199-201.

17. Nahoana no lasa matanjaka ny finoantsika rehefa hitantsika hoe


tanteraka ny faminanian’ny Baiboly?
18. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly momba ny “tenin’Andria-
manitra”?

Sisa tavela amin’i Babylona


26 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

sy ny tantara, azo ampiharina, ary tanteraka ny faminaniana


ao anatiny. Tsy izay ihany anefa no mahasarobidy azy. Hoy
ny apostoly Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamani-
tra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona
ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po
ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay
mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.”—Hebreo
4:12.
19 Tena afaka manova ny fiainantsika ny Tenin’Andriama-

nitra. Manampy antsika handini-tena mantsy izy io. Mety hi-


laza, ohatra, isika hoe tia an’Andriamanitra, kanefa mampiha-
tra an’izay lazainy ao amin’ny Baiboly tokoa ve isika? Izany
no ahitana an’izay tena ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika.
20 Boky avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ka tokony ho-

vakina sy hianarana ary hankasitrahana. Mankasitraka an’io


fanomezana io ianao raha mianatra tsara azy io foana. Ho
azonao tsara amin’izay ny fikasan’Andriamanitra momba ny
olombelona. Hodinihina ao amin’ny toko manaraka hoe ino-
na izany fikasany izany, ary ahoana no hahatanteraka azy io.
19, 20. a) Inona no ho hitantsika, raha mandini-tena isika rehefa
mamaky Baiboly? b) Ahoana no ampisehoanao fa mankasitraka ny
Baiboly, ilay fanomezana tena tsara avy amin’Andriamanitra, ianao?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’
Andriamanitra ny Baiboly, ka marina
sy azo itokisana.—2 Timoty 3:16.
ˇ Azo ampiharina amin’ny fiainana
andavanandro izay lazain’ny Tenin’
Andriamanitra.—Isaia 48:17.
ˇ Tsy maintsy tanteraka izay ampanantenain’
Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
—Nomery 23:19.
TOKO FAHA-3

Inona no Fikasan’Andriamanitra
Momba ny Tany?
Inona no fikasan’Andriamanitra
momba ny olombelona?
Iza no nanohitra an’Andriamanitra,
ary tamin’ny fomba ahoana?
Hanao ahoana ny fiainana
eto an-tany amin’ny hoavy?

TENA tsara ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. Tia-


ny ho feno olona sambatra sy salama tsara eto. Milaza ny
Baiboly fa ‘nanamboatra zaridaina tao Edena i Jehovah
Andriamanitra’, ka ‘nampaniriny tao ny hazo rehetra maha-
finaritra ny maso sady mahate hihinana.’ Namorona an’i
Adama sy Eva, lehilahy sy vehivavy voalohany, izy avy eo,
ary napetrany tao amin’io zaridaina tsara tarehy io izy ireo.
`
Hoy izy tamin’izy ireo: “Manana taranaka, ary mihabetsaha
ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Genesisy 1:28; 2:8,
`
9, 15) Ny fikasan’Andriamanitra ary dia hoe hiteraka ny olo-
mbelona ka hanitatra an’ilay paradisa eran-tany, ary hikara-
kara ny biby.
2 Ho tanteraka tokoa ve ilay fikasan’i Jehovah hoe hiaina

ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona? Hoy izy: ‘Efa


nolazaiko izany ka hataoko.’ (Isaia 46:9-11; 55:11) Tsy mai-
`
ntsy hotanterahin’Andriamanitra ary izay kasainy. Nilaza
izy fa “tsy hoe tsy misy antony ny namoronany” ny tany,
1. Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?
2. a) Ahoana no ahafantarantsika fa ho tanteraka ny fikasan’Andria-
manitra momba ny tany? b) Iza no lazain’ny Baiboly fa hiaina ma-
ndrakizay?
28 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

fa “nataony honenana.” (Isaia 45:18) Olona manao ahoana


anefa no tian’Andriamanitra hiaina eto an-tany? Ary hafiria-
na izy ireo no tiany hipetraka eto? Hoy ny Baiboly: “Ny olo-
marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”
—Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4.
3 Hitantsika anefa fa mbola tsy tanteraka izany. Mbola

misy olona marary sy maty mantsy izao, ary misy aza mia-
dy sy mifamono ho faty mihitsy. Tsy izao mihitsy anefa ny
zavatra nokasain’Andriamanitra, tamin’ny voalohany. Na-
`
hoana ary no tsy tanteraka ny fikasany? Tsy hahita ny valin’
izany ao amin’ny boky nosoratan’olombelona isika, satria
tany an-danitra ilay olana no nanomboka.
LASA NANANA FAHAVALO ANDRIAMANITRA
Milaza ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly fa nisy
4

nanohitra Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena.


Antsoina hoe “menarana” izy io, na dia tsy biby aza. Lazain’
ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa izy “ilay antsoina hoe
Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mpo-
nina.” Atao hoe “menarana tany am-boalohany” koa izy.
(Genesisy 3:1; Apokalypsy 12:9) Anjely mahery sy tsy hita
maso no niresaka tamin’i Eva, raha ny marina, fa mody na-
taony hoatran’ny hoe miteny ilay menarana. Azo antoka fa
efa teo io zavaboary io, rehefa namorona ny tany sy ny olo-
na Andriamanitra.—Joba 38:4, 7.
5 Fantatsika fa lavorary daholo ny zavatra noforonin’i Je-
`
hovah. Iza ary no nanao ny “Devoly”, na “Satana”? Raha
tsorina, dia nivadika ho Devoly ny iray tamin’ny zanak’Andri-
amanitra tany an-danitra. Ahoana no nahatonga an’izany?
Mety ho lasa mpangalatra ny olona iray, na dia tsara toetra
sy nanao ny marina aza. Nahoana? Satria mety hanana fa-
3. Manao ahoana ny fiainana eto an-tany amin’izao, ary inona ny fa-
nontaniana mila eritreretintsika?
4, 5. a) Iza ilay nampiasa bibilava mba hiresahana tamin’i Eva?
b) Nahoana no mety ho lasa mpangalatra ny olona iray, na dia tsara
toetra sy nanao ny marina aza?
Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany? 29

nirian-dratsy izy. Vao mainka hihamafy io faniriany io, raha


eritreretiny foana. Mety hotanterahiny mihitsy ilay izy amin’
ny farany, rehefa tojo fakam-panahy izy.—Vakio ny Jakoba
1:13-15.
6 Izany no nitranga tamin’i Satana Devoly. Azo inoana fa

henony ilay tenin’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva hoe


miteraha ary mamenoa ny tany. (Genesisy 1:27, 28) Mety ho
`
nieritreritra ary izy hoe: ‘Raha mba izaho izao no ivavahan’
ny olona, fa tsy Andriamanitra an!’ Nitombo tao am-pony
izany fanirian-dratsy izany, ka notanterahiny. Namitaka an’
i Eva izy sady nilaza lainga momba an’Andriamanitra. (Va-
kio ny Genesisy 3:1-5.) Izany no nahatonga azy ho lasa “De-
voly”, izany hoe “Mpanendrikendrika”, ary koa “Satana”,
izany hoe “Mpanohitra.”
7 Lasa tsy nankato` an’Andriamanitra i Adama sy Eva, sa-

tria voafitak’i Satana Devoly. (Genesisy 2:17; 3:6) Maty izy


ireo tamin’ny farany. Izay no efa nolazain’Andriamanitra fa
`
hitranga raha tsy mankato izy. (Genesisy 3:17-19) Tsy lavo-
rary intsony i Adama rehefa nanota, ka nandova ota daholo
koa ny taranany. (Vakio ny Romanina 5:12.) Azo oharina
amin’ny lasitra fanaova-mofo izany. Raha pempo ilay lasitra,
dia pempo daholo koa ny mofo amboarina amin’ilay izy, sa
tsy izany? Hoatr’izany koa ny olona rehetra, satria nandova
ota avy tamin’i Adama. Izany no mahatonga antsika tarana-
ny hihantitra sy ho faty.—Romanina 3:23.
8 Nitaona ny hafa hikomy i Satana, raha ny marina, rehe-
`
fa nampirisika an’i Adama sy Eva tsy hankato an’Andriama-
nitra. Nokianiny ny fomba fitondran’i Jehovah. Te hilaza izy
hoe: ‘Tsy mahay mitondra Andriamanitra, fa mandainga.
6. Ahoana no nahatonga ny iray tamin’ny zanak’Andriamanitra ho
lasa Satana Devoly?
7. a) Nahoana i Adama sy Eva no maty? b) Nahoana ny taranak’i Ada-
ma rehetra no mihantitra sy maty?
8, 9. a) Inona ny fiampangana nataon’i Satana? b) Nahoana Andri-
amanitra no tsy tonga dia namono an’i Adama sy Eva ary Satana?
30 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Misy zavatra tsara tokony ho an’ny olony nefa tsy omeny


azy ireo. Tsy mila an’Andriamanitra hitondra azy ny olo-
mbelona. Ry zareo ihany dia efa mahay manavaka an’izay
tsara sy ratsy. Ho sambatra kokoa ry zareo raha izaho no mi-
tondra azy.’ Nanevateva sy niampanga an’Andriamanitra i
`
Satana. Ahoana ary no nandaminan’Andriamanitra an’iza-
ny? Misy milaza fa tokony ho novonoiny ho faty fotsiny

I Satana ve dia hanome an’i Jesosy


an’ireo fanjakana rehetra teto an-tany,
raha tsy an’azy akory izany?
Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany? 31

i Adama sy Eva ary Satana. Ho nanaporofo ve anefa izany fa


diso ny fiampangan’i Satana? Ho voaporofo ve hoe ny fito-
ndran’Andriamanitra no tsara?
9 Tena manao ny rariny Andriamanitra, ka tsy tonga dia

namono an’ireo mpikomy. Navelany handeha ny fotoana,


mba hanaporofoana tsara hoe mpandainga i Satana Devoly,
ary diso ny fiampangany. Navelan’Andriamanitra hananga-
na fitondrana aloha ny olombelona, ka i Satana no filohan’
izy ireo. Hohazavaina ao amin’ny Toko faha-11 hoe nahoa-
na i Jehovah no nanao an’izany, ary nahoana izy no mia-
ndry ela, fa tsy tonga dia nandamina an’ilay olana. Tokony
hieritreritra anefa isika hoe: Rariny ve raha ny tenin’i Sata-
na no ninoan’i Adama sy Eva, nefa izy aza mbola tsy nanao
soa ho azy ireo mihitsy? Rariny ve raha nino izy ireo hoe
mpandainga ratsy fanahy i Jehovah, nefa izy no nanome ny
zava-drehetra ho azy mivady? Inona no ho nataonao, raha
ianao no teo amin’ny toeran’izy ireo?
10 Mila eritreretina ireo fanontaniana ireo, satria miatrika

zavatra mitovy amin’ireo isika tsirairay. Tena afaka mianda-


ny amin’i Jehovah ianao, ka manaporofo hoe diso ny fia-
mpangan’i Satana. Asehonao fa mpandainga i Satana, raha
manaiky an’i Jehovah ho Mpitondra ianao. (Salamo 73:28;
vakio ny Ohabolana 27:11.) Mampalahelo fa vitsy amin’
ireo olona an’arivony tapitrisa eran-tany no manao an’iza-
`
ny. Izao ary no fanontaniana lehibe mipetraka: Milaza tokoa
ve ny Baiboly fa i Satana no mitondra an’izao tontolo izao?
IZA NO MITONDRA AN’IZAO TONTOLO IZAO?
11Tsy nisalasala mihitsy i Jesosy hoe i Satana no mpito-
ndra an’izao tontolo izao. Nisy fotoana i Satana nanao
10. Ahoana no anaporofoanao fa miandany amin’i Jehovah ianao ary
diso ny fiampangan’i Satana?
11, 12. a) Hazavao fa i Satana no mpitondra an’izao tontolo izao,
raha jerena ny fakam-panahy nahazo an’i Jesosy. b) Inona koa no ma-
naporofo fa i Satana no mpitondra an’izao tontolo izao?
32 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

fahagagana mba hampisehoana taminy “ny fanjakana re-


hetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fa-
njakana ireny.” Nilaza tamin’i Jesosy izy avy eo hoe: “Ho-
meko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray
mandeha eto anatrehako ianao.” (Matio 4:8, 9; Lioka 4:
`
5, 6) Eritrereto ary izao: Tena fakam-panahy ho an’i Jeso-
sy ve izany, raha tsy i Satana akory no mpitondra an’ireo
fanjakana ireo? Tsy nanda koa i Jesosy hoe an’i Satana
ireo fanjakana rehetra ireo. Tsy maintsy ho nanda mantsy
izy, raha tsy nanana fahefana tamin’ireo i Satana.
12 Marina fa i Jehovah no Andriamanitra Mahery Indri-

ndra sy Mpamorona an’izao rehetra izao. (Apokalypsy


4:11) Tsy miresaka mihitsy anefa ny Baiboly hoe i Jeho-
vah Andriamanitra na i Jesosy Kristy no mpitondra an’ity
tontolo ity. Nilaza mazava kosa i Jesosy fa i Satana no
“mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31; 14:30;
16:11) Antsoin’ny Baiboly hoe “andriamanitr’ity tontolo
ity” koa i Satana Devoly. (2 Korintianina 4:3, 4) Hoy ny
apostoly Jaona, momba an’i Satana: ‘Izao tontolo izao
manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’—1 Jaona
5:19.
HOFOANANA NY TONTOLON’I SATANA
Vao mainka miharatsy foana izao tontolo izao isan-
13

taona. Maro ny tafika miady, ny mpanao politika manao


ny tsy marina, ny mpitondra fivavahana mihatsaravelatsi-
hy, ary ny mpanao heloka bevava. Tsy ho avotra intsony
ity tontolo ity. Milaza ny Baiboly fa efa kely sisa dia ha-
ndringana an’ity tontolo ity Andriamanitra, amin’ilay
ady atao hoe Hara-magedona. Hisy tontolo vaovao hitoe-
ran’ny fahamarinana aorian’izay.—Apokalypsy 16:14-16.
14 Nifidy an’i Jesosy Kristy i Jehovah, mba ho Mpito-

13. Nahoana isika no mila tontolo vaovao?


14. Iza no nofidin’Andriamanitra ho Mpitondra ny Fanjakany, ary
inona no efa nolazain’ny Baiboly momba an’izany?
Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany? 33

ndra an’ilay Fanjakany any an-danitra. Efa ela ny Baiboly


no nilaza hoe: ‘Misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no
homena antsika, ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andria-
na. Ny anarany dia hatao hoe Andrianan’ny Fiadanana.
Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany
izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana.’ (Isaia 9:6, 7)
Nampianarin’i Jesosy hivavaka momba an’io Fanjakana
io ny mpanara-dia azy, hoe: “Ho tonga anie ny fanjaka-
`
nao! Hatao ety an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any
an-danitra!” (Matio 6:10) Hianarantsika any aoriana fa
kely sisa dia hanafoana ny fitondrana rehetra eto an-tany
ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hisolo azy ireo. (Vakio ny
Daniela 2:44.) Hanova ny tany ho paradisa io Fanjakana
io aorian’izay.
KELY SISA DIA HISY TONTOLO VAOVAO!
15 Milaza ny Baiboly fa ‘misy lanitra vaovao sy tany vao-
vao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsi-
ka’, araka ny fampanantenan’Andriamanitra. (2 Petera
3:13; Isaia 65:17) Ny olona miaina eto an-tany indrai-
ndray no antsoina hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. (Gene-
sisy 11:1) Ilay hoe “tany vaovao” hitoeran’ny fahamarina-
`
na ary dia ny vahoaka ankasitrahan’Andriamanitra.
16 Nampanantena i Jesosy fa ‘hiaina mandrakizay’ ny

olona ankasitrahan’Andriamanitra. (Marka 10:30) Fano-


mezana faran’izay tsara avy amin’Andriamanitra ny fiai-
nana mandrakizay. Jereo ao amin’ny Jaona 3:16 sy ny Jao-
na 17:3 hoe inona no nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy
ataontsika raha te hahazo an’izany isika. Be dia be ny fi-
tahiana ho azon’ireo olona hiaina ao amin’ilay paradisa
eto an-tany. Andeha hodinihintsika izany.
15. Inona no atao hoe “tany vaovao”?
16. Inona ny fanomezana faran’izay tsara homen’Andriamanitra ny
olona ankasitrahany, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba haha-
zoana an’izany?
34 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Tsy hisy intsony ny olona ratsy, ady, heloka bevava, ary


17

herisetra. ‘Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Fa ny mpande-


fitra kosa no handova ny tany.’ (Salamo 37:10, 11) Hiada-
na ny olona satria ‘hampitsahatra ady hatrany amin’ny
faran’ny tany’ Andriamanitra. (Salamo 46:9; Isaia 2:4) “Hi-
roborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha
mbola misy koa ny volana”, izany hoe mandrakizay.—Sa-
lamo 72:7.
18 Tsy hisy zavatra hampatahotra intsony. Tsy nisy zava-

tra nampatahotra an’ireo Israelita mihitsy fahiny, rehefa


`
nankato an’Andriamanitra izy ireo. (Levitikosy 25:18, 19)
Hoatr’izany koa any amin’ny Paradisa, ka tena hahafinari-
tra ny fiainana.—Vakio ny Isaia 32:18; Mika 4:4.
19 Tsy hisy mosary. Hoy ny mpanao salamo: “Hahavoka-

tra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza


dia ho be ny vokatra.” (Salamo 72:16) Hotahin’i Jehovah
ny olo-marina ka ‘hahavokatra ny tany.’—Salamo 67:6.
20 Ho lasa paradisa ny tany manontolo. Ho feno trano sy

zaridaina mahafinaritra ity tany nosimban’ny olona mpa-


nota ity. (Vakio ny Isaia 65:21-24; Apokalypsy 11:18) Ho-
volena ny tany, ka ho tsara tarehy sy hahavokatra toy
ny zaridainan’i Edena izy manontolo, rehefa ela ny ela.
‘Hanokatra ny tanany’ foana Andriamanitra, ka ‘hano-
me fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.’
—Salamo 145:16.
21 Tsy hasiaka intsony ny biby. Hiaraka hisakafo ny bibi-

dia sy ny biby fiompy. Na ny zazakely aza tsy hatahotra


an’ireny biby masiaka hitantsika amin’izao ireny. (Vakio
17, 18. Ahoana no ahazoantsika antoka fa hiadana ny olona eran-
tany ary tsy hatahotra intsony?
19. Ahoana no ahafantarantsika fa hisy sakafo tondraka ao amin’ny
tontolo vaovao?
20. Ahoana no ahazoantsika antoka fa ho lasa paradisa ny tany ma-
nontolo?
21. Inona no porofo fa tsy hasiaka intsony ny biby?
36 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ny Isaia 11:6-9; 65:25) Ny olona koa tsy hampijaly biby


intsony.
22 Hofoanana ny aretina. Hanasitrana olona be lavitra

noho ny tamin’izy teto an-tany i Jesosy, satria izy no Mpa-


njakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (Matio
9:35; Marka 1:40-42; Jaona 5:5-9) Tsy hisy olona hilaza
intsony amin’izay hoe: Marary aho.—Isaia 33:24; 35:5, 6.
23 Hatsangana ny havantsika efa maty, ary hiaina ma-

ndrakizay. Hovelomina indray ny olona maty rehetra ao


amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Hisy tokoa ny “fitsa-
nganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly
24:15; vakio ny Jaona 5:28, 29.
24 Tena ho sambatra tokoa ny olona mianatra momba

an’i Jehovah, ilay Mpamorona Be Voninahitra, sy mifidy


ny hanompo azy! Ilay Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy
no tian’i Jesosy horesahina rehefa nampanantena an’ilay
jiolahy teo akaikiny izy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny
Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Tena mila mianatra momba
`
an’i Jesosy ary isika, satria tsy hahazo an’ireo fitahiana ireo
isika raha tsy noho izy.
22. Hatao ahoana ny aretina?
23. Nahoana no tena hahafaly antsika ny fitsanganan’ny maty?
24. Ahoana no fahitanao an’izany hoe hiaina ao amin’ny Paradisa eto
an-tany izany?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra hano-
va ny tany ho paradisa.—Isaia 45:18; 55:11.
ˇ I Satana no mitondra an’izao tontolo izao
ankehitriny.—Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19.
ˇ Hanome fitahiana be dia be ho an’ny olona
Andriamanitra, ao amin’ny tontolo vaovao.
—Salamo 37:10, 11, 29.
TOKO FAHA-4

Iza moa i Jesosy Kristy?


Inona ny andraikitra manokana
nanendrena an’i Jesosy?
Avy aiza izy?
Olona nanao ahoana izy?

BETSAKA ny olona malaza eto an-tany. Ny sasany be


`
mpahafantatra any an-tananany na any amin’ny tani-
ny, fa ny sasany kosa malaza eran-tany mihitsy. Raha
mahafantatra anaran’olona malaza iray anefa ianao,
dia tsy midika izany hoe tena fantatrao tsara izy. Mety
tsy ho fantatrao amin’ny an-tsipiriany ny fiainany sy ny
tena toetrany.
2 Samy efa naheno momba an’i Jesosy Kristy ny olona

eran-tany, na dia efa 2 000 taona teo ho eo aza izy no


`
tety. Betsaka anefa no tsy tena mahafantatra tsara azy.
Misy milaza fa olona tsara fanahy fotsiny izy. Ny sasa-
ny indray miteny fa mpaminany fotsiny izy. Misy koa
anefa miteny hoe Andriamanitra i Jesosy ka tokony hi-
vavahana. Marina ve izany?
3 Tokony hahalala ny marina momba an’i Jesosy

ianao. Nahoana? Satria hoy ny Baiboly: “Mba haha-


zoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny
mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamani-
tra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Afaka
1, 2. a) Hazavao fa tsy mitovy ny hoe mahafantatra olo-malaza iray,
sy ny hoe tena mahafantatra tsara azy. b) Inona avy no lazain’ny olo-
na momba an’i Jesosy?
3. Nahoana ianao no tena tokony hahalala ny marina momba an’i
Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy?
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ny hiaina mandrakizay ao amin’


ny tany paradisa isika, raha mahalala
ny marina momba an’i Jehovah Andriamani-
tra sy Jesosy Kristy. (Jaona 14:6) Tena modely
koa i Jesosy rehefa jerena ny fomba fiainany sy ny fifa-
ndraisany tamin’ny olona. (Jaona 13:34, 35) Nianatra
ny marina momba an’Andriamanitra isika tao amin’
ny toko voalohany. Hojerentsika indray izao hoe inona
marina no ampianarin’ny Baiboly momba an’i Jesosy
Kristy.
ILAY MESIA NAMPANANTENAINA
4 Ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no
efa nilaza ny Baiboly fa hisy Mesia na Kristy
hirahin’Andriamanitra. Samy midika hoe “Voa-
4. Inona ny dikan’ny hoe “Mesia” na “Kristy”?

Lasa Mesia, na Kristy, i Jesosy


tamin’izy natao batisa
Iza moa i Jesosy Kristy? 39

hosotra” ny hoe “Mesia” (avy amin’ny teny hebreo)


sy “Kristy” (avy amin’ny teny grika). Ho voahosotra io
Mesia io, izany hoe hotendren’Andriamanitra mba ha-
natanteraka andraikitra manokana. Hianarantsika any
aoriana fa manana anjara asa lehibe ny Mesia, satria
hanatanteraka ny zavatra nampanantenain’Andriama-
nitra. Ho hitantsika koa fa be dia be ny fitahiana
azontsika dieny izao, noho ny nataon’i Jesosy. Talohan’
ny nahaterahan’i Jesosy anefa, dia betsaka ny olona nie-
`
ritreritra hoe: ‘Iza ary no ho Mesia?’
5 Resy lahatra tanteraka ny mpianatr’i Jesosy tamin’

ny taonjato voalohany fa izy no Mesia. (Jaona 1:41)


Niaiky, ohatra, i Simona Petera rehefa niresaka tamin’i
Jesosy fa ‘izy no Kristy.’ (Matio 16:16) Nahoana izy ireo
no natoky fa i Jesosy avy any Nazareta tokoa no Mesia
nampanantenaina? Nahoana koa isika no mahazo anto-
ka an’izany?
6 Nilaza zavatra maro momba ny Mesia ny mpa-

minany fahiny, ka ireny no hamantaran’ny olona azy.


Eritrereto, ohatra, hoe asaina mitsena olona any amin’
ny taxi-brousse, na gara, na seranam-piaramanidina
feno olona ianao. Mbola tsy hitanao mihitsy ane-
fa ilay olona. Azo antoka fa ho mora kokoa aminao
ny hamantatra azy, raha efa nolazaina taminao ny mo-
mbamomba azy. Toy izany koa fa nasain’i Jehovah
nosoratan’ny mpaminany ao amin’ny Baiboly ny mo-
mbamomba ny Mesia, ohatra hoe inona no hataony ary
inona no hanjo azy. Tanteraka ireny faminaniana ireny,
ka izany no nanampy ny olona hahafantatra azy.
7 Hijery faminaniana roa fotsiny isika. Efa nolazain’

i Mika mpaminany 700 taona mialoha, ohatra, fa ho


5. Resy lahatra momba ny inona ny mpianatr’i Jesosy?
6. Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana ny olona hahafanta-
tra ny Mesia? Hazavao amin’ny ohatra.
`
7. Milaza faminaniana roa tanteraka tamin’i Jesosy.
40 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
teraka any Betlehema, tanana kely any Joda, ilay Me-
`
sia. (Mika 5:2) Tena tao amin’io tanana io tokoa i Jesosy
no teraka! (Matio 2:1, 3-9) Efa nolazain’ny Daniela 9:25
taonjato maro mialoha koa ny taona hisehoan’ilay Me-
sia, dia ny taona 29.1 Tanteraka ireo faminaniana ireo
sy ny faminaniana hafa, ka voaporofo fa i Jesosy tokoa
ilay Mesia nampanantenaina.
8 Vao mainka voaporofo fa i Jesosy no Mesia, ta-

min’ny faramparan’ny taona 29. Nankany amin’i


Jaona Mpanao Batisa izy tamin’izay, mba hatao bati-
sa tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Efa nampanantena
i Jehovah fa hanome famantarana an’i Jaona, mba ha-
halalany hoe iza ilay Mesia. Hitan’i Jaona izany tamin’
i Jesosy natao batisa. Hoy ny Baiboly: “Raha vao vita
batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao amin’ny rano. Ary
nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andri-
amanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i
Jesosy. Injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:
‘Io no Zanako malalako, izay sitrako.’ ” (Matio 3:16, 17)
`
Resy lahatra ary i Jaona hoe Andriamanitra no naniraka
an’i Jesosy, rehefa nahita sy naheno an’izany. (Jaona 1:
32-34) Rehefa nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra na
ny hery ampiasainy i Jesosy, dia lasa Mesia, na Kristy,
izany hoe voatendry ho Mpitarika sy Mpanjaka.—Isaia
55:4.
9 Ilay tenin’i Jehovah avy any an-danitra sy ireo fami-

naniana tanteraka tamin’i Jesosy, dia samy manaporofo


fa izy tokoa no Mesia nampanantenaina. Tena ilaintsika
fantarina koa anefa hoe avy aiza i Jesosy, ary olona na-
nao ahoana izy. Valiana ao amin’ny Baiboly izany.
1 Manazava ny faminanian’i Daniela tanteraka tamin’i Jesosy ny Fa-
nazavana Fanampiny, pejy 197-199.

8, 9. Inona no nanaporofo fa i Jesosy tokoa no Mesia, tamin’izy na-


tao batisa?
Iza moa i Jesosy Kristy? 41

AVY AIZA I JESOSY?


10 Milaza ny Baiboly fa niaina tany an-danitra i Jesosy ta-
`
lohan’ny nahatongavany tety an-tany. Naminany i Mika fa
ho teraka any Betlehema ny Mesia, ary efa nisy “hatramin’
ny taloha ela be” izy. (Mika 5:2) Imbetsaka i Jesosy no ni-
laza fa efa tany an-danitra izy, talohan’izy lasa olombelona
teto an-tany. (Vakio ny Jaona 3:13; 6:38, 62; 17:4, 5) Tena
nifandray be izy sy Jehovah, tamin’izy anjely tany an-da-
nitra.
11 I Jesosy no Zanak’i Jehovah tiany indrindra. Nahoana?

Satria izy no noforoniny voalohany,1 ka antsoina hoe “la-


himatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15)
Miavaka koa izy satria “Zanany lahitokana.” (Jaona 3:16)
Midika izany fa i Jesosy ihany no noforonin’Andriamani-
tra mivantana. Izy irery koa no nampiasain’Andriamanitra
mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra. (Kolosianina
1:16) Antsoina hoe “ny Teny” koa i Jesosy. (Jaona 1:14) Mi-
dika izany fa mpitondra tenin’Andriamanitra izy. Azo anto-
ka fa izy no nampita ny hafatra sy ny toromariky ny Ray ta-
min’ny zanany hafa, dia ny anjely sy ny olombelona.
12 Misy mino fa mitovy ihany Andriamanitra sy ilay Za-

naka lahimatoa. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. No-


foronina io Zanaka io, araka ny efa hitantsika. Nanam-pia-
`
ndohana ary izy, fa i Jehovah Andriamanitra kosa tsy
nanam-piandohana sady tsy hanam-piafarana. (Salamo
90:2) Tsy nieritreritra ny hitovy amin’ny Rainy mihitsy
1 Antsoina hoe Ray i Jehovah, satria izy no Mpamorona. (Isaia
`
64:8) Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra ary i Jesosy, satria noforo-
nin’Andriamanitra. Izany koa no antony iantsoana an’ireo anjely hafa
sy Adama hoe zanak’Andriamanitra.—Joba 1:6; Lioka 3:38.

10. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fiainan’i Jesosy talohan’


`
ny nahatongavany tety an-tany?
11. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa i Jesosy no Zanak’i Jehovah
tena tiany indrindra?
12. Porofoy fa samy hafa Andriamanitra sy ilay Zanaka lahimatoa.
42 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ilay Zanaka lahitokana. Milaza mazava ny Baiboly fa ny


Ray dia lehibe noho ny Zanaka. (Vakio ny Jaona 14:28;
1 Korintianina 11:3) I Jehovah irery koa no “Andriamani-
tra Mahery Indrindra.” (Genesisy 17:1) Tsy misy mitovy
`
aminy mihitsy ary.1
13 Niaraka akaiky i Jehovah sy ilay Zanany lahimatoa,

nandritra ny an’arivony tapitrisa taona, ela be talohan’ny


namoronana ny lanitra feno kintana sy ny tany. Azo anto-
ka fa nifankatia be mihitsy izy mianaka! (Jaona 3:35;
14:31) Tsy nisy hafa tamin’ny Rainy io Zanany io. Izany no
iantsoan’ny Baiboly azy hoe “endrik’ilay Andriamanitra
tsy hita maso.” (Kolosianina 1:15) Mety hisy zavatra maro,
ohatra, mampitovy ny ankizy amin’ny rainy. Toy izany koa
fa tena nanahaka ny toetran’ny Rainy io Zanany io.
14 Nanaiky hiala tany an-danitra ilay Zanaka lahitokan’i
`
Jehovah, ka nidina tety an-tany. Mety hieritreritra anefa ia-
nao hoe: ‘Ahoana no nahafahan’ny anjely ho lasa olombe-
lona?’ Nanao fahagagana i Jehovah mba hanaovana an’
izany. Nafindrany tao an-kibon’i Maria, Jiosy mbola virji-
`
ny, ny ain’io Zanany io. Tsy olombelona ary ny rain’io Za-
nany io. Lavorary ilay zaza, ary nantsoin’i Maria hoe Jeso-
sy.—Lioka 1:30-35.
OLONA NANAO AHOANA I JESOSY?
Manampy antsika hahalala tsara an’i Jesosy ny zavatra
15

nolazainy sy nataony. Hahafantatra tsara kokoa an’i Jeho-


vah koa isika, rehefa mahalala azy. Nahoana? Hitantsika
teo fa mitovy tanteraka amin’ny toetran’ny Rainy ny toe-
1 Jereo ny Fanazavana Fanampiny, pejy 201-204, mba hahitana po-
rofo hafa fa tsy mitovy amin’Andriamanitra ilay Zanaka lahimatoa.

13. Inona ny dikan’ny hoe “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso”


ny Zanaka?
14. Ahoana no nahatonga ny Zanak’i Jehovah ho lasa olombelona?
15. Nahoana isika no hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah raha ma-
halala an’i Jesosy?
Iza moa i Jesosy Kristy? 43

tran’io Zanany io. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny


hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9)
Miresaka be momba ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny asany
ary ny toetrany, ny boky efatra ao amin’ny Baiboly, dia ny
Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.
16 “Mpampianatra” no tena nahafantarana an’i Jesosy.

(Jaona 1:38; 13:13) Inona no tena nampianariny? “Ny


vaovao tsaran’ilay fanjakana”, izany hoe ny Fanjakan’
Andriamanitra any an-danitra. (Matio 4:23) Izy io no hito-
ndra ny tany manontolo sy hanome fitahiana mandraki-
`
zay ho an’ny olona mankato. Avy amin’iza izany fampia-
narana izany? Hoy i Jesosy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa
an’ilay naniraka ahy”, izany hoe i Jehovah. (Jaona 7:16)
Fantatr’i Jesosy fa tian’ny Rainy handre ny vaovao tsaran’
ilay Fanjakana ny olona. Ho hitantsika ao amin’ny Toko
faha-8 ny momba an’io Fanjakana io sy izay hataony.
17 Taiza i Jesosy no nampianatra? Tany amin’izay rehetra
`
nisy olona, na ambanivohitra izany, na tanana kely sy le-
hibe, na tsena, na tranon’olona. Tsy niandry ny olona ha-
natona azy izy, fa izy mihitsy no nanatona azy ireo. (Marka
6:56; Lioka 19:5, 6) Nahoana i Jesosy no niezaka mafy sy
nandany fotoana be hoatr’izany mba hitoriana sy hampia-
narana? Satria izany no sitrapon’Andriamanitra, ary nanao
ny sitrapon’ny Rainy foana izy. (Jaona 8:28, 29) Nisy anto-
ny hafa koa anefa. Nangoraka ny olona tonga nanatona
azy izy. (Vakio ny Matio 9:35, 36.) Tsy niraharaha azy ire-
ny mantsy ny mpitondra fivavahana, nefa izy ireo no to-
kony ho nampianatra azy ireny ny marina momba an’
Andriamanitra sy ny fikasany. Fantatr’i Jesosy fa tena nila
nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona.
16. Inona no tena nampianarin’i Jesosy, ary avy amin’iza ny fampia-
narany?
17. Taiza i Jesosy no nampianatra, ary nahoana izy no niezaka mafy
nanao an’izany?
Nitory tany amin’izay toerana
rehetra nisy olona i Jesosy

18 Tena tia olona i Jesosy sady be fiahiana. Tsara fanahy


izy, ka tsy nihafahafa ny olona nanatona azy. Na ny anki-
zy aza tsy sadaikatra niaraka taminy. (Marka 10:13-16) Tsy
nanavakavaka i Jesosy. Halany ny tsolotra sy ny tsy rariny.
(Matio 21:12, 13) Nanome voninahitra ny vehivavy izy, na
dia tsy nohajaina sy tsy nanan-jo firy aza izy ireny tamin’
izany. (Jaona 4:9, 27) Tena nanetry tena koa i Jesosy. Nana-
sa ny tongotry ny apostoliny izy, indray mandeha, na dia
ny mpanompo aza matetika no nanao an’izany.
19 Niahy izay hahasoa ny hafa foana i Jesosy. Ahoana no

ahalalantsika izany? Nampiasa ny fanahy masin’Andria-


manitra izy ka nanao fahagagana mba hanasitranana ny
marary. (Matio 14:14) Tonga tany aminy, indray mandeha,
ny lehilahy iray boka, ka niteny hoe: “Raha mba sitrakao
fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Tsa-
pan’i Jesosy fa nanaintaina sy nijaly ilay lehilahy. Nango-
18. Inona ny toetran’i Jesosy tianao indrindra?
19. Hazavao amin’ny ohatra fa niahy izay hahasoa ny hafa i Jesosy.
45

`
raka ary izy ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy. Hoy
izy: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Sitrana ilay boka. (Ma-
rka 1:40-42) Alao sary an-tsaina ange ny hafalian’io lehila-
hy io tamin’izay e!
TSY NIVADIKA MANDRA-PAHAFATINY
`
20 Tena fakan-tahaka i Jesosy satria nankato an’Andriama-
nitra foana. Tsy nivadika tamin’ilay Rainy any an-danitra
mihitsy izy na inona na inona zavatra nitranga taminy, ary
na inona na inona fanoherana sy fijaliana nanjo azy. Henti-
tra i Jesosy ka nahavita nanda ny fakam-panahy rehetra na-
taon’i Satana. (Matio 4:1-11) Nisy fotoana tsy nino azy ny
havany, ary niteny mihitsy aza hoe: “Voa ny sainy.” (Marka
3:21) Tsy nampiova hevitra an’i Jesosy anefa izany, fa natao-
ny foana ny asan’Andriamanitra. Nambanin’ny olona sy
nampijaliny i Jesosy nefa tsy namaly. Tsy nitady hanisy ra-
tsy ny mpanohitra azy mihitsy izy.—1 Petera 2:21-23.
20, 21. Porofoy fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy i Jesosy.
46 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, na dia na-


21

mpijalijalin’ny fahavalony aza. (Vakio ny Filipianina 2:8.)


Eritrereto ange ny zavatra niaretany, tamin’ilay andro na-
hafatesany e! Nosamborina izy, nampangain’ny vavolo-
mbelona nandainga, nomelohin’ny mpitsara niangatra,
nihomehezan’ny olona, ary nampijalijalin’ny miaramila.
Nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana izy, ary rehefa
hiala aina dia niteny hoe: “Vita!” (Jaona 19:30) Natsa-
ngan’ilay Rainy tamin’ny maty anefa izy, rehefa afaka telo
andro, ka lasa fanahy indray. (1 Petera 3:18) Niverina
`
tany an-danitra izy, herinandro vitsivitsy taty aoriana. “Ni-
petraka teo ankavanan’Andriamanitra izy”, ary niandry
ny fotoana hanendrena azy ho Mpanjaka.—Hebreo 10:
12, 13.
22 Inona ny soa azontsika noho i Jesosy tsy nivadika mi-

hitsy ary maty ho antsika? Lasa afaka ny hiaina mandraki-


zay ao amin’ny tany paradisa isika, araka ilay fikasan’i Je-
hovah tamin’ny voalohany. Hodinihintsika ao amin’ny
toko manaraka izany.
22. Inona ny soa azontsika noho i Jesosy tsy nivadika mandra-paha-
fatiny?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Ny faminaniana tanteraka sy ny teny nola-
zain’Andriamanitra dia samy manaporofo fa
i Jesosy no Mesia, na Kristy.—Matio 16:16.
ˇ Anjely tany an-danitra i Jesosy, ela be
`
talohan’ny nahatongavany tety an-tany.
—Jaona 3:13.
ˇ Mpampianatra i Jesosy, be fitiavana, ary tena
`
fakan-tahaka satria nankato an’Andriamani-
tra foana.—Matio 9:35, 36.
TOKO FAHA-5

Ny Vidim-panavotana no
Fanomezana Tsara Indrindra
Inona no atao hoe vidim-panavotana?
Ahoana no nanomezana azy io?
Inona ny soa azonao avy amin’izy io?
Ahoana no ampisehoanao fa
mankasitraka azy io ianao?
INONA ny fanomezana tsara indrindra azonao hatramin’
izay? Tsy voatery hoe lafo be ny fanomezana iray vao sa-
robidy. Tsy ny vola lany tamin’ilay izy loatra mantsy no
amaritana an’izany. Sarobidy aminao kosa ilay izy, raha
mahasambatra anao, na tena ilainao.
2 Betsaka angamba ny fanomezana irinao, nefa misy

anankiray tena miavaka amin’ny fanomezana rehetra.


Andriamanitra no nanome an’ilay izy. Efa be dia be ny za-
vatra nomen’i Jehovah antsika, fa ny sorom-panavotan’i
Jesosy Kristy Zanany no tsara indrindra. (Vakio ny Matio
20:28.) Ho hitantsika ato fa natao hahasambatra anao ny
vidim-panavotana, sady tena ilainao. Io no fomba lehibe
indrindra nampisehoan’i Jehovah hoe tia anao izy. Izy io
`
ary no fanomezana sarobidy indrindra nomena anao.
INONA NO ATAO HOE VIDIM-PANAVOTANA?
3 Ny vidim-panavotana dia ny fomba anafahan’i
1, 2. a) Fanomezana manao ahoana no sarobidy aminao? b) Nahoa-
na ny vidim-panavotana no fanomezana sarobidy indrindra nomena
anao?
3. Inona no atao hoe vidim-panavotana, ary inona aloha no tokony
ho fantatsika mba ho azontsika fa tena sarobidy izy io?
48 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Jehovah ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesa-


na. (Efesianina 1:7) Mila mitadidy an’izay nitranga tao
amin’ny zaridainan’i Edena isika, mba hahazoantsika
tsara an’izany. Tokony ho fantatsika aloha hoe inona no
nafoin’i Adama tamin’izy nanota, mba ho azontsika fa
tena sarobidy ny vidim-panavotana.
4 Nomen’i Jehovah zavatra sarobidy be i Adama rehefa

noforoniny, dia ny aina lavorary. Nahoana izany no saro-


bidy? Lavorary ny vatany sy ny sainy, ka tsy narary mihi-
tsy izy, sady tsy nihantitra na maty. Nanana fifandraisana
manokana tamin’i Jehovah koa izy. Milaza ny Baiboly fa
“zanak’Andriamanitra” izy. (Lioka 3:38) Nifandray akaiky
`
tamin’i Jehovah Andriamanitra ary i Adama, hoatran’ny
ankizy mifandray amin’ny rainy be fitiavana. Niresaka ta-
min’i Adama i Jehovah, ary nanome azy asa tsara. Na-
mpahafantarin’i Jehovah azy koa ny zavatra notakiny.
—Genesisy 1:28-30; 2:16, 17.
5 Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” i Ada-

ma. (Genesisy 1:27) Tsy hoe nitovy bika aman’endrika ta-


min’Andriamanitra akory izy. Efa hitantsika mantsy fa
Fanahy tsy hita maso i Jehovah. (Jaona 4:24) Tsy mana-
`
na vatana nofo aman-dra ary izy. Ilay hoe noforonina ara-
ka ny endrik’Andriamanitra kosa, dia midika fa nataony
nitovy toetra taminy i Adama. Ohatra hoe nataony nana-
na fitiavana sy fahendrena izy, ary nataony tia rariny sy
nanana hery. Nisy zavatra nampitovy an’i Adama tamin’
ilay Rainy koa. Nanana safidy malalaka izy. Tsy hoatran’
ny fitaovana noforonina hanao zavatra iray fotsiny i Ada-
ma, ka hoe tsy mahay afa-tsy izany. Afaka nanapa-kevitra
irery kosa izy hoe hanao ny tsara sa hanao ny ratsy. Ho
niaina mandrakizay tao amin’ilay Paradisa teto an-tany
`
izy, raha nifidy ny hankato an’Andriamanitra.
4. Nahoana no sarobidy ny aina lavorary nomena an’i Adama?
5. Inona ny dikan’ny hoe noforonina “araka ny endrik’Andriamani-
tra” i Adama?
Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra 49
`
6 Nizaka ny vokany mangidy ary i Adama rehefa tsy
`
nankato, satria voaozona ho faty. Namoy ny ainy lavora-
ry sy ny zavatra tsara rehetra nananany izy, rehefa nano-
ta. (Genesisy 3:17-19) Mampalahelo fa tsy afaka nanana
aina lavorary koa ny taranany. Hoy ny Baiboly: “Tahaka
ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho
amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’
ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fa-
hafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Roma-
`
nina 5:12) Nandova ota tamin’i Adama ary isika rehetra.
Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza fa ‘namidiny’ ho
andevon’ny ota sy ny fahafatesana ny tenany sy ny tara-
nany. (Romanina 7:14) Tsy avotra intsony i Adama sy
Eva, satria fanahy inian’izy ireo mihitsy ny tsy nanka-
`
to an’Andriamanitra. Ahoana kosa ny amintsika tara-
nany?
7 Nanome ny vidim-panavotana i Jehovah mba hamo-

njena ny olona. Misy heviny roa ny hoe vidim-panavota-


na. Voalohany, vola na zavatra aloa mba hanafahana
olona, na hividianana zavatra efa anao ihany taloha.
Ohatra hoe nisy naka an-keriny ny zaza iray, dia misy
vola aloa mba hanafahana azy. Faharoa, atao hoe vidim-
panavotana koa ao amin’ny Baiboly ny vola na zavatra
atao onitra. Raha nisy, ohatra, nanimba entana na na-
ndratra olona, dia tsy maintsy mandoa onitra mifanda-
nja tsara amin’ny vidin’ilay zavatra nosimbany na izay
ratra nataony izy.
8 Ahoana no hanonerana ny zavatra ratsy nataon’i

Adama, sady hanafahana antsika amin’ny ota sy ny faha-


fatesana? Andeha isika handinika ny vidim-panavotana
nomen’i Jehovah, sy ny soa ho azonao amin’izy io.
`
6. Inona no nafoin’i Adama rehefa tsy nankato an’Andriamanitra izy,
ary inona ny vokatr’izany tamin’ny taranany?
7, 8. Inona avy ny dikan’ilay teny hoe vidim-panavotana?
50 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

AHOANA NO NANOMEZAN’I JEHOVAH


NY VIDIM-PANAVOTANA?
9 Aina lavorary no nafoy, ka tsy afaka manavotra an’

izany ny ain’olona tsy lavorary. (Salamo 49:7, 8) Tsy mai-


ntsy nitovy tamin’ny zavatra nafoy ilay vidim-panavota-
na. Mifanaraka amin’izao toro lalana momba ny rari-
ny izao izany: “Aina ho solon’ny aina.” (Deoteronomia
`
19:21) Inona ary no afaka manonitra an’ilay aina lavora-
ry nafoin’i Adama? Ain’olona lavorary ihany no “vidim-
panavotana mifandanja” amin’izany.—1 Timoty 2:6.
10 Ahoana no nanomezan’i Jehovah an’ilay vidim-pa-
`
navotana? Nalefany tety an-tany ny iray tamin’ireo zana-
ny lavorary tany an-danitra. Tsy hoe nifidy anjely iray fo-
tsiny anefa izy, fa ny Zanany lahitokana mihitsy no
nirahiny, dia ilay tiany indrindra. (Vakio ny 1 Jaona 4:
9, 10.) Nanaiky handao ny fonenany tany an-danitra
io Zanany io. (Filipianina 2:7) Hitantsika tao amin’ilay
toko teo aloha fa nanao fahagagana i Jehovah, rehefa na-
mindra ny ain’io Zanany io tao an-kibon’i Maria. Lavo-
`
rary ary i Jesosy rehefa teraka fa tsy mpanota, satria nia-
ro azy ny fanahy masin’Andriamanitra.—Lioka 1:35.
11 Lehilahy iray ve anefa dia hahavita hanavotra olona

an-tapitrisany? Tadidio fa olona iray koa no nahatonga


ny olona an-tapitrisany ho lasa mpanota. Tsy lavorary
intsony mantsy i Adama rehefa nanota, ka tsy afaka na-
mindra aina lavorary tamin’ny taranany. Ota sy fahafa-
tesana ihany no azony nafindra tamin’izy ireo. Tsy nano-
ta sady nanana aina lavorary kosa i Jesosy, ilay antsoin’
ny Baiboly hoe “Adama farany.” (1 Korintianina 15:45)
Toy ny hoe nisolo an’i Adama izy mba hanavotana antsi-
9. Inona no afaka manonitra ny aina lavorary nafoin’i Adama?
10. Ahoana no nanomezan’i Jehovah an’ilay vidim-panavotana?
11. Ahoana no ahavitan’ny lehilahy iray manavotra olona an-tapitri-
sany?
Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra 51

ka. Nanonitra ny fahotan’i Adama izy rehefa nanao so-


`
rona ny ainy sy nankato tanteraka an’Andriamanitra.
`
Noho i Jesosy ary, dia lasa nanana fanantenana indray
ny taranak’i Adama.—Romanina 5:19; 1 Korintianina 15:
21, 22.
12 Tantarain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany ny fija-

lian’i Jesosy talohan’ny nahafatesany. Nokaravasina izy,


nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana, ary nanaintai-
na be vao maty. (Jaona 19:1, 16-18, 30; Fanazavana Fana-
mpiny, pejy 204-206) Nahoana i Jesosy no tsy maintsy
nijaly be hoatr’izany? Satria niampanga ny olona mano-
mpo an’i Jehovah i Satana hoe hivadika daholo, hono,
izy ireo rehefa iharan’ny fitsapana. Mbola hianarantsika
kokoa izany any aoriana. Tsy nivadika anefa i Jesosy na
dia nijaly be aza. Iny no porofo lehibe indrindra fa lai-
nga ny tenin’i Satana. Nasehon’i Jesosy fa mahavita tsy
mivadika amin’Andriamanitra ny olona lavorary sy ma-
nana safidy malalaka, na inona na inona ataon’ny Devo-
ly. Azo antoka fa faly be i Jehovah rehefa tsy nivadika ilay
Zanany tena tiany.—Ohabolana 27:11.
13 Ahoana no nandoavana ny vidim-panavotana? Na-

velan’i Jehovah hovonoina ilay Zanany lavorary tamin’


ny 14 Nisana, volana jiosy, taona 33. Nanao sorona ny
ainy lavorary “indray mandeha monja” i Jesosy tamin’
izay. (Hebreo 10:10) Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty
anefa izy, rehefa afaka telo andro, ary lasa fanahy indray.
Rehefa tonga tany an-danitra izy, dia naloany tamin’
Andriamanitra ny vidim-panavotana, izany hoe ny vi-
din’ilay aina lavorary nataony sorona. (Hebreo 9:24) Ne-
ken’i Jehovah izany mba hanafahana ny olona amin’ny
ota sy ny fahafatesana.—Vakio ny Romanina 3:23, 24.
12. Inona no voaporofo rehefa tsy nivadika i Jesosy na dia nijaly be
aza?
13. Ahoana no nandoavana an’ilay vidim-panavotana?
Nanome ny Zanany
lahitokana mba ho
vidim-panavotana
antsika i Jehovah
Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra 53

INONA NY SOA AZONAO AVY


AMIN’NY VIDIM-PANAVOTANA?
14 Na mpanota aza isika, dia afaka mahazo fitahiana

faran’izay tsara dieny izao sy amin’ny hoavy, noho


ny vidim-panavotana. Hojerentsika ny sasany amin’
izany.
15 Famelan-keloka. Mpanota isika, ka mila miady

mafy vao mahavita manao ny tsara. Manota daholo


isika, na amin’ny teny, na amin’ny atao. Soa ihany
fa nisy an’ilay sorom-panavotana nataon’i Jesosy, ka
afaka mahazo ‘famelan-keloka’ isika. (Kolosianina 1:
13, 14) Tsy ho voavela anefa ny helotsika, raha tsy tena
mibebaka isika. Mila manetry tena koa isika, ka mita-
laho mafy amin’i Jehovah mba hamelany ny helotsi-
ka, sady mino an’ilay sorom-panavotana nataon’ny
Zanany.—Vakio ny 1 Jaona 1:8, 9.
16 Feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriama-

nitra. Mora mamoy fo ny olona rehefa enjehin’ny eritre-


riny, ary lasa mihevi-tena ho tsy misy vidiny. Tsara fana-
hy anefa i Jehovah, ka mamela ny helotsika, noho ny
vidim-panavotana. Afaka manana feon’ny fieritreretana
`
madio ary isika rehefa manompo azy, na dia tsy lavora-
ry aza. (Hebreo 9:13, 14) Lasa tsy misalasala miresa-
ka amin’i Jehovah isika vokatr’izany, ka sahy mivava-
ka aminy. (Hebreo 4:14-16) Miadan-tsaina sy mahatsiaro
ho misy vidiny ary sambatra isika, rehefa madio ny feon’
ny fieritreretantsika.
17 Fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto

an-tany. Hoy ny Romanina 6:23: “Fahafatesana no


14, 15. Inona no tsy maintsy ataontsika, mba hahazoana ‘famelan-
keloka’?
16. Nahoana isika no afaka manana feon’ny fieritreretana madio re-
hefa manompo an’Andriamanitra, ary nahoana izany no sarobidy?
17. Inona ny fitahiana ho azontsika, noho i Jesosy maty ho antsika?
Mankasitraka ny
vidim-panavotana
ianao raha miezaka
hahafantatra tsara
kokoa an’i Jehovah

tambin’ny ota.” Lazainy ao koa anefa hoe ‘fiainana ma-


ndrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika no
fanomezana omen’Andriamanitra.’ Be dia be ny fitahia-
na ho azontsika rehefa ho paradisa ny tany, araka ny efa
hitantsika tao amin’ny Toko faha-3. Ho salama tsara sy
hiaina mandrakizay, ohatra, isika amin’izay. (Apokaly-
psy 21:3, 4) Ho azontsika ireo fitahiana rehetra ireo
amin’ny hoavy, satria maty ho antsika i Jesosy. Mila ma-
nkasitraka ny vidim-panavotana anefa isika raha te ha-
hazo an’izany.
ANKASITRAHO NY VIDIM-PANAVOTANA
18 Nahoana isika no tena tokony hankasitraka ny vi-
dim-panavotana nomen’i Jehovah? Sarobidy kokoa ny
fanomezana iray raha nahafoy fotoana na vola ilay nano-
me azy, na nanao ezaka be. Fantatsika hoe tena tia antsi-
ka izy matoa nanao an’izany, ka tena manohina ny fo-
ntsika ilay izy. Ny vidim-panavotana no fanomezana
sarobidy indrindra, satria nahafoy zavatra tena lehibe
Andriamanitra mba hanomezana azy io. Hoy ny Jaona
3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao
18. Nahoana isika no tena tokony hankasitraka ny vidim-panavotana
nomen’i Jehovah?
Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra 55

tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana.” Ny vi-


dim-panavotana no porofo lehibe indrindra fa tia antsi-
ka i Jehovah. Tia antsika koa i Jesosy matoa nahafoy ny
ainy ho antsika. (Vakio ny Jaona 15:13.) Tokony hiaiky
`
ary isika fa tia antsika tsirairay i Jehovah sy ny Zanany.
—Galatianina 2:20.
`
19 Ahoana ary no ampisehoanao fa ankasitrahanao ny
vidim-panavotana? Miezaha aloha hahafantatra tsara
an’i Jehovah, ilay nanome azy io. (Jaona 17:3) Hahavita
an’izany ianao rehefa mianatra Baiboly amin’ity boky
ity. Vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah, arakaraka ny
ahafantaranao tsara azy. Rehefa tia azy ianao, dia te ha-
mpifaly azy.—1 Jaona 5:3.
20 Asehoy fa mino ny sorom-panavotan’i Jesosy ianao.

Hoy ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia


manana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:36) Ahoana no
ampisehoantsika fa mino an’i Jesosy isika? Tsy ampy ny
miteny fotsiny hoe mino azy. Milaza mantsy ny Jakoba
2:26 fa ‘maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’
Midika izany fa ny zavatra ‘ataontsika’ no ahitana hoe
manam-pinoana isika. Asehontsika, ohatra, fa mino an’
i Jesosy isika rehefa manahaka azy araka izay vitantsika,
amin’ny tenintsika sy ataontsika.—Jaona 13:15.
21 Tongava manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo fa-

nao isan-taona. Nisy zava-dehibe natombok’i Jesosy ny


harivan’ny 14 Nisana taona 33, dia ilay antsoin’ny Bai-
boly hoe “sakafo harivan’ny Tompo.” (1 Korintianina
11:20; Matio 26:26-28) Antsoina koa hoe Fahatsiarovana
ny nahafatesan’i Kristy izy io. Nasain’i Jesosy nahatsiaro
ny nahafatesany ny apostoliny sy ny tena Kristianina
19, 20. Ahoana no ampisehoanao fa ankasitrahanao ny vidim-pana-
votana?
21, 22. a) Nahoana isika no tokony hanatrika ny Sakafo Harivan’ny
Tompo? b) Inona no hazavain’ny Toko faha-6 sy faha-7?
56 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

rehetra, satria tiany hotadidin’izy ireo fa namoy ny ainy


lavorary ho vidim-panavotana izy. Nandidy ny mpiana-
ny izy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”
(Lioka 22:19) Isaky ny manatrika Fahatsiarovana isika,
dia mahatsiaro foana hoe tena tia antsika i Jehovah sy Je-
sosy matoa nanome ny vidim-panavotana. Tokony hana-
trika azy io isan-taona isika raha tena mankasitraka ny
vidim-panavotana.1
`
22 Tena sarobidy tokoa ary ny vidim-panavotana no-
men’i Jehovah. (2 Korintianina 9:14, 15) Na ny maty aza
afaka mandray soa avy amin’izy io. Manazava an’izany
ny Toko faha-6 sy faha-7.
1 Mbola manazava ny dikan’ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Fana-
zavana Fanampiny, pejy 206-208.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Ny vidim-panavotana no fomba anafahan’i
Jehovah ny olombelona amin’ny ota sy ny
fahafatesana.—Efesianina 1:7.
ˇ Nanome ny vidim-panavotana i Jehovah,
`
rehefa naniraka ny Zanany lahitokana tety
an-tany, mba ho faty ho antsika.—1 Jaona
4:9, 10.
ˇ Afaka mahazo famelan-keloka isika noho
ny vidim-panavotana, sady manana feon’ny
fieritreretana madio, ary afaka ny hiaina
mandrakizay.—1 Jaona 1:8, 9.
ˇ Mankasitraka ny vidim-panavotana isika,
raha miezaka hahafantatra tsara an’i
Jehovah, sy mampiseho hoe mino ny
sorom-panavotan’i Jesosy, ary manatrika
ny Sakafo Harivan’ny Tompo.—Jaona 3:16.
TOKO FAHA-6

Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?


Manao ahoana isika rehefa maty?
Nahoana isika no maty?
Hampahery anao ve ny hahalala
ny marina momba ny maty?

EFA ela ny olona no nieritreritra an’ireo fanontaniana lehi-


be ireo. Tena tokony ho fantatsika rehetra ny valin’ireo, na
iza isika na iza, ary na aiza na aiza misy antsika.
2 Nianarantsika tao amin’ilay toko teo aloha hoe nahoana

ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no hahazoana fiainana


mandrakizay. Hitantsika koa fa efa nilaza ny Baiboly hoe
“tsy hisy fahafatesana intsony” amin’ny hoavy. (Apokalypsy
21:4) Mbola mety ho faty daholo anefa isika amin’izao. Hoy
i Solomona Mpanjaka: “Fantatry ny velona fa ho faty izy.”
(Mpitoriteny 9:5) Miezaka mba ho ela velona araka izay azo
atao isika. Tiantsika ho fantatra ihany anefa hoe inona no
mitranga amintsika rehefa maty isika.
3 Malahelo be isika rehefa misy havantsika maty. Mety hie-

ritreritra isika hoe: ‘Mba lasa aiza izy ireny? Mijaly ve izy? Mi-
tahy antsika ve izy? Mbola hahita azy ve isika indray andro
any?’ Samy manana ny heviny momba an’izany ny fivavaha-
na. Ny sasany mampianatra fa raha manao ny tsara, hono, ia-
nao dia mankany an-danitra, fa raha manao ny ratsy kosa dia
ampijalijalina any amin’ny afobe. Misy koa milaza fa manka-
ny amin’ny razany any ankoatra ny maty. Ny sasany indray
mampianatra hoe misy toerana hafa alehan’ny maty ka any
izy no miandry fitsarana, ary homena vatana vaovao avy eo.
1-3. Inona ny fanontaniana apetraky ny olona momba ny maty, ary
inona avy no lazain’ny fivavahana momba izany?
58 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Ity hevitra ity no itovizan’ireo fampianarana rehetra ireo:


4

Misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olombelona, ary mi-


saraka amin’ny vatana izy io rehefa maty izy. Saika ny fiva-
vahana rehetra hatramin’izay no milaza fa velona mandraki-
zay isika, sady afaka mahita sy mandre ary mieritreritra
foana. Tsy mitombina izany satria tsy miasa intsony ny ati-
doha rehefa maty isika. Ny atidoha anefa no mibaiko ny
maso sy ny sofina ary ny eritreritra. Tsy afaka mitadidy, na
manana fihetseham-po, na mahita, na mandre, na mahatsa-
`
pa zavatra intsony ary isika rehefa potika ny atidohantsika.
MANAO AHOANA MARINA NY MATY?
Fantatr’i Jehovah tsara izay mitranga amintsika rehefa
5

maty isika. Izy mantsy no namorona ny atidoha, ary haza-


vainy ao amin’ny Baiboly hoe manao ahoana ny maty. La-
zainy tsara ao hoe: Tsy misy intsony ny olona rehefa maty. Mi-
fanohitra amin’ny fiainana ny fahafatesana. Tsy mahita, na
mandre, na mieritreritra ny maty. Tsy misy zavatra tsy mety
maty ao amintsika. Tsy manana fanahy tsy mety maty isi-
ka.1
6 Rehefa avy nilaza i Solomona fa fantatry ny velona hoe

ho faty izy, dia hoy izy: “Ny maty kosa tsy mahalala na ino-
na na inona.” Nanazava izy avy eo fa tsy afaka mitia na ma-
nkahala ny maty, ary “tsy misy asa na eritreritra na fa-
halalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.” (Vakio ny
Mpitoriteny 9:5, 6, 10.) Milaza koa ny Salamo 146:4 fa rehe-
`
fa maty ny olona, dia “foana ny eritreriny.” Rehefa maty ary
isika, dia maty tanteraka. Hoatran’ny afon-dabozia ny aintsi-
ka. Tsy mandeha na aiza na aiza ilay afo rehefa maty, fa tsy
misy intsony fotsiny.
1 Manazava ny teny hoe “fanahy” ny Fanazavana Fanampiny, pejy
208-211.

4. Inona ny hevitra itovizan’ny fivavahana maro momba ny fahafa-


tesana?
5, 6. Araka ny Baiboly, manao ahoana ny olona rehefa maty?
Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?

IZAY NOLAZAIN’I JESOSY


MOMBA NY FAHAFATESANA
7 Nohazavain’i Jesosy Kristy hoe manao

ahoana ny maty. Rehefa maty, ohatra, i


Lazarosy dia hoy izy tamin’ny mpianany:
“Matory i Lazarosy namantsika.” Tsy azon’
ny mpianany ny tiany holazaina. Nihevitra
izy ireo hoe narary i Lazarosy ka natory. Na-
`
nazava ary i Jesosy hoe: “Maty i Lazarosy.”
(Vakio ny Jaona 11:11-14.) Nampitahain’i
Jesosy tamin’ny torimaso ny fahafatesana.
Sady tsy tany an-danitra i Lazarosy no tsy
tany amin’ny afobe. Tsy niaraka tamin’ny
anjely na ny razana koa izy, ary tsy nomena
vatana vaovao. Maty izy, toy ny hoe olona
matory tsy mahatsiaro tena sady tsy ma- Nankaiza
nonofy. Misy andinin-teny hafa koa ma- ilay lelafo?
mpitaha ny fahafatesana amin’ny torimaso.
Rehefa nanangana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty,
ohatra, i Jesosy dia nilaza hoe: “Tsy maty izy fa matory.” (Lio-
ka 8:52, 53) Nilaza koa i Davida fa “renoky ny torimasom-
pahafatesana” ny maty.—Salamo 13:3.
8 Efa nataon’Andriamanitra ho faty mihitsy ve ny olona?

Tsia! Noforoniny hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo.


Efa nianarantsika fa napetrany tao amin’ny zaridaina tsara
tarehy ny mpivady voalohany. Nataony salama tsara izy ireo,
ary zavatra tsara ihany no tiany ho azy ireo. Mazava ho azy
fa tsy tian’ny ray aman-dreny hihantitra sy ho faty ny zana-
ny. Tian’i Jehovah koa ny zanany, ary tiany ho sambatra ma-
ndrakizay eto an-tany. Milaza ny Baiboly fa efa nataon’
i Jehovah “tao am-pon’ny olombelona” ny mandrakizay.
(Mpitoriteny 3:11) Midika izany fa te ho velona mandrakizay
7. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny inona ny fahafatesana?
8. Inona no manaporofo fa tsy nataon’Andriamanitra ho faty mihi-
tsy isika?
60 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

isika, satria efa izay no namoronany antsika. Nanao zavatra


izy mba hanatanterahana an’izany faniriantsika izany.
NAHOANA NY OLONA NO MATY?
`
Nahoana ary ny olona no maty? Tsy maintsy jerentsika
9

aloha izay nitranga teto an-tany, tamin’ny andron’i Adama


9. Inona ny zavatra tsy navelan’i Jehovah nataon’i Adama, ary nahoa-
`
na no tsy sarotra ny nankato an’izany?

Noforonin’i Jehovah mba ho velona


mandrakizay eto an-tany ny olona
Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny? 61

sy Eva. Hoy ny Baiboly: “Nampanirin’i Jehovah Andriama-


nitra tamin’ny tany ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso
sady mahate hihinana.” (Genesisy 2:9) Nisy zavatra iray tsy
navelan’i Jehovah natao anefa. Hoy izy tamin’i Adama: “Afa-
ka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo
amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny
hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihina-
nanao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:16, 17) Tsy
`
sarotra ny nankato an’io didy io. Be dia be mantsy ny voa-
`
nkazo azon’i Adama sy Eva nohanina. Raha nankato izy ireo,
dia hita hoe nankasitraka an’i Jehovah noho ny zavatra tsa-
ra rehetra nomena azy, anisan’izany ny aina lavorary. Hita
tamin’izany koa hoe nanaja ny fahefan’ilay Rainy any an-da-
nitra izy ireo, sady te hahazo ny tari-dalany.
10 Indrisy anefa fa nifidy ny tsy hankato` an’i Jehovah izy

mivady. Nampiasa menarana i Satana mba hanontaniana


an’i Eva hoe: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andria-
manitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo re-
hetra ato amin’ny zaridaina?” Dia hoy i Eva: “Mahazo mihi-
nana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay. Fa hoy
kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo
afovoan’ny zaridaina: ‘Aza ihinananareo io, ary aza kasihina-
reo mba tsy ho faty ianareo.’ ”—Genesisy 3:1-3.
11 Hoy i Satana: “Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’

Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia


hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ia-
nareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:4, 5) Tian’
i Satana hino i Eva hoe hahasoa azy ny mihinana an’ilay
voankazo. Te hilaza i Satana hoe manana zo hanao izay tia-
ny i Eva, ka afaka manapa-kevitra irery hoe inona no tsara
ary inona no ratsy. Nolazain’i Satana fa nandainga koa i Je-
hovah rehefa nilaza hoe mahafaty ny mihinana an’ilay
`
10, 11. a) Inona no nahatonga an’i Adama sy Eva tsy hankato an’
Andriamanitra? b) Nahoana no fahotana lehibe ny nataon’izy mi-
vady?
62 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

voankazo. Nino an’i Satana i Eva. Naka tamin’ilay voankazo


`
ary izy ka nihinana. Nomeny koa ny vadiny avy eo, dia ni-
hinana. Fantatr’izy mivady tsara izay nataony. Fantany fa
izay nolazain’Andriamanitra hoe aza atao mihitsy no natao-
`
ny. Nazava be ilay didy ary tsy sarotra ny nankato azy. Tena
` `
nanao fanahy iniana tsy nankato ary izy mivady, rehefa ni-
hinana an’ilay voankazo. Nanao tsinontsinona an’ilay Rai-
ny any an-danitra sy ny fahefany izy ireo, ka tsy afa-tsiny mi-
hitsy.
12 Inona, ohatra, no tsapanao raha tsy mankato` anao ny

zanakao, ka sady tsy manaja anao izy no tsy tia anao? Azo
12. Inona ny ohatra manampy antsika hahatakatra an’izay tsapan’i
`
Jehovah, rehefa tsy nankato azy i Adama sy Eva?
Vovoka no namoronana
an’i Adama, ary niverina
ho amin’ny vovoka izy
Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny? 63

antoka fa halahelo be ianao. Ianao mantsy no nitaiza sy ni-


`
karakara azy. Alao sary an-tsaina ary hoe inona no tsapan’i
`
Jehovah rehefa samy tsy nankato azy i Adama sy Eva.
13 Tsy misy antony tokony hamelan’i Jehovah an’i Adama
`
sy Eva ho velona mandrakizay, rehefa tsy nankato izy ireo.
Maty izy ireo, araka ny efa nolazainy. Lasa tsy nisy intsony i
Adama sy Eva, fa tsy hoe nankany ankoatra. Ahoana no aha-
lalantsika an’izany? Satria hoy i Jehovah tamin’i Adama re-
`
hefa tsy nankato izy: ‘Hiverina amin’ny tany ianao, fa avy
tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiveri-
na ho vovoka indray ianao.’ (Genesisy 3:19) Vovoka no
namoronan’Andriamanitra an’i Adama. (Genesisy 2:7) Tsy
`
nisy izy talohan’ny namoronana azy. Rehefa nilaza ary i Je-
hovah hoe hiverina amin’ny vovoka i Adama, dia midika
izany hoe tsy hisy intsony indray izy. Tsy hanana aina toy
ilay vovoka namoronana azy i Adama.
14 Mbola tokony ho velona hatramin’izao i Adama sy Eva,

raha tsy nanota. Maty anefa izy ireo, satria nifidy ny tsy ha-
`
nkato an’Andriamanitra. Maty koa isika, satria namindra ota
sy fahafatesana tamintsika taranany rehetra i Adama. (Vakio
ny Romanina 5:12.) Hoatran’ny aretina manaranaka ny ota,
ka tsy misy afa-miala aminy. Fahafatesana foana no vokany.
Fahavalo ny fahafatesana, fa tsy namana. (1 Korintianina
15:26) Soa ihany i Jehovah fa nanome vidim-panavota-
na, mba hamonjena antsika amin’io fahavalo mahatsiravi-
na io!
MAHASOA NY MAHALALA NY
MARINA MOMBA NY MATY
15 Tena mampahery ny mahalala izay ampianarin’ny

Baiboly momba ny maty. Hitantsika mantsy fa tsy mijaly


13. Inona no nolazain’i Jehovah fa hitranga amin’i Adama rehefa ho
faty izy, ary inona ny dikan’izany?
14. Nahoana isika no maty?
15. Nahoana no mampahery ny mahalala ny marina momba ny
maty?
64 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

na malahelo ny maty. Tsy misy antony atahorana azy


ireny koa, satria tsy afaka manisy ratsy antsika izy. Tsy
mila ampiana izy, sady tsy afaka manampy antsika. Tsy
afaka miresaka aminy isika, ary izy koa tsy afaka miresaka
amintsika. Maro anefa ny mpitondra fivavahana milaza fa
afaka manampy an’ireny olona maty ireny, hono, izy ireo.
Mino azy ireo ny olona ka manome vola azy. Isika anefa
izao mahalala ny marina momba ny maty, ka tsy voafitak’
ireny mpampianatra lainga ireny.
16 Mitovy amin’izay ampianarin’ny Baiboly ve ny zava-

tra ampianarin’ny fivavahanao momba ny maty? Mifano-


hitra amin’izany ny zavatra ampianarin’ny ankamaroan’
ny fivavahana. Nahoana? Satria misy hevi-diso avy amin’
i Satana ny zavatra ampianarin’izy ireny. Mampiasa ny
fivavahan-diso izy, mba hahatonga ny olona hino hoe
mbola velona any ankoatra ny maty. Lainga izany, ary
mbola mampianatra lainga hafa koa izy, amin’izay ny olo-
na tsy mifandray amin’Andriamanitra. Nahoana isika no
milaza izany?
17 Efa hitantsika fa misy fivavahana mampianatra hoe

hampijalijalina mandrakizay any amin’ny afobe izay ma-


nao ratsy. Manala baraka an’Andriamanitra izany fampia-
narana izany. Andriamanitra fitiavana mantsy i Jehovah,
ka tsy hampijaly olona hoatr’izany mihitsy. (Vakio ny
1 Jaona 4:8.) Ahoana ny fihetseham-ponao raha misy olo-
na mandoro ny tanan’ny zanany mba hanasaziana azy, sa-
tria hoe maditra izy? Hanaja an’izany olona izany ve ia-
nao? Tsy te hahafantatra azy akory angamba ianao. Hilaza
angamba ianao hoe olona tsy mifaditrovana izany. Tian’i
Satana hino anefa isika hoe mampijaly ny olona mandra-
kizay doria ao anaty afo i Jehovah.
16. Hevi-diso avy amin’iza no ampianarin’ny fivavahana maro, ary
inona no ataony?
17. Nahoana no manala baraka an’i Jehovah ilay fampianarana hoe
hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe ny olona ratsy?
Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny? 65

18 Misy fivavahana koa ampiasain’i Satana mba hampiana-


tra hoe lasa fanahy ny olona rehefa maty, ka tsy maintsy ha-
jaina sy omena voninahitra. Mety ho lasa namana, hono, ire-
ny maty ireny, na mety ho lasa fahavalo manangatra. Be dia
be no mino an’izany lainga izany. Lasa matahotra ny maty izy
ireo, ka manome voninahitra azy sy mivavaka aminy. Ny Bai-
boly anefa mampianatra fa matory ny maty, ary i Jehovah iha-
ny no tokony hivavahana, satria izy no tena Andriamanitra sy
Mpamorona ary Mpamelona antsika.—Apokalypsy 4:11.
19 Tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso ianao, raha maha-

lala ny marina momba ny maty. Ho azonao tsara koa ny


fampianaran’ny Baiboly hafa. Raha hainao, ohatra, fa tsy
mankany ankoatra ny maty, dia ho azonao kokoa ilay fampa-
nantenana hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto
an-tany ny olona.
20 Taloha ela be, dia nanontany an’izao ilay lehilahy tsara fa-

nahy atao hoe Joba: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho


velona indray ve izy?” (Joba 14:14) Azo fohazina tokoa ve ny
olona matory ao amin’ny fahafatesana? Ho hitantsika ao
amin’ny toko manaraka fa tena mampahery izay ampianarin’
ny Baiboly momba an’izany.
18. Inona no mahatonga ny olona hivavaka amin’ny maty?
19. Inona ny fampianaran’ny Baiboly ho azontsika, rehefa mahalala
ny marina momba ny maty isika?
20. Inona ny fanontaniana hodinihintsika ao amin’ny toko mana-
raka?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Tsy mahita na mandre na mieritreritra
ny maty.—Mpitoriteny 9:5.
ˇ Matory ny maty, ary tsy mijaly.—Jaona 11:11.
ˇ Maty isika, satria nandova ota avy tamin’i
Adama.—Romanina 5:12.
TOKO FAHA-7

Fanantenana Azo Antoka Momba


An’ireo Havanao Efa Maty
Ahoana no ahafantarantsika
fa tena hitsangana ny maty?
Inona no manaporofo fa tena te
hanangana ny maty i Jehovah?
Iza no hatsangana amin’ny maty?

ERITRERETO hoe mandositra fahavalo masiaka be ianao.


Matanjaka be izy sady mahery mandeha noho ianao. Fanta-
trao hoe tena ratsy fanahy izy, satria efa hitanao namono
ny namanao sasany. Efa mba mandositra araka izay fara he-
rinao ihany ianao, nefa hoatran’ny tsy maintsy ho tratrany
ihany. Tampotampoka eo anefa dia iny misy olona tonga
hanavotra anao. Matanjaka lavitra noho ilay fahavalonao
izy, sady mampanantena hanampy anao. Maivamaivana
`
ery ianao!
2 Azo lazaina hoe enjehin’ny fahavalo toy izany ianao. Isi-

ka rehetra mihitsy no enjehiny. Efa hitantsika fa antsoin’ny


Baiboly hoe fahavalo ny fahafatesana. Tsy misy maharesy
azy isika. Betsaka tamintsika no efa nahita azy io namono
ny havantsika. Matanjaka lavitra noho ny fahafatesana ane-
fa i Jehovah. Izy ilay Mpanavotra tena tia antsika. Efa nopo-
rofoiny fa maharesy ny fahafatesana izy. Mampanantena
koa izy fa hanafoana tanteraka an’io fahavalo io. Hoy ny
Baiboly: “Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo fara-
ny.” (1 Korintianina 15:26) Tena vaovao tsara izany!
1-3. Inona ny fahavalo manenjika antsika rehetra, ary inona no fana-
ntenana omen’ny Baiboly momba izany?
Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty 67

3 Hojerentsika aloha hoe inona ny vokany amintsika re-


hefa misy havantsika maty. Amin’izay mantsy hazava tsara
amintsika ilay fampanantenan’i Jehovah hoe ho velona
indray ny maty. (Isaia 26:19) Afaka manantena isika fa ha-
tsangana amin’ny maty izy ireo.
REHEFA MISY HAVANA MATY
4 Efa nisy havanao maty ve? Nila tsy ho zakanao anga-
mba ny alahelonao sy ny fahorianao tamin’izay. Mila ma-
ndinika ny Tenin’Andriamanitra isika amin’ireny fotoana
ireny, mba hampionona antsika. (Vakio ny 2 Korintianina
1:3, 4.) Ao mantsy no ahalalana ny fihetseham-pon’i Jeho-
vah sy Jesosy rehefa misy maty. Mitovy amin’izay tsapan’i
Jesosy ny zavatra tsapan’i Jehovah, satria nanahaka ny toe-
tran’i Jehovah izy. (Jaona 14:9) Nalahelo be i Jesosy rehefa
maty ny olona akaiky azy, ary manaporofo an’izany ity ta-
ntara ity. Rehefa nankany Jerosalema izy, dia fanaony ny
`
nankany Betania, tanana tsy lavitra teo, mba hitsidika an’i
Lazarosy sy Maria ary Marta, izay mpiray tam-po. Lasa mpi-
namana be izy ireo, satria hoy ny Baiboly: “Tia an’i Marta
sy ny rahavaviny ary Lazarosy i Jesosy.” (Jaona 11:5) Maty
anefa i Lazarosy, araka ny hitantsika tany aloha.
5 Inona no tsapan’i Jesosy rehefa maty ilay namany? Nia-

ra-nalahelo tamin’ny havan’i Lazarosy sy ny namany izy.


Nampihetsi-po be an’i Jesosy ny nahita azy ireo. “Nalahelo
mafy i Jesosy tao am-pony tao sady ory dia ory”, ka ‘niro-
tsaka ny ranomasony.’ (Jaona 11:33, 35) Tsy nidika anefa
izany hoe tsy nanana fanantenana izy. Fantany mantsy fa
hanao fahagagana izy. (Jaona 11:3, 4) Na izany aza, dia tsa-
pany fa tena fahoriana izany hoe misy maty izany.
4. a) Nahoana no manampy antsika hamantatra an’izay tsapan’i Je-
hovah ny zavatra tsapan’i Jesosy rehefa nisy maty? b) Iza no lasa tena
naman’i Jesosy?
5, 6. a) Inona no tsapan’i Jesosy rehefa nahita ny havan’i Lazarosy
sy ny namany nalahelo be? b) Nahoana no mampahery antsika ny
mahalala fa nalahelo i Jesosy?
68 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Mampahery antsika ny mahalala fa nalahelo i Jesosy.


6

Hita amin’izany mantsy fa mankahala ny fahafatesana izy


sy Jehovah Rainy. Mahavita mandresy tanteraka an’io faha-
valo io anefa i Jehovah. Hojerentsika hoe inona no vitan’i
Jesosy, noho ny hery nomen’Andriamanitra azy.
“RY LAZAROSY, MIVOAHA!”
Nalevina tao amin’ny lava-bato iray i Lazarosy, ka nasain’
7

i Jesosy nesorina ny vato nanampenana an’ilay izy. Tsy na-


naiky anefa i Marta, satria efa efatra andro izy no maty, ka
efa nanomboka simba ilay faty. (Jaona 11:39) Hoatran’ny tsy
nisy azo nantenaina intsony tamin’izay.
8 Nesorina ihany ilay vato, ary niantso mafy i Jesosy hoe:

“Ry Lazarosy, mivoaha!” Inona no nitranga? “Nivoaka ilay


lehilahy efa maty.” (Jaona 11:43, 44) Azo antoka fa tena faly
izay nahita an’izany. Samy nahafantatra daholo ny iray tam-
`
po taminy, ny havany, ny namany, ny mpiray tanana tami-
ny hoe efa maty izy. Velona indray anefa izao ilay olona tian’
izy ireo. Hoatran’ny tsy nampino ilay izy. Azo antoka fa be-
tsaka no namihina an’i Lazarosy sady faly. Resy tokoa ny fa-
hafatesana tamin’izay!
9 Tsy nilaza i Jesosy hoe ny heriny no nahavitany an’iny

fahagagana iny. Nivavaka mantsy aloha izy vao niantso an’i


Lazarosy, ka nasehony tsara hoe i Jehovah no tena mananga-
na ny maty. (Vakio ny Jaona 11:41, 42.) Tsy vao tamin’io
i Jehovah no nampiasa ny heriny mba hananganana ny
maty. Olona sivy no tantarain’ny Baiboly hoe efa natsanga-
na tamin’ny maty, ary iray monja amin’izany i Lazarosy.1
1 Hita ato amin’ireto ny tantara hafa: 1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpa-
njaka 4:32-37; 13:20, 21; Matio 28:5-7; Lioka 7:11-17; 8:40-56; ary
Asan’ny Apostoly 9:36-42; 20:7-12.

7, 8. Nahoana no hoatran’ny hoe tsy nisy azo nantenaina intsony ny


amin’i Lazarosy, nefa inona no nataon’i Jesosy?
9, 10. a) Inona ny porofo fa tsy ny herin’i Jesosy no nananganany
an’i Lazarosy? b) Nahoana no mahafinaritra ny mamaky ny tantaran’
ireo olona natsangana tamin’ny maty, ao amin’ny Baiboly?
Natsangan’ny apostoly Petera
tamin’ny maty ilay vehivavy
kristianina atao hoe Dorkasy.
—Asan’ny Apostoly 9:36-42
Natsangan’i Elia tamin’ny
maty ny zanakalahin’ny
mpitondratena iray.
—1 Mpanjaka 17:17-24

Faly be ny olona rehefa


natsangana tamin’ny maty
i Lazarosy.—Jaona 11:38-44
70 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Mahafinaritra be ny mamaky sy mianatra an’ireny tantara


ireny. Hita hoe tsy manavakavaka Andriamanitra, satria efa
natsangany daholo na ankizy na olon-dehibe, na lahy na
vavy, na Israelita na tsy Israelita. Hita koa fa faly be ny ha-
van’ireo olona natsangana. Tamin’i Jesosy nanangana anki-
zivavy kely iray, ohatra, dia “faly tsy nisy hoatr’izany” ny ray
aman-dreniny. (Marka 5:42) Tena tsy hohadinoin’izy ireo
mihitsy iny zavatra nataon’i Jehovah iny.
10 Mbola maty ihany, taty` aoriana, ny olona natsangan’i

Jesosy. Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy dikany ny nana-
nganana azy ireny. Hita amin’ireny mantsy fa tena marina
ny zavatra ampianarin’ny Baiboly momba ny maty, sady ma-
nome fanantenana.
INONA NO IANARANTSIKA AVY
AMIN’IRENY TANTARA IRENY?
11 Milaza ny Baiboly fa “tsy mahalala na inona na inona”

ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Tsy mahatsiaro tena izy ireo, ary


tsy hoe velona any ananonanona any. Manaporofo an’izany
ny tantaran’i Lazarosy. Rehefa velona indray izy, dia tsy nita-
ntara hoe nahafinaritra be ny fiainana tany an-danitra, na
hoe nampijalijaly be ny tany amin’ny afobe. Tsy milaza an’
izany ny Baiboly. ‘Tsy nahalala na inona na inona’ kosa i La-
zarosy, nandritra ny efatra andro nahafatesany. Natory tao
amin’ny fahafatesana fotsiny izy.—Jaona 11:11.
12 Hita amin’ny tantaran’i Lazarosy koa fa tena misy ny

fitsanganan’ny maty, fa tsy hoe angano. Be dia be ny olona


nanatri-maso teo, tamin’izy natsangana. Na ny mpitondra
fivavahana tsy tia an’i Jesosy aza tsy nanda hoe nisy io fa-
hagagana io. Hoy kosa izy ireo momba an’i Jesosy: “Inona
no hataontsika, fa manao famantarana maro iny lehilahy
iny?” (Jaona 11:47) Betsaka ny olona nandeha nijery an’i
11. Nahoana ny tantaran’i Lazarosy no manaporofo fa marina ny voa-
lazan’ny Mpitoriteny 9:5?
12. Nahoana no azontsika antoka fa tena natsangana tamin’ny maty
i Lazarosy?
Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty 71

Lazarosy taorian’izay, ka vao mainka maro no nino an’i Je-


sosy. Rehefa nahita an’i Lazarosy izy ireo, dia niaiky fa ni-
rahin’Andriamanitra tokoa i Jesosy. Tena tsy azo nolavina io
porofo io, ka nitady hamono an’i Jesosy sy Lazarosy mihi-
tsy ny mpitondra fivavahana jiosy sasany.—Jaona 11:53; 12:
9-11.
13 Sarotra inoana ve hoe afaka ny ho velona indray ny olo-

na efa maty? Tsia, satria nilaza i Jesosy fa hatsangana ny olo-


na “rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28) I Jehovah koa no
Mpamorona ny zavamananaina rehetra. Dia tsy ho vitany ve
ny hamorona azy ireo indray? Afaka mitadidy an’ireo hava-
ntsika efa maty izy. Ny kintana tsirairay aza omeny anarana,
nefa an-tapitrisa tapitrisany ny isan’izy ireny. (Isaia 40:26)
`
Tadidin’i Jehovah amin’ny an-tsipiriany ary ny havantsika
efa maty, ary vonona hanangana azy ireo izy.
14 Milaza ny Baiboly fa tena maniry hanangana ny maty i

Jehovah. Hoy ilay lehilahy tsy nivadika atao hoe Joba: “Raha
maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?” Ni-
laza izy fa hiandry ao am-pasana izy, mandra-pahatongan’ny
fotoana hahatsiarovan’Andriamanitra azy. Hoy izy tamin’i
Jehovah: “Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria hani-
ry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—Joba 14:13-15.
15 Eritrereto ange izany e! Tena maniry mafy hamelona an’

ireny maty ireny indray i Jehovah. Tsy mampahery anao ve


izany? Iza anefa no hatsangana amin’ny maty, ary ho aiza izy
ireo avy eo?
“IZAY REHETRA ANY AM-PASANA”
16Ahalalantsika zavatra betsaka momba ny fitsanganan’ny
maty amin’ny hoavy ny tantaran’ireo olona natsangana ta-
min’ny maty ao amin’ny Baiboly. Teto an-tany ihany, ohatra,
13. Nahoana isika no mino fa tena afaka manangana ny maty i Jeho-
vah?
14, 15. Nahoana ny tenin’i Joba no manome toky antsika fa tena ma-
niry hanangana ny maty i Jehovah?
16. Hanao ahoana ny fiainana rehefa hatsangana ny maty?
72 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

izy ireo no natsangana ka afaka niaraka tamin’ny havany


indray. Hoatr’izany koa no hitranga amin’ny hoavy, saingy
ho tsara kokoa. Nianarantsika tao amin’ny Toko faha-3 fa ha-
taon’Andriamanitra paradisa ny tany manontolo. Tsy hisy
`
intsony ary ny ady sy heloka bevava ary aretina, rehefa ha-
tsangana ny maty. Ho afaka hiaina amim-pilaminana eto an-
tany sy ho sambatra mandrakizay izy ireo.
17 Iza no hatsangana amin’ny maty? Nilaza i Jesosy fa ‘ha-

ndre ny feony izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka izy


ireo.’ (Jaona 5:28, 29) Hoy koa ny Apokalypsy 20:13: “Ny ra-
nomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafate-
sana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy.” Ny “Fasa-
na” resahina eo, dia ny fasana misy ny maty rehetra. (Jereo
ny Fanazavana Fanampiny, pejy 212-213.) Tsy hisy na inona
na inona intsony ao anatin’io fasana io amin’ny hoavy, sa-
tria ho velona indray ny olona an’arivony tapitrisa natory
tao. Hoy ny apostoly Paoly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy
ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Inona ny dikan’
izany?
18 Anisan’ny “marina” ny ankamaroan’ny olona resahin’

ny Baiboly, izay velona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy


teto an-tany. Ohatra hoe i Noa, Abrahama, Saraha, Mosesy,
Rota, ary Estera. Resahin’ny Hebreo toko faha-11 ny sasany
amin’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana ireo. Anisan’
ny “marina” koa anefa ny mpanompon’i Jehovah maty
`
amin’izao fotoana izao. Tsy matahotra ny ho faty ary isi-
ka, satria manantena fa hatsangana amin’ny maty.—Hebreo
2:15.
19 Ahoana kosa ny amin’ireo olona rehetra tsy nanompo
`
an’i Jehovah na tsy nankato azy, satria tsy nahafantatra azy
mihitsy? Ireny no antsoina hoe “tsy marina.” Tsy hohadi-
17. Iza avy no hatsangana amin’ny maty?
18. Iza ireo “marina” hatsangana amin’ny maty, ary nahoana izany
no mampahery anao?
19. Iza ireo “tsy marina”, ary inona no havelan’i Jehovah hataon’izy
ireo?
Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty 73

noina koa ireny olona an’arivony tapitrisa ireny, fa hatsanga-


na amin’ny maty. Homena fotoana izy ireny mba hianarany
momba an’ilay tena Andriamanitra sy hanompoany azy. Ha-
vela hisafidy izy ireo raha tiany ny ho anisan’ny mpano-
`
mpon’i Jehovah tsy mivadika ety an-tany. Tena hahafinari-
tra ny fiainana amin’izay! Antsoin’ny Baiboly hoe Andro
Fitsarana izany fotoana izany, izay haharitra arivo taona.1
20 Tsy midika anefa izany hoe hatsangana daholo ny maty

rehetra tsy an-kanavaka. Milaza mantsy ny Baiboly fa any


amin’ny “Gehena” ny maty sasany. (Lioka 12:5) Anarana toe-
rana fanariam-pako tany ivelan’i Jerosalema fahiny ilay hoe
Gehena. Nodorana tany ny faty sy ny fako. Noheverin’ny Jio-
sy ho tsy mendrika ny halevina sy hatsangana izay faty na-
`
riana tany. Mety tsara ary raha antsoina hoe Gehena ny
fandringanana mandrakizay. Na dia voatendry hitsara ny ve-
lona sy ny maty aza i Jesosy, dia i Jehovah no tena hanapa-
kevitra hoe iza no hatsangana sy tsy hatsangana. (Asan’ny
Apostoly 10:42) Tsy hatsangan’i Jehovah mihitsy izay heve-
riny fa ratsy fanahy sy tsy mety miova.
FITSANGANANA HO ANY AN-DANITRA
21 Miresaka karazana fitsanganana amin’ny maty hafa koa
ny Baiboly. Lazainy ao fa misy olona hatsangana mba ho lasa
fanahy any an-danitra. Ohatra iray amin’izany ihany no ta-
ntarain’ny Baiboly, dia i Jesosy Kristy.
22 Rehefa maty i Jesosy, dia tsy hoe navelan’i Jehovah hi-

janona tao am-pasana fa natsangany. (Salamo 16:10; Asan’ny


Apostoly 13:34, 35) Tsy olombelona intsony anefa izy rehe-
fa natsangana. Nilaza ny apostoly Petera fa ‘nofo i Kristy
1 Raha mahaliana anao ny atao hoe Andro Fitsarana sy hoe ino-
na no hitsarana ny olona, dia jereo ny Fanazavana Fanampiny,
pejy 213-215.

20. Inona no atao hoe Gehena, ary iza no mankany?


21, 22. a) Inona ny karazana fitsanganana hafa resahin’ny Baiboly?
b) Iza no voalohany natsangana ho lasa fanahy?
74 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.’ (1 Pe-


tera 3:18) Tena fahagagana be izany! Velona indray i Jesosy
sady lasa fanahy tena mahery. (Vakio ny 1 Korintianina 15:
3-6.) Izy no voalohany natsangana ho lasa fanahy, nefa
mbola hisy olon-kafa koa hatsangana hoatr’izany.—Jaona
3:13.
23 Fantatr’i Jesosy fa kely sisa izy dia hiakatra any an-dani-
`
tra. Nilaza tamin’ny mpianany tsy nivadika ary izy fa “hano-
mana toerana” ho azy ireo. (Jaona 14:2) Nantsoiny hoe
“ondry vitsy” ny olona mankany an-danitra. (Lioka 12:32)
Firy ny isan’ireo Kristianina tsy mivadika ireo? Hoy ny apo-
stoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy 14:1: “Hitako ny Zanak’
ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo amin’ny Tendrombohi-
tra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy nia-
raka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny ana-
ran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo.”
24 Hatsangana ho any an-danitra ireo Kristianina 144 000

ireo, anisan’izany ny apostolin’i Jesosy tsy nivadika. Raho-


viana izy ireo no hatsangana? Mandritra ny fanatrehan’i Kri-
sty, hoy i Paoly. (1 Korintianina 15:23) Mbola hianarantsika
ao amin’ny Toko faha-9 fa amin’izao androntsika izao io fo-
toana io. Vitsy sisa no mbola velona amin’ireo 144 000 ireo,
ary hatsangana avy hatrany ho any an-danitra izay maty
amin’izy ireo amin’izao androntsika izao. (1 Korintianina 15:
51-55) Hatsangana mba hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-
tany kosa ny ankamaroan’ny olona maty.
25 Handresy ny fahafatesana tokoa i Jehovah, ka tsy hisy

intsony mandrakizay io fahavalontsika io. (Vakio ny Isaia


25:8.) Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Inona no hataon’
ireo hatsangana ho any an-danitra?’ Ho anisan’ireo hanjaka
ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra izy ireo. Hianarantsi-
ka ao amin’ny toko manaraka ny momba an’io Fanjaka-
na io.
23, 24. Iza ireo “ondry vitsy”, ary firy ny isany?
25. Inona no hianarantsika ao amin’ny toko manaraka?
Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty 75

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Lasa manana fanantenana azo antoka isika,
rehefa mamaky an’ireo tantaran’olona natsa-
ngana tamin’ny maty ao amin’ny Baiboly.
—Jaona 11:39-44.
ˇ Tena maniry hanangana ny maty i Jehovah.
—Joba 14:13-15.
ˇ Hatsangana daholo ny olona ao amin’ny
fasana misy ny maty rehetra.—Jaona 5:28, 29.

Hatsangana ny maty, ao amin’ny Paradisa,


ka hihaona indray amin’ny havany
TOKO FAHA-8

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
Inona no lazain’ny Baiboly momba
ny Fanjakan’Andriamanitra?
Inona no hataon’io Fanjakana io?
Rahoviana ilay Fanjakana no hanatanteraka
`
ny sitrapon’Andriamanitra ety an-tany?

SAIKA ny olona eran-tany no mahay an’ilay vavaka hoe


Rainay Izay any An-danitra na ilay Vavaka Nampianarin’
ny Tompo. Vavaka modely nataon’i Jesosy Kristy izy io,
ary tena misy dikany. Handinika an’ireo zavatra telo voa-
lohany ao amin’io vavaka io isika. Hanampy antsika ha-
halala tsara an’izay lazain’ny Baiboly izany.
2 Izao no nasain’i Jesosy nolazaina tao amin’ilay vava-

ka: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny


`
anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao ety an-
tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Ma-
tio 6:9-13) Inona ny dikan’ireo zavatra telo ireo?
3 Efa nianatra zavatra betsaka momba ny anaran’

Andriamanitra hoe Jehovah isika. Efa nodinihintsika koa


ny sitrapony, anisan’izany ny zavatra efa nataony sy
`
mbola hataony ho an’ny olona. Inona ary no tian’i Jeso-
sy holazaina rehefa nasainy nivavaka isika hoe: “Ho to-
nga anie ny fanjakanao”? Inona ny Fanjakan’Andriama-
nitra? Nahoana no lazaina hoe rehefa tonga izy io, dia
hohamasinina ny anaran’Andriamanitra ary hatao ny si-
trapony?
1. Inona ilay vavaka malaza hodinihintsika?
2. Inona ny zavatra telo nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany?
3. Inona no mila fantatsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? 77

INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?
4 Izy io dia fitondram-panjakana natsangan’i Jehovah
Andriamanitra, ary Mpanjaka nofidiny no mitantana azy.
Iza io Mpanjaka io? I Jesosy Kristy. Ambony noho ny mpi-
tondra olombelona rehetra izy, ary antsoina hoe “Mpanja-
kan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo.” (1 Timoty 6:15)
Tsara lavitra ny zavatra vitany mihoatra noho izay vitan’ny
mpitondra olombelona, na iza izany na iza, na izay mahay
indrindra aza.
5 Avy aiza ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny va-

hoakany? Fantatsika fa natsangana ho any an-danitra i Je-


sosy, rehefa avy novonoina teo amin’ny hazo fijaliana.
`
(Asan’ny Apostoly 2:33) Any an-danitra ary no misy an’ilay
Fanjakan’Andriamanitra. Izany no iantsoan’ny Baiboly azy
io hoe ‘fanjakana any an-danitra.’ (2 Timoty 4:18) Hanjaka
amin’ny tany manontolo anefa izy io.—Vakio ny Apokaly-
psy 11:15.
6 Mpanjaka tena miavaka i Jesosy. Tsy ho faty mihitsy

mantsy izy. Raha ampitahaina amin’ny mpitondra olombe-


lona izy, hoy ny Baiboly, dia “izy irery ihany no tsy mety
maty, ary mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina.”
(1 Timoty 6:16) Midika izany fa haharitra ny zavatra tsara
rehetra hataony, ary tena hanao zavatra mahagaga sy ma-
hasoa antsika izy.
7 Izao, ohatra, no nolazain’ny Baiboly momba an’i Jeso-

sy: “Hitoetra eo aminy ny fanahin’i Jehovah, dia fanahy


manome fahendrena sy fahiratan-tsaina sy torohevitra sy
hery sy fahalalana, ary tahotra an’i Jehovah. Hahafaly azy
ny fahatahorana an’i Jehovah. Tsy hitsara araka izay hitan’
ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofi-
ny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka
4. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary iza no Mpanjakan’izy io?
5. Avy aiza ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny vahoakany,
ary aiza ny faritra hanjakany?
6, 7. Nahoana no Mpanjaka tena miavaka i Jesosy?
78 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny


mpandefitra eto an-tany.” (Isaia 11:2-4) Midika izany fa ha-
`
nao ny marina sy hangoraka i Jesosy, rehefa hanjaka ety
an-tany. Tsy mahafinaritra ve raha izany no mpitondra
antsika?
8 Tsy hanjaka irery i Jesosy, fa hisy olon-kafa hiara-manja-

ka aminy. Nilaza tamin’i Timoty, ohatra, ny apostoly Paoly


hoe: “Raha miaritra foana isika, dia ho mpanjaka hiara-mi-
tondra aminy.” (2 Timoty 2:12) Hiara-manjaka amin’i Jeso-
sy any an-danitra tokoa ry Paoly sy Timoty, ary ny olon-kafa
tsy mivadika izay nofidin’Andriamanitra. Firy ny isan’izy
ireo?
9 Efa hitantsika fa nahazo fahitana ny apostoly Jao-

na hoe: “Ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo


amin’ny Tendrombohitra Ziona [toerana ambony nomena
azy any an-danitra], ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy
iray hetsy niaraka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’
ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny ha-
ndrin’izy ireo.” Iza ireo 144 000 ireo? Hoy ihany i Jaona:
“Izy ireo no nanaraka foana ny Zanak’ondry na taiza na tai-
za nalehany. Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo
ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’
ondry.” (Apokalypsy 14:1, 4) Nanara-dia an’i Jesosy Kristy
foana izy ireo, ary nofidina manokana hiara-manjaka ami-
ny any an-danitra. “Ho mpanjaka hitondra ny tany” hiara-
ka amin’i Jesosy izy ireo, rehefa hatsangana amin’ny maty
ho any an-danitra. (Apokalypsy 5:10) Efa tamin’ny andron’
ny apostoly no nanomboka nifidy Kristianina tsy nivadika
Andriamanitra, mba hamenoana an’ilay isa 144 000.
10 Hita hoe tena tia ny olombelona Andriamanitra, rehe-

fa nifidy an’i Jesosy sy ireo 144 000 mba ho mpanjakantsi-


8. Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy?
9. Firy no hiara-manjaka amin’i Jesosy, ary oviana Andriamanitra no
nanomboka nifidy azy ireo?
10. Hazavao fa tena tia antsika Andriamanitra matoa nifidy an’i Jeso-
sy sy ireo 144 000 mba ho mpanjakantsika.
Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? 79

ka. Efa olombelona mantsy i Jesosy, ary fantany ny hoe mi-


jaly. Nilaza i Paoly fa “tsy mba mpisoronabe tsy mahay ma-
ngoraka antsika amin’ny fahalementsika” i Jesosy, fa “efa
notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy
nanota.” (Hebreo 4:15; 5:8) Efa niaritra fijaliana ihany koa
ireo hiara-manjaka aminy. Tsy lavorary izy ireo ka niady
mafy mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Efa tratran’ny are-
tina isan-karazany koa izy ireo, ary azo antoka fa ho fanta-
ny tsara ny olana mahazo ny olombelona.
INONA NO HATAON’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?
11 Tsy ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra

ihany no nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany, fa ny


`
hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ‘ety an-tany, taha-
ka ny any an-danitra’ koa. Any an-danitra Andriamani-
tra, ary efa manao ny sitrapony foana ny anjely tsy mi-
vadika. Nianarantsika tao amin’ny Toko faha-3 anefa fa
nisy anjely anankiray tsy nanao ny sitrapony intsony, fa
nitaona an’i Adama sy Eva hanota. I Satana Devoly io
anjely ratsy io, ary mbola hianatra momba azy isika any
amin’ny Toko faha-10. Nisy anjely hafa atao hoe demo-
nia koa nanaraka an’i Satana. Navela hijanona kelikely
tany an-danitra aloha izy ireo. Tsy hoe nanao ny sitra-
`
pon’Andriamanitra daholo ary ny tany an-danitra tamin’
izay. Niova anefa izany rehefa nanomboka nitondra ny
Fanjakan’Andriamanitra. Niady tamin’i Satana mantsy i
Jesosy Kristy, raha vao lasa Mpanjaka.—Vakio ny Apoka-
lypsy 12:7-9.
12 Izao no nitranga: “Nahare feo mafy tany an-dani-

tra aho, nanao hoe: ‘Ankehitriny dia tonga ny famo-


njen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy
ny fahefan’ny Kristiny, satria natsipy ilay mpiampanga
11. Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no nasainy nangataka mba hanao-
vana ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra?
12. Inona ny zava-nitranga roa tena niavaka resahin’ny Apokalypsy
12:10?
80 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ny rahalahintsika [Satana], dia ilay miampanga azy ireo


andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika!’ ”
(Apokalypsy 12:10) Nisy zava-nitranga roa tena niavaka
resahiny eo. Voalohany, nanomboka nitondra ny Fanja-
kan’Andriamanitra, ka i Jesosy Kristy no Mpanjaka. Faha-
roa, noroahina avy any an-danitra i Satana, ary natsipy
`
tety an-tany.
13 Inona ny vokatr’ireo zava-nitranga roa ireo? Hoy ny

Apokalypsy 12:12: “Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy


ianareo izay monina ao aminy!” Faly tokoa ny any an-
danitra, satria tsy any intsony i Satana sy ny demoniany.
Anjely tsy mivadika amin’i Jehovah daholo izao no any,
ary milamina sy miray saina tsara. Efa atao any an-dani-
`
tra ary ny sitrapon’Andriamanitra.
14 Nanao ahoana kosa ny tety` an-tany? Hoy ny Bai-

boly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina


any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fanta-
ny fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:12) Te-
zitra i Satana satria noroahina avy any an-danitra, sady
`
fohy ny fotoana ananany. Ataony ary izay hisian’ny
`
“loza” na fahoriana ety an-tany. Mbola hianarantsika ao
`
amin’ny toko manaraka izany. Ahoana ary no hanatante-
`
rahan’ilay Fanjakana ny sitrapon’Andriamanitra ety an-
tany?
15 Tadidinao ve ny sitrapon’Andriamanitra momba ny

tany? Nanazava izany ny Toko faha-3. Hita tamin’izay


nataon’Andriamanitra tany Edena fa tiany ho paradi-
sa ny tany, ary ho feno olo-marina tsy ho faty mihi-
tsy. Nitarika an’i Adama sy Eva hanota i Satana, ka lasa
tsy tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy niova anefa
ny sitrapony. Mbola tiany “handova ny tany” ihany ny
olo-marina, ka “honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29)
13. Inona ny vokany rehefa noroahina avy any an-danitra i Satana?
`
14. Inona no nitranga rehefa nazera tety an-tany i Satana?
15. Inona ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany?
Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? 81

Ny Fanjakan’Andriamanitra no hanatanteraka an’izany.


Amin’ny fomba ahoana?
16 Izao no voalazan’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’

ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana tsy ho rava


mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho la-
san’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io
sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa ha-
haritra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” Inona no ia-
narantsika avy amin’izany, momba ny Fanjakan’Andria-
manitra?
17 Voalohany, “amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo”

no hatsangana ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe


amin’ny fotoana mbola isian’ny fitondran’olombelona.
Faharoa, haharitra mandrakizay ilay Fanjakana. Tsy hisy
fitondram-panjakana handresy na handimby azy io. Fa-
hatelo, hiady ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjaka-
na rehetra eto an-tany. Ny Fanjakan’Andriamanitra no
handresy, ary izy irery no hitondra ny olombelona. Hia-
dana ny olona satria io no fitondram-panjakana tsara
indrindra hatramin’izay.
18 Betsaka ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’ilay

ady hifanaovan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanja-


kan’olombelona eto an-tany. Hisy anjely ratsy, ohatra,
hanely lainga mba hamitahana ny “mpanjakan’ny tany
rehetra misy mponina”, rehefa manakaiky ny farany. Na-
hoana? ‘Mba hanangonana an’ireo mpanjakan’ny tany
ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriama-
nitra Mahery Indrindra.’ Hangonina any “amin’ilay toe-
rana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedo-
na” izy ireo. (Apokalypsy 16:14, 16) Antsoina hoe
`
Hara-magedona ary ilay ady hifanaovan’ny Fanjakan’
Andriamanitra sy ny fanjakan’olombelona.
16, 17. Inona no ianarantsika avy amin’ny Daniela 2:44, momba ny
Fanjakan’Andriamanitra?
18. Inona no iantsoana an’ilay ady hifanaovan’ny Fanjakan’Andria-
manitra sy ny fanjakan’olombelona eto an-tany?
82 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Nahoana no tena ilaina ny ady Hara-magedona?


19

Eritrereto indray ny sitrapon’Andriamanitra momba ny


tany. Tiany ho paradisa ny tany, ka ho feno olo-marina
sy lavorary ary manompo azy. Nahoana anefa izany no
mbola tsy tanteraka? Satria mpanota isika, ka marary sy
maty. Efa hitantsika anefa fa afaka ny hiaina mandraki-
zay isika, satria maty ho antsika i Jesosy. Tadidinao anga-
mba ilay teny ao amin’ny Jaona 3:16 hoe: “Lehibe tokoa
ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nome-
ny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra
maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
20 Nahoana koa ny sitrapon’Andriamanitra no mbola

tsy tanteraka? Satria be dia be ny olona manao ratsy, ka


mandainga sy mamitaka ary ratsy fitondran-tena. Tsy te
hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, ka ho ringa-
na amin’ny Hara-magedona. (Vakio ny Salamo 37:10.)
`
Mbola tsy atao ety an-tany koa ny sitrapon’Andriamani-
tra, satria tsy mampirisika ny olona hanao an’izany ny fi-
tondram-panjakana. Maro ny fitondrana tsy mahay mita-
ntana sy manao didy jadona ary tsy manao ny marina.
Milaza ny Baiboly fa “nanjakazaka tamin’ny namany ny
olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.
21 Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany sisa no hitondra

ny olombelona, aorian’ny Hara-magedona. Hanatante-


raka ny sitrapon’Andriamanitra izy io, ary hanao zavatra
tsara be dia be. Hogadraina, ohatra, i Satana sy ny de-
moniany. (Apokalypsy 20:1-3) Hitondra fitahiana ny so-
ron’i Jesosy, ka tsy harary na ho faty intsony ny olona
tsy mivadika, fa ho afaka hiaina mandrakizay. (Vakio ny
Apokalypsy 22:1-3.) Ho lasa paradisa koa ny tany. Rehe-
`
fa hanao an’izany ary ilay Fanjakana, dia ho tanteraka
`
19, 20. Nahoana no mbola tsy tanteraka ety an-tany ny sitrapon’
Andriamanitra?
21. Ahoana no hanatanterahan’ilay Fanjakana ny sitrapon’Andriama-
`
nitra ety an-tany?
Lasa feno loza ny tany, rehefa
noroahina avy any an-danitra
i Satana sy ny demoniany.
Hifarana tsy ho ela anefa izany
84 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
ety an-tany ny sitrapon’Andriamanitra ary hohamasini-
na ny anarany. Midika izany fa hanome voninahitra an’
ilay anarana hoe Jehovah daholo ny vahoakan’ilay Fa-
njakana.
OVIANA NO NANOMBOKA NIASA
NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?
22 Mbola tsy tonga tamin’ny andron’i Jesosy ilay Fanja-

kana, matoa ny mpianany nasainy nivavaka hoe: “Ho to-


nga anie ny fanjakanao!” Mbola tsy tonga koa izy io ta-
min’i Jesosy lasa tany an-danitra. Samy nilaza mantsy i
Petera sy Paoly fa rehefa natsangana tamin’ny maty i Je-
sosy, dia tanteraka taminy ilay faminaniana ao amin’ny
Salamo 110:1 hoe: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko:
‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahava-
lonao ho fitoeran-tongotrao.’ ” (Asan’ny Apostoly 2:32-
35; Hebreo 10:12, 13) Midika izany fa tsy tonga dia nanja-
ka i Jesosy fa mbola niandry.
23 Oviana no tapitra ilay fotoana niandrasan’i Jesosy?

Tamin’ny 1914, araka ny kajy nataon’ireo mpianatra Bai-


boly taorian’ny 1870. Manamarina an’izany ny zava-ni-
tranga nanomboka tamin’ny 1914. (Manazava an’io daty
`
22. Inona no manaporofo fa tsy tamin’i Jesosy tety an-tany, na tamin’
izy vao niakatra tany an-danitra, no tonga ny Fanjakan’Andriamani-
tra?
23. a) Oviana no nanomboka nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra?
b) Inona no hianarana ao amin’ny toko manaraka?

`
Rehefa mitondra ilay Fanjakana, dia hatao ety an-tany
ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka ny any an-danitra
Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? 85

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Fitondram-panjakana any an-danitra ny
Fanjakan’Andriamanitra. I Jesosy Kristy no
Mpanjakan’izy io, ary misy olona 144 000
hiara-manjaka aminy.—Apokalypsy 14:1, 4.
ˇ Tamin’ny 1914 no nanomboka nanjaka ny
Fanjakan’Andriamanitra, ary noroahina avy
`
any an-danitra i Satana, ka natsipy tety
an-tany.—Apokalypsy 12:9.
ˇ Tsy ho ela dia handringana ny fitondram-
panjakan’olombelona ny Fanjakan’
Andriamanitra, ary ho lasa paradisa ny
tany.—Apokalypsy 16:14, 16.

io ny Fanazavana Fanampiny, pejy 215-218.) Tanteraka


ny faminanian’ny Baiboly, ka voaporofo fa lasa Mpanja-
ka i Kristy tamin’ny 1914, ary nanomboka nanjaka ny Fa-
njakan’Andriamanitra any an-danitra. Efa ao anatin’ilay
`
‘fotoana fohy’ ananan’i Satana ary isika izao. (Apokaly-
psy 12:12; Salamo 110:2) Azontsika antoka koa fa tsy ho
ela dia hanao zavatra ny Fanjakan’Andriamanitra, mba
`
ho tanteraka ety an-tany ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy
vaovao tsara tokoa ve izany? Mino an’izany ve ianao?
Ho hitanao ao amin’ny toko manaraka fa izany tokoa no
ampianarin’ny Baiboly.
TOKO FAHA-9

“Andro Farany” ve
Izao Iainantsika Izao?
Inona no mitranga amin’izao andro izao,
ka efa voalazan’ny Baiboly mialoha?
Inona no efa nolazain’ny Baiboly momba ny
toetran’ny olona amin’ny “andro farany”?
Inona no zavatra tsara hitranga amin’ny
“andro farany”, araka ny nolazain’ny Baiboly?

EFA nihaino vaovao tamin’ny radio na tele ve ianao, ka


`
lasa saina hoe: ‘Mba hanao ahoana ary no hiafaran’
ity fiainana ity?’ Tsy ampoizina ny hiavian’ny loza, ka
tsy misy mahalala an’izay havoaky ny ampitso. (Jakoba
4:14) Mahalala ny hoavy anefa i Jehovah. (Isaia 46:10)
Nolazainy tao amin’ny Baiboly efa hatramin’ny ela ny
zava-dratsy hitranga amin’ny androntsika. Nilaza koa
anefa izy fa hisy zavatra faran’izay tsara hitranga tsy ho
ela.
2 Nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy

Kristy, satria izy io no hanala ny faharatsiana sy hanova


ny tany ho paradisa. (Lioka 4:43) Te hahafantatra ny fo-
toana hahatongavan’izy io ny olona. Nanontany an’i Je-
sosy, ohatra, ny mpianany hoe: “Inona no ho fama-
ntarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity
tontolo ity?” (Matio 24:3) Namaly i Jesosy fa i Jehovah
Andriamanitra irery ihany no nahalala hoe rahoviana
1. Inona no miresaka momba ny hoavy?
2, 3. Inona no nanontanian’ireo mpianatra an’i Jesosy, ary ahoana
no navaliny?
“Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao? 87

marina no hifarana ny tontolon’i Satana. (Matio 24:36)


Noresahin’i Jesosy kosa anefa izay hitranga eto an-tany,
aloha kelin’ny hahatongavan’ilay Fanjakana, izay hito-
ndra fiadanana sy filaminana. Tena tanteraka amin’izao
andro izao ny teniny!
3 Hojerentsika ny porofo fa efa ao anatin’ny “fifara-

nan’ny rafitr’ity tontolo ity” isika izao. Misy ady iray


aloha hodinihintsika. Tany an-danitra izy io no nitranga
ka tsy nisy olona nahita, nefa tena misy vokany ami-
ntsika.
ADY TANY AN-DANITRA
4 Lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy tamin’ny
1914, araka ny nohazavain’ilay toko teo aloha. (Vakio
ny Daniela 7:13, 14.) Nanao zavatra izy taoriana kelin’
izay. Milaza ny Baiboly fa “nisy ady nipoaka tany an-da-
nitra: I Mikaela [na Jesosy] sy ny anjeliny niady tamin’
ilay dragona [Satana Devoly]. Ary niady koa ilay drago-
na sy ny anjeliny.”1 Resy i Satana sy ireo anjely ratsy na
`
demonia, ary natsipy tety an-tany. Faly ny anjely tsy ni-
vadika tamin’Andriamanitra, satria voaroaka tany an-da-
nitra i Satana sy ny demoniany. Tsy faly kosa ny olona,
satria hoy ny Baiboly: ‘Loza ho an’ny tany fa nidina any
aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa
fohy ny fotoana ananany.’—Apokalypsy 12:7, 9, 12.
5 Inona ny vokatr’io ady tany an-danitra io? Tezitra i
`
Satana, ka hitondra loza ho an’ny olona ety an-tany. Ha-
ndinika porofo isika hoe tanteraka amin’izao andro izao
izany. Ho ‘fotoana fohy’ ihany anefa ilay izy fa tsy haha-
ritra. Na i Satana aza mahalala an’izany. Antsoin’ny Bai-
boly hoe “andro farany” io fotoana io. (2 Timoty 3:1)
1 Raha tianao ho fantatra ny antony ilazana fa anaran’i Jesosy Kristy
koa ny hoe Mikaela, dia jereo ny Fanazavana Fanampiny, pejy 218-219.

4, 5. a) Inona no nitranga tany an-danitra tamin’i Jesosy vao lasa


Mpanjaka? b) Inona no vokatr’io ady io, araka ny Apokalypsy 12:12?
88

Soa ihany fa kely sisa dia tsy ha-


velan’Andriamanitra hanakoronta-
na eto an-tany intsony ny Devoly.
Andeha isika handinika ny zava-mi-
tranga sasany amin’izao, izay efa no-
lazain’ny Baiboly. Manaporofo izy
ireny fa andro farany izao, ary kely
sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia
hitondra fitahiana mandrakizay ho
an’izay tia an’i Jehovah. Hojerentsi-
ka aloha ny lafiny efatra amin’ilay
famantarana nolazain’i Jesosy fa ha-
mpiavaka ny androntsika.
FIOVANA LEHIBE AMIN’NY
ANDRO FARANY
6 “Hisy firenena hitsangana hame-

ly firenena, ary hisy fanjakana ha-


mely fanjakana.” (Matio 24:7) Olo-
na an-tapitrisany no maty tamin’ny
ady, nandritra ny zato taona lasa.
Hoy ny mpahay tantara iray: ‘Tao-
rian’ny taona 1900 no nisy vonoan’
olona be indrindra hatramin’izay.
Nisy ady foana nandritra an’io tao-
njato io. Fotoana fohy fotsiny no
mba nijanona kely ny ady.’ Nila-
za ny Fikambanana Mpandinika An’
izao Tontolo Izao hoe: “Na atamba-
tra aza ny isan’ny maty tamin’ny
ady nanomboka tamin’ny taonjato
voalohany ka hatramin’ny 1899, dia
mbola avo telo heny noho izany no
6, 7. Inona no manaporofo fa tanteraka
amin’izao ilay tenin’i Jesosy hoe hisy ady sy
mosary?
89

maty tamin’ny ady [tamin’ny 1900-


2000].” Olona 100 tapitrisa mahery
no maty noho ny ady, nanomboka
tamin’ny 1914. Azo antoka fa tena
nalahelo sy nijaly ireo olona an-ta-
pitrisany namoy ny havany tamin’
ireny. Tsapantsika tsara mantsy ny
alahelo sy fahoriana, rehefa misy ha-
vantsika iray maty.
7 “Hisy mosary.” (Matio 24:7) Mi-

laza ny mpikaroka fa nitombo be


ny sakafo novokarina nandritra an’
ireo 30 taona lasa. Mbola misy ihany
anefa ny mosary, satria be dia be ny
olona tsy manam-bola hividianana
sakafo na tsy manana tany hambo-
lena. Olona an’arivony tapitrisa no
tsy mandray afa-tsy karama kely, any
amin’ny tany mahantra, ary zara fa
mihinana ny ankamaroan’izy ireo.
Milaza ny Fikambanana Iraisam-pi-
renena Momba ny Fahasalamana, fa
ankizy dimy tapitrisa mahery isan-
taona no maty satria tsy ampy sa-
kafo.
8 “Hisy horohoron-tany lehibe.”

(Lioka 21:11) Milaza ny mpahay sia-


nsa fa misy horohoron-tany lehi-
be 19 eo ho eo isan-taona. Mahavi-
ta manimba trano sy mampitresaka
tany izy ireny. Misy horohoron-
tany mahery lavitra noho izany aza
8, 9. Inona no manaporofo fa tanteraka ny
tenin’i Jesosy momba ny horohoron-tany sy
areti-mandringana?
90

isan-taona, ka ravarava mihitsy izay


`
tanana andalovany. Voalazan’ny ta-
titra fa olona roa tapitrisa mahery
no matin’ny horohoron-tany, nano-
mboka tamin’ny 1900. Hoy ny boky
iray: “Nandroso ny teknolojia, nefa
zara raha nihena ny isan’ny olona
matin’ny horohoron-tany.”
9 “Hisy areti-mandringana.” (Lio-

ka 21:11) Mandroso be ny fitsaboa-


na, nefa mampijaly olona foana ny
aretina efa nisy hatramin’izay sy
ny aretina vaovao. Be dia be izao
no voan’ny kansera na tapaka lalan-
dra. Milaza ny tatitra iray fa misy
aretina 20 efa fantatry ny mpitsa-
bo tsara nefa vao mainka maro ny
olona voany, ary misy aza lasa saro-
tra tsaboina amin’ny fanafody. Areti-
na vaovao 30 koa, fara fahakeliny,
no nipoitra, ary mbola tsy nahita-
na fanafodiny ny sasany sady maha-
faty.
TOETRAN’NY OLONA
AMIN’NY ANDRO FARANY
10 Nilaza koa ny Baiboly fa hiova

ny toetran’ny olona amin’ny andro


farany. Nohazavain’ny apostoly Pao-
ly fa “amin’ny andro farany, dia hisy
fotoan-tsarotra tsy mora setraina.”
(Vakio ny 2 Timoty 3:1-5.) Nilaza
izy hoe ny olona ho:
10. Iza amin’ireo toetra ao amin’ny 2 Timo-
ty 3:1-5 no hitanao ankehitriny?
91

ˇ tia tena
ˇ tia vola
`
ˇ tsy mankato ray aman-dreny
ˇ tsy mena-mivadika
ˇ tsy tia ny mpianakaviny
ˇ tsy mahafehy tena
ˇ masiaka be
ˇ tia fahafinaretana fa tsy tia
an’Andriamanitra
ˇ jerena toa mpivavaka be nefa tsy
misy heriny eo amin’ny fiainany
ny maha mpivavaka azy
11 Azo antoka fa hoatr’izany ny
olona manodidina anareo. Hita ha-
traiza hatraiza mantsy ny olona ra-
tsy toetra. Midika izany fa kely sisa
Andriamanitra dia hanao zavatra, sa-
tria hoy ny Baiboly: “Rehefa mitsiry
tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary
miroborobo ny mpanao ratsy rehe-
tra, dia midika izany fa ho ringa-
na mandrakizay izy ireo.”—Salamo
92:7.
ZAVATRA TSARA HITRANGA
12 Feno loza tokoa ny andro fara-
ny, araka ny efa nolazain’ny Baiboly.
11. Hatao ahoana ny ratsy fanahy, araka ny
Salamo 92:7?
12, 13. Inona ny porofo fa mitombo ny
“tena fahalalana” mandritra ny “fotoanan’ny
farany”?
92 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Na betsaka aza anefa ny olana eto an-tany, dia misy


zavatra tsara kosa eo anivon’ny mpanompon’i Jeho-
vah.
13 “Hitombo be ny tena fahalalana”, hoy ny bokin’i

Daniela. Mandritra ny “fotoanan’ny farany” izany no hi-


tranga. (Daniela 12:4) Nanomboka tamin’ny 1914 i Je-
hovah no tena nanampy ny olona te hanompo azy, mba
hahalala tsara ny Baiboly. Lasa azon’izy ireo kokoa ny
momba ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany, ny so-
rom-panavotana, ny maty, ary ny fitsanganan’ny maty.
Fantatr’izy ireo koa ny fomba fiaina tsara indrindra sy
manome voninahitra an’Andriamanitra. Nazava tsara
kokoa tamin’izy ireo hoe inona no hataon’ny Fanjakan’
Andriamanitra, ary ahoana no hamahany ny olana eto
an-tany. Hataon’izy ireo inona izany fahalalana izany?
Handinika faminaniana iray tanteraka amin’izao andro
farany izao isika, mba hamaliana an’izany.
14 “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanja-

kana ity”, hoy i Jesosy Kristy, tao amin’ilay faminaniana


momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Vakio
ny Matio 24:3, 14.) Efa torina any amin’ny tany 230 ma-
hery sy amin’ny fiteny an-jatony ny vaovao tsaran’ilay
Fanjakana. Hazavaina amin’ny olona hoe inona ilay Fa-
njakana, inona no hataony, ary ahoana no hahazoa-
ntsika fitahiana. Mazoto mitory an’io vaovao tsara io
ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany, avy amin’ny
“firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.” (Apoka-
lypsy 7:9) Ampianarin’izy ireo Baiboly maimaim-poana
ny olona an-tapitrisany, izay te hahalala ny marina. Ni-
laza i Jesosy fa “ho halan’ny olona rehetra” ny tena Kri-
stianina, nefa mahavariana fa tanteraka ilay faminania-
na momba ny asa fitoriana.—Lioka 21:17.
14. Aiza avy no itoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ankehitriny,
ary iza no mitory azy io?
“Hotorina maneran-tany
ity vaovao tsaran’ilay
fanjakana ity.”
—Matio 24:14
94 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

INONA NO HATAONAO?
Tsy miaiky ve ianao hoe andro farany izao, rehefa jere-
15

na ireo faminaniana be dia be tanteraka ankehitriny? Azo


antoka fa ho tonga “ny farany”, rehefa vita araka izay maha-
fa-po an’i Jehovah ny fitoriana ny vaovao tsara. (Matio
24:14) “Ny farany”, dia ny fotoana hamaranan’i Jehovah ny
zavatra ratsy rehetra eto an-tany. Hampiasa an’i Jesosy sy ny
anjeliny mahery izy, mba handringanana an’izay rehetra
manohitra azy. (2 Tesalonianina 1:6-9) Tsy ho afaka hamita-
ka an’ireo firenena intsony i Satana sy ny demoniany. Ao-
rian’izay ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hanome fitahiana
be dia be ho an’izay rehetra manaiky ny fitondrany.—Apoka-
lypsy 20:1-3; 21:3-5.
16 Efa hifarana ny tontolon’i Satana, ka mila mieritreritra

isika hoe: ‘Inona no tokony hataoko?’ Tokony hianatra foana


momba an’i Jehovah sy izay takiny ianao. (Jaona 17:3) Ma-
zotoa mianatra Baiboly. Miaraha mivory foana amin’ny olo-
na miezaka manao ny sitrapon’i Jehovah. (Vakio ny Hebreo
10:24, 25.) Miezaha hahafantatra an’i Jehovah foana ka ia-
naro ny Teniny, ary ahitsio izay tokony hahitsy amin’ny fiai-
nanao, amin’izay ianao mahazo sitraka aminy.—Jakoba 4:8.
17 Efa nilaza i Jesosy fa tsy horaharahain’ny ankamaroan’

ny olona ny porofo hoe andro farany izao. Horinganina ta-


mpoka anefa ny ratsy fanahy. Ho avy toy ny mpangalatra
amin’ny alina izany, ka tsy hampoizin’ny olona. (Vakio ny
1 Tesalonianina 5:2.) Nampitandrina i Jesosy hoe: “Toy ny
andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’
olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny
safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoa-
15. a) Mino ve ianao hoe andro farany izao iainantsika izao, ary na-
hoana? b) Hatao ahoana ny olona manohitra an’i Jehovah rehefa
tonga “ny farany”, ary inona kosa no ho azon’izay manaiky ny fito-
ndrany?
16. Inona no tokony hataonao?
17. Nahoana no tsy hampoizin’ny ankamaroan’ny olona ny fandri-
nganana ny ratsy fanahy?
“Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao? 95

ka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro ni-


diran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy
ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy re-
hetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”
—Matio 24:37-39.
18 Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Mitandre-

ma sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny


fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka
tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany ami-
nareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay
rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa
miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho
afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga iza-
ny ianareo, ka ho afaka hitsangana [sy hahazo sitraka] eo
anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36) Tokony hanka-
`
to ny tenin’i Jesosy isika. Ho voavonjy mantsy ny olona
ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra sy “ny Zanak’olona”,
na i Jesosy Kristy, rehefa horinganina ny tontolon’i Satana.
Hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao faran’izay
tsara izy ireo, ary efa kely sisa izy io dia ho tonga!—Jaona
3:16; 2 Petera 3:13.
18. Inona ny tenin’i Jesosy tokony hankatoavintsika?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Ady, mosary, horohoron-tany, ary areti-
mandringana no mampiavaka ny andro
farany.—Matio 24:7; Lioka 21:11.
ˇ Tia tena sy tia vola ny ankamaroan’ny olona
amin’ny andro farany, ary tia fahafinaretana
fa tsy tia an’Andriamanitra.—2 Timoty 3:1-5.
ˇ Torina eran-tany ny vaovao tsaran’ilay
Fanjakana, mandritra an’izao andro farany
izao.—Matio 24:14.
TOKO FAHA-10

Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy


Manampy ny olona ve ny anjely?
Mitaona ny olona hanao inona ny anjely ratsy?
Tokony hatahotra ny anjely ratsy ve isika?

RAHA te hahalala olona iray isika, dia mila mahafantatra


ny fianakaviany. Raha te hahalala an’i Jehovah koa isika,
dia mila mahafantatra tsara ny anjely, satria anisan’ny fia-
nakaviany izy ireo. Antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andria-
`
manitra” ny anjely. (Joba 38:7) Inona ary no andraikitr’izy
ireo mba hanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra? Na-
nao zavatra ho an’ny olona ve izy ireo taloha? Manan-kery
eo amin’ny fiainanao ve ny anjely? Raha eny, amin’ny fo-
mba ahoana?
2 Miresaka imbetsaka momba ny anjely ny Baiboly. Ha-

ndinika andinin-teny sasany momba an’izany isika, mba


hahalalana tsara azy ireo. Ahoana no nampisy ny anjely?
Milaza ny Kolosianina 1:16 fa i Jesosy Kristy “no nampia-
saina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-
`
danitra sy ety an-tany.” Noforonin’i Jehovah tamin’ny ala-
`
lan’ny Zanany lahimatoa ary ny anjely rehetra. Firy ny isan’
izy ireo? An-jatony tapitrisa ny anjely, araka ny Baiboly, ary
samy mahery izy rehetra.—Salamo 103:20.1
3 Milaza ny Joba 38:4-7 fa “nihoby avokoa ny zanak’

1 Milaza ny Apokalypsy 5:11 fa “niisa alinalina sy arivoarivo” ny


anjely tsy mivadika, izany hoe “iray alina ampitomboina iray alina.”
`
(Jereo ny Daniela 7:10.) An-jatony tapitrisa ary ny isan’ny anjely.

1. Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anjely?


2. Ahoana no nampisy ny anjely, ary firy ny isan’izy ireo?
3. Inona no lazain’ny Joba 38:4-7 momba ny anjely?
Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy 97

Andriamanitra”, rehefa noforonina ny tany. Efa nisy ela be


`
talohan’ny namoronana ny olona ary ny anjely, talohan’ny
namoronana ny tany mihitsy aza. Manana fihetseham-po
koa ny anjely, matoa lazain’io andininy io hoe “nanao
antsoantsom-pifaliana.” Mariho fa niara-nifaly “avokoa ny
zanak’Andriamanitra.” Midika izany fa mbola anisan’ny
fianakavian’i Jehovah daholo ny anjely tamin’izany, ary ni-
ray saina sy nanompo azy.
MANAMPY SY MIARO NY ANJELY
4 Vao noforonina ny olona, dia efa liana tamin’ny fiai-
nan’izy ireo foana ny anjely, ary tiany ho fantatra hoe
ahoana no hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany. (Ohabo-
lana 8:30, 31; 1 Petera 1:11, 12) Hitan’ny anjely anefa fa tsy
nanompo an’ilay Mpamorona be fitiavana ny ankama-
roan’ny olona, rehefa nandeha ny fotoana. Tena nampala-
helo an’ireo anjely tsy mivadika izany. ‘Faly’ be kosa izy
ireo rehefa misy olona anankiray miverina manompo an’i
Jehovah indray. (Lioka 15:10) Mitady izay hahasoa ny mpa-
nompon’Andriamanitra tokoa ny anjely. Izany no nahato-
nga an’i Jehovah hampiasa azy ireo matetika, mba hampa-
`
hery sy hiaro ny mpanompony tsy mivadika ety an-tany.
(Vakio ny Hebreo 1:7, 14.) Diniho ireto ohatra ireto:
5 Nisy anjely roa nanampy an’i Lota sy ny zanany vavy,
`
rehefa noravana i Sodoma sy Gomora, tanana feno olon-
dratsy. Notantanan’ireo anjely ireo hiala tao mihitsy io le-
hilahy marina io sy ny zanany. (Genesisy 19:15, 16) Taonja-
`
to maro taty aoriana, dia natsipy tao an-davaky ny liona i
Daniela mpaminany, nefa tsy naninon-tsy naninona. Hoy
izy: “Naniraka ny anjeliny ny Andriamanitro ka nanako-
mbona ny vavan’ny liona.” (Daniela 6:22) Nafahan’ny
4. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa liana amin’ny fiainan’ny
olona ny anjely?
`
5. Milaza ohatra ao amin’ny Baiboly, izay mampiseho fa tena mana-
mpy ny anjely.
98 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

anjely iray avy tao am-ponja ny apostoly Petera, tamin’ny


taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 12:6-11) Nisy anjely
koa nampahery an’i Jesosy, tamin’izy nanomboka nano-
mpo teto an-tany. (Marka 1:13) Nisy anjely iray indray ni-
seho taminy sy “nankahery azy”, taloha kelin’ny nahafate-
sany. (Lioka 22:43) Azo antoka fa nampahery an’i Jesosy
izany, ary tena nilainy tamin’ireo fotoana ireo.
6 Tsy miseho mivantana amin’ny vahoakan’Andriama-

nitra eto an-tany intsony izao ny anjely. Mbola miaro ny va-


hoakan’Andriamanitra anefa ireny anjely mahery ireny, na
dia tsy hita maso aza, indrindra amin’ny zavatra mety ha-
nimba ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah. Hoy ny Bai-
boly: “Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay
matahotra Azy, ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7) Mampahe-
ry antsika izany, satria misy anjely tena ratsy mitady hana-
potika ny fiainantsika. Iza izy ireo, ary ahoana no nampisy
azy? Inona no ataony mba hanisiana ratsy antsika? Andao
`
ary aloha hodinihintsika kely ny zava-nitranga tany am-
piandohan’ny tantaran’olombelona.
IREO ANJELY FAHAVALONTSIKA
Te ho lasa mpitondra ny anjely iray, ka nanohitra an’
7

Andriamanitra, araka ny efa hitantsika. Lasa nantsoina hoe


Satana Devoly izy io. (Apokalypsy 12:9) Nahavita nampia-
la ny ankamaroan’ny olona tamin’Andriamanitra izy na-
ndritra ny 1600 taona teo ho eo, taorian’ny namitahany
an’i Eva. Nisy olona vitsivitsy tsy nivadika anefa, anisan’
izany i Abela sy Enoka ary Noa.—Hebreo 11:4, 5, 7.
8 Nisy anjely hafa koa nivadika tamin’i Jehovah, tamin’

ny andron’i Noa. Nilaozan’izy ireo ny andraikiny tany an-


6. a) Miaro ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny inona ny anjely?
b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?
7. Iza avy no voatarik’i Satana hiala tamin’Andriamanitra?
8. a) Ahoana no nahatonga ny anjely sasany ho demonia? b) Inona
no tsy maintsy nataon’ny demonia, mba tsy ho ringana tamin’ny Sa-
fodrano tamin’ny andron’i Noa?
Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy 99
`
danitra, ary nidina tety an-tany izy ka nitafy vatan’olombe-
lona. Nahoana? Hoy ny Genesisy 6:2: “Tsikaritr’ireo zanak’
Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona.
Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny.” Tsy na-
velan’i Jehovah hanao an’izany foana anefa ireo anjely
ireo, ary tsy navelany hitohy koa ny faharatsiana vokatr’iza-
ny. Nampisy Safodrano eran-tany izy, ka ringana ny olona
ratsy fanahy rehetra. Narovany kosa ny mpanompony tsy
nivadika. (Genesisy 7:17, 23) Tsy maintsy niala tamin’ny
vatan’olombelona nananany ireo anjely ratsy ireo ary ni-
verina tany an-danitra, ka lasa nantsoina hoe demonia.

“Naniraka ny anjeliny ny
Andriamanitro ka nanakombona
ny vavan’ny liona.”—Daniela 6:22
100 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Nanaraka ny Devoly, izay lasa “lehiben’ny demonia”, izy


ireo.—Matio 9:34.
9 Rehefa niverina tany an-danitra ireo anjely mpikomy,

dia tsy neken’Andriamanitra ho fianakaviany intsony, hoa-


tran’i Satana filohany ihany. (2 Petera 2:4) Tsy afaka mita-
fy vatan’olombelona intsony izy ireo, nefa mbola mitaona
ny olona hanao zavatra tena ratsy foana. Manampy an’i Sa-
tana ‘hamitaka ny tany rehetra misy mponina’ izy ireo.
(Apokalypsy 12:9; 1 Jaona 5:19) Mampiasa tetika maro izy
ireo mba hamitahana ny olona. (Vakio ny 2 Korintianina
2:11.) Hodinihintsika ny sasany amin’izany.
NY FOMBA AMITAHAN’NY DEMONIA
10 Mampirisika ny olona hifandray aminy ny demonia,
na mivantana izany na amin’ny alalan’ny olon-kafa. Raran’
ny Baiboly anefa ny fanao rehetra misy ifandraisany amin’
ireny anjely ratsy ireny, sy ny mifampiresaka aminy. (Gala-
tianina 5:19-21) Ireny fanao ireny no jono ampiasain’ny
demonia hamitahana antsika. Mampiasa jono maro sami-
hafa ny mpanjono mba hahazoana trondro isan-karazany.
`
Mampiasa fandrika isan-karazany koa ary ny anjely ratsy
mba hamitahana ny karazan’olona rehetra.
11 Fandrika iray ampiasain’ny demonia ny sikidy. Ny atao

hoe manao sikidy dia miezaka hahalala ny hoavy, na zava-


tra miafina. Ohatra hoe manandro, mampiasa karatra na
mamaky soritra amin’ny tanana mba hamantarana ny
hoavy, mijery tononandro, ary mitady famantarana na fa-
mbara amin’ny nofy. Maro no mieritreritra fa tsy mampa-
ninona ny manao sikidy, nefa milaza ny Baiboly fa miara-
miasa ny mpanao sikidy sy ny anjely ratsy. Milaza, ohatra,
9. a) Natao ahoana ireo demonia rehefa niverina tany an-danitra?
b) Inona no hodinihintsika izao?
10. Ahoana no amitahan’ny demonia ny olona?
11. Inona no atao hoe manao sikidy, ary nahoana isika no tsy toko-
ny hanao azy io?
Mampiasa fomba isan-karazany ny demonia
mba hamitahana ny olona

ny Asan’ny Apostoly 16:16-18 fa nahay naminany ny anki-


zivavy iray, satria nisy “demonia mpilaza ny hoavy.” Tsy
nahay naminany intsony anefa izy rehefa nesorina taminy
ilay demonia.
12 Mampirisika ny olona hanontany ny maty koa ny de-

monia, mba hamitahana azy ireo. Matetika no voafitaka ny


olona nidonam-pahoriana, satria tsy fantany ny marina
momba ny maty. Mety hampita hafatra manokana ny mpi-
`
sikidy, na haka tahaka ny feon’ilay maty mihitsy. Maro ary
no mino hoe mbola velona ny maty. Heveriny fa ho mai-
vana kokoa ny fahoriany, raha miezaka hifandray amin’ilay
havany efa maty izy. “Fampiononana” sandoka anefa iza-
ny ary mampidi-doza. Afaka maka tahaka ny feon’ilay
maty mantsy ny demonia, sady afaka mampita hafatra mo-
mba an’ilay maty amin’ny mpisikidy. (1 Samoela 28:3-19)
Efa hitantsika koa fa tsy misy intsony ny olona rehefa
`
maty. (Salamo 115:17) Voafitaky ny anjely ratsy ary izay
12. Nahoana no mampidi-doza ny miresaka amin’ny maty?
FOMBA ANOHERANA
NY ANJELY RATSY
ˇ Poteho izay zavatra misy
ifandraisany amin’ny
demonia
ˇ Mianara Baiboly
ˇ Mivavaha
amin’Andriamanitra
Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy 103

“olona manontany amin’ny maty”, sady manao zavatra


mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Vakio ny
Deoteronomia 18:10, 11; Isaia 8:19) Mila mitandrina ianao
mba tsy ho voafandrik’io jono mampidi-doza ataon’ny de-
monia io.
13 Tsy hoe mamitaka fotsiny ny anjely ratsy, fa mampita-

hotra ihany koa. Tezitra be i Satana sy ny demoniany satria


fantany fa “fohy ny fotoana ananany”, ka kely sisa dia tsy
ho afaka hanao na inona na inona intsony izy ireo. (Apo-
kalypsy 12:12, 17) Olona an’arivony no natahotra fana-
hy ratsy foana taloha, nefa afaka tamin’izany. Nahoana?
Inona no azo atao raha te hiala amin’ny herin’ny mai-
zina?
FOMBA ANOHERANA NY ANJELY RATSY
14 Atoron’ny Baiboly hoe ahoana no hanoherana ny
anjely ratsy sy tsy hifandraisana aminy intsony. Diniho
ny nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany,
tany Efesosy. Nifandray tamin’ny anjely ratsy izy ireo ta-
min’ny mbola tsy Kristianina. Ahoana no nialany tamin’
izany? Hoy ny Baiboly: “Maro tamin’ireo zatra nampiasa
herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro iza-
ny teo anatrehan’ny rehetra.” (Asan’ny Apostoly 19:19) Na-
ndoro ny bokiny momba ny mazia izy ireo, ka ohatra tsara
ho an’izay te hanohitra ny anjely ratsy. Raha te hanompo
an’i Jehovah ny olona iray, dia tokony hopotehiny daholo
ny zava-drehetra misy ifandraisany amin’ny demonia. Ani-
san’izany ny boky, gazety, sary, na mozika mampirisika ny
olona hifandray amin’ny demonia na mampiseho hoe ma-
hafinaritra ny manao an’izany. Anisan’izany koa ny ody
na tapa-kazo na zavatra hafa atao fiaro.—1 Korintianina
10:21.
13. Afaka tamin’ny inona ny olona maro natahotra ny demonia?
14. Hoatran’ny Kristianina tany Efesosy, inona no tokony hatao mba
tsy hifandraisana intsony amin’ny demonia?
104 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

15 Nanoratra ho an’ireo Kristianina tany Efesosy ny apo-


stoly Paoly, taona vitsivitsy taorian’ny nandoroan’izy ireo
ny bokiny momba ny mazia. Hoy izy: ‘Isika mitolona
amin’ireo fanahy ratsy.’ (Efesianina 6:12) Midika izany fa
mbola nitady hanafika an’ireo Kristianina ireo foana ny
`
demonia. Nila nanao inona ary izy ireo? Hoy i Paoly:
“Ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga le-
hibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono ny
`
zana-tsipıka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy [Satana].”
(Efesianina 6:16) Ho vitantsika kokoa ny hanohitra an’
ireo anjely ratsy, raha manatanjaka ny finoantsika isika.
—Matio 17:20.
16 Ahoana no anatanjahantsika ny finoantsika? Mila

mianatra Baiboly isika. Mafy ny manda, raha matanjaka


tsara ny fototra. Ho mafy orina koa ny finoantsika raha
tsara fototra. Ny fahalalana marina tsara ny Tenin’Andria-
manitra no fototry ny finoantsika. Hihamatanjaka ny fi-
noantsika, raha mamaky sy mianatra Baiboly isan’andro
isika. Toy ny manda mafy izany finoana izany, ka hiaro
antsika amin’ny fanahy ratsy.—1 Jaona 5:5.
17 Nila nanao inona koa ireo Kristianina tany Efesosy?

Nila fiarovana fanampiny izy ireo, satria nanjakan’ny de-


`
monia ny tananany. Hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Mivava-
ha foana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana
inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy, sady manaova va-
vaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra.” (Efesianina
6:18) Anjakan’ny demonia koa ny tontolo misy antsi-
ka, ka mila mivavaka mafy isika mba harovan’i Jeho-
vah amin’ny fanahy ratsy. Tokony hanonona ny anaran’i
Jehovah isika rehefa mivavaka. (Vakio ny Ohabolana
`
18:10.) Mila mangataka aminy foana ary isika, mba ‘ha-
nafahany antsika amin’ilay ratsy’, dia i Satana Devoly.
15. Mila manao inona isika raha te hanohitra ny fanahy ratsy?
16. Ahoana no anatanjahantsika ny finoantsika?
17. Inona no tokony hataontsika mba hanoherana ny fanahy ratsy?
Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy 105

(Matio 6:13) Hamaly antsika i Jehovah raha mivavaka


amin’ny fo isika.—Salamo 145:19.
18 Te hanisy ratsy antsika foana ny anjely ratsy. Tsy misy

atahorantsika azy ireo anefa, raha manohitra ny Devoly


isika sady manatona an’Andriamanitra sy manao ny sitra-
pony. (Vakio ny Jakoba 4:7, 8.) Voafetra ihany ny he-
rin’ny anjely ratsy. Nosazina izy ireo tamin’ny andron’i
Noa, ary horinganina tanteraka amin’ny hoavy. (Joda 6)
Tadidio koa fa miaro antsika ny anjely maherin’i Jehovah.
(2 Mpanjaka 6:15-17) Tian’izy ireo hanohitra ny anje-
ly ratsy isika, ka toy ny hoe ampirisihiny mihitsy mba
`
tsy hanaiky ho resy. Miezaha foana ary hiandany amin’i
Jehovah sy ny fianakaviany, dia ny anjely tsy mivadika.
Aza mifandray amin’ny fanahy ratsy mihitsy, na kely aza,
fa araho foana ny torohevitry ny Baiboly! (1 Petera 5:6, 7;
2 Petera 2:9) Azo antoka amin’izay fa handresy isika amin’
ilay ady ataontsika amin’ny anjely ratsy.
19 Nahoana anefa no mbola avelan’Andriamanitra hisy

ny anjely ratsy sy ireo zavatra ratsy mampijaly ny olona?


Hovaliana ao amin’ny toko manaraka izany.
18, 19. a) Nahoana no azo antoka fa handresy isika amin’ilay ady
ataontsika amin’ny anjely ratsy? b) Inona no hovaliana ao amin’ny
toko manaraka?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Manampy ny mpanompon’i Jehovah
ny anjely tsy mivadika.—Hebreo 1:7, 14.
ˇ Mamitaka sy mampiala ny olona amin’
Andriamanitra i Satana sy ny demoniany.
—Apokalypsy 12:9.
ˇ Handositra anao ny Devoly, raha manohitra
azy sy manao ny sitrapon’Andriamanitra
ianao.—Jakoba 4:7, 8.
TOKO FAHA-11

Nahoana Isika no Avelan’


Andriamanitra Hijaly?
Andriamanitra ve no mahatonga ny fijaliana?
Inona ny adihevitra nipoitra tany
amin’ny zaridainan’i Edena?
Vitan’Andriamanitra ve ny hanonitra ny
fijalian’ny olona? Ahoana no hataony?

VEHIVAVY sy ankizy an’arivony no maty tamin’ny ady na-


hatsiravina tany amin’ny tany iray. Niara-nalevina tao amin’
ny lavaka voahodidina lakroa izy ireo. Nisy soratra teo amin’
ny lakroa tsirairay hoe: “Fa nahoana?” Matetika no mano-
ntany an’izany ny olona mijaly. Malahelo be mantsy izy ireo
rehefa misy ady, heloka bevava, aretina, na loza nahafaty ny
havany tsy manan-tsiny, na nandrava ny tranony, na na-
mpahory azy. Tiany ho fantatra hoe nahoana izy no iharan’
izany.
2 Nahoana i Jehovah Andriamanitra no mamela ny fijalia-

na hisy? Raha izy no mahery indrindra sady be fitiavana sy


hendry ary manao ny rariny, nahoana no feno fankahalana
sy tsy rariny eto an-tany? Efa nieritreritra an’izany ve ianao?
3 Diso ve isika raha manontany hoe nahoana Andriama-

nitra no mamela ny fijaliana hisy? Misy mihevitra fa tsy


ampy finoana na tsy manaja an’Andriamanitra izy, raha ma-
nontany an’izany. Resahin’ny Baiboly anefa, fa nisy olona
1, 2. Inona no mampijaly ny olona, ary inona no fanontaniana ape-
traky ny olona maro noho izany?
3, 4. a) Hazavao fa tsy diso isika raha manontany hoe nahoana no
avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana. b) Inona no tsapan’Andriama-
nitra rehefa mahita ny faharatsiana sy ny fijaliana?
107

Hamarana ny fijaliana rehetra i Jehovah

nanam-pinoana sy natahotra an’Andriamanitra koa name-


traka fanontaniana hoatr’izany. Nanontany an’i Jehovah,
ohatra, i Habakoka mpaminany hoe: “Nahoana no ataonao
mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana?
Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako, ary
nahoana no misy fifamaliana sy fifandirana?”—Habakoka
1:3.
4 Tezitra tamin’io mpaminany io ve i Jehovah, noho izy

nanontany an’izany? Tsia. Nasainy nosoratana ao amin’ny


Baiboly aza ilay izy. Nohazavainy tsara tamin’i Habakoka koa
ny zavatra hataony, ary nampiany izy mba hanam-pinoana
kokoa. Izany koa no tian’i Jehovah hatao ho anao. Tadidio
fa ‘miahy anao izy’, hoy ny 1 Petera 5:7. Azo antoka fa tsy
tianao ny mahita ny faharatsiana sy ny fijaliana. Andriama-
nitra anefa mbola mankahala an’izany lavitra noho ianao.
`
(Isaia 55:8, 9) Nahoana ary no be dia be ny fijaliana?
NAHOANA NO BE DIA BE NY FIJALIANA?
5 Mpivavaka maro no manontany ny mpitondra fivavaha-
na ao aminy hoe nahoana no be dia be ny fijaliana. Matetika
5. Inona indraindray no lazaina fa mahatonga ny olona hijaly, nefa
inona no ampianarin’ny Baiboly?
108 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

izy ireo no mamaly hoe izany no sitrapon’Andriamanitra,


ary izy no mandahatra ny zava-drehetra, anisan’izany ny
loza. Tsy takatry ny saina, hono, ny zavatra ataon’Andriama-
nitra. Rehefa misy maty, na ankizy aza, dia lazainy fa nalain’
Andriamanitra mba hiaraka aminy any an-danitra. Efa fanta-
trao anefa fa tsy Andriamanitra mihitsy no mahatonga ny
faharatsiana. Hoy ny Baiboly: “Sanatria an’ilay tena Andria-
manitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indri-
ndra ny hanao ny tsy rariny!”—Joba 34:10.
`
6 Nahoana ary ny olona no manome tsiny an’Andriama-
nitra noho ny fijaliana rehetra eran-tany? Satria mieritreri-
tra izy ireo hoe izy no Andriamanitra Mahery Indrindra, ary
izy no mitondra an’izao tontolo izao. Efa hitantsika anefa fa
i Satana Devoly no tena mitondra an’ity tontolo ity. Tso-
tra io fahamarinana ao amin’ny Baiboly io nefa zava-de-
hibe.
7 Hoy ny Baiboly: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo

ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Tsy marina ve iza-


ny, hoy ianao? Manahaka an’ilay anjely “mamitaka ny tany
rehetra misy mponina” ity tontolo ity. (Apokalypsy 12:9)
Feno fankahalana i Satana, sady mpamitaka sy ratsy fanahy.
`
Feno fankahalana sy fitaka ary habibiana koa ary ilay tonto-
lo eo ambany fahefany. Izany no antony voalohany maha-
tonga ny fijaliana ho be dia be.
8 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-3 ny antony faharoa,

hoe lasa tsy lavorary sy mpanota ny olona taorian’ilay fi-


komiana tany Edena. Miady fahefana ny olona, ka izany
no mampisy ady sy fampahoriana ary fijaliana. (Mpitorite-
ny 4:1; 8:9) ‘Mety ho azon-tsampona amin’ny fotoana tsy
ampoizina’ koa isika rehetra, ary izay no antony fahatelo.
6. Nahoana ny olona maro no manome tsiny an’Andriamanitra noho
ny fijaliana eran-tany?
7, 8. a) Ahoana no ahitana fa manahaka an’ilay mpitondra azy ity
tontolo ity? b) Inona ny antony faharoa sy fahatelo mahatonga ny fi-
jaliana, ary nahoana?
Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly? 109

(Vakio ny Mpitoriteny 9:11.) Tsy mitondra na miaro an’izao


tontolo izao i Jehovah, ka mety hijaly ny olona raha sendra
eny amin’ny toerana itrangan’ny loza.
9 Mampahery ny mahalala fa tsy Andriamanitra no maha-

tonga ny fijaliana. Tsy izy no mampisy ny ady, heloka beva-


va, fampahoriana, ary na dia ny loza hafa toy ny rivo-doza
na ny horohoron-tany aza. Nahoana anefa i Jehovah no ma-
mela an’izany rehetra izany hitranga? Vitany mantsy ny ma-
mpitsahatra an’izany, satria izy no Mahery Indrindra. Mani-
`
nona ary izy no mbola tsy manao an’izany? Andriamanitra
fitiavana izy, ka tsy maintsy misy antony matoa izy mbola
miandry.—1 Jaona 4:8.
NISY ADIHEVITRA BE NIPOITRA
10 Nahoana tokoa Andriamanitra no mbola mamela ny fi-
jaliana hisy? Hojerentsika aloha izay nitranga tamin’ny vao
nanomboka nisy ny fijaliana. Lasa nisy adihevitra be nipoi-
`
tra, rehefa nitarika an’i Adama sy Eva tsy hankato an’i Jeho-
vah i Satana. Tsy niady hevitra momba ny herin’i Jehovah i
Satana, satria fantany hoe i Jehovah no mahery indrindra.
Ny adihevitra napoitrany kosa dia hoe manana zo hitondra
ve i Jehovah. Niampanga an’i Jehovah ho tsy mahay mito-
ndra izy, rehefa nilaza fa mpandainga Andriamanitra, sady
misy zavatra tsara tsy omeny ny vahoakany. (Vakio ny Ge-
nesisy 3:2-5.) Te hilaza i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainan’
ny olona, raha tsy i Jehovah Andriamanitra no mitondra azy
ireo. Nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra izy.
11 Nivadika tamin’i Jehovah i Adama sy Eva. Toy ny nila-

za izy ireo hoe: ‘Izahay tsy mila an’i Jehovah ho Mpitondra


anay. Izahay ihany dia efa mahavita manapa-kevitra hoe
9. Nahoana isika no matoky fa misy antony matoa i Jehovah mbola
mamela ny fijaliana hisy?
10. Inona ilay adihevitra napoitran’i Satana, ary ahoana no nanaova-
ny an’izany?
11. Nahoana no tsy tonga dia noringanin’i Jehovah i Adama sy Eva
ary Satana?
Mahay kokoa noho ilay mpampianatra ve ilay mpianatra?

izao no tsara na izao no ratsy.’ Ahoana no nandaminan’i Je-


hovah an’izany? Ahoana no hanaporofoany amin’ny anjely
sy ny olona rehetra fa izy no tena mahay mitondra, ary diso
ireo mpanohitra azy? Mety hisy hilaza fa tokony ho nari-
ngan’i Jehovah fotsiny izy ireo, dia namorona olon-kafa
indray izy. Efa nilaza anefa i Jehovah fa tiany hameno ny
tany ny taranak’i Adama sy Eva, ary hipetraka ao amin’ny
paradisa. (Genesisy 1:28) Manatanteraka ny fikasany foana i
Jehovah. (Isaia 55:10, 11) Raha tonga dia noringanina koa i
Adama sy Eva ary Satana, dia tsy voaporofo hoe manana zo
hitondra tokoa izy.
12 Eritrereto, ohatra, hoe mampianatra ny mpianany ha-

nao kajy sarotra ny mpampianatra iray. Misy mpianatra ma-


hay be anankiray anefa manohitra ny teniny, ka milaza fa
diso ilay zavatra atorony. Te hampiseho izy hoe tsy mahay
ilay mpampianatra, ka lazainy fa mahita fomba tsara kokoa
hanaovana an’ilay kajy izy. Mieritreritra ny mpianatra sa-
12, 13. Nahoana no navelan’i Jehovah hitondra an’izao tontolo izao
i Satana, ary nahoana ny olona no navelany hanana ny fanjakany?
Hazavao amin’ny ohatra.
Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly? 111

sany fa marina ny azy, ka lasa manohitra an’ilay mpampia-


natra koa izy ireo. Inona no tokony hataon’ilay mpampiana-
tra? Inona no ho vokany amin’ny mpianatra hafa, raha roa-
hiny daholo ireo mpianatra manohitra azy? Mety hino ny
tenin’ilay mpiara-mianatra aminy ry zareo ka hilaza fa ny
azy no marina. Mety tsy hanaja an’ilay mpampianatra intso-
ny koa ry zareo, satria heveriny fa matahotra ilay mpampia-
natra sao ho hita hoe diso. Inona kosa no ho vokany raha
avelany hanao an’ilay kajy ilay mpianatra manohitra azy?
13 Toy izany koa no nataon’i Jehovah. Tsy naringany avy

hatrany i Adama sy Eva ary Satana, satria: Voalohany, nisy


anjely be dia be koa nahita tsara an’izay nitranga. (Joba 38:7;
Daniela 7:10) Mila mahita porofo izy ireo hoe i Jehovah sa
Satana no manana ny marina. Faharoa, ny olombelona re-
`
hetra ho teraka aty aoriana koa mila mahalala hoe iza no
`
manana ny zo hitondra. Inona ary no nataon’i Jehovah? Na-
velany hitondra ny olombelona i Satana. Navelany hanana
ny fanjakany koa ny olona, ka i Satana no mitarika azy
ireo.
14 Fantatr’ilay mpampianatra fa diso ilay mpianatra sy ny

mpanohana azy. Fantany koa anefa fa raha avelany hanapo-


rofo ny heviny izy ireo, dia ny mpianatra rehetra mihitsy no
handray soa. Rehefa hita hoe tsy mahomby mantsy izy ireo,
dia hiaiky ny mpianatra hafa rehetra fa ilay mpampianatra
ihany no tena mahay. Rehefa roahin’ilay mpampianatra koa
izy ireo avy eo, dia ho azon’ny mpianatra hafa ny antony.
Hoatr’izany koa no nataon’i Jehovah. Fantany fa handray
soa ny olona tso-po sy ny anjely tsara rehetra, rehefa mahi-
ta fa tsy mahomby i Satana sy ny mpanohana azy ary tsy
mahay mitondra ny olombelona. Hiaiky hoatran’i Jeremia
ˆ
izy ireo hoe: “Jehovah o, fantatro tsara fa tsy an’ny olombe-
lona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiai-
nany koa ny olona.”—Jeremia 10:23.
14. Inona no mahatsara ny hoe navelan’i Jehovah hanana ny fanja-
kany ny olombelona?
112 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

NAHOANA NO ELA BE HOATR’IZAO?


15 Nahoana anefa no avelan’i Jehovah hitohy ela be
hoatr’izao ny fijaliana? Maninona raha sakanany mba tsy
hitranga ny zava-dratsy? Misy zavatra roa tsy nataon’ilay
mpampianatra mihitsy. Voalohany, tsy nisakana an’ilay
mpianatra tsy hanao an’ilay kajy izy. Faharoa, tsy nanampy
an’ilay mpianatra hanaporofo ny heviny izy. Misy zavatra
roa koa tsy ataon’i Jehovah mihitsy. Voalohany, tsy nisaka-
na an’i Satana sy ny mpanaraka azy izy, fa navelany hana-
porofo ny heviny izy ireo. Mila fotoana elaela izany. Efa
nanandrana karazana fitondrana be dia be ny olona, na-
ndritra ny an’arivony taona maro. Nisy fandrosoana vitan’
izy ireo teo amin’ny siansa sy zavatra hafa, nefa vao mai-
nka mitombo ny tsy rariny, fahantrana, heloka bevava, ary
`
ady. Voaporofo ary hoe tsy mahomby ny fitondran’olombe-
lona.
16 Faharoa, tsy nanampy an’i Satana hitondra an’ity to-

ntolo ity i Jehovah. Raha sakanany, ohatra, ny heloka beva-


va mahatsiravina, tsy hoatran’ny manohana an’i Satana sy
ny mpanaraka azy ve izy? Lasa hieritreritra koa ny olona
hoe mahavita mitondra irery ny fiainany ihany izy ireo, ary
tsy misy olana be akory. Tsy marina anefa izany fa lainga
avy amin’i Satana. Manohana ny mpandainga i Jehovah
raha manao an’izany. ‘Tsy mahay mandainga’ anefa izy.
—Hebreo 6:18.
17 Ahoana anefa ireo zava-dratsy rehetra efa nitranga ha-

tramin’izay? Tadidio fa i Jehovah no mahery indrindra, ka


vitany ny manonitra an’izay fijaliana rehetra niaretan’ny
olona. Na efa nosimban’ny olona aza ny tany, dia haveriny
ho paradisa indray. Na be dia be aza ny vokatry ny ota, dia
ho afaka amin’izany ireo mino ny sorom-panavotan’i Jeso-
15, 16. a) Nahoana no avelan’i Jehovah hitohy ela be ny fijaliana?
b) Nahoana no tsy sakanany ny heloka bevava?
17, 18. Hataon’i Jehovah ahoana ny zava-dratsy rehetra vokatry ny fi-
tondran’ny olona sy Satana?
Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly? 113

sy. Na tena mampahory aza ny fahafatesana, dia ho foana


izany noho ny fitsanganan’ny maty. Hampiasa an’i Jesosy
i Jehovah mba “handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8)
Hotanterahin’i Jehovah amin’ny fotoana mety izany rehe-
tra izany. Soa ihany fa nanam-paharetana izy, ka niandry
hatramin’izao. Raha tsy izany mantsy isika tsy afaka niana-
tra ny fahamarinana sy nanompo azy. (Vakio ny 2 Petera
3:9, 10.) Mbola mitady olona hanompo azy Andriamanitra
amin’izao. Ampiany koa izy ireo hiaritra fijaliana, satria
feno zava-manahirana eto an-tany.—Jaona 4:23; 1 Korintia-
nina 10:13.
18 Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Hoatr’izay tsy nisy ny fija-

liana, raha noforonin’i Jehovah mba hanaiky an’izay lazai-


ny fotsiny i Adama sy Eva, ary nataony tsy afaka mivadika
aminy!’ Tadidio fa nisy fanomezana sarobidy nomen’i Je-
hovah anao. Inona izany?
AMPIASAO TSARA ILAY FANOMEZANA
AVY AMIN’ANDRIAMANITRA
19 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa nomena safidy

malalaka ny olona ary tena sarobidy izany. Nanao biby be


dia be Andriamanitra, saingy baikoin’ny faniriany voajana-
hary fotsiny izy ireny, fa tsy mahalala izay tsa-
ra sy ratsy. (Ohabolana 30:24) Ho tiantsika ve
raha hoatr’izany koa no nanaovan’Andria-
manitra antsika? Tsia. Faly kosa isika satria
navelany hisafidy an’izay toetra tiantsika, na
ny fomba fiainantsika, na ny namantsika.
19. Inona ny fanomezana nomen’i Jehovah antsika,
ary nahoana no tokony ho
sarobidy amintsika izy io?

Hanampy anao hiaritra


fijaliana Andriamanitra
114 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Faly koa isika rehefa tsy voafehifehy loatra, ary izany no


tian’Andriamanitra ho fiainantsika.
20 Tian’i Jehovah hanompo azy amin’ny fo isika fa tsy te-

rena. (2 Korintianina 9:7) Inona, ohatra, no tian’ny ray


aman-dreny? Misaotra azy amin’ny fo ny zanany, sa misao-
`
tra azy satria noterena? Ilaina ary ny mandinika hoe: Ahoa-
na no hampiasanao ny safidy malalaka nomen’i Jehovah
anao? Tsy nampiasa tsara ny safidy nomena azy i Adama sy
Eva ary Satana, fa nanao zavatra faran’izay ratsy. Nanda an’
i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Ary ianao? Inona no ha-
taonao?
21 Afaka mampiasa tsara ny safidy nomena anao ianao,

ka manohana ny zon’i Jehovah hitondra, toy ny efa ataon’


ny olona an-tapitrisany. Mampifaly an’Andriamanitra izy
ireo, satria manaporofo amin’ny zavatra ataony fa mpa-
ndainga i Satana ary tena tsy mahomby ny fitondrany.
(Ohabolana 27:11) Manao an’izany koa ianao, raha mifidy
ny fomba fiaina mety. Hohazavaina ao amin’ny toko ma-
naraka izany.
20, 21. Ahoana no ampiasantsika tsara ny safidy nomena antsika, ary
nahoana isika no tokony hanao an’izany?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Tsy Andriamanitra no mahatonga ny
faharatsiana eran-tany.—Joba 34:10.
ˇ Niampanga an’i Jehovah ho tsy mahay
mitondra i Satana, rehefa nilaza fa
mpandainga izy sady misy zavatra tsara
tsy omeny ny vahoakany.—Genesisy 3:2-5.
ˇ Hampiasa ny Zanany, dia ny Mesia
Mpanjaka, i Jehovah mba hanafoana ny
fijaliana rehetra, sy hanonitra an’izay rehetra
niaretan’ny olona.—1 Jaona 3:8.
TOKO FAHA-12

Fomba Fiaina Mampifaly


An’Andriamanitra
Inona no tokony hataonao raha te
ho naman’Andriamanitra ianao?
Nahoana no mahakasika anao koa
ny fiampangan’i Satana?
Fitondran-tena manao ahoana no
tsy mampifaly an’i Jehovah?
Ahoana no ampifalianao an’Andriamanitra?

OLONA manao ahoana no tianao hatao namana? Azo anto-


ka fa olona mitovy hevitra aminao sy liana amin’ny zavatra
mahaliana anao ary manaja an’izay zava-dehibe aminao. Ma-
hafinaritra anao koa angamba ny olona tsara toetra, ohatra
hoe manao ny marina sy tsara fanahy.
2 Nifidy olona sasany ho namany akaiky i Jehovah. Na-

ntsoiny hoe namany, ohatra, i Abrahama. (Vakio ny Isaia


41:8; Jakoba 2:23.) Nilaza koa izy fa ‘lehilahy sitraky ny
fony’ i Davida, satria tiany ny toetrany. (Asan’ny Apostoly
13:22) ‘Tena tiany’ koa i Daniela mpaminany.—Daniela 9:23.
3 Nahoana i Jehovah no nandray an’i Abrahama sy Davida

ary Daniela ho namana? Hoy izy tamin’i Abrahama: “Nihai-


no ny teniko ianao.” (Genesisy 22:18) Izay olona manetry
`
tena sy manao an’izay takiny ary no ataon’i Jehovah nama-
na. Hoy izy tamin’ny Israelita: “Ankatoavy ny teniko, dia ho
Andriamanitrareo aho, ary ianareo ho oloko.” (Jeremia 7:23)
`
Ho lasa naman’i Jehovah koa ianao, raha mankato azy.
`
1, 2. Milaza olona sasany tena naman’i Jehovah.
3. Nahoana ny olona sasany no lasa naman’i Jehovah?
116 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

AMPAHEREZIN’I JEHOVAH NY NAMANY


4 Eritrereto ny soa horaisinao raha minamana amin’
Andriamanitra ianao. Milaza ny Baiboly fa mitady fomba
“hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy
amin’ny fo manontolo” izy. (2 Tantara 16:9) Ahoana no
ampiasan’i Jehovah ny heriny mba hanampiana anao? Hoy
izy ao amin’ny Salamo 32:8: “Hataoko izay hahatonga anao
ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony haleha-
nao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny maso-
ko.”
5 Tena miahy antsika tokoa i Jehovah! Hanoro hevitra

anao izy, ary hiaro anao rehefa manaraka an’izay atorony


ianao. Tiany ho tafavoaka amin’ny fitsapana mahazo anao
ianao. (Vakio ny Salamo 55:22.) Raha manompo azy amin’
`
ny fo manontolo ary ianao, dia hatoky hoatran’ilay mpa-
nao salamo hoe: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i
Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako.”
(Salamo 16:8; 63:8) Afaka manampy anao hanana fomba
fiaina mampifaly azy tokoa i Jehovah. Misy fahavalony te
hisakana anao tsy hanao an’izany anefa.
NY FIAMPANGAN’I SATANA
6 Efa nianarantsika fa nanohitra ny zon’Andriamanitra
hitondra i Satana Devoly. Nilaza izy fa mpandainga Andria-
manitra ary nanao ny tsy rariny, satria tsy namela an’i Ada-
ma sy Eva hanapa-kevitra irery ny amin’izay tsara sy ratsy.
Rehefa nanota izy mivady ka nanomboka nameno ny tany
ny taranany, dia ny olombelona rehetra indray no nampa-
ngain’i Satana. Tsy fitiavana, hono, no anompoan’ny olo-
na an’Andriamanitra. Raha avela hitsapa ny olona, hono,
izy dia ho vitany ny hampiala azy rehetra amin’i Jehovah.
Tena nino i Satana hoe hahavita an’izany, rehefa jerena ny
4, 5. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny heriny mba hanampiana ny
vahoakany?
6. Ahoana no niampangan’i Satana ny olombelona?
Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra 117

tantaran’i Joba. Iza io lehilahy io, ary ahoana no niampa-


ngan’i Satana azy?
7 Efa 3 600 taona lasa izay no niainan’i Joba. Olona tsara

izy, satria hoy i Jehovah: ‘Tsy misy tahaka azy eny ambonin’
ny tany. Lehilahy tsy manan-tsiny izy, sady marina sy ma-
tahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy.’ (Joba 1:8)
Nampifaly an’Andriamanitra i Joba.
8 Niampanga an’i Joba i Satana hoe tsy fitiavana akory no

anompoany an’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Jehovah:


“Tsy ianao ve no niaro [an’i Joba] sy ny tranony ary ny fa-
nanany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany, ka maneni-
ka ny tany ny biby fiompiny. Fa ahinjiro kosa ny tananao,
azafady, ary kasiho ny fananany rehetra, dia jereo raha tsy
hanozona anao eo imasonao izy.”—Joba 1:10, 11.
9 Nanizingizina i Satana fa te hahazo tombontsoa fotsiny

i Joba matoa nanompo an’Andriamanitra. Nilaza koa izy fa


hivadika amin’Andriamanitra i Joba, raha iharan’ny fitsapa-
`
na. Inona ary no nataon’i Jehovah? Navelany hitsapa an’i
Joba i Satana, mba hahitana ny tena antony anompoan’i
Joba azy. Ho fantatra amin’izay raha tia an’Andriamanitra
tokoa izy na tsia.
NIHARAM-PITSAPANA I JOBA
10 Nanao zavatra maromaro i Satana mba hitsapana an’i
Joba. Nisy nangalatra ny bibiny sasany, ary ny sasany nisy
namono. Nisy namono koa ny ankamaroan’ny mpano-
`
mpony. Lasa sahirana ara-bola ary izy. Tsy vitan’izay anefa,
fa matin’ny tafio-drivotra koa ny zanany folo. ‘Tsy nanota
anefa i Joba, sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihi-
tsy’, na teo aza izany loza amin’antambo izany.—Joba 1:22.
7, 8. a) Inona no nampiavaka an’i Joba tamin’ny olona tamin’ny
androny? b) Ahoana no niampangan’i Satana an’i Joba?
9. Inona no nataon’i Jehovah rehefa niampanga an’i Joba i Satana,
ary nahoana?
10. Inona avy ny fitsapana nihatra tamin’i Joba, nefa inona no na-
taony?
Namaly soa an’i Joba i Jehovah
satria tsy nivadika izy
Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra 119

11 Tsy nilavo lefona i Satana. Hitany fa mbola zakan’i


Joba ilay hoe very fananana sady maty ny zanany sy ny
`
mpanompony. Nieritreritra ary izy fa raha atao marary
i Joba dia hiala amin’Andriamanitra. Navelan’i Jehovah
hamely an’i Joba tamin’ny aretina nahatsiravina sy na-
`
mpanaintaina ary i Satana. Mbola tsy nivadika tamin’
Andriamanitra ihany anefa i Joba. Hentitra izy nilaza hoe:
“Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry
ny aiko.”—Joba 27:5.
12 Tsy fantatr’i Joba hoe avy tamin’i Satana ny olana na-

hazo azy. Nieritreritra izy fa mety ho avy tamin’Andriama-


nitra izany, satria tsy fantany tamin’ny an-tsipiriany hoe
nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra i Satana. (Joba 6:4;
16:11-14) Mbola tsy nivadika tamin’i Jehovah ihany anefa
`
izy. Voaporofo ary fa diso ilay fiampangan’i Satana hoe fi-
tiavan-tena fotsiny no nanompoan’i Joba an’Andriamani-
tra.
13 Tena afaka namaly tsara ny fiampangan’i Satana i Je-

hovah satria tsy nivadika i Joba. Naman’i Jehovah tokoa i


Joba, ary nomeny valisoa be dia be.—Joba 42:12-17.
MIAMPANGA ANAO KOA I SATANA
14 Tsy i Joba irery no nampangain’i Satana hoe hivadika
amin’Andriamanitra, fa ianao koa. Manaporofo an’izany
ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Ohabolana 27:11 hoe: “He-
ndre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’
ilay manaratsy ahy.” Taona maro taorian’ny nahafatesan’i
Joba no nanoratana an’ireo teny ireo. Hita amin’izany
fa mbola manaratsy an’Andriamanitra sy miampanga ny
11. a) Inona indray no niampangan’i Satana an’i Joba, ary inona no
nataon’i Jehovah? b) Inona no nataon’i Joba rehefa narary mafy izy?
12. Ahoana no nanaporofoan’i Joba fa diso ny fiampangan’ny De-
voly?
13. Inona ny vokany rehefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Joba?
14, 15. Nahoana isika no milaza fa ny olona rehetra no ampangain’i
Satana, fa tsy i Joba irery?
120 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

mpanompony foana i Satana. Afaka manaporofo anefa isi-


ka hoe diso ny fiampangany, raha mampifaly an’i Jehovah
ny fomba fiainantsika. Mety hisy fiovana tsy maintsy ha-
taonao amin’izany. Tsy mba tianao ve anefa raha ianao koa
mba anisan’ny manaporofo hoe diso ny tenin’i Satana?
15 Nilaza i Satana hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona dia

homeny hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4) Hita amin’ilay te-


niny hoe “olona” fa tsy i Joba irery no nampangainy, fa ny
olona rehetra mihitsy. Tena tsy azo hamaivanina izany. Ni-
laza mantsy i Satana fa hivadika amin’Andriamanitra koa
`
ianao. Tiany tsy hankato an’Andriamanitra ianao, ary tsy
hanao ny tsara intsony rehefa misy zava-tsarotra. Ahoana
no anaovany an’izany?
16 Efa hitantsika fa mampiasa tetika samihafa i Satana,

mba hampialana ny olona amin’Andriamanitra. Voaloha-


ny, manafika toy “ny liona mierona, mitady olona harapa-
ka” izy. (1 Petera 5:8) Ahoana no ataony amin’izany?
Ampirisihiny, ohatra, ny namanao na ny havanao mba hi-
sakana anao tsy hianatra Baiboly intsony, sy tsy hampiha-
tra an’izay ianaranao.1 (Jaona 15:19, 20) Faharoa, “miseho
foana ho toy ny anjelin’ny mazava” i Satana. (2 Korintiani-
na 11:14) Mampiasa hafetsena izy mba hamitahana anao
sy hahatonga anao hanao zavatra tsy mampifaly an’Andri-
amanitra. Mety hataony koa izay hahakivy anao, ka hieri-
treretanao hoe tsy ho vitanao mihitsy ny hampifaly an’
Andriamanitra. (Ohabolana 24:10) Na toy “ny liona mie-
rona” anefa i Satana na “toy ny anjelin’ny mazava”, dia tsy
1 Tsy midika izany hoe fehezin’i Satana mivantana ny olona mano-
hitra anao. I Satana anefa no andriamanitr’ity tontolo ity, ka eo amba-
ny fahefany izao tontolo izao manontolo. (2 Korintianina 4:4; 1 Jao-
`
na 5:19) Efa manampo ary isika hoe hisy hanohitra, satria tsy tian’ny
olona izany hoe manana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra
izany.

16. a) Inona avy ny tetika ampiasain’i Satana mba hampialana ny


olona amin’Andriamanitra? b) Ahoana no mety hampiasan’ny Devo-
ly an’ireo tetika ireo, mba hamelezana anao?
Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra 121

miova ilay fiampangany hoe: Tsy hanompo an’Andriama-


nitra intsony ianao, rehefa tratran’ny fitsapana na fakam-
panahy. Inona no azonao atao mba hahatonga anao tsy hi-
vadika toa an’i Joba, ka hanaporofo fa diso izany?
ANKATOAVY NY DIDIN’I JEHOVAH
17 Rehefa manana fomba fiaina mampifaly an’Andriama-
nitra ianao, dia manaporofo hoe diso ilay fiampangan’i Sa-
tana. Ahoana no anaovana an’izany? Hoy ny Baiboly: “Tia-
vo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy
ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Deo-
teronomia 6:5) Lasa te hanao izay takin’Andriamanitra ia-
nao, rehefa tia azy kokoa. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao
no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika
ny didiny.” Raha tia an’i Jehovah amin’ny fonao manonto-
lo ianao, dia ho hitanao fa ‘tsy mavesatra ny didiny.’
—1 Jaona 5:3.
18 Inona avy ny didin’i Jehovah? Mahita ny sasany amin’

izany isika eo amin’ilay efajoro hoe “Aza Manao Izay Ha-


lan’i Jehovah”, eo amin’ny pejy 122. Misy zavatra maro-
maro raran’ny Baiboly tanisaina ao. Hoatran’ny tsy dia ra-
tsy loatra angamba ny sasany aminy, raha topazana maso
fotsiny. Rehefa tena saintsaininao anefa ireo andinin-teny
`
ao, dia hiaiky ianao hoe feno fahendrena ny lalan’i Jeho-
vah. Mety ho sarotra be aminao koa ny hiova. Mahafinari-
tra sady mahasambatra anefa ny manana fomba fiaina ma-
mpifaly an’Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18) Matokia fa ho
vitanao izany. Nahoana?
19 Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy i Jehovah.

(Vakio ny Deoteronomia 30:11-14.) Mahafantatra tsara


antsika mihoatra noho ny tenantsika izy, ka hainy hoe
hatraiza ny mety ho vitantsika. (Salamo 103:14) Afaka
17. Inona no tena antony ankatoavantsika ny didin’i Jehovah?
18, 19. a) Inona ny sasany amin’ny didin’i Jehovah? (Jereo ny efa-
joro, pejy 122.) b) Ahoana no ahalalantsika fa tsy mitaky zavatra be
loatra amintsika Andriamanitra?
122 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
manome hery koa izy mba hahafahantsika hankato azy.
Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny
Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mi-
hoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy
dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo iza-
ny.’ (1 Korintianina 10:13) Afaka manome anao “hery fa-
nampiny” mihitsy aza i Jehovah, mba hanampiana anao
hiaritra. (2 Korintianina 4:7) Nahavita niaritra fitsapana
maro i Paoly. Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny
toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery
ahy.”—Filipianina 4:13.

AZA MANAO IZAY HALAN’I JEHOVAH


Mamono olona.—Eksodosy Tsy mety afa-po.
20:13; 21:22, 23. —1 Korintianina 5:11.
Ratsy fitondran-tena. Mahery setra.—Salamo 11:5;
—Levitikosy 20:10, 13, 15, 16; Ohabolana 22:24, 25; Malakia 2:16;
Romanina 1:24, 26, 27, 32; Galatianina 5:20, 21.
1 Korintianina 6:9, 10. Manao resaka tsy mendrika.
Mifandray amin’ny fanahy —Levitikosy 19:16; Efesianina 5:4;
Kolosianina 3:8.
ratsy.—Deoteronomia 18:9-13;
1 Korintianina 10:21, 22; Mihinana ra na manaiky
Galatianina 5:20, 21. fampidiran-dra.—Genesisy 9:4;
Asan’ny Apostoly 15:20, 28, 29.
Manompo sampy.
—1 Korintianina 10:14. Tsy mety mamelom-bady
aman-janaka.—1 Timoty 5:8.
Mamo.—1 Korintianina 5:11.
Mandray anjara amin’ny
Mangalatra.—Levitikosy 6:2, 4; ady sy ny politika.—Isaia 2:4;
Efesianina 4:28. Jaona 6:15; 17:16.
Mandainga.—Ohabolana 6: Mihinam-paraky, na mifoka
16, 19; Kolosianina 3:9; sigara na rongony.—Marka
Apokalypsy 22:15. 15:23; 2 Korintianina 7:1.
Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra 123

MIEZAHA HANANA TOETRA TIAN’ANDRIAMANITRA


20 Tsy ampy ny hoe tsy manao an’izay halan’i Jehovah.

Mila tia an’izay tiany koa isika, raha tena te hampifaly azy.
(Romanina 12:9) Tsy mba tianao ve ny miaraka amin’ny olo-
na mitovy hevitra aminao, sy liana amin’ny zavatra mahalia-
na anao, ary manaja an’izay zava-dehibe aminao? Hoatr’iza-
`
ny koa i Jehovah. Mianara ary ho tia ny zavatra tiany. Ao
amin’ny Salamo 15 ny sasany amin’izany. Lazainy ao ny toe-
tran’ny olona eken’Andriamanitra ho namany. (Vakio ny
20. Inona avy ny toetra tokony hiezahanao hananana, ary nahoana?
124 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Salamo 15:1-5.) Manana an’ireto toetra ireto ny naman’i Je-


hovah: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-
panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fife-
hezan-tena.” Ireo no antsoin’ny Baiboly hoe “vokatry ny
fanahy.”—Galatianina 5:22, 23.
21 Hanana toetra tian’Andriamanitra ianao, raha mamaky

sy mianatra Baiboly tsy tapaka. Hifanaraka amin’ny fisainan’


i Jehovah ny toe-tsainao, raha mianatra an’izay takiny ianao.
(Isaia 30:20, 21) Arakaraka ny hitiavanao azy no vao mainka
hahatonga anao ho te hampifaly azy.
22 Mila miezaka mafy ianao raha te hanova ny fomba fiai-

nanao. Milaza ny Baiboly fa mila manaisotra ny toetranao ta-


loha sy mitafy toetra vaovao ianao. (Kolosianina 3:9, 10) Mi-
laza anefa ny mpanao salamo fa “ahazoana valisoa lehibe ny
fitandremana” ny didin’i Jehovah. (Salamo 19:11) Hahatsa-
pa an’izany koa ianao, raha mampifaly an’Andriamanitra ny
fomba fiainanao. Hoporofoinao amin’izany fa diso ny fia-
mpangan’i Satana, sady hampifaly ny fon’i Jehovah ianao.
21. Inona no hanampy anao hanana toetra tian’Andriamanitra?
22. Inona no hoporofoinao, raha mampifaly an’Andriamanitra ny fo-
mba fiainanao?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Ho lasa naman’Andriamanitra ianao,
`
raha mankato azy.—Jakoba 2:23.
ˇ Nilaza i Satana fa hivadika ny olona rehetra.
—Joba 1:8, 10, 11; 2:4; Ohabolana 27:11.
ˇ Tsy maintsy ialantsika izay fanao tsy
mampifaly an’Andriamanitra.
—1 Korintianina 6:9, 10.
ˇ Hampifaly an’i Jehovah isika, raha mankaha-
la izay ankahalainy ary tia an’izay tiany.
—Romanina 12:9.
TOKO FAHA-13

Sarobidy ny Aina
Nahoana isika no tian’Andriamanitra
hanaja ny aina?
Ahoana ny fiheverany ny fanalana zaza?
Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny aina isika?

HOY i Jeremia mpaminany: ‘I Jehovah no tena Andriama-


nitra. Izy no Andriamanitra velona.’ (Jeremia 10:10) I Jeho-
vah Andriamanitra koa no Mpamorona ny zavamananaina
rehetra. Hoy ny zavaboary any an-danitra taminy: “Namo-
rona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no na-
mpisy sy namoronana azy ireny.” (Apokalypsy 4:11) Hoy
koa i Davida Mpanjaka, rehefa nidera azy: “Ianao no loha-
ranon’aina.” (Salamo 36:9) Fanomezana avy amin’Andria-
`
manitra ary ny aina.
2 I Jehovah koa no mamelona antsika. (Asan’ny Apostoly

17:28) Manome antsika sakafo hohanina izy, rano hosotroi-


na, rivotra hiainana, ary tany hipetrahana. (Vakio ny Asan’
ny Apostoly 14:15-17.) Nataony koa izay hahatonga ny
fiainantsika hahafinaritra. Raha tena te ho sambatra ane-
` `
fa isika, dia mila mianatra sy mankato ny lalany.—Isaia
48:17, 18.
HAJAO NY AINA
3 Tian’Andriamanitra hanaja ny aina isika, izany hoe ny
aintsika sy ny ain’olon-kafa. Nisy fotoana tezitra be tamin’i
1. Iza no namorona ny zavamananaina rehetra?
2. Inona avy no omen’Andriamanitra mba hivelomantsika?
3. Inona no mampiseho fa tsy nankasitraka ny namonoana an’i Abe-
la Andriamanitra?
MANAJA NY AINA ISIKA RAHA

ˇ tsy manala zaza

ˇ miala amin’ny
fanao maloto

ˇ manala tanteraka
ny fankahalana
ao am-pontsika
Sarobidy ny Aina 127

Abela zandriny lahy i Kaina zanak’i Adama sy Eva. Nampi-


tandrina an’i Kaina i Jehovah tamin’izay fa mety hanao
fahotana lehibe izy raha tsy mifehy ny hatezerany. Tsy
noraharahain’i Kaina anefa izany, fa ‘namely an’i Abela ra-
halahiny izy ka nahafaty azy.’ (Genesisy 4:3-8) Nosazin’i Je-
`
hovah ary i Kaina.—Genesisy 4:9-11.
4 An’arivony taona taty` aoriana, dia tian’i Jehovah hano-
`
mpo azy araka izay tiany ny Israelita ka nomeny lalana. Na-
` `
ntsoina hoe Lalan’i Mosesy ireo lalana ireo, satria tamin’ny
alalan’i Mosesy mpaminany no nanomezana azy. Voala-
za ao, ohatra, hoe: “Aza mamono olona.” (Deoteronomia
5:17) Midika izany fa tian’Andriamanitra hihevitra ny ain’
olona ho sarobidy ny Israelita, satria tena sarobidy aminy
ny aina.
5 Ary ahoana no tokony hiheverana ny ain’ny zaza ao am-
`
bohoka? Nilaza ny Lalan’i Mosesy fa voasazy izay olona ma-
nao zavatra mahafaty ny zaza ao an-kibon-dreniny. Saro-
`
bidy amin’i Jehovah koa ary, na dia ny ain’ny zaza ao
am-bohoka aza. (Vakio ny Eksodosy 21:22, 23; Salamo
127:3.) Midika izany fa tsy mety ny manala zaza.
6 Ahoana no tokony hiheverantsika ny olon-kafa, raha

manaja ny aina isika? Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra manka-


hala ny rahalahiny dia mpamono olona, ary fantatrareo fa
tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay
mitoetra ao aminy.” (1 Jaona 3:15) Raha te hiaina mandra-
kizay isika, dia mila esorintsika tanteraka ao am-pontsika
ny fankahalana, satria io matetika no mahatonga ny herise-
tra. (1 Jaona 3:11, 12) Tena mila mianatra mifankatia isika.
7 Ary ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny ai-

ntsika isika? Tsy te ho faty ny ankamaroan’ny olona.


`
4. Inona no nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Lalan’i Mosesy, ka
mampiseho hoe tena sarobidy ny aina?
5. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanalana zaza?
6. Nahoana isika no tsy tokony hankahala olona?
`
7. Milaza zavatra sasany fanaon’ny olona tsy manaja ny aina.
128 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Misy anefa manao zavatra mety hahafaty mba hahazoana


fahafinaretana. Be dia be, ohatra, no mifoka sigara na ro-
ngony, na mihinam-paraky. Mankarary anefa ireny, ary ma-
tetika no mahafaty. Tsy mihevitra ny aina ho masina izay
zatra manao an’ireo. Fanao maloto ireo amin’Andriamani-
tra. (Vakio ny Romanina 6:19; 12:1; 2 Korintianina 7:1.)
Tsy maintsy miala amin’ireo fanao ireo isika, raha tiantsika
hankasitrahany ny fanompoana ataontsika. Mety ho saro-
tra be izany, nefa afaka manampy antsika i Jehovah. Tena
faly izy raha miezaka manaja ny aina nomeny antsika
isika.
8 Raha manaja ny aina isika, dia hitandrina tsara foana

mba hisorohana loza. Tsy hanaonao foana na hisetrasetra


loza isika, satria fotsiny hoe mahafinaritra na manaitaitra
ilay izy. Hitandrina tsara isika rehefa mitondra fiara, ary
tsy hanao fanatanjahan-tena misy herisetra na mampidi-
`
doza. (Salamo 11:5) Izao no lalana nomen’Andriamanitra
ny Israelita fahiny, rehefa nanao trano nisy tafo marin-ta-
mpona izy ireo: “Asio arofanina ny tampon-trano raha ma-
nao trano vaovao ianao. Amin’izay dia tsy hahatonga tro-
san-dra amin’ny tranonao ianao. Mety hisy olona hianjera
mantsy avy eny.” (Deoteronomia 22:8) Inona no ianaranao
avy amin’izany? Amboary tsara, ohatra, ny tohatra ao an-
tranonao, mba tsy hisy olona hibolisatra na hianjera ka ha-
ratra mafy. Raha manana fiara indray ianao, dia kojakojao
tsara ilay izy mba hisorohana loza. Aza avela hampidi-doza
anao na ny olon-kafa ny tranonao na ny fiaranao.
9 Ahoana indray no tokony hiheverantsika ny ain’ny

biby? Masina koa ny ain’izy ireny amin’ny Mpamorona.


Avelany hamono biby isika mba hatao sakafo na akanjo
na hiarovan-tena amin’ny loza. (Genesisy 3:21; 9:3; Eksodo-
sy 21:28) Tsy tiany anefa raha mampijaly biby isika na ma-
mono azy ireny, mba hialana voly fotsiny. Tsy mihevitra
8. Nahoana isika no tokony hitandrina foana?
9. Ahoana no fomba itondrantsika ny biby, raha manaja ny aina isika?
Sarobidy ny Aina 129

ny aina ho masina isika raha manao an’izany.—Ohabolana


12:10.
HAJAO NY RA
10 Hoy i Jehovah tamin’i Kaina, rehefa namono an’i Abe-
la zandriny izy: “Miantsoantso mitaraina amiko avy amin’
ny tany ny ran’ny rahalahinao.” (Genesisy 4:10) Ny ain’i
Abela no tian’i Jehovah horesahina tamin’ilay hoe rany.
Toy ny hoe nitaraina tamin’i Jehovah mba hanao ny rariny
`
ny ran’i Abela, na ny ainy. Tsy maintsy sazina ary i Kaina,
satria nesoriny ny ain’i Abela. Hita koa hoe mifandray ny
aina sy ny ra, rehefa jerena ny didin’i Jehovah tamin-dry
Noa. Voankazo sy legioma ary voamadinika ihany mantsy
no nohanin’ny olona talohan’ny Safodrano. Taorian’ny Sa-
fodrano izy ireo vao navelan’i Jehovah nihinana hena. Hoy
izy tamin’i Noa sy ny zanany: “Azonareo atao sakafo ny
biby mihetsiketsika rehetra izay velona.” Nilaza anefa izy
hoe: ‘Tsy azonareo hanina ny nofo misy aina, izany hoe
mbola misy ra.’ (Genesisy 1:29; 9:3, 4) Midika izany fa tena
mifandray ny aina sy ny ra amin’i Jehovah.
11 Manaja ny ra isika raha tsy mihinana azy io. Hoy i Jeho-
`
vah tao amin’ilay Lalana ho an’ny Israelita: ‘Raha misy amin’
ny zanak’Israely mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo ha-
nina, dia hararany amin’ny tany ny rany, ka hototofany
vovoka. Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona izany
na nofon’inona.’ (Levitikosy 17:13, 14) Efa 800 taona talo-
han’io ilay didin’i Jehovah tamin’i Noa hoe aza mihinana ra,
`
nefa mbola nanan-kery ihany ilay izy tamin’io. Nazava ary
ny fomba fihevitr’i Jehovah, hoe: Afaka nihinan-kena ny
mpanompony, fa tsy nahazo nihinana ra. Tsy maintsy nara-
rany tamin’ny tany ny ra, ka hoatran’ny hoe namerina ny
ain’ilay biby tamin’Andriamanitra izy ireo tamin’izany.
10. Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra fa mifandray ny aina sy
ny ra?
11. Tsy navelan’Andriamanitra hatao ahoana ny ra, nanomboka ta-
min’ny andron’i Noa?
130 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

12 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nandinika an’izay


didy tsy maintsy ankatoavin’ny Kristianina rehetra ny apo-
stoly sy ny mpiandraikitra. Izao no tapaka, rehefa avy nivo-
ry izy ireo: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hana-
mpy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy
hotandremana ireto: Ny mifady ny zavatra natao sorona ho
an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina [izany hoe
tsy nalatsa-dra] ary ny fijangajangana.” (Asan’ny Apostoly
`
15:28, 29; 21:25) Tsy maintsy ‘mifady ny ra’ koa ary ny Kri-
stianina, satria amin’Andriamanitra dia ratsy hoatran’ny
manompo sampy sy mijangajanga ny mihinana ra.
13 Tsy hampiditra ra amin’ny vatantsika koa isika, raha

mifady ny ra. Nahoana? Eritrereto hoe asain’ny dokotera


mifady toaka ianao. Midika ve izany hoe ny misotro toaka
ihany no tsy mety, fa tsy maninona raha ampidirina amin’
`
ny lalan-dra ilay izy? Mazava ho azy fa tsia. Hoatr’izany koa
ilay hoe mifady ny ra. Tsy hampiditra ra amin’ny vatantsi-
ka mihitsy isika, na amin’ny fomba ahoana izany na amin’
`
ny fomba ahoana. Raha tena mifady ny ra ary isika, dia tsy
hanaiky hampidiran-dra mihitsy, na iza na iza mampirisika
antsika hanao izany.
14 Ahoana anefa raha maratra mafy ny Kristianina iray na

mila fandidiana lehibe? Ahoana raha milaza ny dokotera fa


tsy maintsy hampidiran-dra izy, raha tsy izany dia ho faty?
Mazava ho azy fa tsy te ho faty izy. Te hiaro an’ilay aina sa-
robidy nomen’Andriamanitra izy, ka hanaiky an’izay fitsa-
boana hafa tsy ampiasana ra. Hitady an’izany fitsaboana
izany izy raha misy, ka hanaiky an’izay rehetra azo asolo
ny ra.
`
15 Tsy handika ny lalan’Andriamanitra mihitsy anefa ny
Kristianina, satria fotsiny hoe te ho ela velona kokoa eto
12. Inona ny didy momba ny ra, nomena tamin’ny alalan’ny fanahy
masina, ary mbola manan-kery ankehitriny?
13. Nahoana no tsy manaiky hampidiran-dra ny olona mifady ny ra?
14, 15. Inona no tokony hataon’ny Kristianina raha milaza aminy ny
dokotera hoe tsy maintsy hampidiran-dra izy, ary nahoana?
Sarobidy ny Aina

amin’ity tontolo ity. Hoy mantsy i Je-


sosy: “Izay te hamonjy ny ainy dia
hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy
noho ny amiko kosa dia hahazo azy.”
(Matio 16:25) Tsy te ho faty isika. Mety
tsy ho afaka hiaina mandrakizay anefa
`
isika, raha mandika ny lalan’Andria-
manitra mba hiarovana ny aintsika.
Hendry isika raha matoky hoe ara-dra-
`
riny ny lalan’Andriamanitra. Mino ta-
nteraka koa isika fa raha sanatria maty,
dia hahatsiaro antsika ilay Mpanome
Aina ka hanangana antsika amin’ny
maty.—Jaona 5:28, 29; Hebreo 11:6.
16 Tena tapa-kevitra hifady ny ra ny

mpanompon’Andriamanitra ankehi-
triny. Tsy hihinana ra mihitsy izy ireo,
na ahoana na ahoana fomba ikarakara-
na azy. Tsy hanaiky hampidiran-dra Raha asain’ny
mihitsy koa izy ireo, mba hitsaboana dokotera mifady
azy.1 Matoky izy ireo fa mahafanta- toaka ianao, dia
tra an’izay tena mahasoa azy ireo ilay hampidirinao
Mpamorona ny ra. Mino an’izany koa amin’ny lalan-dranao
indray ve ilay izy?
ve ianao?

ZAVATRA IRAY IHANY NO AZO AMPIASANA RA


`
17Nantitranterin’ny Lalan’i Mosesy fa zavatra iray ihany
no azo ampiasana ny ra. Nandidy ny Israelita i Jehovah hoe:
1 Raha mila fanazavana momba ny fitsaboana azo atao solon’ny fa-
mpidiran-dra ianao, dia jereo ny pejy 13-17 amin’ny bokikely Ahoa-
na no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, navoakan’ny Vavolombe-
lon’i Jehovah.

16. Tena tapa-kevitra hanao inona ny mpanompon’Andriamanitra?


17. Inona ihany no navelan’i Jehovah Andriamanitra hampiasana ny
ra, teo amin’ny Israely fahiny?
132 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

“Ao amin’ny ra ny ain’ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin’


ny alitara ny ra mba handrakofana ny fahotanareo, satria
ny ra no mandrakotra fahotana noho ny aina ao aminy.”
(Levitikosy 17:11) Rehefa nanota ny Israelita, dia nila nanao
sorona biby mba hahazoana famelan-keloka, ka nafafy teo
amin’ny alitara ny ran’ilay biby. Tany amin’ny tranolay ma-
`
sina izany no natao. Rehefa vita ny tempoly taty aoriana,
dia tany indray no natao ilay sorona. Rehefa nanao fanati-
tra ihany ny Israelita, vao nahazo nampiasa ra.
`
18 Tsy eo ambany Lalan’i Mosesy ny tena Kristianina ka
tsy manao fanatitra biby, ary tsy manisy ram-biby eo amin’
ny alitara. (Hebreo 10:1) Ny fampiasana ra teo amin’ny ali-
tara tamin’ny andron’ny Israely fahiny anefa, dia mifanitsy
amin’ilay sorona sarobidy nataon’i Jesosy Kristy, Zanak’
Andriamanitra. Efa hitantsika fa namoy ny ainy ho antsika
18. Inona ny soa raisintsika avy amin’ny ra nalatsak’i Jesosy?

Ahoana no ampisehoanao fa manaja ny aina sy ny ra ianao?


Sarobidy ny Aina 133

izy, rehefa nanaiky handatsaka ny rany ho sorona. Nanka-


ny an-danitra izy taorian’izay, ary natolony an’Andriamani-
tra indray mandeha monja ny vidin’ilay ra nalatsany. (He-
`
breo 9:11, 12) Afaka mahazo famelan-keloka ary isika, ary
ho afaka hiaina mandrakizay. (Matio 20:28; Jaona 3:16)
Zava-dehibe tokoa ny nampiasana ny ra tamin’io. (1 Petera
1:18, 19) Tsy ho voavonjy isika raha tsy mino fa tena saro-
bidy ny ra nalatsak’i Jesosy.
19 Tena mankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra isika,

satria tia antsika izy ka nanome aina antsika. Tokony ho


sarobidy amintsika koa ny ain’olon-kafa, satria sarobidy
amin’Andriamanitra. Mila mazoto mampahafantatra amin’
`
ny olona ary isika fa ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo,
raha mino ny soron’i Jesosy. (Vakio ny Ezekiela 3:17-21.)
Raha manao an’izany isika, dia ho afaka hilaza hoatran’ny
apostoly Paoly hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra
aho, satria tsy niahotra nilaza taminareo ny sitrapon’Andri-
amanitra rehetra.” (Asan’ny Apostoly 20:26, 27) Hita hoe
tena manaja ny aina sy ny ra isika, raha miresaka amin’ny
olona momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.
19. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te ho “afaka amin’ny ran’
ny olona rehetra” isika?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny
aina.—Salamo 36:9; Apokalypsy 4:11.
ˇ Tsy mety ny manala zaza, satria sarobidy
amin’Andriamanitra ny ain’ny zaza ao am-
bohoka.—Eksodosy 21:22, 23; Salamo 127:3.
ˇ Raha manaja ny aina isika, dia tsy hanao
zavatra mety hahafaty antsika sy ny hafa,
ary tsy hihinan-dra.—Deoteronomia 5:17;
Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
TOKO FAHA-14

Ahoana no Hahasambatra
ny Fianakavianao?
Inona ny andraikitry ny lehilahy manambady?
Inona ny andraikitry ny vehivavy manambady?
Inona no takina amin’ny ray aman-dreny?
Inona no tokony hataon’ny ankizy?

TIAN’I Jehovah Andriamanitra ho sambatra ny fianakavia-


nao. Misy tari-dalana ho an’ny mpianakavy tsirairay, ao
amin’ny Teniny. Ho sambatra ny fianakaviana raha samy ma-
nao ny andraikitra nampanaovin’Andriamanitra azy ny rehe-
tra, sady manaraka tsara ny toroheviny. Hoy i Jesosy: ‘Izay
mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany no sa-
mbatra!’—Lioka 11:28.
2 Raha tena tiantsika ho sambatra ny fianakaviantsika, dia

tokony hiaiky aloha isika hoe i Jehovah no namorona ny fia-


nakaviana. Nantsoin’i Jesosy hoe ‘Raintsika’ izy. (Matio 6:9)
Ilay Raintsika any an-danitra no nampisy ny fianakaviana re-
hetra, ary fantany tsara izay hahasambatra azy ireo. (Efesiani-
`
na 3:14, 15) Inona ary ny andraikitry ny mpianakavy tsirai-
ray, araka ny Baiboly?
ANDRIAMANITRA NO NAMORONA
NY FIANAKAVIANA
3 Namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah, ary nataony lasa

1. Inona no tena mahasambatra ny fianakaviana?


2. Inona no tsy maintsy ekentsika, raha tiantsika ho sambatra ny fia-
nakaviantsika?
3. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny niandohan’ny fianakavia-
na, ary ahoana no ahalalantsika fa marina izany?
Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? 135

mpivady izy ireo. Ireo no olombelona voalohany noforoni-


ny. Nataony tao amin’ny paradisa tsara tarehy teto an-tany,
na zaridainan’i Edena, izy mivady ary nasainy niteraka. Hoy
`
i Jehovah: “Manana taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa
ny tany.” (Genesisy 1:26-28; 2:18, 21-24) Tsy angano fotsiny
izany. I Jesosy mihitsy no nanamafy fa marina ny nolazain’
ny Genesisy hoe Andriamanitra no namorona ny fianakavia-
na. (Matio 19:4, 5) Be dia be ny olana mahazo antsika, ary tsy
araka ny nikasan’Andriamanitra azy ny fiainana amin’izao.
Hojerentsika anefa fa mbola afaka ny ho sambatra ny fiana-
kaviana.
4 Ho sambatra ny fianakaviana, raha samy manahaka an’

Andriamanitra ny mpianakavy tsirairay, ka maneho fitiavana


toa azy. (Efesianina 5:1, 2) Ahoana no anahafantsika azy, nefa
izy tsy hita maso? Afaka mianatra momba an’i Jehovah isika,
`
satria nalefany tety an-tany ny Zanany lahitokana. (Jaona
1:14, 18) Nanahaka tanteraka an’ilay Rainy any an-danitra i
`
Jesosy Kristy tamin’izy tety an-tany. Hoatran’ny hoe niaraka
`
tamin’i Jehovah sy naheno azy mihitsy ary ny olona, rehefa
nahita an’i Jesosy sy nihaino azy. (Jaona 14:9) Afaka manao
izay hahasambatra ny fianakaviany ny tsirairay, rehefa mia-
natra ny fomba nanehoan’i Jesosy fitiavana sy manahaka azy.
MODELY HO AN’NY LEHILAHY MANAMBADY
5 Milaza ny Baiboly fa tokony ho tia ny vadiny hoatran’ny
nitiavan’i Jesosy ny mpianany ny lehilahy. Izao no lazainy ao:
‘Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i
Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.
Toy izany no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny taha-
ka ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy
misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa
4. a) Inona no azon’ny tsirairay atao mba hahasambatra ny fianaka-
viana? b) Nahoana no tena ilaina ny mianatra momba ny fiainan’i Je-
sosy?
5, 6. a) Nahoana no modely tsara ho an’ny lehilahy i Jesosy? b) Ino-
na no tsy maintsy ataon’ny mpivady raha tiany ho voavela ny helony?
136 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

sy maneho fitiavana azy, tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fia-


ngonana.’—Efesianina 5:23, 25-29.
6 Modely ho an’ny lehilahy manambady i Jesosy, satria

tena tiany ny fiangonana, na ny mpianany. “Tiany hatramin’


ny farany ireo”, ka foiny ho azy ireo ny ainy, na dia tsy lavo-
rary aza izy ireo. (Jaona 13:1; 15:13) Izao koa no asain’ny Bai-
boly ataon’ny lehilahy: “Tiavo foana ny vadinareo ary aza
tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Inona no hanampy
ny lehilahy hanaraka an’izany, indrindra rehefa misy tsy mety
ataon’ny vadiny? Tokony hotadidiny hoe izy koa mba manao
diso, ary misy zavatra tsy maintsy ataony raha tiany havelan’
Andriamanitra ny helony. Inona izany? Tsy maintsy mamela
ny helok’izay nanota taminy izy, ka anisan’izany ny vadiny.
Tokony hanao an’izany koa anefa ny vehivavy. (Vakio ny Ma-
`
tio 6:12, 14, 15.) Tsy maintsy vonona hifamela heloka ary ny
mpivady, raha tiany ho sambatra ny tokantranony.
7 Tokony ho fantatry ny lehilahy manambady koa fa nihe-

vitra izay hahasoa ny mpianany foana i Jesosy. Tsy nitaky mi-


hoatra an’izay mety ho vitan’izy ireo izy. Fantany koa izay
nilain’izy ireo. Hoy, ohatra, izy rehefa reraka ny mpianany:
`
“Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia miala
sasatra kely.” (Marka 6:30-32) Mendrika ny homena tambita-
mby sy fiahiana toy izany koa ny vehivavy. Milaza ny Baiboly
fa “fanaka malemy kokoa” izy ireny, ka tena tokony “hanome
voninahitra azy” ny vadiny. Nahoana? Satria samy manana
an’ilay “fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana”,
izy mivady. (1 Petera 3:7) Tsy noho izy lehilahy na vehivavy
no itiavan’Andriamanitra ny olona iray, fa noho izy tsy miva-
dika, ary tokony hitadidy an’izany ny lehilahy.—Salamo 101:6.
8 Milaza ny Baiboly fa ny lehilahy “tia ny vadiny dia tia ny

tenany.” “Tsy roa intsony” mantsy izy sy ny vadiny fa “nofo


7. Inona no mampiseho fa nihevitra izay hahasoa ny mpianany i Je-
sosy, ary ahoana no azon’ny lehilahy manambady anahafana azy?
8. a) Nahoana no lazaina fa izay lehilahy “tia ny vadiny dia tia ny te-
nany”? b) Koa satria “nofo iray ihany” ny mpivady, inona no tsy to-
kony hataon’izy ireo?
Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? 137

iray ihany”, araka ny tenin’i Jesosy. (Matio 19:6) Tsy tokony


`
hanao firaisana amin’ny olon-kafa ankoatra ny vadiny ary izy
ireo. (Ohabolana 5:15-21; Hebreo 13:4) Ho vitany izany raha
samy tsy tia tena izy ireo fa miezaka manome fahafaham-po
ny vadiny. (1 Korintianina 7:3-5) Milaza koa ny Baiboly fa “tsy
misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy
maneho fitiavana azy.” Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny
tenany ny lehilahy, ary hitadidy fa mbola hampamoahin’i
Jesosy Kristy filohany izy.—Efesianina 5:29; 1 Korintianina
11:3.
9 Niresaka momba ny ‘fitiavan’i Kristy Jesosy’ ny apostoly

Paoly. (Filipianina 1:8) Tena tia sy miahy ny olona i Jesosy,


ary izany no anisan’ny nahafinaritra ny vehivavy taminy.
(Jaona 20:1, 11-13, 16) Fitiavana sy fiahiana koa no tena ta-
diavin’ny vehivavy amin’ny vadiny.
MODELY HO AN’NY VEHIVAVY
10 Olona maromaro no ao anatin’ny fianakaviana, ka toko-
ny hisy iray mitarika na filoha. Na i Jesosy aza mantsy nana-
na Filoha, ary nanaiky azy io izy. ‘Andriamanitra no lohan’i
Kristy’, mitovy amin’ilay hoe “ny lehilahy no lohan’ny vehi-
vavy.” (1 Korintianina 11:3) Modely tsara i Jesosy satria na-
`
nkato foana an’Andriamanitra Filohany. Samy manana filo-
ha tsy maintsy ekena daholo isika.
11 Tsy lavorary ny loham-pianakaviana ka tsy voatery hoe
`
mety foana ny ataony. Inona ary no tokony hataon’ny vehi-
vavy? Tsy tokony hanambany ny vadiny izy, na hitady haka
ny toeran’ny loham-pianakaviana. Tokony hotadidin’ny ve-
hivavy fa tena sarobidy amin’Andriamanitra ny toetra tony sy
malemy paika. (1 Petera 3:4) Ho mora kokoa aminy ny ha-
naiky ny vadiny raha manana an’ireo toetra ireo izy, na dia
9. Inona ny toetran’i Jesosy resahin’ny Filipianina 1:8, ary nahoana
ny lehilahy no tokony haneho an’izany toetra izany amin’ny vadiny?
10. Nahoana i Jesosy no modely tsara ho an’ny vehivavy?
11. Inona no tokony hataon’ny vehivavy, ary inona no mety ho vo-
katr’izany?
138 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

rehefa misy olana aza. Hoy koa ny Baiboly: ‘Aoka ny vehiva-


vy hanaja fatratra ny vadiny.’ (Efesianina 5:33) Ahoana anefa
raha tsy manaiky an’i Kristy ho Filohany ilay lehilahy? Ma-
mpirisika ny vehivavy ny Baiboly hoe: “Maneke ny vadina-
reo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy
`
tsy mankato ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa,
noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny
fanajana lalina asehonareo.”—1 Petera 3:1, 2.
12 Ahoana raha tsy mitovy hevitra amin’ny vadiny ny vehi-

vavy? Tsy hoe tsy manaja ny vadiny izy raha milaza ny


heviny, sady mahay mandanjalanja rehefa manao an’izany.
Azony atao izany, na mitovy finoana aminy ny vadiny na tsia.
Mety ho marina mantsy ny azy, ary mety hahasoa ny fiana-
kaviana manontolo. Nisy fotoana, ohatra, nisy olana tao
an-tokantranon’i Abrahama, ary nanome vahaolana i Saraha
vadiny. Tsy neken’i Abrahama ilay izy, ka hoy Andriamani-
tra: “Henoy ny teniny.” (Vakio ny Genesisy 21:9-12.) Ny le-
hilahy foana anefa no tompon’ny fanapahan-kevitra farany,
ka tokony hanaiky sy hanohana an’izany ny vehivavy, raha
`
mbola tsy mifanipaka amin’ny lalan’Andriamanitra ilay izy.
—Asan’ny Apostoly 5:29; Efesianina 5:24.
13 Be dia be no azon’ny vehivavy atao mba hahasoa ny fia-

nakaviany. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tokony “ho tia vady


aman-janaka” ny vehivavy, “hisaina tsara, hadio fitondran-
tena, hazoto hikarakara tokantrano, hanao izay tsara, hanai-
ky ny vadiny.” (Titosy 2:4, 5) Ho tia sy hanaja azy foana ny
vady aman-janany, raha manao an’izany izy. (Vakio ny Oha-
bolana 31:10, 28.) Samy tsy lavorary ny mpivady, ka mety
hisy olana be hahatonga azy ireo hisara-toerana vetivety na
hisara-panambadiana mihitsy. Afaka mifampisintaka kely ny
mpivady, raha ny Baiboly no jerena, saingy rehefa misy anto-
12. Nahoana no tsy diso ny vehivavy raha mba milaza ny heviny
amim-panajana?
13. a) Inona no tokony hataon’ny vehivavy, araka ny Titosy 2:4, 5?
b) Azo atao ve ny misintaka kely na misara-panambadiana, raha ny
Baiboly no jerena?
Inona ny modely navelan’i Saraha
ho an’ny vehivavy manambady?

ny tena lehibe vao tokony hanao an’izany izy ireo. Voalaza


ao mantsy fa “tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy”
ary “tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy.” (1 Kori-
ntianina 7:10, 11) Ny fijangajangana ihany no antony ahafa-
hana misara-panambadiana, araka ny lazain’ny Soratra Masi-
na.—Matio 19:9.
MODELY HO AN’NY RAY AMAN-DRENY
14 Modely ho an’ny ray aman-dreny koa i Jesosy, satria tena
tia ankizy. Rehefa nosakanan’ny mpianany tsy hanatona azy,
ohatra, ny ankizy, dia hoy izy: “Avelao ny zaza hanatona ahy
fa aza mitady hisakana azy.” Milaza ny Baiboly fa “nitrotro an’
ireo zaza izy ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.”
(Marka 10:13-16) Na i Jesosy aza nanokana fotoana hiarahana
tamin’ny ankizy, ka tsy tokony hanao an’izany koa ve ny ray
aman-dreny? Tsy ny ambinambin’ny fotoananao fotsiny no
`
ilain’ny zanakao. Manokana fotoana be dia be hiarahana ami-
ny sy hampianarana azy, satria izany no asain’i Jehovah ataon’
ny ray aman-dreny.—Vakio ny Deoteronomia 6:4-9.
14. Inona no porofo fa tia ankizy i Jesosy, ary inona no ilain’ny anki-
zy amin’ny ray aman-dreny?
140 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

15 Tena mila arovan’ny ray aman-dreny ny zanany, satria


mihamaro izao ny olon-dratsy, anisan’izany ny mpametave-
ta ankizy. I Jesosy koa aza niaro ny mpianany, izay nantsoi-
ny hoe “zanako malalako.” Rehefa tonga hisambotra sy ha-
mono azy ny olona, dia narovany ny mpianany ka afaka
nandositra. (Jaona 13:33; 18:7-9) Mila mailo koa ianao satria
mitady hanimba ny zanakao ny Devoly. Tokony hampita-
ndrina azy ireo ianao.1 (1 Petera 5:8) Arovy izy, ary ampio
1 Hanampy anao hiaro ny zanakao ny toko 32 amin’ny boky Mia-
nara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, navoakan’ny Vavolombelon’i
Jehovah.

15. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny iarovana ny zanany?

Tena tia ankizy i Jesosy. Inona no azon’ny ray


aman-dreny ianarana avy amin’izany?
Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? 141

mba hifandray akaiky amin’i Jehovah sy ho tsara fitondran-


tena. Izao mihitsy izy ireo no tena mila an’izany.
16 Ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nifamaly

ny mpianany hoe iza no lehibe indrindra. Tsy tezitra anefa i


Jesosy, fa mbola nananatra azy ireo moramora sady nanome
modely harahiny. (Lioka 22:24-27; Jaona 13:3-8) Ahoana no
azonao anahafana azy rehefa manitsy ny zanakao ianao?
Marina fa mila anarina ny ankizy, nefa ataovy “araka ny
antonony” izany, fa aza tezitra loatra. Eritrereto tsara izay ho-
lazainao, fa aza manao teny manindrona “toy ny fanindron’
ny sabatra.” (Jeremia 30:11; Ohabolana 12:18) Tokony ho
tsapan’ny zanakao rehefa mandeha ny fotoana, fa tena na-
hasoa azy ny fananaranao.—Efesianina 6:4; Hebreo 12:9-11.
MODELY HO AN’NY ANKIZY
17 Afaka manahaka an’i Jesosy koa ny ankizy. Nasehon’i Je-
`
sosy tamin’izay nataony fa ilaina ny mankato ray aman-dre-
ny. “Araka izay nampianarin’ny Ray ahy”, hoy izy, ‘no lazai-
ko.’ Hoy koa izy: “Manao izay sitrany foana aho.” (Jaona
`
8:28, 29) Nankato an’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy, ary
`
mandidy ny ankizy hankato ray aman-dreny ny Baiboly. (Va-
`
kio ny Efesianina 6:1-3.) Lavorary i Jesosy nefa nankato an’i
Josefa sy Maria, ray aman-dreniny tsy lavorary. Azo antoka fa
nahasambatra ny fianakaviany izany.—Lioka 2:4, 5, 51, 52.
18 Rankizy, miezaha hanahaka kokoa an’i Jesosy, dia ho

faly ny ray aman-dreninareo. Mety ho sarotra amin’ny tano-


`
ra indraindray ny hankato ray aman-dreny, nefa izany no ta-
`
kin’Andriamanitra aminy. (Ohabolana 1:8; 6:20) Nankato ny
Rainy any an-danitra foana i Jesosy, na dia tamin’ny sarotra
aza. Nisy fotoana, ohatra, mafy be taminy ny nanao ny sitra-
pon’Andriamanitra, ka hoy izy: “Esory amiko ity kaopy ity
16. Inona no azon’ny ray aman-dreny tahafina tamin’ny fomba na-
nitsian’i Jesosy ny mpianany?
17. Inona ny modely navelan’i Jesosy ho an’ny ankizy?
`
18. Nahoana i Jesosy no nankato foana an’ilay Rainy any an-danitra,
`
ary iza no faly rehefa mankato ray aman-dreny ny ankizy?
142 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
[na ilay zavatra notakina taminy].” Nankato ihany anefa i Je-
sosy, satria fantany fa ny Rainy no mahalala izay tena maha-
`
soa azy. (Lioka 22:42) Raha mianatra mankato ny ankizy, dia
ho faly ny ray aman-dreniny sy ilay Rainy any an-danitra.1
—Ohabolana 23:22-25.
19 Naka fanahy an’i Jesosy ny Devoly, ka azo antoka fa

haka fanahy ny ankizy koa. (Matio 4:1-10) Mety hoe ny na-


man’ireny ankizy ireny ihany no hampirisihiny hitaona azy
ireo hanao ratsy, ka ho sarotra ny hanohitra an’izany. Tena
`
tsy tokony hifanerasera amin’ny naman-dratsy ary ny anki-
zy. (1 Korintianina 15:33) Zatra niaraka tamin’ny olona tsy
nanompo an’i Jehovah i Dina, zanakavavin’i Jakoba, ka ratsy
be ny vokany. (Genesisy 34:1, 2) Eritrereto koa ange ny ala-
helon’ny ray aman-dreny raha lasa ratsy fitondran-tena ny
zanany e!—Ohabolana 17:21, 25.
NY TENA MAHASAMBATRA NY FIANAKAVIANA
20 Mora kokoa ny miatrika ny olana ao an-tokantrano,
1 Rehefa mitaky zavatra mi-
`
fanohitra amin’ny lalan’Andria-
manitra ihany ny ray aman-dre-
`
ny, vao tsy tokony hankato ny
ankizy.—Asan’ny Apostoly 5:29.

19. a) Inona no ataon’i Satana


mba hakana fanahy ny ankizy?
b) Inona no tsapan’ny ray aman-
dreny raha maditra ny zanany?
20. Inona no tsy maintsy ataon’
ny tsirairay mba hahasambatra
ny fianakaviana?

Inona no tokony
hoeritreretin’ny
tanora rehefa
misy mitaona azy
hanao ratsy?
Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? 143

rehefa arahina ny torohevitry ny Baiboly. Izany no tena ma-


hasambatra ny fianakaviana. Ry lehilahy, tiavo ny vadinao,
ary ataovy hoatran’ny nitondran’i Jesosy ny fiangonana ny
fomba itondranao azy. Ry vehivavy, ekeo ny vadinao satria
izy no loham-pianakaviana, ary araho ny ohatr’ilay vehiva-
vy tsara resahin’ny Ohabolana 31:10-31. Ry ray aman-dreny,
ampiofano ny zanakareo. (Ohabolana 22:6) Ry ray, ‘mahai-
za mitondra ny ankohonanareo.’ (1 Timoty 3:4, 5; 5:8)
Ary ankatoavy, rankizy, ny ray aman-dreninareo. (Kolosia-
nina 3:20) Samy tsy lavorary ny mpianakavy, ka manao
`
diso daholo. Miezaha ary hanetry tena, ka mahaiza miala
tsiny.
21 Misy torohevitra be dia be mahasoa ny fianakaviana to-

koa ao amin’ny Baiboly. Lazainy ao koa fa ho lasa paradisa


ny tany amin’ny hoavy, ka ho sambatra sy hanompo an’i Je-
hovah daholo ny olona. (Apokalypsy 21:3, 4) Tena hahafina-
ritra izany! Na izao aza anefa dia efa afaka ny ho sambatra
ny fianakaviantsika, raha manaraka ny tari-dalan’Andriama-
nitra ao amin’ny Baiboly.
21. Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy, ary ahoana no haha-
sambatra ny fianakaviantsika dieny izao?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany
ny lehilahy.—Efesianina 5:25-29.
ˇ Tokony ho tia ny fianakaviany sy hanaja
ny vadiny ny vehivavy.—Titosy 2:4, 5.
ˇ Tokony ho tia sy hampianatra ary hiaro ny
zanany ny ray aman-dreny.—Deoteronomia
6:4-9.
`
ˇ Tokony hankato ray aman-dreny ny ankizy.
—Efesianina 6:1-3.
TOKO FAHA-15

Fivavahana
Ankasitrahan’Andriamanitra
Eken’Andriamanitra daholo
ve ny fivavahana rehetra?
Ahoana no amantarana
ny fivavahana marina?
Iza no tena mpanompon’
Andriamanitra ankehitriny?

TENA miahy antsika i Jehovah Andriamanitra sady mitady


izay hahasoa antsika, ka omeny tari-dalana isika. Ho sa-
mbatra sy hisoroka olana be dia be isika, raha manompo
azy araka izay tiany. Hotahiny sy hampiany koa isika amin’
izay. (Isaia 48:17) Be dia be ny fivavahana milaza fa ma-
mpianatra ny marina, nefa samy hafa be ny zavatra ampia-
nariny momba an’Andriamanitra sy izay takiny amintsika.
2 Ahoana no tian’i Jehovah hanompoana azy? Tsy voate-

ry handinika sy hampitaha ny fampianaran’ireo fivavaha-


na be dia be ankehitriny ianao, vao hahalala an’izany. Izay
tena ampianarin’ny Baiboly momba ny fivavahana marina
ihany no ilainao hianarana. Haka ohatra isika: Olana any
amin’ny tany maro ny vola sandoka. Raha asaina mama-
ntatra an’ireny vola sandoka ireny ianao, ahoana no ana-
vahanao azy? Hotadidinao daholo ve ny karazana vola sa-
ndoka rehetra? Tsy aleo ve ilay vola tena izy no dinihina
tsara? Hahay hanavaka an’izay vola sandoka ianao, rehe-
1. Inona ny soa ho azontsika, raha manompo an’Andriamanitra ara-
ka izay tiany isika?
2. Inona no tokony hataonao mba hamantarana hoe ahoana no tian’i
Jehovah hanompoana azy? Hazavao amin’ny ohatra.
Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra 145

fa fantatrao tsara ny endrik’ilay vola tena izy. Hahay hana-


vaka ny fivavahana diso koa ianao, rehefa fantatrao tsara
izay mampiavaka ny fivavahana marina.
3 Zava-dehibe ny manompo an’i Jehovah araka izay tia-

ny. Maro no mieritreritra fa eken’Andriamanitra ny fivava-


hana rehetra. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly.
Tsy ampy ny milaza hoe Kristianina ianao. Hoy i Jesosy:
ˆ ˆ
“Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo o, Tompo o’,
no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao
ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” Tsy maintsy ma-
mantatra sy manao izay takin’Andriamanitra isika, raha te
`
hankasitrahany. Nantsoin’i Jesosy hoe “mpandika lalana”
ny olona tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra. (Matio
7:21-23) Tsy misy dikany hoatran’ny vola sandoka ny fiva-
vahana diso, ary misy vokany ratsy mihitsy aza.
4 Tian’i Jehovah hiaina mandrakizay ny olona rehetra.

Tsy maintsy manompo azy araka izay tiany, sy manao za-


vatra ankasitrahany foana anefa isika, raha te hiaina ma-
ndrakizay ao amin’ny Paradisa. Mampalahelo fa tsy manai-
ky hanao an’izany ny olona maro. Izany no nahatonga an’i
Jesosy hiteny hoe: “Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehi-
be sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringana-
na, ka maro no miditra any. Tery kosa ny vavahady ary ety
ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita
azy.” (Matio 7:13, 14) Manampy ny olona hahazo fiainana
mandrakizay ny fivavahana marina. Mitarika any amin’ny
fandringanana kosa ny fivavahan-diso. Tsy misy olona
tian’i Jehovah ho ringana anefa, ka omeny fotoana hiana-
rana momba azy ny olona rehetra. (2 Petera 3:9) Miankina
`
amin’ny fivavahana arahintsika ary ny hahavelona na ha-
hafaty antsika.
3. Inona no nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy ataontsika, raha te ha-
nkasitrahan’Andriamanitra isika?
4. Inona ilay hoe “lalana” noresahin’i Jesosy, ary mankaiza avy ireo
lalana roa ireo?
146 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

FOMBA AMANTARANA NY FIVAVAHANA MARINA


5 Ahoana no ahitana an’ilay “lalana mankany amin’ny
fiainana”? Nilaza i Jesosy fa hita amin’izay ataon’ny olona
raha manaraka ny fivavahana marina izy na tsia. Hoy izy:
‘Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny.
Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara.’ (Matio 7:16, 17)
`
Mora fantatra ary ireo manaraka ny fivavahana marina, re-
hefa jerena ny zavatra inoany sy ny fitondran-tenany. Tsy la-
vorary izy ireo ary manao fahadisoana, nefa miezaka manao
ny sitrapon’Andriamanitra. Ireto misy lafiny enina amanta-
rana an’ireo manaraka ny fivavahana marina:
6 Avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra ampianariny. Hoy ny

2 Timoty 3:16, 17: “Ny Soratra Masina iray manontolo


dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary
mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay
diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga
ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitao-
vana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” Nilaza tamin’
ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Rehefa nandray ny
tenin’Andriamanitra renareo avy taminay ianareo, dia tsy
noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia
tenin’Andriamanitra.” (1 Tesalonianina 2:13) Izay lazain’ny
`
Baiboly ary no inoan’ireo manaraka ny fivavahana marina
sy ampihariny amin’ny fiainana, fa tsy hevitr’olona na lova-
ntsofina.
7 Namela modely i Jesosy, satria izay lazain’ny Tenin’

Andriamanitra no nampianariny. Hoy izy rehefa nivavaka


tamin’ilay Rainy any an-danitra: “Ny teninao no fahamari-
nana.” (Jaona 17:17) Nino ny Tenin’Andriamanitra i Je-
sosy, ary nifanaraka tamin’izy io ny zavatra rehetra na-
mpianariny. Matetika izy no niteny hoe “voasoratra hoe”,
dia avy eo nanonona andinin-teny. (Matio 4:4, 7, 10) Tsy
5. Ahoana no amantarana an’ireo manaraka ny fivavahana marina?
6, 7. Ahoana ny fiheveran’ny mpanompon’Andriamanitra ny Baibo-
ly, ary inona ny modely navelan’i Jesosy momba an’izany?
MIAVAKA NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA SATRIA...

ˇ mampianatra an’izay lazain’ny Baiboly


ˇ mivavaka amin’i Jehovah irery ihany, ary mampahafantatra
ny anarany
ˇ tena mifankatia
ˇ manaiky fa amin’ny alalan’i Jesosy no hamonjen’Andriamanitra
ny olona
ˇ tsy anisan’izao tontolo izao
ˇ mitory hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hamaha
ny olana mahazo ny olona
148 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

mampianatra ny heviny koa ny vahoakan’Andriamanitra


ankehitriny. Mino izy ireo hoe Tenin’Andriamanitra ny Bai-
boly, ka izay voalaza ao ihany no ampianariny.
8 Mivavaka amin’i Jehovah irery ihany izy ireo, ary mampa-

hafantatra ny anarany. Hoy i Jesosy: “I Jehovah Andriamani-


trao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no
tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Matio 4:10)
`
I Jehovah irery ihany ary no ivavahan’ny tena Kristianina.
Anisan’ny fanompoana ataon’izy ireo ny mitory ny anaran’
Andriamanitra sy ny toetrany. Hoy ny Salamo 83:18: “Ianao
irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo
Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Nanampy ny olo-
na hahafantatra an’Andriamanitra i Jesosy. Manaporofo an’
izany ilay vavaka nataony hoe: “Ny anaranao efa nampa-
hafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao
tontolo izao.” (Jaona 17:6) Manahaka azy koa ny tena Kri-
stianina, ka mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra sy
ny fikasany ary ny toetrany.
9 Tena mifankatia izy ireo, ary fitiavana tsy mitady valiny

ny azy. Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no


hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jao-
na 13:35) Nifankatia hoatr’izany koa ny Kristianina fahiny.
Raha maneho an’io fitiavana io isika dia tsy manavakavaka
hoe fotsy na mainty, na hoe mahantra na manankarena, fa
mifankatia hoatran’ny mpiray tam-po. (Vakio ny Kolosiani-
na 3:14.) Tsy mba hoatr’izany ny any amin’ny fivavahan-
diso. Misy, ohatra, mifamono satria tsy mitovy firenena na
foko. Ny tena Kristianina anefa tsy mamono ny mpiray fi-
noana aminy na ny olon-kafa, sady tsy mampiasa fitaovam-
piadiana. Hoy ny Baiboly: ‘Izao no ahitana miharihary izay
zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny Devoly: Izay rehetra
tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra. Toy
izany koa izay tsy tia ny rahalahiny. Tokony hifankatia isika,
8. Inona no anisan’ny fanompoana ataon’ny tena Kristianina?
9, 10. Ahoana no ahitana fa mifankatia ny tena Kristianina?
Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra 149

fa tsy toa an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono na-
hafaty ny rahalahiny.’—1 Jaona 3:10-12; 4:20, 21.
10 Tsy ampy anefa ny hoe tsy mamono olona. Mahafoy fo-

toana sy hery ary fananana ny tena Kristianina, mba hana-


mpiana sy hampaherezana ny hafa. (Hebreo 10:24, 25) Tsy
manambaka namana izy ireo, ary vonon-kanampy rehefa
misy olana sady tsy manantena valiny. ‘Manao soa amin’ny
rehetra’ foana izy ireo.—Galatianina 6:10.
11 Eken’izy ireo fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy no amo-

njen’Andriamanitra ny olona. Hoy ny Baiboly: “Tsy misy


olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana
hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika
famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12) Efa hitantsika fa na-
nao sorona ny ainy i Jesosy mba hamonjena ny olona
`
mankato. (Matio 20:28) Izy koa no notendren’Andriama-
nitra ho Mpanjakan’ilay Fanjakany any an-danitra, ka hito-
ndra ny tany manontolo. Raha te hiaina mandrakizay isi-
`
ka, dia tsy maintsy mankato azy sy mampihatra an’izay
nampianariny, satria izay no takin’Andriamanitra. Hoy ny
Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiai-
`
nana mandrakizay. Izay tsy mankato ny Zanaka kosa tsy ha-
hita fiainana.”—Jaona 3:36.
12 Tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo. Hoy i Jesosy tamin’i

Pilato, mpitondra romanina: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny


fanjakako.” (Jaona 18:36) Vahoakan’ilay Fanjakana any an-
danitra ny mpanara-dia an’i Jesosy, na aiza na aiza firenena
`
misy azy. Tsy manao politika mihitsy ary izy ireo, ary tsy ma-
ndray anjara amin’ny ady. Tsy misakana ny olona tsy hidi-
tra amin’ny antoko politika, na hilatsaka hofidina, na hifidy
` `
anefa izy ireo. Mankato lalana koa izy na dia tsy manao po-
litika aza. Nahoana? Satria mandidy azy ireo “hanaiky ny
manam-pahefana” ny Baiboly. (Romanina 13:1) Ahoana
11. Nahoana isika no mila manaiky fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy
no amonjen’Andriamanitra ny olona?
12. Inona ny dikan’ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao?
150 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

anefa raha mifanohitra amin’izay takin’Andriamanitra ny


didin’ny fanjakana? Manahaka ny apostoly izy ireo ka ma-
nao hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no
tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly
5:29; Marka 12:17.
13 Mitory izy ireo hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no

13. Inona no inoan’ny mpanara-dia an’i Jesosy momba ny Fanjakan’


Andriamanitra, ary inona no ataon’izy ireo noho izany?

Ho be lavitra noho izay nafoinao no ho azonao, raha


manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany ianao
Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra 151

hamaha ny olana mahazo ny olona. Hoy i Jesosy: “Hotorina


maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavo-
lombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny fara-
ny.” (Matio 24:14) Tsy mampirisika ny olona hitady vahao-
lana any amin’ny mpitondra olombelona ny mpanara-dia
an’i Jesosy. Torin’izy ireo kosa fa ny Fanjakan’Andriamanitra
ihany no azo antenaina hamaha ny olana eto an-tany. (Sa-
lamo 146:3) Nasain’i Jesosy nivavaka momba an’io fitondra-
na any an-danitra io isika hoe: “Ho tonga anie ny fanjaka-
`
nao! Hatao ety an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any
an-danitra!” (Matio 6:10) Milaza ny Baiboly fa ‘hanorotoro
sy hanafoana an’ireo fanjakana rehetra’ misy ankehitriny io
Fanjakana io, ‘fa izy kosa haharitra mandrakizay.’—Daniela
2:44; Apokalypsy 16:14; 19:19-21.
`
14 Eritrereto ary izao: ‘Iza no fivavahana mampianatra an’
izay lazain’ny Baiboly sy mampahafantatra ny anaran’i Je-
hovah? Iza no fivavahana misy mpivavaka tena mifankatia,
mino an’i Jesosy, tsy anisan’izao tontolo izao, ary mitory fa
ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hamaha ny olana ma-
hazo ny olona? Iza amin’ny fivavahana rehetra misy anke-
hitriny no mahafeno an’ireo fepetra rehetra ireo?’ Ny Vavo-
lombelon’i Jehovah.—Vakio ny Isaia 43:10-12.
INONA NO HATAONAO?
15 Tsy ampy ny mino an’Andriamanitra, raha te hampifa-
ly azy ianao. Milaza mantsy ny Baiboly fa ny demonia aza
mba mino hoe misy izy. (Jakoba 2:19) Tsy manao ny sitra-
pon’Andriamanitra anefa izy ireo, sady tsy ankasitrahany.
`
Raha te ho tian’Andriamanitra ary isika, dia tsy maintsy ma-
nao ny sitrapony. Tsy maintsy miala amin’ny fivavahan-diso
koa isika, ary manaraka ny fivavahana marina.
14. Iza no fivavahana hitanao hoe mahafeno ny fepetra takina amin’
ny fivavahana marina?
15. Inona no takin’Andriamanitra amintsika, ankoatra ny hoe mino
fa misy izy?
152 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

16 Tsy tokony handray anjara amin’ny zavatra ataon’ny fi-


vavahan-diso isika. Izao mantsy no nosoratan’ny apostoly
Paoly: “‘Mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’,
hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto’, ‘dia
handray anareo aho.’” (2 Korintianina 6:17; Isaia 52:11) To-
`
kony hialantsika ary izay misy ifandraisany amin’ny fivava-
han-diso, na inona izany na inona.
17 Antsoin’ny Baiboly hoe “Babylona Lehibe” ny karazana
`
fivavahan-diso rehetra.1 (Apokalypsy 17:5) Anaran-tanana fa-
hiny ilay hoe Babylona, ary tao no nisy fivavahan-diso voa-
lohany, taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Tao no
nanomboka ny ankamaroan’ny fampianarana sy fombafo-
mba fanaon’ny fivavahan-diso amin’izao. Nivavaka tamin’
ny andriamanitra telo izay iray, ohatra, ny Babylonianina.
Ny Andriamanitra telo izay iray koa izao no tena ampiana-
rin’ny fivavahana maro. Milaza anefa ny Baiboly fa iray iha-
ny no tena Andriamanitra, dia i Jehovah, ary Zanany kosa i
Jesosy Kristy. (Jaona 17:3) Nino koa ny Babylonianina fa ma-
nana fanahy tsy mety maty ny olona, ka mety hijaly any
amin’ny toerana iray io fanahy io. Maro be koa izao ny fiva-
vahana mampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny
olona, ary mety hijaly any amin’ny afobe izy io.
18 Niely eran-tany ilay fivavahana tany Babylona fahiny, ka

mety tsara raha antsoina hoe Babylona Lehibe ny fivavahan-


diso rehetra eran-tany. Nilaza anefa Andriamanitra fa ho rava
tampoka ny fivavahan-diso rehetra. Izany no mahatonga
an’i Jehovah hilaza fa mila misaraka tanteraka amin’i Ba-
bylona Lehibe ianao. “Mivoaha avy ao aminy” haingana,
1 Jereo ny Fanazavana Fanampiny, pejy 219-220, raha tianao ny ha-
hita porofo fa ny fivavahan-diso eran-tany tokoa no atao hoe Babylo-
na Lehibe.

16. Inona no tokony hataontsika, raha nandray anjara tamin’ny fiva-


vahan-diso isika?
17, 18. Inona no antsoina hoe “Babylona Lehibe”, ary nahoana ia-
nao no mila ‘mivoaka avy ao aminy’ haingana?
Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra 153

hoy izy, dieny mbola misy fotoana.—Vakio ny Apokalypsy


18:4, 8.
19 Mety tsy hifandray aminao intsony ny olona sasany, re-

hefa miala amin’ny fivavahan-diso ianao. Ho be lavitra noho


izay nafoinao anefa no ho azonao, raha manompo an’i Jeho-
vah miaraka amin’ny vahoakany ianao. Hahazo rahalahy sy
anabavy be dia be ianao, toa an’ireo mpianatr’i Jesosy naha-
foy zavatra maro mba hanarahana azy. Ho lasa fianakavianao
ireo Kristianina marina an-tapitrisany eran-tany, izay tena tia
anao. Afaka manantena hiaina mandrakizay “ao amin’ilay
tontolo ho avy” koa ianao. (Vakio ny Marka 10:28-30.)
Mety hianatra Baiboly ireo olona nanohitra anao any aoria-
na any, ary hanompo an’i Jehovah.
20 Milaza ny Baiboly fa tsy ho ela Andriamanitra dia hama-

rana an’ity tontolo ratsy ity, ary hanorina tontolo vaovao ha-
njakan’ny fahamarinana. (2 Petera 3:9, 13) Hahafinaritra to-
koa rehefa ny Fanjakany no hitondra! Fivavahana iray ihany
sisa amin’izay no ho eto an-tany, dia ny fivavahana marina.
`
Tsy aleonao ary ve manao an’izay rehetra azo atao dieny
izao, mba hiarahana amin’ny olona manaraka ny fivavaha-
na marina?
19. Inona no ho azonao rehefa manompo an’i Jehovah ianao?
20. Hanao ahoana ny hoavin’ny olona manaraka ny fivavahana ma-
rina?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Iray ihany ny fivavahana marina.
—Matio 7:13, 14.
ˇ Ny fampianarany sy ny fanaony no amanta-
rana ny fivavahana marina.—Matio 7:16, 17.
ˇ Ny Vavolombelon’i Jehovah no manaraka
ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra.
—Isaia 43:10.
TOKO FAHA-16

Miandania Amin’ny
Fivavahana Marina
Raran’ny Baiboly ve ny fampiasana sary
masina sy ny fivavahana amin’ny razana?
Mety amin’ny Kristianina ve ny
mankalaza fety ara-pivavahana?
Ahoana no hanazavanao amin’ny olona ny
zavatra inoanao, nefa tsy hampahatezitra azy?

ERITRERETO hoe nisy nandraraka poizina an-tsokosoko ny


lavadranonao. Ho faty ianao, raha misotro rano avy ao. Azo
antoka fa tonga dia hitady lavadrano madio any an-toeran-
kafa ianao. Mety hiasa saina ihany anefa ianao hoe: ‘Sao dia
`
mba efa voapoizina ary aho?’
2 Toy ny misy poizina koa ny fivavahan-diso, satria milaza

ny Baiboly fa misy fampianaran-diso sy fanao maloto any.


`
(2 Korintianina 6:17) Tena ilaina ary ny miala ao amin’i “Ba-
bylona Lehibe”, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra eran-
tany. (Apokalypsy 18:2, 4) Efa nanao an’izany ve ianao? Tsa-
ra raha izany. Tsy ampy anefa ny mametra-pialana any. Mila
eritreretinao koa hoe: ‘Sao dia mbola misy zavatra fanaon’
`
ny fivavahan-diso ihany ary ataoko?’ Ireto misy ohatra.
SARY MASINA SY FIVAVAHANA AMIN’NY RAZANA
3 Efa taona maro ny olona sasany no nanana sary masi-
1, 2. Inona no mila eritreretinao na dia efa niala tamin’ny fivavahan-
diso aza ianao, ary nahoana?
3. a) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny sary masina, ary nahoa-
na no mety ho sarotra ny manaiky an’izany? b) Tokony hataonao
ahoana ireo zavatra anananao mifandray amin’ny fivavahan-diso?
155

na na sarivongana kely tao an-tranony. Misy an’izany koa


ve ao an-tranonao? Hafahafa aminao angamba ny mivava-
ka amin’Andriamanitra nefa tsy mampiasa an’ireny zavatra
hita maso ireny. Mety hoe tsy foinao koa izy ireny. Andria-
manitra anefa no tokony hanoro antsika hoe ahoana no
atao rehefa mivavaka, ary lazain’ny Baiboly fa tsy tiany ha-
mpiasa sary masina isika. (Vakio ny Eksodosy 20:4, 5; Sa-
lamo 115:4-8; Isaia 42:8; 1 Jaona 5:21) Miandany amin’ny
`
fivavahana marina ary ianao, raha manapotika an’izay za-
vatra fampiasan’ny fivavahana diso. Tadidio fa “zava-maha-
rikoriko” amin’i Jehovah ireny, ka tokony ho halanao koa.
—Deoteronomia 27:15.
4 Anisan’ny fivavahan-diso koa ny fivavahana amin’ny

razana. Tamin’ny mbola tsy nianatra Baiboly ny olona sasa-


ny dia nino fa velona any ankoatra ny maty, ary afaka mi-
tahy na manisy ratsy antsika. Na ianao aza mety ho efa na-
nao ezaka be na nandany vola be mba ho fanajana ny
4. a) Ahoana no ahalalantsika fa very maina ny fivavahana amin’ny
razana? b) Nahoana i Jehovah no nandrara ny vahoakany tsy hifa-
ndray amin’ny fanahy ratsy?
156 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

razanao. Efa nianaranao anefa fa tsy mahatsiaro tena ny


`
maty, ary tsy misy intsony. Very maina ary ny ezaka atao
mba hiresahana aminy. Avy amin’ny demonia, raha ny ma-
rina, ireny hafatra lazaina fa avy amin’ny maty ireny. Izany
no nahatonga an’i Jehovah handrara ny Israelita mba tsy
hiresaka amin’ny maty, na hifandray amin’ny fanahy ratsy.
—Vakio ny Deoteronomia 18:10-12.
`
5 Inona ary no tokony hataonao, raha nampiasa sary ma-
sina ianao taloha, na nivavaka tamin’ny razana? Vakio izay
andinin-teny ahitana ny hevitr’Andriamanitra momba an’
ireny, ary saintsaino. Mivavaha amin’i Jehovah isan’andro,
ka lazao aminy fa te hiandany amin’ny fivavahana marina
ianao. Angataho izy hanampy anao hitovy hevitra aminy.
—Isaia 55:9.
TSY NANKALAZA KRISMASY
NY KRISTIANINA TALOHA
6 Lasa tsy mendrika ny fivavahan’ny olona iray, raha ma-

nkalaza fety fanaon’ny fivavahan-diso izy. Misy, ohatra, mi-


hevitra fa andro nahaterahan’i Jesosy Kristy ny Krismasy, ka
saika ny fivavahana rehetra milaza fa Kristianina no manka-
laza azy io. Tsy misy porofo anefa hoe nankalaza an’io fety
io ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Hoy
ny boky Fiandohana Masin’ireo Zava-dalina (anglisy): “Tsy
nisy nahafantatra ny daty marina nahaterahan’i Kristy, na-
ndritra ireo roanjato taona taorian’ny nahaterahany, ary vi-
tsy no liana tamin’izany.”
7 Tsy ho nankalaza ny andro nahaterahan’i Jesosy mihi-

tsy koa ny mpianany, na dia fantatr’izy ireo aza ny daty ma-


rina nahaterahany. Milaza mantsy Ny Rakipahalalan’izao
5. Inona no tokony hataonao, raha nampiasa sary masina ianao ta-
loha, na nivavaka tamin’ny razana?
6, 7. a) Inona no ankalazain’ny olona rehefa Krismasy, ary nankala-
za azy io ve ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany? b) Iza
no zatra nankalaza andro nahaterahana, tamin’ny andron’ny mpia-
natr’i Jesosy?
Miandania Amin’ny Fivavahana Marina 157

Tontolo Izao (anglisy) fa noheverin’ny Kristianina fahiny


hoe “fanaon’ny mpanompo sampy ny mankalaza fitsinge-
renan’ny andro nahaterahana.” Olona roa ihany no la-
zain’ny Baiboly fa nankalaza an’izany, ary samy tsy mpa-
nompon’i Jehovah izy ireo. (Genesisy 40:20; Marka 6:21)
Nankalaza ny aniverseran’ny andriamani-diso koa ny mpa-
nompo sampy. Nankalaza ny andro nahaterahan’i Diane
andriamani-bavy, ohatra, ny Romanina isaky ny 24 Mey,
ary ny an’i Apollon, andriamanitra masoandro, kosa ny
ampitson’iny.
8 Misy antony hafa koa nahatonga ny Kristianina fahiny

tsy hankalaza ny andro nahaterahan’i Jesosy. Azo inoana fa


fantatr’izy ireo hoe nisy finoanoam-poana tamin’ilay fa-
nkalazana. Maro, ohatra, ny Grika sy Romanina nino hoe
isaky ny misy zaza teraka dia misy fanahy tonga eo, ary iny
no miaro azy mandritra ny androm-piainany. Hoy ilay boky
hoe Lovantsofina Momba ny Fankalazana Andro Nahatera-
hana (anglisy): “Nisy fifandraisana hafahafa teo amin’io fa-
nahy io sy ilay andriamanitra mitovy daty nahaterahana
amin’ilay olona.” Tena tsy mahafaly an’i Jehovah mihitsy
ny fety lazaina fa ankalazana an’i Jesosy, nefa mifangaro fi-
`
noanoam-poana. (Isaia 65:11, 12) Nahoana ary no be dia be
no mankalaza Krismasy?
NY NIANDOHAN’NY KRISMASY
9 Efa 300 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jeso-
sy, vao nankalazaina hoe andro nahaterahan’i Jesosy ny
25 Desambra. Toa volana Oktobra anefa izy no teraka, fa tsy
`
tamin’io daty io.1 Nahoana ary no nataon’ny olona 25 De-
sambra ilay izy? Hazavain’ny boky iray fa nankalaza ny
1 Jereo ny Fanazavana Fanampiny, pejy 221-222.

8. Hazavao fa misy finoanoam-poana ny fankalazana ny andro naha-


terahana.
9. Nahoana no nataon’ny olona 25 Desambra ny fankalazana ny
andro nahaterahan’i Jesosy?
158 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

“fiposahan’ny masoandro tsy mety resy” ny Romanina


mpanompo sampy tamin’io daty io. Nisy olona nilaza ho
`
Kristianina ary “te hampifanindry azy io tamin’ilay fety” la-
zaina fa nahaterahan’i Jesosy. Tsara homarihina fa zara raha
misy masoandro any amin’ny faritra sasany, rehefa ririnina.
`
Nanao fety ary ny mpanompo sampy mba hiverenan’ny
masoandro, satria io no manome hafanana sy hazavana.
Nino izy ireo fa ny 25 Desambra no nanomboka niverina
ny masoandro. Mba hahatonga ny mpanompo sampy hio-
`
va finoana ary, dia nankalaza an’io fety io koa ny mpito-
ndra fivavahana, fa mody nataony hoe fety kristianina ilay
izy.1
10 Efa ela no fantatra fa avy amin’ny mpanompo sa-

mpy ny Krismasy. Voarara, ohatra, ny nankalaza Krisma-


sy tany Angletera sy ny faritra sasany
tany Amerika tamin’ny 1650 tany ho Hihinana
any, satria tsy ara-baiboly io fankalaza- vatomamy
na io. Nandoa lamandy aza izay olona notsimponina
tao anaty tatatra
tsy nandeha niasa, fa nijanona tao an-
ve ianao?
trano, rehefa Krismasy. Taoriana ke-
lin’izay anefa, dia lasa tian’ny olona
indray ireo fombafomba taloha, ary
niampy fanao hafa koa. Lasa be mpi-
`
tia indray ary ny Krismasy hatramin’
izao. Tsy mankalaza an’io fety io ane-
fa izay te hampifaly an’Andriamanitra,
satria mifandray amin’ny fivavahan-
1 Anisan’ny antony nifidianana ny 25 De-
sambra koa ilay fetin’ny Romanina atao hoe
Satiornaly. Nankalaza ny andriamanitry ny
fambolena izy ireo ny 17-24 Desambra. Na-
nao sakafo be izy ireo, nanao lanonana, ary
nifanolotra fanomezana.

10. Nahoana ny olona sasany no tsy nanka-


laza Krismasy taloha?
Miandania Amin’ny Fivavahana Marina 159

diso izy io. Tsy mankalaza fety hafa avy amin’ny mpano-
mpo sampy koa izy ireo.1
TENA ZAVA-DEHIBE VE NY
NIANDOHAN’NY FETY IRAY?
11 Misy manaiky fa avy amin’ny mpanompo sampy tokoa

ny fety sasany toy ny Krismasy. Mihevitra anefa izy ireo fa


tsy ratsy ny mankalaza azy ireny, satria tsy mieritreritra ny
hanompo sampy izy amin’izany. Amin’ireny fotoana ireny
koa no mba afaka miaraka ny fianakaviana. Izany koa ve ny
hevitrao? Raha izany, dia noho ianao tia ny havanao, fa tsy
ny fivavahan-diso, no mety hahatonga anao hieritreritra fa
sarotra ny manaraka ny fivavahana marina. Matokia anefa
fa tena tian’i Jehovah hifandray tsara amin’ny fianakavia-
nao ianao. Izy rahateo no nampisy ny fianakaviana. (Efesia-
nina 3:14, 15) Afaka mifandray akaiky amin’ny fianakavia-
nao ianao, sady tsy manao zavatra raran’Andriamanitra. Ny
sitrapon’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe amintsika, sa-
tria hoy ny apostoly Paoly: “Fantaro tsara foana izay anka-
sitrahan’ny Tompo.”—Efesianina 5:10.
12 Mety hieritreritra ianao fa efa tsy hoatran’ny tamin’ny

voalohany intsony izao ny antony ankalazan’ny olona an’


ireny fety ireny. Tena zava-dehibe anefa ny niandohan’izy
ireny. Eritrereto, ohatra, hoe mahita vatomamy ao anaty ta-
tatra ianao. Handeha haka an’ilay izy ve ianao dia hihina-
na azy? Mazava ho azy fa tsia, satria maloto ilay izy. Mety
hahafinaritra koa ny mankalaza an’ireny fety ireny, nefa fa-
nompoan-tsampy no niandohan’izy ireny. Raha te hianda-
`
ny amin’ny fivavahana marina ary isika, dia mila manaiky
1 Jereo ny Fanazavana Fanampiny, pejy 222-223, mba hahitana hoe
mety amin’ny Kristianina ve ireo fety hafa fanaon’ny olona.

11. Nahoana ny olona sasany no mankalaza Krismasy, nefa inona no


tokony ho zava-dehibe amintsika?
12. Hazavao amin’ny ohatra fa tsy tokony hanao fombafomba na fety
iray isika, raha ratsy ny niandohany.
160 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

an’ilay tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Aza mikasika an’izay


maloto.”—Isaia 52:11.
MAHAIZA MANDANJALANJA REHEFA
MANAZAVA AN’IZAY INOANAO
13 Mety hisy zava-tsarotra hitranga rehefa tsy mankalaza

fety sasany ianao. Mety ho gaga, ohatra, ny mpiara-miasa


aminao hoe nahoana ianao no tsy mandray anjara amin’ny
fety sasany any am-piasana. Ahoana raha misy manome fa-
nomezana ianao rehefa Krismasy? Mety ve ny mandray an’
izany? Ahoana raha tsy mitovy finoana aminao ny vadi-
nao? Ary inona no azonao atao mba tsy hahatsiaro ho
matiantoka ny zanakao satria tsy mankalaza fety?
`
14 Mahaiza ary mandanjalanja. Afaka misaotra fotsiny,
ohatra, ianao rehefa misy miarahaba tratran’ny fety. Ahoa-
`
na anefa raha mpiray tanana na mpiara-miasa aminao ilay
olona? Afaka manazava ianao amin’izay, saingy mila ma-
hay mandanjalanja. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho teny maha-
finaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho
fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Ko-
losianina 4:6) Mitandrema sao tsy manaja an’ilay olona, ary
mahaiza mandanjalanja rehefa manazava ny zavatra inoa-
nao. Hazavao tsara aminy fa tsy ilay mifanolotra fanomeza-
na na miara-mikorana no tsy mety aminao, fa tianao kosa
raha amin’ny fotoana hafa no manao an’izany.
15 Ahoana raha misy manome fanomezana ianao? Araka-

raka ny zava-misy eo ny tokony hataonao. Mety hilaza ma-


ntsy ilay olona hoe: “Fantatro fa tsy mankalaza an’ilay fety
ianao, fa mba tiako homena anao fotsiny ity.” Tsy hoe ma-
nkalaza an’ilay fety ianao amin’izay raha mandray an’ilay
izy. Raha tsy mahafantatra ny zavatra inoanao anefa ilay
13. Inona avy ny zava-tsarotra mety hitranga, rehefa tsy mankalaza
fety sasany ianao?
14, 15. Inona no azonao atao raha misy miarahaba anao tratran’ny
fety, na manome fanomezana anao?
Miandania Amin’ny Fivavahana Marina 161

olona, dia azonao lazaina aminy fa tsy mankalaza an’ilay


fety ianao. Mety ho azony amin’izay hoe maninona ianao
no mandray an’ilay fanomezana, nefa tsy manome azy.
Aleo kosa tsy mandray raha fantatrao fa te hitsapa anao fo-
tsiny izy, satria te hampiseho fa hivadika amin’ny zavatra
inoanao ianao, na hiova hevitra rehefa omena zavatra.
MIFANDRAISA TSARA
AMIN’NY FIANAKAVIANAO
16 Inona no atao raha tsy mitovy finoana aminao ny fia-

nakavianao? Mahaiza mandanjalanja foana. Tsy ilaina hia-


dian-kevitra daholo izay fombafomba na fety ankalazain’ny
havanao. Manan-jo hanana ny heviny izy ka hajao izany, sa-
tria tianao hanaja ny zonao koa izy ireo. (Vakio ny Matio
7:12.) Aza manao na inona na inona mety hahatonga anao
handray anjara amin’ilay fety. Mahaiza anefa mandanjala-
nja amin’ireo zavatra tsy mifandray mivantana amin’ilay
fety. Ataovy foana koa izay hananana feon’ny fieritreretana
madio.—Vakio ny 1 Timoty 1:18, 19.
17 Inona no azonao atao mba tsy hahatsiaro ho matianto-

ka ny zanakao, satria tsy mankalaza fety tsy ara-baiboly? Tsy


hahatsapa an’izany izy ireo raha manokana fotoana hiara-
hana mifaly aminy ianao amin’ny fotoana hafa. Manao an’
izany imbetsaka ny ray aman-dreny sasany, ary manome fa-
nomezana ho an’ny zanany. Anisan’ny fanomezana tsara
indrindra azonao omena ny zanakao ny fotoananao sy ny
fitiavanao ary ny fiahianao.
ARAHO NY FIVAVAHANA MARINA
18 Raha te hampifaly an’Andriamanitra ianao, dia tsy
vitan’ny hoe mila miala amin’ny fivavahan-diso, fa tsy
16. Ahoana no hahaizanao mandanjalanja amin’ny resaka fety?
17. Inona no azonao atao mba tsy hahatsiaro ho matiantoka ny za-
nakao, rehefa mahita olona manao fety?
18. Nahoana no hanampy anao hiandany amin’ny fivavahana mari-
na ny manatrika fivoriana?
162 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

maintsy miandany amin’ny fivavahana marina koa. Inona


no tafiditra amin’izany? Hoy ny Baiboly: ‘Aoka isika hifa-
mpihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa
tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany
izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa
hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Hebreo 10:24, 25) Fo-
toana mahafinaritra ahafahana manompo an’i Jehovah ny
fivoriana kristianina. (Salamo 22:22; 122:1) ‘Mifampahery’
ny Kristianina rehefa any amin’ireny fivoriana ireny.—Ro-
manina 1:12.
19 Miandany amin’ny fivavahana marina koa ianao, rehe-

fa resahinao amin’ny olona izay nianaranao tao amin’ny


Baiboly. Olona maro no tena misento sy mitaraina, satria
be dia be ny faharatsiana eran-tany. Mahalala olona hoatr’
izany angamba ianao. Resaho aminy ny fanantenanao avy
ao amin’ny Baiboly. Lasa tsy te hanao ny fanaon’ny fivava-
han-diso intsony ianao amin’ny farany, rehefa miaraka
amin’ny Kristianina foana sady miresaka an’ireo zavatra tsa-
ra nianaranao tao amin’ny Baiboly. Matokia fa ho sambatra
ianao ary hahazo fitahiana maro, raha miandany amin’ny
fivavahana marina.—Malakia 3:10.
19. Nahoana ianao no mila miresaka amin’ny olona ny zavatra nia-
naranao tao amin’ny Baiboly?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Tsy tokony hampiasa sary masina na hivavaka
amin’ny razana ny tena Kristianina.
—Eksodosy 20:4, 5; Deoteronomia 18:10-12.
ˇ Tsy mety ny mandray anjara amin’ny fety avy
amin’ny mpanompo sampy.—Efesianina 5:10.
ˇ Tokony hahay handanjalanja ny tena
Kristianina, rehefa manazava ny zavatra
inoany.—Kolosianina 4:6.
Tena ho sambatra ianao rehefa
manaraka ny fivavahana marina
TOKO FAHA-17

`
Manatona An’Andriamanitra
Amin’ny Alalan’ny Vavaka
Nahoana isika no tokony
hivavaka amin’Andriamanitra?
Inona no tsy maintsy ataontsika,
mba hohenoiny ny vavaka ataontsika?
Ahoana no amaliany ny vavaka ataontsika?

TENA kely ny tany, raha oharina amin’izao rehetra izao


midadasika. Toy ny rano kely indray mitete avy amin’ny
siny ny firenena eran-tany amin’i Jehovah, ilay “Mpanao
ny lanitra sy ny tany.” (Salamo 115:15; Isaia 40:15) Hoy
anefa ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Je-
hovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahama-
rinana. Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy.
Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.” (Salamo 145:
18, 19) Mba eritrereto ange hoe eo akaikintsika eo ilay
Mpamorona mahery indrindra e! Hihaino antsika izy
raha “miantso azy araka ny fahamarinana” isika. Voni-
nahitra lehibe izany hoe mivavaka amin’Andriamanitra
izany!
2 Tsy maintsy mivavaka amin’i Jehovah araka izay tia-

ny anefa isika, raha tiantsika hohenoiny ny vavaka atao-


`
ntsika. Mila fantarintsika ary aloha hoe inona no lazain’
ny Baiboly momba ny vavaka. Manampy antsika ho akai-
ky kokoa an’i Jehovah mantsy ny vavaka.
1, 2. Nahoana no tokony horaisintsika ho voninahitra lehibe ny mi-
vavaka, ary nahoana isika no mila mamantatra an’izay lazain’ny Bai-
boly momba ny vavaka?
165

Vonona hihaino ny vavaka


ataontsika ilay “Mpanao
ny lanitra sy ny tany”

NAHOANA ISIKA NO TOKONY


HIVAVAKA AMIN’I JEHOVAH?
3 Ny antony lehibe tokony hivavahana amin’i Jeho-

vah, dia satria izy no manasa antsika hanao an’izany.


Mampirisika antsika ny Teniny hoe: “Aza manahy na
amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra,
dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo,
amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny
fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavi-
tra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy
ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:
6, 7) Azo antoka fa zava-dehibe amintsika izany hoe afa-
ka mivavaka amin’ilay Mpitondra an’izao rehetra izao
izany.
4 Mila mivavaka amin’i Jehovah koa isika, satria lasa

akaiky kokoa azy isika rehefa miresaka aminy tsy tapaka.


Tsy hoe rehefa misy zavatra ilaina ihany vao mifampire-
saka ny tena mpinamana. Mifampiahy izy ireo, ary lasa
3. Inona ny antony lehibe tokony hivavahantsika amin’i Jehovah?
4. Nahoana isika no lasa akaiky an’i Jehovah, rehefa mivavaka tsy ta-
paka?
166 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

mifanakaiky kokoa, rehefa tsy misalasala miresaka ny ao


am-pony sy ny eritreriny ary izay mampanahy azy. Hoatr’
izany ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra.
Nianatra zavatra maro avy ao amin’ny Baiboly momba
an’i Jehovah sy ny toetrany ary ny fikasany ianao, tato
amin’ity boky ity. Lasa fantatrao izao hoe tena misy izy,
ary azo atao ny mifandray aminy. Afaka milaza ny eritre-
ritrao sy ny fihetseham-ponao lalina indrindra amin’ilay
Rainao any an-danitra ianao, rehefa mivavaka. Ho akaiky
kokoa azy ianao amin’izay.—Jakoba 4:8.
INONA NO TSY MAINTSY ATAONTSIKA?
5 Mihaino ny vavaka rehetra ve i Jehovah? Izao no no-
lazainy tamin’ny Israelita tamin’ny andron’i Isaia, rehefa
`
tsy nankato izy ireo: “Na manao vavaka maro aza ianareo,
dia tsy hihaino aho, fa feno ran’olona ny tananareo.”
(Isaia 1:15) Hita amin’izany fa mety tsy hihaino ny vava-
ka ataontsika izy raha tsy tiany ny zavatra ataontsika.
`
Misy zavatra takina amintsika ary mba hihainoany sy ha-
maliany ny vavaka ataontsika.
6 Voalohany, tsy maintsy maneho finoana isika. (Vakio

ny Marka 11:24.) Hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’


ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’
Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy
mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy
azy.” (Hebreo 11:6) Tsy ampy ny miaiky hoe misy izy ary
mihaino sy mamaly vavaka. Mila porofoina amin’ny za-
vatra atao koa ny tena finoana. Tsy maintsy asehontsika
`
amin’ny fomba fiainantsika isan’andro ary, fa manam-
pinoana isika.—Jakoba 2:26.
5. Inona no mampiseho fa tsy ny vavaka rehetra no henoin’i Jeho-
vah?
6. Inona ny zavatra voalohany ilaina atao raha tiantsika hohenoin’
Andriamanitra ny vavaka ataontsika, ary ahoana no anaovantsika
izany?
`
Manatona An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka 167

7 Faharoa, milaza i Jehovah fa tsy maintsy manetry tena


sy miresaka aminy amin’ny fo isika, rehefa mivavaka ami-
ny. Rehefa miresaka amin’ny mpanjaka na filoham-pirene-
na, ohatra, ny olona, dia matetika no manaja be azy satria
manana toerana ambony izy ireny. Koa tsy vao mainka ve
isika tokony hanetry tena sy hanaja an’i Jehovah rehefa mi-
resaka aminy? (Salamo 138:6) Izy no “Andriamanitra Mahe-
`
ry Indrindra.” (Genesisy 17:1) Rehefa mivavaka aminy ary
isika, dia tokony hasehontsika hoe manetry tena isika sady
manaiky fa ambany. Tsy hanao vavaka amim-pahazarana fo-
tsiny koa isika na hanao teny miverimberina foana, raha
manetry tena, fa hilaza izay tena ao am-pontsika aminy.
—Matio 6:7, 8.
8 Fahatelo, tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’

ny vavaka ataontsika isika, raha tiantsika hihaino antsika i


Jehovah. Manantena izy fa hanao ezaka mafy mifanaraka
amin’izay angatahintsika isika. Raha mivavaka, ohatra, isika
hoe “omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”, dia tsy
maintsy miasa mafy araka izay azontsika atao isika. (Matio
6:11; 2 Tesalonianina 3:10) Raha mivavaka mba handresy fa-
halemena indray isika, dia tsy maintsy mitandrina sy miala
amin’ny toe-javatra mety hampisy fakam-panahy. (Kolosia-
nina 3:5) Mbola misy fanontaniana hafa momba ny vava-
ka koa mila valiantsika.
VALIM-PANONTANIANA MOMBA NY VAVAKA
9 Iza no tokony hivavahana? Nampianatra ny mpanara-dia
azy i Jesosy, mba hivavaka amin’ilay ‘Raintsika any an-dani-
`
tra.’ (Matio 6:9) I Jehovah Andriamanitra irery ihany ary no
tokony hivavahantsika. Tian’i Jehovah hekentsika anefa ny
andraikitra nomeny an’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana.
7. (a) Nahoana isika no tokony hanaja an’i Jehovah rehefa mivavaka
aminy? b) Ahoana no ampisehoantsika fa manetry tena sy miresaka
amin’ny fo isika, rehefa mivavaka?
8. Inona ny dikan’ny hoe manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka?
9. Iza no tokony hivavahana, ary amin’ny alalan’iza?
168 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa nirahiny tety an-
tany i Jesosy, mba ho vidim-panavotana hanafahana antsika
amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16; Romanina
5:12) Voatendry ho Mpisoronabe sy Mpitsara izy. (Jaona
5:22; Hebreo 6:20) Izany no mahatonga ny Baiboly handidy
antsika, mba hivavaka amin’ny alalan’i Jesosy. Hoy mantsy
izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy
olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jao-
`
na 14:6) Raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra ary ny va-
vaka ataontsika, dia tsy maintsy mivavaka amin’i Jehovah
irery ihany isika, fa amin’ny alalan’ny Zanany.
10 Tokony hatao ahoana ny vatana na ny tanana, rehefa

mivavaka? Tsy nametraka fitsipika momba an’izany i Jeho-


vah. Milaza ny Baiboly fa azo atao ny mipetraka, miondrika,
mandohalika, mitsangana, na manao fihetsika hafa. (1 Ta-
ntara 17:16; Nehemia 8:6; Daniela 6:10; Marka 11:25) Tsy ny
fihetsika mety ho hitan’ny olona no zava-dehibe fa izay ao
am-pontsika. Afaka mivavaka anakampo mihitsy aza isika,
rehefa manao ny asantsika andavanandro, na rehefa misy
loza tsy ampoizina, na aiza izany na aiza. Mihaino an’ireny
vavaka ireny i Jehovah, na dia tsy voamariky ny manodidi-
na antsika aza izany.—Nehemia 2:1-6.
11 Inona no azo resahina rehefa mivavaka? Hoy ny Baibo-

ly: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’


ny sitrapony, dia mihaino antsika [i Jehovah].” (1 Jaona
5:14) Afaka mivavaka amin’Andriamanitra momba ny zava-
`
tra rehetra mifanaraka amin’ny sitrapony ary isika. Ary tafi-
ditra amin’izany koa ve ny zavatra mampanahy antsika
manokana? Izany mihitsy. Hoatran’ny miresaka amin’ny
namana ny miresaka amin’i Jehovah, ka afaka ‘mamboraka
ny ao am-pontsika’ isika. (Salamo 62:8) Afaka mangataka ny
10. Nahoana no tsy misy fitsipika hoe tokony hatao ahoana ny vata-
na na ny tanana, rehefa mivavaka?
11. Inona no mety mampanahy antsika, ka azo resahina amin’ny va-
vaka?
`
Manatona An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka 169

fanahy masina isika, mba hanampy antsika hanao ny tsara.


(Lioka 11:13) Azo atao koa ny mangataka tari-dalana, mba
handraisana fanapahan-kevitra tsara sy hahazoana hery hia-
trehana olana. (Jakoba 1:5) Tokony hangataka famelan-
keloka miorina amin’ny soron’i Kristy isika, rehefa manota.
(Efesianina 1:3, 7) Tsy izay ilaintsika ihany anefa no tokony
horesahintsika. Tokony hivavaka ho an’olon-kafa koa isika,
anisan’izany ny mpianakavintsika sy ny mpiray finoana
amintsika.—Asan’ny Apostoly 12:5; Kolosianina 4:12.
12 Izay mahakasika an’i Jehovah Andriamanitra anefa no

tokony ho loha laharana ao amin’ny vavaka ataontsika. To-


kony hidera sy hisaotra azy isika, noho ny soa rehetra atao-
ny. (1 Tantara 29:10-13) Nampianarin’i Jesosy tao amin’ny
vavaka modely fa tokony hivavaka isika mba hohamasinina
ny anaran’Andriamanitra. (Vakio ny Matio 6:9-13.) Nasainy
nangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy
`
hanaovana ny sitrapony ety an-tany koa isika. Rehefa avy ni-
resaka an’ireo zava-dehibe momba an’i Jehovah ireo i Jeso-
sy, vao niresaka an’izay ilain’ny tsirairay. Raha ny momba
an’i Jehovah no ataontsika loha laharana amin’ny vavaka,
dia hita fa tsy ny tenantsika ihany no eritreretintsika.
13 Tokony hanao ahoana ny halavan’ny vavaka? Tsy fari-

tan’ny Baiboly ny halavan’ny vavaka, na atao samirery ilay


izy na miaraka amin’olona. Mety ho fohy ilay izy raha
vavaka alohan’ny sakafo, ary mety ho lava raha vavaka ma-
nokana amborahantsika amin’i Jehovah ny ao am-pontsika.
(1 Samoela 1:12, 15) Nomelohin’i Jesosy anefa ny olona
nihatsaravelatsihy, sy nanao vavaka lava be mba hisehose-
hoana fotsiny. (Lioka 20:46, 47) Tsy tian’i Jehovah ny vava-
ka hoatr’izany. Mila manao vavaka amin’ny fo isika. Mianki-
`
na amin’ny zava-misy sy izay ilaintsika ary ny halavan’ny
vavaka eken’i Jehovah.
12. Ahoana no ampisehoantsika fa izay mahakasika an’ilay Raintsika
any an-danitra no ataontsika loha laharana amin’ny vavaka?
13. Vavaka lava sa fohy no tian’i Jehovah, araka ny Baiboly?
170 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

14 Isaky ny inona isika no tokony hivavaka? Hoy ny Baibo-


ly: “Mivavaha foana”, “mahareta amin’ny vavaka”, ary “aza
mitsahatra mivavaka.” (Matio 26:41; Romanina 12:12; 1 Te-
salonianina 5:17) Tsy midika anefa izany hoe tokony hivava-
ka amin’i Jehovah tontolo andro isika. Asain’ny Baiboly mi-
vavaka tsy tapaka kosa isika, ka hisaotra azy foana noho ny
soa ataony, ary hitady tari-dalana na fampiononana na hery
avy aminy. Tena mampahery ny mahalala fa tsy feran’i Jeho-
vah ny halavan’ny vavaka ataontsika, na hoe isaky ny inona
isika vao mahazo mivavaka. Raha tena mankasitraka ny to-
mbontsoa hivavaka isika, dia hahita antony maro be hivava-
hana amin’ilay Raintsika any an-danitra.
15 Nahoana isika no tokony hiteny hoe “Amena” amin’ny

faran’ny vavaka? Ny hoe “amena” dia midika hoe “ho tante-


raka anie izany” na “izany tokoa anie.” Hita ao amin’ny So-
ratra Masina fa mety ny miteny hoe “Amena”, amin’ny
faran’ny vavaka atao samirery na miaraka amin’ny olona.
(1 Tantara 16:36; Salamo 41:13) Rehefa manao “Amena” isi-
ka amin’ny faran’ny vavaka ataontsika, dia manamafy fa
tena vokatry ny fontsika ilay vavaka. Rehefa miteny hoe
“Amena” anakampo na amin’ny feo avo isika amin’ny faran’
ny vavaka ataon’olon-kafa, dia mampiseho fa manaiky an’
izay nolazainy isika.—1 Korintianina 14:16.
AHOANA NO AMALIAN’ANDRIAMANITRA
NY VAVAKA ATAONTSIKA?
16 Tena mamaly vavaka i Jehovah. Afaka matoky tanteraka

isika fa mamaly ny vavaka vokatry ny fo ataon’ny olona an-


tapitrisany ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Mety ho
samihafa ny fomba hamalian’i Jehovah ny vavaka atao-
ntsika.
14. Inona ny dikan’ny hoe “mivavaha foana”, ary nahoana izany no
mampahery?
15. Nahoana isika no tokony hanao “Amena” amin’ny faran’ny vava-
ka ataontsika samirery na ataon’olon-kafa?
16. Inona no azontsika atokisana rehefa mivavaka isika?
`
Manatona An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka 171

17 Mampiasa ny anjeliny sy ny mpanompony eto an-tany i


Jehovah, mba hamaliana vavaka. (Hebreo 1:13, 14) Maro, oha-
tra, no nilaza fa nisy mpanompon’i Jehovah nitsidika azy,
raha vao avy nivavaka izy hoe mba te hahazo izay lazain’ny
Baiboly. Izany no porofo fa mitarika ny fitoriana ilay Fanjaka-
na ny anjely. (Apokalypsy 14:6) Mety hataon’i Jehovah izay
hanampian’ny Kristianina iray antsika, amin’ilay fotoana tena
ilantsika an’izany indrindra.—Ohabolana 12:25; Jakoba 2:16.
17. Inona no manaporofo fa mampiasa ny anjeliny sy ny mpanompo-
ny eto an-tany Andriamanitra, mba hamaliana ny vavaka ataontsika?

Afaka mihaino ny vavaka


ataonao foana Andriamanitra
Mba hamaliana ny vavaka
ataontsika, dia mety hisy
Kristianina hataon’i Jehovah
manampy antsika

18 Mampiasa ny fanahi-
ny masina sy ny Teniny
koa i Jehovah Andriama-
nitra, mba hamaliana ny
vavaky ny mpanompo-
ny. Mety hanome antsika
tari-dalana na hery amin’
ny alalan’ny fanahy masi-
na izy, rehefa mangataka
aminy isika mba hampia-
ny hiatrika fitsapana.
(2 Korintianina 4:7) Rehefa mivavaka mba hahazo tari-
dalana isika, dia matetika no hitantsika ao amin’ny Baiboly
izany. Mampiasa azy io i Jehovah mba hanampiana antsika
handray fanapahan-kevitra tsara. Rehefa mianatra samirery
na mamaky boky ara-baiboly hoatran’ity boky ity isika, dia
mety hahita andinin-teny tena ilaintsika. Mety handre hevi-
tra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly isika any am-pivoria-
na, na hiresaka amintsika ny anti-panahy iray be fiahiana.
—Galatianina 6:1.
19 Tsy hoe tsy mamaly vavaka i Jehovah, raha hoatran’ny

tsy valiany avy hatrany ilay izy. Tsy maintsy tadidintsika kosa
fa araka ny sitrapony sy amin’ny fotoana mety aminy no
amaliany vavaka. Mahafantatra izay ilaintsika sy ny fomba
anomezana an’izany, mihoatra lavitra noho ny tenantsika
izy. Matetika izy no mamela antsika ‘hangataka sy hitady ary
`
handondona foana.’ (Lioka 11:5-10) Raha maharitra hoatr’
18. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fanahiny masina sy ny Teniny,
mba hamaliana ny vavaky ny mpanompony?
19. Inona no tokony hotadidintsika, raha hoatran’ny hoe tsy maha-
zo valim-bavaka isika?
173

izany isika rehefa mivavaka, dia ho hitany


fa tena irintsika mafy ilay zavatra angatahi-
ntsika sady manam-pinoana isika. Mety tsy
ho hitantsika mivantana koa anefa ny fo-
mba amalian’i Jehovah vavaka. Raha miva-
vaka momba ny fitsapana mahazo antsika,
ohatra, isika dia mety tsy hanala an’izany
izy, fa hanome antsika hery hiaretana an’
ilay izy.—Vakio ny Filipianina 4:13.
20 Mampahery tokoa hoe akaiky an’izay

rehetra mivavaka aminy araka ny sitrapony


i Jehovah. (Vakio ny Salamo 145:18.) Vo-
ninahitra lehibe ny mivavaka, ka tokony
hanao an’izany tsy tapaka isika. Ho faly isi-
ka amin’izay, satria ho akaiky kokoa an’i Je-
hovah, ilay Mpihaino vavaka.
20. Nahoana isika no tokony hivavaka tsy tapaka?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika, raha
mivavaka aminy tsy tapaka.—Jakoba 4:8.
ˇ Tsy maintsy manam-pinoana sy manetry
tena ary milaza izay tena ao am-pontsika
isika, raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra
ny vavaka ataontsika.—Marka 11:24.
ˇ Tokony hivavaka amin’i Jehovah irery
ihany isika, ary amin’ny alalan’ny Zanany.
—Matio 6:9; Jaona 14:6.
ˇ Mba hamaliana ny vavaka ataontsika, dia
mampiasa ny anjeliny, ny mpanompony
eto an-tany, ny fanahy masina, ary ny
Teniny i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka.”
—Salamo 65:2.
TOKO FAHA-18

Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra


Ianao Raha Atao Batisa
Ahoana no fomba anaovana batisa ny Kristianina?
Inona avy no tokony hataonao
vao azo atao batisa ianao?
Inona no tokony hataon’ny olona
manokan-tena ho an’Andriamanitra?
Misy heviny manokana ny batisa. Inona izany?

“IO MISY rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao bati-


sa?”, hoy ny tandapa etiopianina iray tamin’ny taonjato
voalohany. Nisy Kristianina atao hoe Filipo nanaporofo ta-
miny fa i Jesosy no Mesia nampanantenaina. Nanohina
ny fon’ilay Etiopianina ny zavatra nianarany tao amin’ny
1. Nahoana ilay tandapa etiopia-
nina no nangataka hatao batisa?
Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa 175

Soratra Masina, ka te hanao zavatra izy. Te hatao batisa izy!


—Asan’ny Apostoly 8:26-36.
2 Rehefa avy nianatra tsara an’ireo toko teo aloha niaraka

tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia mety hieritre-


ritra hoe: ‘Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?’ Lasa
fantatrao izao ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hisy
fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (Lioka 23:43;
Apokalypsy 21:3, 4) Nianaranao koa hoe manao ahoana ny
olona rehefa maty, ary fantatrao fa mbola hitsangana izy
ireny. (Mpitoriteny 9:5; Jaona 5:28, 29) Efa mivory miaraka
amin’ny Vavolombelon’i Jehovah angamba ianao, ary ma-
hita hoe ahoana ny fomba anarahany ny fivavahana mari-
na. (Jaona 13:35) Ny tena zava-dehibe dia hoe mety ho efa
manomboka mifandray amin’i Jehovah Andriamanitra ia-
nao.
3 Ahoana no ampisehoanao fa te hanompo an’Andriama-

nitra ianao? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Mandehana


ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra,
ka ataovy batisa.’ (Matio 28:19) I Jesosy mihitsy no nano-
me modely tamin’izany, ka natao batisa tao anaty rano. Tsy
nofafazana rano izy, na natete teo amin’ny lohany fotsiny
ny rano. (Matio 3:16) Ny teny hoe “manao batisa” dia avy
amin’ny teny grika midika hoe “mandroboka.” Aroboka na
`
asitrika tanteraka ao anaty rano ary ny Kristianina, rehefa
atao batisa.
4 Mila atao batisa ao anaty rano izay rehetra te hifandray

amin’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa atao batisa ianao,


dia asehonao amin’ny besinimaro fa te hanompo an’Andri-
amanitra ianao, ary mahafinaritra anao ny manao ny sitra-
pony. (Salamo 40:7, 8) Misy dingana maromaro tsy maintsy
ataonao anefa, vao azo atao batisa ianao.
2. Nahoana ianao no tokony hieritreritra lalina momba ny batisa?
3. a) Inona ny didy nomen’i Jesosy ny mpianany? b) Ahoana no to-
kony hanaovana ny batisa?
4. Fomba ampisehoana inona ny batisa anaty rano?
176 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ILAINA NY FAHALALANA SY NY FINOANA


5 Efa nataonao ny dingana voalohany. Nahoana? Satria
efa mianatra hahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy Jeso-
sy Kristy ianao, angamba mianatra tsy tapaka ny Baiboly.
(Vakio ny Jaona 17:3.) Mbola betsaka anefa ny zavatra azo
ianarana. Tokony ho ‘feno fahalalana marina tsara’ ny si-
trapon’Andriamanitra mantsy ny Kristianina. (Kolosianina
1:9) Tena hanampy anao amin’izany ny fivoriana ataon’ny
Vavolombelon’i Jehovah. Zava-dehibe ny manatrika azy
ireny. (Hebreo 10:24, 25) Hahalala tsara an’i Jehovah ianao
rehefa mivory tsy tapaka.
6 Tsy voatery ho hainao daholo ny ao amin’ny Baiboly,

vao azo atao batisa ianao. Efa nahalala zavatra sasany ilay
tandapa etiopianina, nefa mbola nila nampiana hahataka-
tra andinin-teny sasany tao amin’ny Soratra Masina. (Asan’
ny Apostoly 8:30, 31) Mbola tokony hianatra zavatra betsa-
ka koa ianao. Mila mianatra momba an’Andriamanitra foa-
na ianao raha ny marina. (Mpitoriteny 3:11) Mila mahafa-
ntatra sy manaiky ny fampianarana fototra ao amin’ny
Baiboly anefa ianao, fara fahakeliny, vao azo atao batisa.
(Hebreo 5:12) Anisan’izany ny marina momba ny maty, ny
anaran’Andriamanitra, ary ny Fanjakany.
7 Tsy ampy anefa ny manana fahalalana, satria “raha tsy

amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka


amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Milaza ny Baiboly fa
rehefa nandre ny hafatra notorin’ny Kristianina ny olona
sasany tany Korinto, dia ‘tonga mpino, ka natao batisa.’
(Asan’ny Apostoly 18:8) Raha mianatra Baiboly koa ianao,
dia hino tanteraka fa Tenin’Andriamanitra izy io. Hanampy
anao hino ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra izy
5. a) Inona ny dingana voalohany tokony hataonao vao azo atao ba-
tisa ianao? b) Nahoana no zava-dehibe ny fivoriana kristianina?
6. Inona no tsy maintsy fantatrao, fara fahakeliny, vao azo atao bati-
sa ianao?
7. Rehefa mianatra Baiboly ianao, dia inona no tokony ho vokany?
Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa 177

io, sady hino fa afaka mamonjy anao ny soron’i Jesosy.


—Josoa 23:14; Asan’ny Apostoly 4:12; 2 Timoty 3:16, 17.
MIRESAKA NY FAHAMARINANA
8 Lasa tianao horesahina amin’olona ny zavatra nianara-
nao, rehefa mitombo ny finoanao. (Jeremia 20:9) Satrinao
foana hiresaka momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.
—Vakio ny 2 Korintianina 4:13.
9 Iza no azonao iresahana ny fahamarinana voalohany?

Ny havanao, ny namanao, ny mpifanila trano aminao, na


ny mpiara-miasa aminao. Mahaiza mandanjalanja anefa re-
hefa manao an’izany. Mety ho te hitory miaraka amin’ny
Vavolombelon’i Jehovah ianao, rehefa mandeha ny fotoa-
na. Tonga dia resaho ilay mampianatra Baiboly anao rehe-
fa vonona ianao. Raha hita fa mety hahafeno fepetra ho
mpitory ianao, dia hisy anti-panahy roa hiresaka aminao sy
ilay mpampianatra anao.
10 Hifankahalala tsara amin’ireo anti-panahy sasany mia-

ndry ny andian’ondrin’Andriamanitra ianao amin’izay.


(Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Petera 5:2, 3) Raha hitan’izy ireo
fa mahatakatra sy mino ny fampianarana fototra ao amin’
ny Baiboly ianao, manaraka ny toro lalan’Andriamanitra,
ary maniry ho Vavolombelon’i Jehovah, dia hilaza aminao
izy ireo fa afaka mitory ianao. Ho lasa mpitory tsy vita ba-
tisa ianao amin’izay.
11 Mety hila hanova ny fomba fiainanao sy ny faha-

zaranao sasany anefa ianao, vao azo ekena ho mpitory.


Anisan’izany ny fahazaran-dratsy mety ho nafeninao ta-
min’ny hafa. Raha te ho mpitory tsy vita batisa ianao,
8. Inona no hahatonga anao haniry hiresaka ny zavatra nianaranao?
9, 10. a) Iza aloha no azonao iresahana ny fahamarinana ara-baibo-
ly? b) Inona no tokony hataonao, raha te hitory miaraka amin’ny Va-
volombelon’i Jehovah ianao?
11. Inona no mila ataon’ny olona sasany, vao afaka ny ho mpitory
tsy vita batisa izy?
178 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

dia tokony hiala amin’ny fahotana lehibe aloha, ka tsy ma-


loto fitondran-tena intsony, na mamo, na mampiasa zava-
mahadomelina, sy ny toy izany.—Vakio ny 1 Korintianina
6:9, 10; Galatianina 5:19-21.
MIBEBAKA SY MIOVA
12 Misy zavatra hafa koa tsy maintsy ataonao, vao azo atao
batisa ianao. Hoy ny apostoly Petera: “Mibebaha, ka miverena
hamonoana ny fahotanareo.” (Asan’ny Apostoly 3:19) Ny hoe
mibebaka dia midika hoe tena manenina mafy noho ny zava-
tra natao. Tokony hibebaka ny olona naloto fitondran-tena.
Mila mibebaka koa anefa ny olona iray, na dia azo lazaina ho
tsara fitondran-tena ihany aza. Mpanota daholo mantsy ny
olona rehetra, ka mila famelana avy amin’Andriamanitra. (Ro-
manina 3:23; 5:12) Tsy nahafantatra ny sitrapon’Andriamani-
tra ianao talohan’ny nianaranao Baiboly, ka tsy nifanaraka
`
tamin’ny sitrapony ny fiainanao. Tena ilaina ary ny mibe-
baka.
13 Tsy maintsy ‘miverina’, izany hoe miova ny olona re-

hefa avy nibebaka. Tsy ampy ny manenina, fa tsy maintsy


manova ny fomba fiainanao ianao, ary tapa-kevitra ny ha-
nao ny tsara manomboka izao. Tsy maintsy mibebaka sy
miova ianao, alohan’ny hanaovana batisa anao.
MANOKAN-TENA
14 Misy dingana lehibe tsy maintsy atao koa, alohan’ny
batisa. Tsy maintsy manokan-tena ho an’i Jehovah Andria-
manitra ianao.
15 Ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra

dia midika hoe manao vavaka vokatry ny fo, ka mampana-


ntena fa izy irery no hotompoinao mandrakizay. (Deotero-
12. Nahoana no ilaina ny mibebaka?
13. Inona no atao hoe miova?
14. Inona ny dingana lehibe tsy maintsy ataonao, alohan’ny batisa?
15, 16. Inona ny dikan’ny hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra,
ary inona no mahatonga ny olona hanao an’izany?
Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa 179

nomia 6:15) Inona no mahatonga ny olona hanao izany?


Eritrereto hoe misy lehilahy manomboka miaraka amin’ny
vehivavy iray. Vao mainka tiany ilay vehivavy, rehefa fanta-
` `
ny ny toetra tsarany sy ny momba azy. Ara-dalana ary raha
mangataka azy ho vady ilay lehilahy. Tsy maintsy hitombo
ny andraikiny rehefa hivady izy ireo, nefa vonona hanao
an’io dingana lehibe io izy satria tia azy.
16 Rehefa mahalala tsara an’i Jehovah sy tia azy koa ianao,

dia lasa te hanompo azy amin’ny fo manontolo. Vonona


hamoy ny zava-drehetra ho azy mihitsy ianao. Tsy maintsy
`
‘manda ny tenany’ izay rehetra te ho mpianatr’i Jesosy Kri-
`
sty, Zanak’Andriamanitra. (Marka 8:34) Manda tena isika,
rehefa tsy mamela ny faniriantsika sy ny tanjontsika hisa-
`
kana antsika tsy hankato tanteraka an’Andriamanitra. Ny
`
hanao ny sitrapon’Andriamanitra ary no tena tokony ho ta-
njonao eo amin’ny fiainana, izay ianao vao azo atao batisa.
—Vakio ny 1 Petera 4:2.
AZA MATAHOTRA
17 Misy misalasala hanokan-tena ho an’i Jehovah, satria
matahotra hanao an’io dingana lehibe io. Mety hataho-
tra izy ireo sao hampamoahina eo anatrehan’Andriamani-
`
tra, raha lasa Kristianina vita fanokanan-tena. Aleony ary
tsy manokan-tena ho an’i Jehovah sao tsy hahavita hiai-
na mifanaraka amin’izany akory, ka handiso fanantenana
azy.
18 Rehefa mianatra ho tia an’i Jehovah ianao, dia te hano-

kan-tena ho azy, sy hanao izay fara herinao mba hiainana


mifanaraka amin’izany. (Mpitoriteny 5:4) Azo antoka fa te
‘handeha mendrika an’i Jehovah ianao mba hankasitraha-
ny tanteraka’, rehefa avy nanokan-tena ho azy. (Kolosiani-
na 1:10) Tia azy ianao, ka tsy hieritreritra hoe sarotra loatra
17. Nahoana ny sasany no misalasala hanokan-tena ho an’Andriama-
nitra?
18. Inona no hahatonga anao hanokan-tena ho an’i Jehovah?
Tsy maintsy mianatra ny
fahamarinana ao amin’ny
Tenin’Andriamanitra ny olona
iray, vao azo atao batisa

Lasa te hiresaka ny
zavatra inoanao
amin’ny olona ianao,
raha manam-pinoana

ny hanao ny sitrapony. Hiai-


ky hoatran’ny apostoly Jaona
ianao hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hi-
tandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”
—1 Jaona 5:3.
19 Tsy voatery ho lavorary ianao, vao afaka manokan-tena

ho an’Andriamanitra. Fantatr’i Jehovah mantsy hoe hatrai-


za ny mety ho vitanao, ary tsy mitaky zavatra tsy ho vita-
nao mihitsy izy. (Salamo 103:14) Hampiany ianao satria tia-
ny tsy hivadika aminy. (Vakio ny Isaia 41:10.) Matokia fa
“hataony mandeha tsara ny fiainanao”, raha matoky azy
amin’ny fo manontolo ianao.—Ohabolana 3:5, 6.
19. Nahoana ianao no tsy tokony hatahotra ny hanokan-tena ho an’
i Jehovah?
Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa 181

ASEHOY AMIN’NY ALALAN’NY BATISA


FA NANOKAN-TENA IANAO
20 Saintsaino tsara izay nianaranao tato. Hanampy anao

hanokan-tena ho an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka


izany. Tsy maintsy manao “fanambarana ampahibemaso”
koa izay rehetra tia an’Andriamanitra. (Romanina 10:10)
Ahoana no anaovanao an’izany?
20. Nahoana no tokony hampahafantarinao amin’ny olona hoe na-
nokan-tena ho an’i Jehovah ianao?

Efa nanokan-tena ho
an’Andriamanitra
tamin’ny vavaka Rehefa atao batisa ianao
ve ianao? dia toy ny hoe maty, na
tapitra hatreo ny fomba
fiainanao taloha, ary
velona mba hanao ny
sitrapon’Andriamanitra
amin’izay ianao
182 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

21 Resaho amin’ny anti-panahy mpandrindra eo anivon’


ny fiangonanareo fa maniry hatao batisa ianao. Hisy anti-
panahy vitsivitsy avy eo hiara-mandinika fanontaniana ma-
romaro aminao, momba ny fampianarana fototra ao amin’
ny Baiboly. Raha eken’izy ireo fa mahafeno fepetra ianao,
dia hilaza aminao izy fa azo atao batisa ianao amin’ny fivo-
riambe manaraka.1 Matetika no misy lahateny manazava
ny dikan’ny batisa amin’ireny fivoriambe ireny. Asain’ilay
mpandahateny mamaly fanontaniana tsotra anankiroa ireo
atao batisa, mba hanaovan’izy ireo “fanambarana ampahi-
bemaso” ny finoany.
22 Ny batisa no mampahafantatra amin’ny besinimaro fa

nanokan-tena ho an’Andriamanitra ianao, ary lasa Vavolo-


mbelon’i Jehovah. Aroboka tanteraka ao anaty rano ny olo-
na atao batisa, mba ho hitan’ny rehetra fa efa nanokan-tena
ho an’i Jehovah izy.
NY DIKAN’NY BATISANAO
23 Nilaza i Jesosy fa hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray
sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fana-
hy masina” ny mpianany. (Matio 28:19) Midika izany fa
manaiky ny fahefan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kri-
sty izay hatao batisa. (Salamo 83:18; Matio 28:18) Ekeny koa
ny asan’ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny hery ampia-
sainy.—Galatianina 5:22, 23; 2 Petera 1:21.
24 Misy heviny be anefa ny batisa, fa tsy fandrobohana

anaty rano fotsiny. Rehefa asitrika ao anaty rano ianao, dia


1 Misy batisa foana amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jeho-
vah.

21, 22. Ahoana no anaovanao “fanambarana ampahibemaso” ny fi-


noanao?
23. Inona ny dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy
amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina”?
24, 25. a) Inona no tena hevitry ny batisa? b) Inona ny fanontania-
na tokony hovaliana?
Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa 183

hoatran’ny hoe maty, na hoe tapitra hatreo ny fomba fiai-


nanao taloha. Rehefa avoaka avy ao kosa ianao, dia midi-
ka izany fa velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra
amin’izay. Tadidio koa fa natokanao ho an’i Jehovah Andri-
amanitra ny tenanao, fa tsy hoe ho an’olona, na fikamba-
nana, na asa, na tanjona iray. Rehefa manokan-tena sy atao
batisa ianao, dia lasa tena akaiky ny fifandraisanao amin’
Andriamanitra.—Salamo 25:14.
25 Tsy hoe tonga dia voavonjy anefa ny olona iray rehefa

vita batisa. Hoy ny apostoly Paoly: “Miezaha mafy foana


amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.”
(Filipianina 2:12) Vao fiandohana fotsiny ny batisa. Ahoa-
`
na ary no hahatonga anao hitoetra ao amin’ny fitiavan’
Andriamanitra? Hodinihina ao amin’ny toko farany izany.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Aroboka tanteraka ao anaty rano ny Kristia-
nina rehefa atao batisa, fa tsy fafazana rano
kely fotsiny.—Matio 3:16.
ˇ Mila mahalala an’i Jehovah sy Jesosy aloha
ianao, maneho finoana, mibebaka, miova,
ary manokan-tena ho an’Andriamanitra, izay
vao azo atao batisa.—Jaona 17:3; Asan’ny
Apostoly 3:19; 18:8.
`
ˇ Tsy maintsy manda tena ianao rehefa ma-
nokan-tena ho an’i Jehovah, mitovy amin’
ireo olona nanda ny tenany mba hanaraha-
na an’i Jesosy.—Marka 8:34.
ˇ Rehefa atao batisa ny olona iray dia toy
ny hoe maty, na tapitra hatreo ny fomba
fiainany taloha, ary velona mba hanao ny
sitrapon’Andriamanitra amin’izay izy.
—1 Petera 4:2.
TOKO FAHA-19

Mitoera ao Amin’ny
Fitiavan’Andriamanitra
Inona ny dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra?
Inona no azontsika atao mba
hitoetra ao amin’ny fitiavany isika?
Inona ny valisoa homen’i Jehovah
an’izay mitoetra ao amin’ny fitiavany?
ERITRERETO hoe misy tafio-drivotra be nefa
Toy ny ao anaty ianao mbola eny an-dalana. Mihamaizina ny
tafio-drivotra
isika, ka ataonao
lanitra. Mitselatra ny andro. Mirefotra ny ko-
fialofana ve i troka, ary mivatravatra ny orana. Mandeha
Jehovah? haingana ianao, sady miherikerika mitady
toerana azo ialofana. Io fa misy fialofana eo
amoron-dalana. Tianao ilay izy satria mafy
`
sady maina tsara, ka faly ery ianao!
2 Hoatran’ny ao anaty tafio-drivotra koa

isika ankehitriny. Miharatsy foana mantsy


ny zava-misy eran-tany. Misy toerana azo ia-
lofana anefa. Aiza? Hoy ny Baiboly: “Fia-
lofako ianao, ary fiarovana mafy ho ahy,
sady Andriamanitro izay hatokisako.” (Sala-
mo 91:2) Tena maharo antsika amin’ny loza
ara-panahy io fialofana io.
3 Mba diniho ange izany e! Azontsika atao

fialofana tsara i Jehovah, ilay Mpamorona


1, 2. Aiza no ahitantsika toerana azo ialofana anke-
hitriny?
3. Inona no tokony hataontsika mba ho fialofantsi-
ka tokoa i Jehovah?
Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra 185

sy Mpanjakan’izao rehetra izao. Afaka miaro antsika foana


izy, satria mahery lavitra noho izay rehetra mety hampijaly
antsika. Na misy zava-dratsy mahazo antsika aza, dia hainy
`
ny manonitra an’izany. Inona ary no tokony hataontsika
mba ho fialofantsika tokoa i Jehovah? Mila matoky azy isika.
Hoy koa ny Joda 21: “Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriama-
`
nitra.” Mila mitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ary
isika, ka hifandray am-po aminy foana. Ahoana no ahafaha-
ntsika mifandray tsara amin’Andriamanitra?

EKEO HOE TIA ANAO ANDRIAMANITRA


4 Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika, raha
mankasitraka an’izay nataony noho ny fitiavany antsika.
Eritrereto, ohatra, ny fampianaran’ny Baiboly hitanao tato
amin’ity boky ity. Namorona ny tany koa izy mba hipetraha-
ntsika. Nasiany sakafo, rano, faritra tsara tarehy, biby maha-
variana, ary zavatra maro mahafinaritra eto. Nampanoratra
ny Baiboly koa izy, ary nampahafantariny antsika ao ny ana-
`
rany sy ny toetrany. Tsy vitan’izay fa nirahiny ho ety an-tany
ny Zanany tena tiany, ary navelany hijaly sy ho faty ho antsi-
ka. (Jaona 3:16) Lasa afaka manantena hoavy faran’izay tsa-
ra isika noho izany.
5 Nisy zavatra hafa koa nataon’i Jehovah, ary miankina

amin’izy io ny hoavintsika. Nanangana fanjakana any an-da-


nitra izy, dia ny Fanjakan’ny Mesia. Kely sisa izy io dia hana-
foana ny fijaliana sy hanova ny tany ho paradisa, ka ho afaka
hiadana sy ho sambatra mandrakizay isika. (Salamo 37:29)
Mandra-pahatongan’izany, dia omen’Andriamanitra tari-da-
lana isika, mba hananantsika fomba fiaina faran’izay tsara.
Avelany hivavaka aminy koa isika, ka afaka miresaka aminy
foana. Vao santionany amin’ny zavatra nataon’i Jehovah
ireo. Hita amin’ireo hoe tia antsika tsirairay sy ny olona re-
hetra izy.
4, 5. Inona ny zavatra sasany nataon’i Jehovah noho ny fitiavany
antsika?
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
`
6Tena mila mieritreritra ary
ianao hoe: Inona no havaliko
ny fitiavan’i Jehovah? Betsaka
no milaza hoe: “Tokony ho tia
an’i Jehovah koa aho.” Hoatr’
izany koa ve no tsapanao? Nila-
za i Jesosy fa izao no didy lehibe
indrindra: “Tiavo i Jehovah Andria-
manitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao mano-
ntolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Azo antoka
fa be dia be ny antony itiavanao an’i Jehovah Andriamani-
tra. Raha mahatsapa anefa ianao fa tia azy, midika ve izany
hoe tena tia azy amin’ny fonao sy ny tenanao ary ny sainao
manontolo ianao?
7 Tsy fihetseham-po fotsiny ny fitiavana an’Andriamani-

tra, raha jerena ny Baiboly. Mila mahatsapa ianao hoe tia an’
i Jehovah, nefa tsy ampy izany. Ity misy ohatra: Mila voana
paoma ianao raha te hamboly paoma. Ahoana anefa raha te
hihinana paoma ianao? Ho afa-po ve ianao raha ny voany fo-
tsiny no omena anao? Hoatr’izany koa fa misy zavatra hafa
mila ataonao, ankoatra ny hoe mahatsapa fa tia an’i Jehovah.
Hoy ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny
hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”
`
(1 Jaona 5:3) Ny tena fitiavana an’Andriamanitra ary dia hita
amin’ny vokatra tsara entiny. Tsy maintsy aseho amin’ny
atao izy io.—Vakio ny Matio 7:16-20.
8 Hita hoe tia an’Andriamanitra isika raha manaraka ny di-

diny sy ny toro lalany. Tsy sarotra loatra izany. Tsy mavesa-


`
tra ny lalany, fa natao hanampiana antsika hanana fiainana
tsara sy mahasambatra. (Isaia 48:17, 18) Rehefa manaraka ny
tari-dalan’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, isika dia
6. Inona no havalinao ny fitiavan’i Jehovah?
7. Fihetseham-po fotsiny ve ny fitiavana an’Andriamanitra? Hazavao.
8, 9. Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’Andriamanitra isika, sady
mankasitraka an’izay ataony?
Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra 187

hita hoe tena mankasitraka an’izay rehetra ataony ho antsi-


ka. Mampalahelo fa tena vitsy no manao an’izany amin’izao.
Tsy irintsika ny tsy hahay hankasitraka hoatran’ny olona sa-
sany tamin’ny andron’i Jesosy. Nanasitrana boka folo izy,
nefa iray ihany no niverina nisaotra azy. (Lioka 17:12-17) Azo
antoka fa te hitovy amin’ilay lehilahy nahay nankasitraka isi-
ka, fa tsy te hitovy amin’ireo sivy tsy nahalala nisaotra!
`
9 Inona ary ny didin’i Jehovah tokony hankatoavintsika?
Efa nisy nodinihintsika tato amin’ity boky ity, fa hiverena-
ntsika kely ny sasany. Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andria-
manitra isika raha mitandrina ny didiny.
`
MANATONA AN’I JEHOVAH FOANA
10 Raha te ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao, dia mila

mianatra momba azy foana, fa tsy mijanona mihitsy. Eritre-


reto hoe mitanina afo eny an-tokotany ianao, amin’ny alina
mangatsiaka be. Havelanao hihena ve ilay afo, dia ho faty?
Azo antoka fa hampianao kitay ilay izy, mba
10. Hazavao hoe nahoana ianao no mila mianatra
momba an’i Jehovah Andriamanitra foana.

Toy ny afo ny fitiavanao an’i Jehovah,


ka ataovy izay hampiredareda azy foana
188 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

hiredareda foana. Mety hiankina amin’izany mihitsy aza ny


ainao. Hoatran’ny kitay mampirehitra ny afo koa ny “faha-
lalana an’Andriamanitra”, ka mampiredareda foana ny fitia-
vantsika an’i Jehovah.—Ohabolana 2:1-5.
11 Tian’i Jesosy hiredareda foana tao am-pon’ny mpianany

ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Teniny. Mbola nampianatra


`
azy ireo ary izy, na taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty
aza. Nohazavainy tamin’ny mpianany roa lahy, ohatra, ny fa-
minaniana sasany tao amin’ny Soratra Hebreo, izay tantera-
`
ka taminy. Inona ny vokany? Hoy izy roa lahy taty aoriana:
“Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy
niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny So-
ratra Masina tamintsika?”—Lioka 24:32.
12 Azo antoka fa faly be ianao, tamin’ianao vao nahalala
`
an’izay tena ampianarin’ny Baiboly. Nafana fo ery anga-
mba ianao tamin’izay, sady tena tia an’Andriamanitra. Olo-
na maro no hoatr’izany. Tokony hataonao anefa izay haha-
tonga ny fitiavanao an’i Jehovah hiredareda foana, sady vao
mainka hitombo. Azo inoana fa tsy te hanahaka an’ity tonto-
lo ity ianao. Hoy i Jesosy: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny
`
olona maro.” (Matio 24:12) Inona ary no azonao atao mba
tsy hihamangatsiaka ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny faha-
marinana ao amin’ny Baiboly?
13 Mianara foana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy

Jesosy Kristy. (Jaona 17:3) Saintsaino tsara izay nianaranao


tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary eritrereto hoe: ‘Inona
no ianarako momba an’i Jehovah Andriamanitra avy amin’
izany? Inona ny antony hafa hitako eto, ka mahatonga ahy
ho tia azy amin’ny foko sy ny saiko ary ny tenako manonto-
lo?’ (Vakio ny 1 Timoty 4:15.) Hiredareda foana ny fitiava-
nao an’i Jehovah, raha misaintsaina hoatr’izany ianao.
11. Inona ny vokatry ny fampianaran’i Jesosy teo amin’ny mpianany?
12, 13. a) Manao ahoana ny fitiavan’ny ankamaroan’ny olona an’
Andriamanitra sy ny Baiboly? b) Inona no azonao atao mba tsy hiha-
mangatsiaka ny fitiavanao?
Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra 189

14 Hiredareda foana koa ny fitiavantsika an’i Jehovah, raha


mivavaka tsy tapaka isika. (1 Tesalonianina 5:17) Efa hita-
ntsika fa fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny
vavaka. Lasa mpinamana be ny olona, rehefa mifampiresaka
foana fa tsy mifampihafahafa. Hoatr’izany koa fa hifandray
be amin’i Jehovah foana isika raha mivavaka tsy tapaka. Tsy
tokony ho fahazarana fotsiny anefa ny vavaka, ka teny mito-
vy foana no averimberina. Tokony hataontsika vokatry ny fo
ilay izy ary misy heviny. Tokony hiresaka amin’i Jehovah
hoatran’ny ankizy miresaka amin’ny rainy tena tiany isika.
Hiresaka aminy amim-panajana isika, nefa tokony hitsotra sy
hamboraka an’izay ao am-pontsika. (Salamo 62:8) Tena ilai-
`
na ary ny mianatra samirery sy mivavaka amin’ny fo, satria
anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra izany sady mana-
mpy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavany.
TENA MAHAFALY NY MANOMPO AN’I JEHOVAH
15 Misy lafiny hafa koa ny fanompoantsika, ankoatra ny
hoe mianatra samirery sy mivavaka. Tsy inona izany fa ny
miresaka ny zavatra inoantsika amin’ny olona. Efa niresaka
ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny olona ve ianao? Vo-
ninahitra ho anao tokoa izany. (Lioka 1:74) Mandray anjara
amin’ilay asa lehibe nasaina nataon’ny tena Kristianina re-
hetra isika, rehefa miresaka ny zavatra nianarantsika momba
an’i Jehovah Andriamanitra. Ny fitoriana ny vaovao tsa-
ran’ny Fanjakan’Andriamanitra io asa io.—Vakio ny Matio
24:14; 28:19, 20.
16 Sarobidy tamin’ny apostoly Paoly ny fanompoany, ka

nantsoiny hoe harena. (2 Korintianina 4:7) Tsy misy asa tsa-


ra noho ny miresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra sy
ny fikasany. Izy no Tompo tsara indrindra, ary handray soa
faran’izay betsaka izay manompo azy. Hanampy ny olona
14. Nahoana no ilaina ny vavaka, raha tsy tiantsika hihena ny fitia-
vantsika an’i Jehovah?
15, 16. Nahoana no voninahitra sy harena ho antsika ny mitory mo-
mba an’ilay Fanjakana?
190 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

tso-po hanatona an’ilay Raintsika any an-danitra sy hahazo


fiainana mandrakizay ianao, raha manao an’io asa io. Tsy
misy asa mahafa-po noho izany! Vao mainka ianao hanam-
pinoana sy ho tia an’i Jehovah, rehefa miresaka momba azy
sy ny Teniny. Tena mankasitraka ny ezaka ataonao amin’

Hahazo an’ilay “tena fiainana”


irin’i Jehovah ho anao ve ianao?
Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra 191

izany koa i Jehovah. (Hebreo 6:10) Hitoetra ao amin’ny fitia-


van’Andriamanitra ianao, raha mazoto manao an’io asa io.
—Vakio ny 1 Korintianina 15:58.
17 Tokony hotadidintsika fa asa maika ny fitoriana. Hoy ny

Baiboly: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro iza-
ny.” (2 Timoty 4:2) Nahoana no maika io asa io ankehitriny?
Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Akaiky ny andro lehiben’i Je-
hovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia hai-
ngana.” (Zefania 1:14) Efa kely tokoa sisa dia handringana
an’ity tontolo ity i Jehovah. Tena mila mampitandrina ny
`
olona ary isika. Tokony ho fantany fa izao izy ireo no mila
misafidy an’i Jehovah ho Mpanjaka. “Tsy ho tara” mantsy ny
farany!—Habakoka 2:3.
18 Tian’i Jehovah hanompo azy miaraka amin’ny tena Kri-

stianina isika. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe:


‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitia-
vana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory,
toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa,
indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Hebreo
10:24, 25) Afaka midera sy manompo an’ilay Andriamanitra
tiantsika isika, rehefa miara-mivory amin’ny mpiray finoana
amintsika. Mifampahery koa isika amin’izay.
19 Vao mainka hifankatia sy ho lasa mpinamana be isi-

ka mpanompon’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana, rehefa


miaraka foana. Tokony hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny
hafa isika, hoatran’ny ataon’i Jehovah amintsika. Aza mana-
ntena hoe ho tonga lafatra ny mpiray finoana aminao. Tadi-
dio fa tsy mitovy ny fandrosoana vitan’ny tsirairay eo amin’
ny fanompoana an’i Jehovah, ary manao fahadisoana daho-
lo isika. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Ataovy namana ny
17. Nahoana no maika ny asa fitoriana ankehitriny?
18. Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah miaraka amin’
ny tena Kristianina?
19. Inona no azontsika atao mba hifankatia kokoa ny fiangonana kri-
stianina?
192 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

olona tena tia an’i Jehovah, dia ho tia azy sy handroso foa-
na ianao. Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ianao,
raha manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahinao
sy anabavinao kristianina. Inona ny valisoa omen’i Jehovah
ny mpanompony tsy mivadika, ka mitoetra ao amin’ny fitia-
vany?
MIEZAHA HAHAZO NY “TENA FIAINANA”
20 Fiainana no valisoa omen’i Jehovah ny mpanompony
tsy mivadika. Fiainana hoatran’ny ahoana anefa? Tena miai-
na ve ny fahitanao anao izao? Azo antoka fa hilaza ianao hoe:
‘Ie, mazava ho azy. Tena miaina aho satria izaho ange mifoka
rivotra sy misakafo ary misotro rano e!’ Rehefa mahatsiaro
ho sambatra aza isika dia miteny hoe: “Izany ka tena fiaina-
na!” Milaza anefa ny Baiboly fa tsy tena fiainana izao iaina-
ntsika izao.
21 Mampirisika antsika “hifikitra mafy amin’ny tena fiai-

nana” ny Tenin’Andriamanitra. (1 Timoty 6:19) Hita amin’


izany fa mbola amin’ny hoavy isika vao ho afaka hahazo an’
ilay “tena fiainana.” Rehefa lavorary isika vao azo lazaina hoe
tena miaina, satria ho araka ny nikasan’Andriamanitra azy
tamin’ny voalohany ny fiainantsika. Ho salama tsara sy hia-
dana ary ho sambatra isika ao amin’ny Paradisa, ka ho afaka
hankafy an’ilay “tena fiainana”, izany hoe ny fiainana ma-
ndrakizay. (1 Timoty 6:12) Tena hahafinaritra izany!
22 Ahoana anefa no ahafahantsika ‘mifikitra mafy amin’ny

tena fiainana’? Tamin’i Paoly nilaza an’io, dia nampirisika ny


Kristianina koa izy mba “hanao soa, sy hanan-karena amin’
`
ny asa tsara.” (1 Timoty 6:18) Ilaintsika ary ny mampihatra
an’izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly. Tambin’ny soa
ataontsika ve izany ilay “tena fiainana”? Tsia, satria noho ny
“hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” avy amin’Andria-
20, 21. Inona no atao hoe “tena fiainana”, ary nahoana izany no tena
hahafinaritra?
22. Ahoana no ahafahantsika ‘mifikitra mafy amin’ny tena fiainana’?
Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra 193

manitra no hahazoantsika azy io. (Romanina 5:15) Mahafa-


ly an’i Jehovah anefa ny mamaly soa ny mpanompony tsy
mivadika. Tiany hahazo ny “tena fiainana” ianao. Afaka ma-
hazo an’izany daholo izay mitoetra ao amin’ny fitiavany. Ho
sambatra sy hiadana ary hiaina mandrakizay izy ireo amin’
izany.
23 Tokony hieritreritra isika tsirairay isan’andro hoe: ‘Mifa-

naraka amin’izay lazain’ny Baiboly ve ny fomba anompoako


an’Andriamanitra?’ Raha eny ny valin’io, dia mety ny atao-
ntsika. Afaka matoky isika fa ho fialofana ho antsika i Jeho-
vah. Hiaro ny mpanompony tsy mivadika izy amin’izao
andro farany izao. Hamonjy antsika koa izy ka hitarika
antsika ho ao amin’ilay tontolo vaovao faran’izay tsara sy efa
tena akaiky. Ho faly isika amin’izay sady tsy hanenina, satria
`
nanao safidy tsara nandritra ny andro farany. Manaova ary
safidy tsara dieny izao. Hankafy mandrakizay an’ilay “tena
fiainana” ianao amin’izay, izany hoe ilay fiainana noeritrere-
tin’i Jehovah Andriamanitra homena antsika.
23. Nahoana isika no tena mila mitoetra ao amin’ny fitiavan’Andria-
manitra?

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?


ˇ Tena tia an’Andriamanitra isika rehefa mana-
raka ny didiny sy ny toro lalany.—1 Jaona 5:3.
ˇ Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra
isika, raha mianatra ny Teniny, mivavaka
amin’ny fo, mampianatra ny olona momba
azy, ary manatrika fivoriana kristianina.
—Matio 24:14; 28:19, 20; Jaona 17:3;
1 Tesalonianina 5:17; Hebreo 10:24, 25.
ˇ Hahazo an’ilay “tena fiainana” izay olona
mitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
—1 Timoty 6:12, 19; Joda 21.
FANAZAVANA FANAMPINY

LOHA HEVITRA PEJY

Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany 9 9 9 9 195

Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela 9 9 9 9 9 9 9 9 9 197

Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 199

Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka,


ary ny Fanahy Masina 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 201

Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 204

Manome Voninahitra An’Andriamanitra Isika,


Rehefa Manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 206

Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona? 9 9 9 9 9 9 208

Inona no Atao hoe Sheola sy Hadesy? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 212

Inona no Atao hoe Andro Fitsarana? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 213

1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly 9 9 215

Iza i Mikaela Arkanjely? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 218

Inona no Atao hoe “Babylona Lehibe”? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 219

Teraka Volana Desambra ve i Jesosy? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 221

Tokony Hankalaza Fety ve Isika? 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 222


195

Ny Fampiasana ny
Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany
AHOANA no nandikana ny Salamo 83:18 ao amin’ny Baibolinao?
Izao no nandikana azy io ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-
tenin’ny Tontolo Vaovao: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao
irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra
ambonin’ny tany manontolo!” Hoatr’izany koa ny ao amin’ny fa-
ndikan-tenin’ny Baiboly hafa. Maro anefa ny mpandika teny nanala
an’ilay anarana hoe Jehovah, ka nosoloany hoe “Tompo” na “Andri-
amanitra” ilay anarana. Inona no tena tokony ho eo amin’io
andinin-teny io? Anaram-boninahitra sa ilay anarana hoe Jehovah?

˘˙˘˝
Anarana miavaka tsara no hita ao amin’io andinin-teny io, tamin’
ny teny hebreo tamin’ny voalohany. Io fi-
teny io no nanoratana ny ampahany be
indrindra amin’ny Baiboly. Izao no fanora-
tana an’ilay anarana amin’ny teny hebreo:
˘˙˘˝ (YHWH). “Jehovah” matetika no andi-
kana azy io amin’ny teny malagasy. Tsy Ny anaran’
andinin-teny iray fotsiny no ahitana an’io Andriamanitra
anarana io. Miverina im-7 000 eo ho eo izy amin’ny teny
io ao amin’ny Soratra Hebreo. hebreo
Tena zava-dehibe ny anaran’Andriamani-
tra, rehefa jerena ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy Kristy.
Vao manomboka ilay izy dia hoe: “Rainay izay any an-danitra, ho-
hamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Nivavaka koa i Jesosy
` ˆ
taty aoriana hoe: “Ray o, omeo voninahitra ny anaranao.” Namaly
azy avy any an-danitra Andriamanitra hoe: “Efa nanome voninahi-
tra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.” (Jaona
12:28) Midika izany fa tena zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra.
`
Nahoana ary no nesorin’ny mpandika teny sasany tao amin’ny Bai-
boliny io anarana io, ary nosoloany anaram-boninahitra?
Antony roa angamba no nahatonga an’izany. Voalohany, maro no
milaza fa tsy tokony hampiasaina io anarany io, satria tsy fantatra
ny tena fanononana azy tamin’ny voalohany. Tsy nisy zanatsoratra
ny teny hebreo fahiny, ka tsy misy mahalala hoe ahoana marina no
nanononan’ny olona taloha an’ilay hoe YHWH. Tsy tokony hampia-
saina ve izany ny anaran’Andriamanitra? Mitovy amin’izany koa
` ˆ `
anefa ilay anarana hoe Jesosy. Mety hoe Yeshoa na Yehoshoa no
196 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

nanononan’ny olona fahiny azy io, nefa tsy azo antoka hoe tena izay
no izy. Samy manana ny fanononany ny hoe Jesosy ny olona eran-
tany, arakaraka ny fiteniny. Tsy misalasala mampiasa an’io anarana
io izy ireo, na dia tsy fantany aza ny tena fanononana azy tamin’ny
voalohany. Mety ho hafa be koa ny fanononan’ny olona ny anara-
`
nao, raha mankany an-tany hafa ianao. Tsy mitombina ary ilay hoe
tsy tokony hampiasaina ny anaran’Andriamanitra, satria hoe tsy fa-
ntatra tsara ny fanononan’ny olona fahiny azy io.
Ny lovantsofina narahin’ny Jiosy hatry ny ela no antony faharoa
nahatonga ny mpandika teny sasany hanala ny anaran’Andriamani-
tra tao amin’ny Baiboly. Maro amin’izy ireo no mino fa tsy tokony
hotononina mihitsy ny anaran’Andriamanitra. Nahoana? Satria izy
`
ireo diso fandray an’ilay lalana ao amin’ny Baiboly hoe: “Aza ma-
nao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao, fa tsy
havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny ana-
rany.”—Eksodosy 20:7.
`
Tsy mety ary ny maniratsira ny anaran’Andriamanitra. Midika ve
izany fa tsy azo ampiasaina amim-panajana izy io? Tsy izany mihi-
tsy. Lehilahy tsy nivadika daholo no nanoratra ny Soratra Hebreo
(na ilay lazain’ny olona hoe Testamenta Taloha). Nanaraka tsara ny
`
Lalana nomen’Andriamanitra ny Israelita fahiny izy ireo, nefa ma-
tetika no nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Imbetsaka, ohatra, izy
ireo no nanao an’io anarana io tao amin’ny Salamo, ary nohirain’
ny mpivavaka maro ireny salamo ireny. I Jehovah Andriamanitra mi-
hitsy aza no nanasa ny mpanompony hiantso ny anarany, ary
`
nankato an’izany ireo tsy nivadika. (Joela 2:32; Asan’ny Apostoly
2:21) Tsy tokony hisalasala hampiasa ny anaran’Andriamanitra
amim-panajana koa ny Kristianina ankehitriny, hoatran’ny nataon’
i Jesosy.—Jaona 17:26.
Nanao fahadisoana be ny mpandika Baiboly, rehefa nanolo ny
anaran’Andriamanitra tamin’ny anaram-boninahitra. Lasa hoatran’
ny hoe lavitra antsika Andriamanitra, noho ny nataon’izy ireo, sady
hoatran’ny hoe tsy manana ny maha izy azy. Ny Baiboly anefa mi-
laza fa tokony ‘hifandray akaiky aminy’ ny olona. (Salamo 25:14)
Eritrereto ny namanao akaiky. Ianareo ve dia ho lasa mpinamana be
raha tsy fantatrao akory ny anarany? Tsy ho afaka hifandray akaiky
amin’Andriamanitra koa ny olona, raha afenina aminy ilay anarana
hoe Jehovah. Rehefa tsy mampiasa ny anarany koa izy ireo, dia tsy
fantany fa misy heviny tsara be izy io. Fa inona ny dikan’io anara-
ny io?
Fanazavana Fanampiny 197

Andriamanitra mihitsy no nanazava ny dikan’ny anarany tamin’


i Mosesy mpanompony. Nanontany momba ny anaran’Andriama-
nitra i Mosesy tamin’izay, ka hoy i Jehovah: “Hoporofoiko fa izaho
ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14) Izao no nandikana azy io
ao amin’ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Ho tonga izay rehetra ma-
hafinaritra ahy aho.” Midika izany fa afaka miovaova araka izay
tiany i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany. Azony ampiasai-
na sy ovana amin’izay rehetra ilany azy koa ny zavaboariny, mba ho
tanteraka izay kasainy.
Inona no hataonao ho an’ny namanao raha afaka ny ho tonga izay
rehetra tianao ianao? Raha marary mafy ny namanao, dia afaka ny
ho tonga dokotera mahay ianao, ary hanasitrana azy. Raha misy
namanao sahirana ara-bola indray, dia afaka ny ho tonga mpana-
nkarena ianao ary hanavotra azy. Tsy afaka ny ho tonga izay rehetra
tianao anefa ianao, ary hoatr’izany daholo isika. Ho gaga ianao re-
hefa mianatra ny Baiboly, satria ho hitanao fa tonga izay rehetra
ilaina i Jehovah, mba hanatanterahana ny fampanantenany. Faly
koa izy mampiasa ny heriny mba hanampiana ny olona tia azy. (2 Ta-
ntara 16:9) Tsy mahalala an’ireo toetra tsaran’i Jehovah ireo ny
olona tsy mahafantatra ny anarany.
`
Tokony ho hita ao amin’ny Baiboly ary ilay anarana hoe Jehovah.
Mila mahafantatra ny dikan’io anarana io sy mampiasa azy io ma-
tetika isika, rehefa manompo azy. Tena hanampy antsika izany mba
hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-dani-
tra.1

1 Manazava tsara ny anaran’Andriamanitra sy ny dikany ary ny antony


tokony hampiasana azy io ilay bokikely hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay
Haharitra Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo koa
ny bokikely Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, Fizarana 1.

Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia


i Daniela
VELONA 500 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy i Da-
niela mpaminany. Nisy zavatra nolazain’i Jehovah taminy anefa
ahalalana hoe oviana i Jesosy no voahosotra na voatendry ho
198 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Mesia, na Kristy. Hoy i Jehovah taminy: “Aoka ho fantatrao sy ho


azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy
hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-paha-
tongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby
enimpolo herinandro.”—Daniela 9:25.
Mila fantarintsika aloha hoe oviana no ‘nivoaka ny didy hana-
renana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy’, vao ho fantatsika
ny daty hahatongavan’ny Mesia. Nilaza i Nehemia, mpanoratra
Baiboly, fa “tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy
Mpanjaka” no nivoaka ilay didy hanamboarana ny mandan’i Je-
rosalema. (Nehemia 2:1, 5-8) Araka ny mpahay tantara, dia tamin’
ny taona 474 T.K. no nanomboka nanjaka i Artaksersesy. Ny tao-

“FITOPOLO HERINANDRO”
490 taona

‘7 herinandro’ ‘62 herinandro’ herinandro


(49 taona) (434 taona) (7 taona)

455 406 & T.K. A.K. ) 29 33 36

Tonga ny
‘Nivoaka ny didy Mesia
hanamboarana
an’i Jerosalema’ ‘Novonoina’
ny Mesia

Faran’ny
“fitopolo
Voamboatra i Jerosalema
herinandro”
Fanazavana Fanampiny 199
`
na 455 T.K. ary no taona faharoapolo nanjakany. Io taona 455 T.K.
io no daty iaingana, mba hamantarana ny fotoana hahatongavan’
ny Mesia.
Nolazain’i Daniela ny faharetan’ny fotoana manomboka eo
amin’ilay taona iaingana, ka mandra-pahatongan’ny “Mesia Mpi-
tarika.” Nilaza izy fa haharitra “fito herinandro sy roa amby
enimpolo herinandro” ilay izy, izany hoe 69 herinandro raha ata-
mbatra. Maharitra hafiriana izany? Tsy herinandro misy fito andro
no tiana holazaina amin’io, rehefa jerena ny fandikan-tenin’ny
Baiboly maro, fa herinandron-taona, izany hoe fito taona ny
herinandro tsirairay. Efa nahazatra ny Jiosy taloha ny herina-
ndron-taona. Nitandrina ny taona sabata, ohatra, izy ireo isaky ny
`
fito taona. (Eksodosy 23:10, 11) Misy 7 taona avy ary ny tsirairay
amin’ireo herinandro 69 ireo, izany hoe 483 taona amin’ny fita-
mbarany (69 x 7).
Manao kajy sisa isika. Raha manisa 483 taona avy eo amin’ny
taona 455 T.K. isika, dia ho tonga amin’ny taona 29 A.K. (Aorian’
i Kristy). Tamin’io taona io mihitsy i Jesosy no natao batisa ka lasa
Mesia.1 (Lioka 3:1, 2, 21, 22) Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ilay
faminanian’ny Baiboly. Tsy hitanao hoe mahavariana ve izany?

1 Raha manisa avy eo amin’ny taona 455 T.K. isika, ka hatramin’ny tao-
na 1 T.K., dia mahita 454 taona. Misy herintaona eo anelanelan’ny tao-
na 1 T.K. ka hatramin’ny taona 1 A.K. (tsy misy taona 0), ary 28 taona eo
anelanelan’ny taona 1 sy taona 29. Raha ampifanampiana ny 454 sy 1
ary 28, dia manome 483 taona. ‘Novonoina’ i Jesosy tamin’ny taona 33,
tao anatin’ny herinandron-taona faha-70. (Daniela 9:24, 26) Jereo ny
Toko faha-11 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’
ny Vavolombelon’i Jehovah.

Jesosy Kristy: Ilay Mesia


Nampanantenaina
MBA hamantarantsika hoe iza ilay Mesia, dia nisy mpaminany
maro nasain’i Jehovah Andriamanitra nanoratra zavatra momba
an’io Mpamonjy io, ohatra hoe ny nahaterahany sy ny fanompoa-
ny ary ny nahafatesany. Tanteraka tamin’i Jesosy Kristy daholo
200 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

FAMINANIANA MOMBA NY MESIA

ZAVA-NITRANGA FAMINANIANA FAHATANTERAHANY


Taranak’i Joda Genesisy 49:10 Lioka 3:23-33

Zanaky ny virjiny Isaia 7:14 Matio 1:18-25

Taranak’i Davida Mpanjaka Isaia 9:7 Matio 1:1, 6-17

Nantsoin’i Jehovah hoe Zanany Salamo 2:7 Matio 3:17

Tsy inoan’ny olona Isaia 53:1 Jaona 12:37, 38

Nitaingina ampondra niditra tao


Jerosalema Zakaria 9:9 Matio 21:1-9

Namadika azy ny namany akaiky Salamo 41:9 Jaona 13:18, 21-30

Farantsa volafotsy 30 no namadihana azy Zakaria 11:12 Matio 26:14-16

Nangina teo anatrehan’ny


mpiampanga azy Isaia 53:7 Matio 27:11-14

Natao antsapaka ny akanjony Salamo 22:18 Matio 27:35

Nesoesoin’ny olona teo amin’ny hazo


fijaliana Salamo 22:7, 8 Matio 27:39-43

Tsy nisy tapaka ny taolany Salamo 34:20 Jaona 19:33, 36

Nalevina tao amin’ny fasan’ny


mpanankarena Isaia 53:9 Matio 27:57-60

Mbola tsy lo dia efa natsangana Salamo 16:10 Asan’ny Apostoly 2:24, 27

Nasandratra ho eo
ankavanan’Andriamanitra Salamo 110:1 Asan’ny Apostoly 7:56

ireny faminaniana ireny, ary mahavariana fa marina sady amin’ny


an-tsipiriany. Handinika faminaniana vitsivitsy momba ny naha-
terahan’ny Mesia sy ny fahazazany isika, mba hahitana an’izany.
Fanazavana Fanampiny 201

Nilaza i Isaia mpaminany fa ho avy amin’ny taranak’i Davida


Mpanjaka ny Mesia. (Isaia 9:7) Tena avy tamin’ny taranak’i Davi-
da tokoa no niavian’i Jesosy.—Matio 1:1, 6-17.
Nilaza koa i Mika mpaminany fa ho lasa mpitondra io zaza io,
`
ary ho teraka any “Betlehema Efrata.” (Mika 5:2) Nisy tanana roa
atao hoe Betlehema tany Israely, tamin’ny fotoana nahaterahan’i
Jesosy. Ny iray tany akaikin’i Nazareta tany avaratra, ary ny iray tsy
lavitra an’i Jerosalema, any Joda. Nantsoina hoe Efrata ilay Betle-
hema tany akaikin’i Jerosalema, taloha. Tao i Jesosy no teraka,
mifanaraka tsara amin’ilay faminaniana.—Matio 2:1.
Nilaza koa ny faminaniana iray fa hantsoina “hiala avy tany Eji-
pta” ny Zanak’Andriamanitra. Nentina tany Ejipta i Jesosy tamin’
izy mbola kely. Nentina niala avy tany izy taorian’ny nahafatesan’
i Heroda, ka tanteraka ilay faminaniana.—Hosea 11:1; Matio 2:15.
Misy tsipiriany momba ny Mesia ao amin’ireo andinin-teny ao
amin’ilay tabilao ao amin’ny pejy faha-200, eo ambanin’ilay hoe
“Faminaniana.” Ampitahao amin’ireo andinin-teny eo ambanin’
ilay hoe “Fahatanterahany” izy ireo. Hino kokoa ny Tenin’Andria-
manitra ianao amin’izay.
Vakio ireo andinin-teny ireo, ary tadidio fa efa an-jatony taona
talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no nosoratana ny faminaniana
sasany. Hoy i Jesosy: “Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra noso-
`
ratana momba ahy ao amin’ny lalan’i Mosesy sy ao amin’ny
Mpaminany ary ny Salamo.” (Lioka 24:44) Azonao hamarinina
ao amin’ny Baibolinao fa tena tanteraka tamin’ny an-tsipiriany
izany.

Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka,


ary ny Fanahy Masina
MILAZA ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray, fa
Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy
Masina. Mitovy daholo, hono, izy telo ireo, samy mahery indri-
ndra, ary samy tsy nanam-piandohana. Araka io fampianarana
io, dia Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary
202 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Andriamanitra ny Fanahy Masina, nefa iray ihany Andriamani-


tra.
Mihevitra ny olona mino an’io fampianarana io fa mampiana-
tra an’izany ny Baiboly. Miaiky anefa ny ankamaroany fa tsy
hainy ny manazava azy io. Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy,
raha ny marina, ilay teny hoe “Andriamanitra telo izay iray.” Ary
misy hevitra manohana azy io ve ao? Mba hamaliana an’izany,
dia hojerentsika aloha ny andinin-teny entin’ny olona hanapo-
rofoana fa telo izay iray Andriamanitra.
“NY TENY DIA ANDRIAMANITRA”
Hoy ny Jaona 1:1: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny
Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.”
(Fandikan-teny Protestanta) Nasehon’ny apostoly Jaona mazava
tsara ao amin’io toko io ihany, fa i Jesosy ilay “Teny.” (Jaona
1:14) Koa satria antsoina hoe Andriamanitra ny Teny, dia misy
mihevitra fa Andriamanitra iray ihany ny Zanaka sy ny Ray.
Tadidio fa nosoratana tamin’ny teny grika aloha ny bokin’i
Jaona, vao nadika tamin’ny teny hafa. Mpandika teny maro
anefa no tsy nampiasa an’ilay teny hoe “ny Teny dia Andriama-
nitra.” Nahoana? Satria nahay ny teny grika nanoratana ny
Baiboly izy ireo, ka nanatsoaka hevitra fa tokony ho nadika ta-
min’ny fomba hafa ilay hoe “ny Teny dia Andriamanitra.”
Ahoana no tokony handikana azy? Ireto misy ohatra vitsivitsy
avy amin’ny fandikan-teny anglisy: “Toa an’Andriamanitra ny
Logos [Teny].” (Fandikan-teny Vaovaon’ny Baiboly) “Ny Teny dia
andriamanitra.” (Testamenta Vaovao—Dikan-teny Nohatsaraina)
“Niaraka tamin’Andriamanitra ny Teny, sady nitovy karazana ta-
miny.” (Ny Testamenta Vaovaon’ny Mpandika Teny) Raha jerena
ireo, dia tsy Andriamanitra ny Teny.1 Antsoina hoe “andriama-
nitra” (“a” sora-madinika) kosa izy, noho ny toerana ambony
ananany eo amin’ny zavaboarin’i Jehovah. Midika hoe “mahe-
ry” ilay teny hoe “andriamanitra” eto.
MITADIAVA FANAZAVANA FANAMPINY
Tsy hain’ny ankamaroan’ny olona ny teny grika nanoratana

1 Manazava tsara ny Jaona 1:1 Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra


2008, pejy 24-25, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Fanazavana Fanampiny 203
`
ny Baiboly. Ahoana ary no ahafantarana izay tena tian’ny apo-
stoly Jaona holazaina? Eritrereto, ohatra, hoe manazava lesona
ny mpampianatra iray. Tsy mitovy anefa ny fahazoan’ny mpia-
`
nany an’ilay fanazavana. Ahoana ary no ahafantaran’izy ireo ny
tena marina? Afaka mangataka fanazavana fanampiny amin’ilay
mpampianatra izy ireo. Hazava kokoa aminy ilay lesona amin’
izay. Afaka mitady fanazavana fanampiny ao amin’ny Filazantsa-
ran’i Jaona koa ianao, raha te hahalala tsara ny hevitry ny Jaona
1:1. Raha fantatrao tsara mantsy ny toerana tanan’i Jesosy, dia
ho hainao ny tena marina.
Hoy, ohatra, ny Jaona 1:18: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra
[Mahery indrindra] na oviana na oviana.” Nisy nahita anefa i Je-
sosy, ilay Zanaka, satria hoy i Jaona: “Ny Teny [Jesosy] dia tonga
nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny.” (Jaona
`
1:14, Prot.) Ahoana ary no ilazana fa iray ihany ilay Andriamani-
tra Mahery Indrindra sy ny Zanaka? Nilaza koa i Jaona fa “tao
amin’Andriamanitra” ny Teny, na “niaraka tamin’Andriamani-
tra”, araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ahoana anefa
no ahafahan’ny olona iray miaraka amin’ny olon-kafa, nefa izy
ihany io olona iarahany io? Navahan’i Jesosy tsara izy sy ilay Rai-
ny any an-danitra, ao amin’ny Jaona 17:3. Nantsoiny hoe “ilay
hany tena Andriamanitra” ny Rainy. Mbola manampy antsika
hahatakatra ny Jaona 1:1 ny fanazavana fanampiny ao amin’
ny Jaona 20:31, hoe: ‘Nosoratana ireo mba hinoanareo fa i
Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra.’ Tsy antsoina hoe Andri-
amanitra i Jesosy eo, fa Zanak’Andriamanitra. Azo lazaina hoe
“andriamanitra” i Jesosy na ny Teny, satria manana toerana
ambony izy, fa tsy hoe izy akory ilay Andriamanitra Mahery
Indrindra.
HAMARINO NY FANAZAVANA AZONAO
Eritrereto indray ilay ohatra teo. Ahoana raha mbola misy
mpianatra misalasala, na dia efa nahazo fanazavana fanampiny
aza? Inona no azon’izy ireo atao? Afaka mangataka fanazavana
amin’ny mpampianatra hafa indray izy ireo. Raha mitovy ny
fanazavan’ireo mpampianatra anankiroa ireo, dia mety tsy hisa-
lasala intsony ny ankamaroan’ny mpianatra. Azonao atao koa
`
ary ny mitady fanazavana fanampiny any amin’ny olon-kafa na-
noratra ny Baiboly, raha tsy azonao antoka izay tena tian’i
204 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Jaona holazaina momba ny fifandraisan’i Jesosy sy ilay Andria-


manitra Mahery Indrindra. Jereo, ohatra, ny zavatra nosoratan’i
Matio. Namerina an’ireto tenin’i Jesosy ireto izy, rehefa niresaka
ny faran’ity tontolo ity: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro
sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy
ny Ray ihany.” (Matio 24:36) Nahoana ireo teny ireo no mana-
marina fa tsy i Jesosy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra?
Tokony hitovy ny zavatra fantatr’i Jesosy sy ny Rainy, raha izy
ihany ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Nilaza anefa i Jeso-
sy teo fa misy zavatra fantatry ny Rainy nefa tsy fantany. Tsy
`
mitovy ary ny Zanaka sy ny Ray. Mety hisy indray hiteny hoe: ‘Ka
sady Andriamanitra ange i Jesosy no olona e! Olona izy teo.’ Na
atao hoe marina aza izany, dia ahoana indray ny amin’ny fana-
hy masina? Raha mitovy amin’ilay Andriamanitra Ray izy io,
nahoana i Jesosy tamin’io no tsy niteny hoe ny fanahy masina
koa mahafantatra ny zavatra fantatry ny Ray?
Mbola hahay andinin-teny hafa manaporofo an’izany ianao,
raha mianatra Baiboly foana. Vao mainka ho fantatrao ny tena
marina momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina.—Sa-
lamo 90:2; Asan’ny Apostoly 7:55; Kolosianina 1:15.

Tokony Hampiasa Lakroa ve


ny Kristianina?
MARO ny olona tia sy manaja lakroa. Milaza Ny Rakipahalalana
Britannica (anglisy) fa ny lakroa no “marika mampiavaka indri-
ndra ny fivavahana kristianina.” Mety amin’ny Kristianina ve
anefa ny mampiasa lakroa?
Tsara homarihina fa tsy maty teo amin’ny lakroa i Jesosy. Ma-
ˆ
tetika ilay teny grika hoe staoros no adika hoe “lakroa.” Midika
hoe “hazo mahitsy na tsato-kazo” izy io. Izao no fanazavana hita
ˆ
ao amin’ny Baiboly Namana (anglisy): ‘Ny hoe [staoros] dia tsy
midika mihitsy hoe vatan-kazo roa, ka ny iray mitsivalana. Tsy
misy teny manondro vatan-kazo roa mihitsy ao amin’ny [Testa-
menta Vaovao] amin’ny teny grika.’
Fanazavana Fanampiny 205

Teny hafa mihitsy no ampiasain’ny mpanoratra Baiboly, mba


hilazana ny fitaovana namonoana an’i Jesosy, dia ilay teny grika
ˆ
hoe ksylon. (Asan’ny Apostoly 5:30; 10:39; 13:29; Galatianina
3:13; 1 Petera 2:24) Midika fotsiny izy io hoe “vatan-kazo” na “tso-
ra-kazo, kibay, na hazo.”
Nahoana no tsato-kazo tsotra no nampiasaina rehefa nisy olo-
na novonoina? Hoy ny boky Ny Lakroa sy ny Famantsihana teo
`
Amin’ny Lakroa (alema), nosoratan’i Hermann Fulda: “Tsy nisy
hazo naniry indraindray teny amin’ny toerana nofidina hamo-
noana olona ampahibemaso. Noho izany, dia vatan-kazo tsotra
no natsatoka tamin’ny tany, ary teo amin’izany ny mpandika la-
`
lana no nahantona. Nakarina ambony ny tanany, dia nofatorana
na nofantsihana, ary natao toy izany koa ny tongony matetika.”
Ao amin’ny Baiboly ny porofo mampiaiky indrindra fa tsy maty
teo amin’ny lakroa i Jesosy. Hoy ny apostoly Paoly: “Nividy sy
`
nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalana i Kristy rehefa nanja-
ry voaozona hisolo antsika, satria voasoratra hoe: ‘Voaozona
izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo [“hazo”, Fandikan-teny
Protestanta].’ ” (Galatianina 3:13) Naka teny tao amin’ny Deotero-
nomia 21:22, 23 i Paoly teo, ary hazo no resahin’io andinin-teny
io, fa tsy lakroa. Hita amin’io fa “voaozona” izay nahantona teo
amin’ny hazo. Tsy tokony hataon’ny Kristianina haingon-trano
`
ary ny sarin’i Kristy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana.
Tsy misy porofo hoe nampiasa lakroa ireo nilaza ho Kristianina,
nandritra ireo 300 taona taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Lasa ani-
san’ny Kristianina mpivadi-pinoana anefa i Constantin, mpanjaka
romanina, tany amin’ireo taona 300. Ny lakroa no nampirisihany
hatao marika famantarana azy ireo. Na inona na inona antony na-
naovany an’izany, dia tsy nisy ifandraisany tamin’i Jesosy Kristy
mihitsy ny lakroa. Avy amin’ny mpanompo sampy izy io, raha ny
marina. Miaiky ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) hoe:
“Nampiasa lakroa avokoa na ny olona talohan’ny andron’ny Kri-
stianina na ny firenena tsy kristianina.” Boky maro no milaza fa
nampiasa lakroa ny mpivavaka tamin’ny natiora. Voalaza ao amin’
izy ireny koa fa nampiasa azy io ny mpanompo sampy, rehefa na-
nao fombafomba niharo firaisana ara-nofo.
`
Nahoana ary no nampirisihina hampiasa an’io marika ma-
mpiavaka ny mpanompo sampy io ny olona? Amin’izay angamba
206 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

ny mpanompo sampy hanaraka ny Fivavahana Kristianina. Voa-


raran’ny Baiboly anefa ny mivavaka amin’izay mety ho marika
mampiavaka ny mpanompo sampy. (2 Korintianina 6:14-18)
Rarany koa ny fanompoan-tsampy rehetra. (Eksodosy 20:4, 5;
`
1 Korintianina 10:14) Misy antony ary matoa ny tena Kristianina
tsy mampiasa lakroa, rehefa mivavaka.1

1 Misy fanazavana fanampiny momba ny lakroa ao amin’ny boky Fa-


ndresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, pejy 317-321, navoa-
kan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Manome Voninahitra
An’Andriamanitra Isika, Rehefa
Manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo
NOMENA didy hahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy ny Kri-
stianina. Antsoina koa hoe “sakafo harivan’ny Tompo” io
fotoana io. (1 Korintianina 11:20) Nahoana izy io no
zava-dehibe? Isaky ny inona izy io no tokony hotsa-
rovana, ary amin’ny fomba ahoana?
Nanomboka nanao azy io i Jesosy Kristy tamin’
ny alin’ny Paska jiosy taona 33. Natao indray ma-
ndeha isan-taona izy io, isaky ny 14 Nisana, volana
jiosy. Ahoana no namaritan’ny Jiosy an’io daty io?
Rehefa 21 Martsa (na 22 Martsa), dia adiny 12 eo
ho eo ny halavan’ny andro, ary adiny 12 koa ny ali-
na. Ny maizim-bolana voalohany akaiky indrindra an’
io andro io, no voalohan’ny volana Nisana. Nanomboka
ny Paska, 13 andro taorian’izay.
Nankalaza ny Paska nia-
raka tamin’ny apostoliny i
Jesosy, nandroaka an’i Jo-
dasy Iskariota, ary avy eo
nanomboka ny Sakafo Harivan’ny
Fanazavana Fanampiny 207

Tompo. Solon’ny Paska jiosy izy io, ka tokony hatao indray ma-
ndeha isan-taona.
Hoy ny Filazantsaran’i Matio: “Raha mbola nihinana izy
ireo, dia nandray mofo i Jesosy. Rehefa avy nivavaka izy, dia
notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy:
‘Raiso ity, ka hano. Ity no vatako.’ Nandray kaopy koa izy, ka
rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay
kaopy, sady hoy izy: ‘Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity
no rako, dia “ny ran’ny fifanekena” izay halatsaka ho an’ny
maro ho famelan-keloka.’ ”—Matio 26:26-28.
Misy mino fa novan’i Jesosy ho tena nofony sy rany ilay
mofo sy divay. Tsy nisy nanesorana anefa ny vatany rehefa ni-
zara an’io mofo io izy. Tena nihinana ny nofony sy nisotro ny
`
rany ary ve ny apostoliny? Tsia, satria toy ny mihinana olona
`
izany, ary mandika ny lalan’Andriamanitra. (Genesisy 9:3, 4;
Levitikosy 17:10) Hoy i Jesosy ao amin’ny Lioka 22:20: “Ity
kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay ha-
latsaka ho anareo.” Ilay kaopy mihitsy ve no “fifanekena
vaovao”? Tsy mitombina izany, satria tsy zavatra azo tsapain-
tanana ny fifanekena, na fifanarahana.
`
Misy heviny an’ohatra ary ilay mofo sy divay. Mifanitsy
amin’ny vatan’i Kristy lavorary ilay mofo. Mofo sisa tsy lany
tamin’ny sakafon’ny Paska no nampiasain’i Jesosy. Tsy nisy
masirasira, na lalivay, io mofo io. (Eksodosy 12:8) Matetika no
ilazana fahotana na faharatsiana ny teny hoe lalivay, ao amin’
ny Baiboly. Ny vatana lavorary sy tsy nisy ota nataon’i Jesosy
`
sorona ary no mifanitsy amin’ilay mofo.—Matio 16:11, 12;
1 Korintianina 5:6, 7; 1 Petera 2:22; 1 Jaona 2:1, 2.
Mifanitsy amin’ny ran’i Jesosy kosa ilay divay mena. Ma-
mpanan-kery an’ilay fifanekena vaovao izy io. Nilaza i Jesosy
fa nandatsaka ny rany izy, mba hahazoan’ny olona “fame-
`
lan-keloka.” Afaka ny hadio eo imason’Andriamanitra ary
ny olombelona, ka ho tafiditra amin’ilay fifanekena vao-
vao atao amin’i Jehovah. (Hebreo 9:14; 10:16, 17) Afaka
mankany an-danitra ireo Kristianina tsy mivadika 144 000,
noho io fifanekena io. Ho mpanjaka sy mpisorona izy ireo
any, ka hitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra.—Genesisy
208 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

22:18; Jeremia 31:31-33; 1 Petera 2:9; Apokalypsy 5:9, 10; 14:


1-3.
Iza no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay amin’
ny Fahatsiarovana? Izay ao anatin’ny fifanekena vaovao ihany,
izany hoe ireo manantena ho any an-danitra. Ny fanahy ma-
sin’Andriamanitra no mandresy lahatra azy ireo, fa voafidy ho
mpanjaka any an-danitra ny tenany. (Romanina 8:16) Na-
naovan’i Jesosy fifanekena ho amin’ny Fanjakana koa izy
ireo.—Lioka 22:29.
Ahoana kosa ny amin’ireo manantena hiaina mandrakizay
`
ao amin’ny Paradisa eto an-tany? Mankato ny didin’i Jesosy izy
ireo, ka manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy mihina-
na ny mofo na misotro ny divay anefa izy ireo, fa manatrika
amim-panajana fotsiny. Manao ny Sakafo Harivan’ny Tompo
indray mandeha isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah, isaky
ny 14 Nisana aorian’ny filentehan’ny masoandro. Zava-dehibe
amin’ny Kristianina rehetra io fotoana io, na dia an’arivony
monja aza no milaza fa manantena ho any an-danitra. Amin’
io izy ireo no afaka misaintsaina ny fitiavana nasehon’i Jeho-
vah Andriamanitra sy Jesosy Kristy.—Jaona 3:16.

Manana Fanahy Tsy Mety


Maty Tokoa ve ny Olona?
MARO no mino fa misy zavatra tsy hita maso sy tsy mety maty
ao anatintsika. Misaraka amin’ny vatana, hono, izy io rehefa
maty ny olona ary mbola velona any ankoatra. Miely be io fi-
noana io, ka maro no gaga rehefa mahalala fa tsy mampianatra
an’izany ny Baiboly. Inona kosa no lazain’ny Baiboly fa mitra-
nga amintsika rehefa maty isika?
`
NY TENY HOE NEFESH SY PSYKE
AO AMIN’NY BAIBOLY
Tadidinao angamba fa nosoratana tamin’ny teny hebreo sy
grika ny Baiboly voalohany. Adika hoe “olona”, “aina”, “biby”,
Fanazavana Fanampiny 209

na “fanahy” ilay teny hebreo hoe nefesh sy ilay teny grika hoe
`
psyke, ao amin’ny Baiboly malagasy. Im-800 mahery no mive-
`
rimberina ny teny hoe nefesh sy psyke ao amin’ny Soratra
Masina, ary manondro 1) olona, na 2) biby, na 3) ain’olona na
ain’ny biby izy ireo. Handinika andinin-teny ahitana an’ireo
heviny telo ireo isika.
Olona. ‘Tamin’ny andron’i Noa, dia olom-bitsy, eny, olona
`
[psyke] valo no nentin’ny sambofiara ka tafita soa aman-tsara
`
avy tamin’ny rano.’ (1 Petera 3:20) Ilay teny grika hoe psyke dia
nadika hoe olona, izany hoe ry Noa mivady, ny zanany telo
lahy ary ny vadin’izy ireo avy. Hoy koa ny Eksodosy 1:5: “Fito-
polo ny isan’ny olona [nefesh] rehetra naterak’i Jakoba.” Niisa
`
70 ary ny zanaka aman-jafin’i Jakoba. Adika hoe olona koa
`
ny teny hoe nefesh sy psyke ao amin’ny andinin-teny hafa, toy
ny Eksodosy 12:4, Josoa 11:11, Romanina 13:1, ary 2 Petera
2:14.
Biby. Hoy ny tantara momba ny famoronana: “Ary hoy koa
Andriamanitra: ‘Aoka hisy zavamananaina [nefesh] be dia be
hifanaretsaka ao anaty rano, ary aoka hisy biby manidina ha-
nidintsidina eny ambonin’ny tany, eo amin’ny habakabaky ny
lanitra.’ Ary hoy koa Andriamanitra: ‘Aoka ny tany hamoaka
zavamananaina [nefesh] araka ny karazany avy, dia biby fio-
mpy sy biby mandady ary bibidia eny ambonin’ny tany, samy
araka ny karazany avy.’ Dia nisy izany.” (Genesisy 1:20, 24)
Antsoina hoe nefesh avokoa ny trondro, biby fiompy, ary bibi-
dia ao amin’ireo andinin-teny ireo. Antsoina hoe nefesh ny
vorona sy ny biby hafa ao amin’ny Genesisy 9:10 sy Levitiko-
sy 11:10, 46.
Aina. Midika hoe aina indraindray ny teny hoe nefesh sy
`
psyke. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa maty daholo ireo
olona nifofo ny ainao [nefesh].” (Eksodosy 4:19) Voalaza koa
fa rehefa niteraka an’i Benjamina i Rahely, dia ‘niala aina [ne-
fesh] (maty izy).’ (Genesisy 35:16-19) Hoy koa i Jesosy: “Izaho
no mpiandry tena tsara. Ny mpiandry tena tsara mahafoy ny
`
ainy [psyke] ho an’ny ondry.” (Jaona 10:11) Nanome ny ainy,
`
na psyke, ho an’ny olona i Jesosy. Hita amin’ireo andinin-teny
`
ireo fa midika hoe aina ny teny hoe nefesh sy psyke. Izany koa
210 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

no hita ao amin’ny Mpitsara 5:18, Matio 10:39, Jaona 15:13,


ary 1 Jaona 3:16.
Ho hitanao rehefa mandalina ny Baiboly ianao, fa tsy ampia-
rahina amin’ny teny hoe “tsy mety maty” na “mandrakizay”
`
mihitsy ny nefesh sy psyke. Milaza kosa ny Soratra Masina fa
mety maty ny fanahy [nefesh]. (Ezekiela 18:4, 20) Noho izany,
dia antsoin’ny Baiboly hoe nefesh maty ny olona maty. Tsy
misy na inona na inona velona intsony ao aminy, aorian’ny fa-
hafatesana.—Mpitoriteny 9:5, 10.
NY TENY HOE ROAH SY PNEOMA
AO AMIN’NY BAIBOLY
Adika hoe “fanahy”, “aina”, na “fofonaina” ny teny hebreo
hoe roah sy ny teny grika hoe pneoma ao amin’ny Baiboly sa-
sany. Manondro ny hery mamelona ny zavaboary eto an-tany
ny hoe roah sy pneoma, raha jerena ny teny nanoratana ny Bai-
boly voalohany. Izao, ohatra, no voalazan’ny Salamo 104:29:
“Raha esorinao [Jehovah] ny hery mamelona [roah] azy, dia
tapitra ny ainy, ka miverina ho vovoka izy.” Milaza koa ny Lio-
ka 8:55 fa “nody indray ny ainy [pneoma], ka niarina avy
hatrany izy.” Araka ireo andinin-teny ireo, dia ny roah sy pneo-
ma no mahatonga ny vatana ho velona. Maty ny vatana raha
tsy misy azy io. Izany no antony nandikana ilay teny roah hoe
‘fofonaina’ fa tsy hoe ‘fanahy’, ao amin’ny Fandikan-tenin’
ny Tontolo Vaovao. Izao, ohatra, no nolazain’Andriamanitra
momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa: “Hahatonga sa-
fodrano eny ambonin’ny tany aho, mba handringanana ny
nofo rehetra manam-pofonaina [roah] tsy ho eny ambanin’ny
lanitra.” (Genesisy 6:17; 7:15, 22) Ilay hery tsy hita maso ma-
`
melona ny zavaboary rehetra ary no atao hoe roah sy pneoma.
Tsy velona ny vatana raha tsy misy hery mamelona, tsy misy
hafa amin’ny radio izay tsy velona raha tsy misy herinaratra.
Eritrereto, ohatra, ny radio kely iray. Inona no mitranga rehe-
fa asianao pila ilay izy, ary alefanao? Mamelona an’ilay radio
ny herinaratra voatahiry ao amin’ireo pila. Maty kosa ilay ra-
dio, raha tsy misy pila. Maty koa ny radio mandeha amin’ny
herinaratra, rehefa tsoahana ny prizy. Hoatr’izany koa fa ny
Fanazavana Fanampiny 211

hery mamelona no mahatonga ny vatana ho velona. Tsy ma-


hatsapa na inona na inona anefa io hery io, sady tsy afaka
mieritreritra sy tsy manana ny maha izy azy, toy ny herinaratra
ihany. Maty isika raha tsy misy an’ilay hery mamelona intso-
ny ao amin’ny vatantsika. ‘Tapitra ny aintsika’, araka ny tenin’
ilay mpanao salamo, “ka miverina ho vovoka” isika.
Hoy ny Mpitoriteny 12:7 momba ny maty: “Hiverina amin’
ny tany toy ny teo aloha ny vovoka [nanaovana ny vatany], fa
ny hery mamelona [roah] kosa hiverina amin’Andriamanitra
izay nanome izany.” Maty sy miverina ho amin’ny tany naka-
na azy ny vatana, rehefa miala aminy ilay hery mamelona azy.
Miverina amin’Andriamanitra, izay nanome azy, io hery io.
(Joba 34:14, 15; Salamo 36:9) Tsy midika akory izany hoe ma-
makivaky ny lanitra ara-bakiteny izy io, fa kosa hoe miankina
amin’i Jehovah Andriamanitra no hahafahan’ilay olona ho ve-
lona indray, raha maty izy. Toy ny hoe eo am-pelatanan’
Andriamanitra ny ainy. Izy ihany no afaka mamerina ny hery
mamelona ao amin’ilay olona, mba hahavelona azy indray.
Tena mampahery ny mahalala fa izany mihitsy no hataon’
Andriamanitra ho an’ireo matory “any am-pasana.” (Jaona 5:
28, 29) Rehefa tonga ny fotoana hananganana ny maty, dia ho-
meny vatana vaovao ilay olona. Hasiany hery mamelona
indray ao amin’ny vatan’izy ireo, mba hahavelomany. Tena
hahafaly izany!
Raha tianao ho fantatra tsara kokoa ny hevitry ny hoe
“fanahy”, dia jereo ny bokikely Inona no Mitranga Amintsika
Rehefa Maty Isika?, sy ny boky Fandresen-dahatra Miorina
Amin’ny Soratra Masina,
pejy 159-163 sy 433-438,
navoakan’ny Vavolombe-
lon’i Jehovah.
212

Inona no Atao hoe Sheola sy Hadesy?


TAMIN’NY fiteny nanoratana ny Baiboly voalohany, dia hita
ˆ
tao im-70 mahery ilay teny hebreo hoe sheol, sy ilay teny gri-
ka hoe haides izay mitovy hevitra aminy. Samy mifandray
amin’ny fahafatesana ireo teny ireo. Adika hoe “fiainan-tsi-
hita” na “fasana” izy ireo, ao amin’ny fandikan-tenin’ny
Baiboly sasany. Hijery andinin-teny vitsivitsy isika, mba ha-
hitantsika izany.
Hoy ny Mpitoriteny 9:10: “Tsy misy asa na eritreritra na
ˆ
fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana [“sheol”, fana-
marihana ambany pejy], izay toerana halehanao.” Midika ve
izany fa fasana anankiray nandevenana ny havantsika ilay
ˆ
hoe sheol? Tsia, satria teny hebreo sy grika hafa no ilazana an’
ireny toerana fandevenana ireny ao amin’ny Baiboly, fa tsy
ˆ
sheol na haides. (Genesisy 23:7-9; Matio 28:1) Tsy mampiasa
ˆ
an’ilay teny hoe sheol koa ny Baiboly rehefa milaza ny fasa-
na ilevenan’ny olona maromaro na fasan-drazana.—Genesisy
49:30, 31.
` ˆ
Inona ary ny dikan’ny hoe sheol? Misy heviny lalina kokoa
ˆ
ilay hoe sheol, na haides, ao amin’ny Baiboly, fa tsy fasana ile-
venan’ny olona maromaro. Milaza, ohatra, ny Isaia 5:14 fa
ˆ
“nohalalahin’ny Fasana [sheol na haides] ny toerany, ary na-
taony mitanatana izaitsizy ny vavany.” Hoatran’ny tsy mety
ˆ
voky mihitsy ny Fasana na sheol, na dia efa be dia be aza ny
maty nateliny. (Ohabolana 30:15, 16) Voafetra ny isan’ny
maty azo alevina ao amin’ny toeram-pandevenana ananki-
ˆ
ray, fa ‘tsy mety voky kosa ny Fasana [sheol].’ (Ohabolana
`
27:20) Tsy mety feno ary izy io, ary tsy misy fetrany. Tsy toe-
` ˆ
rana ara-bakiteny ary ny sheol na haides, fa toerana an’ohatra
misy ny ankamaroan’ny olona matory ao amin’ny fahafate-
sana.
ˆ
Vao mainka ho azontsika ny dikan’ny hoe sheol sy haides,
rehefa mandinika an’izay lazain’ny Baiboly momba ny
fitsanganana amin’ny maty isika. Asehon’ny Baiboly fa mbo-
ˆ
la hatsangana amin’ny maty ny olona ao amin’ny sheol
Fanazavana Fanampiny 213

sy haides.1 (Joba 14:13; Asan’ny Apostoly 2:31; Apokalypsy


20:13) Hita ao koa fa tsy izay nanompo an’i Jehovah ihany
ˆ
no ao amin’ny sheol, na haides, fa ny olona maro tsy nano-
mpo azy koa. (Genesisy 37:35; Salamo 55:15) Milaza ny
Baiboly fa “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”
—Asan’ny Apostoly 24:15.
1 “Any amin’ny Gehena” kosa no misy an’ireo maty izay tsy hatsanga-
ˆ
na, fa tsy ao amin’ny sheol, na haides. (Matio 5:30; 10:28; 23:33) Toy ny
ˆ
sheol sy haides, dia tsy toerana ara-bakiteny ny Gehena.

Inona no Atao hoe Andro Fitsarana?


INONA no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe Andro Fitsa-
rana ianao? Maro no mihevitra fa hoentina hotsaraina tsirairay
eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny olona an’ari-
vony tapitrisa, amin’io andro io. Ny sasany, hono, hahazo
valisoa ka hiaina any an-danitra, fa ny sasany hampijalijali-
na mandrakizay any amin’ny afobe. Hafa tanteraka anefa no
lazain’ny Baiboly momba ny Andro Fitsarana. Fotoana mahafi-
naritra no resahina ao fa tsy mampahatahotra. Haverina amin’
ny laoniny mantsy ny zava-drehetra amin’izay.
Hoy ny apostoly Jaona momba ny Andro Fitsarana, ao amin’
ny Apokalypsy 20:11, 12: “Nahita seza fiandrianana fotsy lehibe
aho, ary hitako ilay nipetraka teo amboniny. Nandositra tsy ho
eo anatrehany ny tany sy ny lanitra, ary tsy nisy toerana ho azy
ireo. Ary hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro
teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky no-
velarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny
horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka
izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’
izy ireo.” Iza ilay Mpitsara resahiny eo?
I Jehovah Andriamanitra no Mpitsara fara tampony. Nane-
ndry olon-kafa mba hitsara anefa izy. Nilaza ny apostoly Paoly,
ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:31, fa “efa nanondro andro iray
izay kasainy hitsarana ny tany onenana” Andriamanitra, mba
214 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

“hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray


voatendriny.” I Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty io
`
notendreny ho Mpitsara io. (Jaona 5:22) Rahoviana ary no ha-
nomboka ny Andro Fitsarana, ary haharitra hafiriana izy io?
Asehon’ny Apokalypsy fa hanomboka aorian’ny ady Hara-
magedona ny Andro Fitsarana, rehefa rava ny tontolon’i
Satana.1 (Apokalypsy 16:14, 16; 19:19–20:3) Hogadraina ari-
vo taona ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny
demoniany aorian’ny Hara-magedona. Ho mpitsara sy ‘hiara-
manjaka amin’i Kristy arivo taona’ any an-danitra ireo 144 000
mpiara-mandova aminy, mandritra an’izany fotoana izany.
(Apokalypsy 14:1-3; 20:1-4; Romanina 8:17) Tsy zavatra maimai-
`
ka hatao ao anatin’ny 24 ora fotsiny ary ny Andro Fitsarana, fa
maharitra arivo taona.
“Hitsara ny velona sy ny maty” i Jesosy Kristy mandritra an’
ilay arivo taona. (2 Timoty 4:1) Iza ireo hoe “velona” ireo? Ny
“vahoaka be” ho tafavoaka amin’ny Hara-magedona. (Apo-
kalypsy 7:9-17) Nahita ‘ny maty nijoro teo anoloan’ny seza
fiandrianana’ koa ny apostoly Jaona. Nampanantena i Jesosy fa
‘handre ny feony izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka izy
ireo’, izany hoe hatsangana amin’ny maty. (Jaona 5:28, 29;
Asan’ny Apostoly 24:15) Ahoana no hitsarana ny olona rehetra?
Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ilay fahitana fa “nisy horo-
nam-boky novelarina”, ka “ny maty dia notsaraina araka izay
voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy
ireo.” (Apokalypsy 20:12) Ny zavatra nataon’ilay olona taloha ve
no ao amin’ireo horonam-boky ireo? Tsia, satria tsy izay natao-
ny talohan’ny nahafatesany no hitsarana azy. Milaza mantsy ny
Baiboly fa “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.”
(Romanina 6:7) Azo lazaina hoe efa voadio tamin’ny fahotany
ny olona hatsangana amin’ny maty. Zavatra hafa takin’Andria-
`
manitra ary no ao amin’ireo horonam-boky ireo. Tsy maintsy
`
mankato ny didiny ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-

1 Manazava kokoa ny hoe Hara-magedona ny Fandalinana ny Soratra


Masina, ao amin’ilay hoe “Andron’i Jehovah” sy “Hara-magedona”, ary
ny Toko faha-20 amin’ilay boky hoe Mivavaha Amin’ilay Hany Andria-
manitra Marina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Fanazavana Fanampiny 215

magedona sy ireo hatsangana amin’ny maty, raha te hiaina


mandrakizay. Tsy maintsy ankatoavin’izy ireo koa izay zavatra
vaovao takin’i Jehovah mandritra ny arivo taona. Izay ataon’ny
`
olona mandritra ny Andro Fitsarana ary no hitsarana azy.
Olona an’arivony tapitrisa no sambany vao hianatra sy hanao
ny sitrapon’Andriamanitra, mandritra ny Andro Fitsarana. Be
`
dia be mihitsy ary no hampianarina amin’izay. “Hianatra faha-
marinana ny mponina eto an-tany.” (Isaia 26:9) Tsy ny rehetra
anefa no te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy mantsy ny
Isaia 26:10: ‘Tsy hianatra fahamarinana ny ratsy fanahy, na dia
iantrana aza. Tsy hanao ny rariny izy, na dia ao amin’ny tanin’
ny fahitsiana aza. Ary tsy hahita ny fahambonian’i Jehovah izy.’
Haringana tanteraka ireny ratsy fanahy ireny mandritra ny
Andro Fitsarana.—Isaia 65:20.
Amin’ny faran’ny Andro Fitsarana vao tena azo lazaina hoe
“velona” ny olona sisa tsy maty, satria efa lasa lavorary. (Apoka-
lypsy 20:5) Haverina ho lavorary indray ny olona mandritra ny
Andro Fitsarana. (1 Korintianina 15:24-28) Hisy fitsapana fara-
ny avy eo. Hovahana kely i Satana, ary havela hamitaka farany
ny olombelona. (Apokalypsy 20:3, 7-10) Ho tanteraka amin’ireo
mahatohitra an’i Satana ity tenin’ny Baiboly ity: “Ny olo-mari-
na no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo
37:29) Ho fitahiana ho an’ny olona tsy mivadika rehetra tokoa
ny Andro Fitsarana!

1914: Taona Miavaka ao Amin’ny


Faminanian’ny Baiboly
EFA ho 40 taona talohan’ny 1914 ny mpianatra ny Baiboly no ni-
laza tamin’ny olona hoe hisy zavatra hiavaka amin’io taona io.
Inona izany, ary inona ny porofo fa miavaka tokoa ny taona 1914?
Hoy i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:24: “Hohitsahin’ny hafa fire-
nena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro
ho an’ny hafa firenena [“andron’ny jentilisa”, Fandikan-teny
Protestanta].” Renivohitry ny firenena jiosy i Jerosalema, ary
216 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

foiben’ny fitondran’ireo mpanjaka taranak’i Davida Mpanjaka.


(Salamo 48:1, 2) Niavaka izy ireo, satria nipetraka teo amin’ny
“seza fiandrianan’i Jehovah”, izany hoe solontenany. (1 Tantara
`
29:23) Teny nilazana ny fitondran’i Jehovah ary ny hoe Jerosa-
lema.
Oviana ny fitondran’Andriamanitra no ‘nohitsahin’ny hafa fi-
renena’, ary tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny taona 607 T.K.,
rehefa resin’ny Babylonianina i Jerosalema. Lasa tsy nisy mpa-
njaka intsony teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, ary
nitsahatra tsy nitondra ny taranak’i Davida. (2 Mpanjaka 25:1-26)
Hitohy mandrakizay ve izany? Tsia, satria hoy i Ezekiela momba
an’i Zedekia, ilay mpanjaka farany tao Jerosalema: ‘Esory ny fehi-
lohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra. Izany koa aza
dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-
`
dalana hahazo izany. Dia homeko azy izany.’ (Ezekiela 21:26, 27)
`
I Kristy Jesosy “ilay manan-jo ara-dalana” ho eo amin’ny seza fia-
`
ndrianan’i Davida. (Lioka 1:32, 33) Tapitra ary ilay fotoana

“FE-POTOANA FITO”
2 520 taona

606 taona sy 3 volana 1913 taona sy 9 volana


Oktobra 607 T.K. ka hatramin’ny 1 Janoary taona 1 A.K.
31 Desambra taona 1 T.K. ka hatramin’ny Oktobra 1914
607 & T.K. A.K. ) 1914

“Hohitsahin’ny ‘Tonga ilay manan-jo


`
hafa firenena ara-dalana’
i Jerosalema”
Fanazavana Fanampiny 217

‘nanitsahan’ny hafa firenena’ an’i Jerosalema rehefa lasa Mpanja-


ka i Jesosy.
Oviana izany no nitranga? Nasehon’i Jesosy fa hanjaka ma-
ndritra ny fotoana voafetra ny hafa firenena. Manampy antsika
hamantatra ny halavan’io fotoana io ny Daniela Toko faha-4.
Voatantara ao fa nanonofy momba ny hoavy i Nebokadnezara
mpanjakan’i Babylona. Nahita hazo goavana iray notapahina izy.
Tsy afaka naniry ny fotony, satria nasiana fehy vy sy varahina.
Hoy ny anjely iray: “Aoka ho fe-potoana fito no holanina aminy.”
—Daniela 4:10-16.
Indraindray dia fitondrana no tiana holazaina amin’ny hoe
hazo ao amin’ny Baiboly. (Ezekiela 17:22-24; 31:2-5) Ny fanapa-
`
hana an’ilay hazo tao amin’ilay nofy ary, dia midika fa haato ny
fitondran’Andriamanitra, izany hoe tsy hisy mpanjaka hisolo tena
azy intsony any Jerosalema. Asehon’ilay fahitana koa anefa fa tsy
haharitra afa-tsy “fe-potoana fito” ny ‘fanitsahana an’i Jerosale-
ma.’ Hafiriana izany?
Milaza ny Apokalypsy 12:6, 14 fa maharitra “enimpolo sy roa-
njato sy arivo andro” ny fe-potoana telo sy tapany. Indroa hoatr’
izay ny faharetan’ny “fe-potoana fito”, izany hoe 2 520 andro.
Mbola ‘nanitsaka’ ny fitondran’Andriamanitra foana anefa ny
hafa firenena, 2 520 andro taorian’ny naharesy an’i Jerosalema.
Midika izany fa ela kokoa noho izany ilay fe-potoana fito. Raha
‘soloana taona iray ny andro iray’, araka ny Nomery 14:34 sy ny
Ezekiela 4:6, dia maharitra 2 520 taona ny “fe-potoana fito.”
Nanomboka tamin’ny Oktobra 607 T.K. ireo 2 520 taona ireo.
Resin’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’izay, ary nesorina
tamin’ny seza fiandrianana ilay mpanjaka taranak’i Davida. Nifa-
rana tamin’ny Oktobra 1914 ilay fotoana. Tamin’izay no tapitra
ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ary nataon’
Andriamanitra Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy.1—Salamo
2:1-6; Daniela 7:13, 14.

1 Manomboka amin’ny Oktobra taona 607 T.K. ka hatramin’ny


1 Oktobra taona 1 T.K. dia misy 606 taona. Tsy misy ny taona 0. Noho iza-
ny, dia misy 1914 taona manomboka amin’ny 1 Oktobra taona 1 T.K. ka
hatramin’ny Oktobra 1914 A.K. Rehefa ampiana 606 taona ny 1914 tao-
na, dia manome 2 520 taona. Manazava ny naharesen’i Jerosalema ta-
min’ny 607 T.K. ny boky Fandalinana ny Soratra Masina, ao amin’ilay
hoe “Fanisan-taona”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
218 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Efa nilaza i Jesosy fa hisy loza eran-tany mandritra ny ‘fanatre-


hany’, izany hoe rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra izy. Anisan’
izany ny ady, mosary, horohoron-tany, ary areti-mandringana.
(Matio 24:3-8; Lioka 21:11) Tanteraka tokoa izany, ary voaporofo
fa naorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’
ny 1914, sady nanomboka ny “andro farany.”—2 Timoty 3:
1-5.

Iza i Mikaela Arkanjely?


TSY voaresaka matetika ao amin’ny Baiboly ilay anjely atao
hoe Mikaela. Eo am-panaovana zavatra foana anefa izy, rehe-
fa resahina ao. Miady amin’ny anjely ratsy, ohatra, izy ao
amin’ny bokin’i Daniela, mifamaly amin’i Satana izy ao
amin’ny taratasin’i Joda, ary miady amin’ny Devoly sy ny de-
moniany izy ao amin’ny Apokalypsy. Ny hoe Mikaela dia
midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” Mety tsara
aminy ny anarany, satria miaro ny fitondran’i Jehovah sy
miady amin’ny fahavalony izy. Fa iza moa i Mikaela?
Manana anarana maromaro ny olona iray indraindray.
Antsoina hoe Israely koa, ohatra, i Jakoba, ary antsoina hoe
Simona ny apostoly Petera. (Genesisy 49:1, 2; Matio 10:2)
Araka ny Baiboly, dia anarana hafa iantsoana an’i Jesosy
`
Kristy taloha sy taorian’ny niainany tety an-tany, ny hoe Mi-
kaela. Handinika porofo ara-baiboly momba an’izany isika.
Arkanjely. Antsoin’ny Baiboly hoe “arkanjely” i Mikaela.
(Joda 9) Midika hoe “filohan’ny anjely” ilay teny hoe “arka-
njely.” Milaza tokana foana io teny io ao amin’ny Baiboly.
Midika izany fa iray ihany ny arkanjely. Ampifandraisina
amin’i Jesosy koa ny anjara asan’ny arkanjely. Hoy ny 1 Tesa-
lonianina 4:16 momba an’i Jesosy Tompo natsangana tamin’
ny maty: “Ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any
an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely.”
Lazaina eo fa feon’arkanjely ny feon’i Jesosy. Hita amin’io
`
andinin-teny io ary fa i Jesosy mihitsy no Mikaela arkanjely.
Fanazavana Fanampiny 219

Mpitari-tafika. Milaza ny Baiboly fa ‘niady tamin’ilay dra-


gona sy ny anjeliny i Mikaela sy ny anjeliny.’ (Apokalypsy
`
12:7) I Mikaela ary no mitarika ny tafik’anjely tsy mivadika.
Milaza koa ny Apokalypsy fa i Jesosy no Mpitarika ny tafik’
anjely tsy mivadika. (Apokalypsy 19:14-16) Miresaka momba
an’i “Jesosy Tompo” sy “ny anjeliny mahery” koa ny aposto-
ly Paoly. (2 Tesalonianina 1:7) Samy voaresaka ao amin’ny
`
Baiboly ary na i Mikaela sy “ny anjeliny”, na i Jesosy sy “ny
anjeliny.” (Matio 13:41; 16:27; 24:31; 1 Petera 3:22) Tsy voa-
laza ao anefa hoe anankiroa samy hafa ny tafik’anjely tsy
mivadika any an-danitra, ka ny iray miaraka amin’i Mikaela,
ary ny iray miaraka amin’i Jesosy. I Jesosy Kristy any an-da-
`
nitra ihany ary i Mikaela.1
1 Raha tianao ho fantatra hoe nahoana ilay Zanak’Andriamanitra no
antsoina hoe Mikaela, dia jereo ny boky Fandalinana ny Soratra Masina
ao amin’ilay hoe “Mikaela”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Inona no Atao hoe “Babylona Lehibe”?


MISY teny tsy tokony horaisina ara-bakiteny ao amin’ny
Apokalypsy. (Apokalypsy 1:1) Voaresaka ao, ohatra, ny ve-
hivavy iray, izay misy anarana hoe “Babylona Lehibe” eo
amin’ny handriny. Mipetraka eo ambonin’ny “vahoaka sy
firenena” izy io. (Apokalypsy 17:1, 5, 15) Tsy misy vehiva-
vy mahavita an’izany, ka tsy tokony horaisina ara-bakiteny
`
ilay hoe Babylona Lehibe. Inona ary io mpivaro-tena io?
`
Milaza ny Apokalypsy 17:18 fa io vehivavy io dia “tana-
na lehibe izay mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany.” Ny
`
hoe “tanana” dia toy ny fikambanana na vondron’olona
`
misy rafitra mifehy azy. “Tanana lehibe” koa ilay vehivavy
antsoina hoe Babylona Lehibe, ary manana fahefana amin’
ny “mpanjakan’ny tany.” Tsy maintsy hoe fikambanana
`
manana fahefana eran-tany ary izy io. Manana fahefa-
na eo amin’ny resaka fivavahana izy. Hijery andininy
220 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

hafa ao amin’ny Apokalypsy isika mba hanaporofoana an’


izany.
Mety ho ara-politika na ara-barotra na ara-pivavahana ny
fikambanana iray. Tsy fikambanana ara-politika anefa i Ba-
bylona Lehibe, satria milaza ny Baiboly fa ‘nijangajanga
taminy ireo mpanjakan’ny tany’, izany hoe ny mpitondra
ara-politika eto amin’izao tontolo izao. Nahoana izy no la-
zaina hoe nijangajanga? Satria nanao fifanekena tamin’
ireo mpitondra izy, sady nanao izay rehetra azony natao
mba hifehezana azy ireo. Izany no iantsoana azy hoe “mpi-
varo-tena lehibe.”—Apokalypsy 17:1, 2; Jakoba 4:4.
Tsy fikambanana ara-barotra koa i Babylona Lehibe.
Rehefa horinganina mantsy izy, dia halahelo azy ny “mpi-
varo-mandeha tamin’ny tany”, izany hoe ny mpanao
raharaham-barotra. Voalaza koa fa hijery azy avy eny “lavi-
davitra” eny ireo mpanjaka sy mpivarotra. (Apokalypsy 18:
`
3, 9, 10, 15-17) Voaporofo ary fa fikambanana ara-pivava-
hana i Babylona Lehibe, fa tsy fikambanana ara-politika na
ara-barotra.
Nahoana koa i Babylona Lehibe no lazaina fa fika-
mbanana ara-pivavahana? Satria ‘milalao ody’ izy mba
hamitahana ny firenena rehetra. (Apokalypsy 18:23) Azo la-
zaina hoe fivavahana ihany ny karazana filalaovana ody
rehetra. Avy amin’ny demonia ny filalaovana ody, ary na
ny Baiboly aza milaza fa “fonenan’ny demonia” i Babylo-
na Lehibe. Tsy maintsy hoe fikambanana ara-pivavahana
`
ary i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 18:2; Deoteronomia
18:10-12) Voalaza koa fa manohitra mafy ny fivavahana
marina izy, ary manenjika ny “mpaminany sy ny olo-
na masina.” (Apokalypsy 18:24) Tena halany ny fivavahana
marina, ka enjehiny amin-kabibiana sy vonoiny ho faty
mihitsy “ny vavolombelon’i Jesosy.” (Apokalypsy 17:6) Ma-
`
zava ary fa io vehivavy antsoina hoe Babylona Lehibe io
dia ny fivavahan-diso rehetra eran-tany, anisan’izany ny
fivavahana rehetra manohitra an’i Jehovah Andriamani-
tra.
221

Teraka Volana Desambra ve i Jesosy?


TSY milaza ny Baiboly hoe oviana i Jesosy no teraka. Misy po-
rofo manamarina anefa ao hoe tsy volana Desambra izy no
teraka.
Eritrereto ny toetrandro tany Betlehema, tamin’io fotoana
io. Nangatsiaka sy nanorana ny andro, nandritra ilay volana
jiosy atao hoe Kisleo (Novambra/Desambra). Nanarakaraka
azy io ny volana Tebeta (Desambra/Janoary). Io no vola-
na nangatsiaka indrindra tao anatin’ny taona, ary nisy lanezy
mihitsy aza indraindray teny an-tendrombohitra. Hojerentsi-
ka izay lazain’ny Baiboly momba an’izany.
Nilaza i Ezra, mpanoratra Baiboly, fa matetika no nangatsia-
ka sy nanorana ny volana Kisleo. Nisy vahoaka nivory, ohatra,
tao Jerosalema “tamin’ny faharoapolon’ny volana fahasivy”,
izany hoe volana Kisleo. Nilaza i Ezra fa ‘nangovitra izy ireo
satria avy ny orana.’ Niteny mihitsy aza ny vahoaka hoe: “Fo-
`
toanan’ny orana izao, ka tsy vitanay ny mijoro ety ivelany.”
`
(Ezra 10:9, 13; Jeremia 36:22) Tsy mahagaga ary raha tsy

Niambina ny ondriny tany


an-tsaha ny mpiandry ondry ny
alina nahaterahan’i Jesosy
222 Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

nijanona tany an-tsaha tamin’ny alina ny mpiandry ondry sy


ny bibiny tany amin’io faritra io, rehefa volana Desambra!
Milaza anefa ny Baiboly fa niandry ny ondriny tany an-tsa-
ha ny mpiandry ondry, ny alina nahaterahan’i Jesosy. Nilaza i
Lioka, mpanoratra Baiboly, fa ‘nitoetra tany an-tsaha ny mpia-
ndry ondry tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny’ tany
akaikin’i Betlehema. (Lioka 2:8-12) Tsy hoe nandehandeha
tany an-tsaha fotsiny izy ireo, fa nitoetra tany an-tsaha mihitsy
niaraka tamin’ny ondriny tamin’ny alina. Hanao an’izany
amin’ny volana Desambra ve izy ireo, nefa mangatsiaka sy ma-
norana tany Betlehema tamin’izany? Mazava ho azy fa tsia.
`
Tsy volana Desambra ary i Jesosy no teraka, raha jerena ny
zava-nisy tamin’ny fotoana nahaterahany.1
Lazain’ny Baiboly mazava hoe oviana i Jesosy no maty. Tsy
miresaka firy ny fotoana nahaterahany kosa izy io. Mampaha-
tsiaro an’izao tenin’i Solomona Mpanjaka izao izany: “Aleo
laza tsara toy izay menaka manitra, ary aleo ny andro ahafate-
sana toy izay ny andro ahaterahana.” (Mpitoriteny 7:1) Izany
no mahatonga ny Baiboly hitantara ny fanompoan’i Jesosy sy
ny nahafatesany amin’ny an-tsipiriany, fa zara raha miresaka
ny fotoana nahaterahany.

1 Ahitana fanazavana fanampiny ny pejy 195-198, amin’ny boky Fa-


ndresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, navoakan’ny Vavolo-
mbelon’i Jehovah.

Tokony Hankalaza Fety ve Isika?


TSY avy ao amin’ny Baiboly ny fety ara-pivavahana sy fety
`
hafa fanaon’ny olona any amin’ny tany maro. Avy aiza ary
no niandohan’izy ireny? Raha afaka manao fikarohana any
amin’ny fitehirizam-boky ianao, dia jereo ny momba an’ireo
fety ankalazain’ny olona any aminareo, anisan’izany ireto:
Paka. “Tsy miresaka momba ny fankalazana ny Paka ny
Testamenta Vaovao”, hoy Ny Rakipahalalana Britannica.
`
Ahoana ary no niandohan’ny Paka? Fanaon’ny mpanompo
Fanazavana Fanampiny 223

sampy ny fombafomba fanao amin’izy io. Lazaina fa entina


hahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty io fety
io, nefa tsy fanaon’ny Kristianina ny fombafomba fanao
amin’ilay izy. Hoy, ohatra, Ny Rakipahalalana Katolika (angli-
sy), momba ny “bitron’ny Paka”: “Marika efa fampiasan’ny
mpanompo sampy ny bitro, mba ho famantarana ny fiteraha-
na maro.”
Taom-baovao. Samy manana ny daty sy ny fomba ankala-
zany ny Taom-baovao ny firenena eran-tany. Ahoana no
niandohan’izy io? Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao:
´
“Ny 1 Janoary no nataon’i Jules Cesar, mpitondra romanina,
ho Taom-baovao tamin’ny taona 46 T.K. Natokan’ny Romani-
na ho an’i Janus, andriamanitry ny vavahady sy ny varavarana
ary ny fiandohana, io andro io. Avy amin’ny anaran’i Janus
ny anaran’ny volana Janoary. Nanana tarehy roa i Janus, ka
ny iray nitodika tany aloha ary ny iray nitodika tany aoriana.”
`
Avy amin’ny fombafomban’ny mpanompo sampy ary ny fa-
nkalazana Taom-baovao.
Halloween sy fetin’ny maty. Hoy Ny Rakipahalalana Ameri-
kanina: “Ny fombafomba sasany arahina amin’ny Halloween,
dia efa fahita tamin’ny fety [nataon’ny mpisorona selta] talo-
han’ny andro kristianina. Nanao fety ho an’ny andriamanitra
roa lehibe izy ireo. Ho an’ny andriamanitra masoandro ny
iray, ary ny iray ho an’ny andriamanitry ny maty ..., izay na-
nkalazaina ny 1 Novambra, fiandohan’ny Taom-baovaon’ny
Selta. Nampidirina tsikelikely tao amin’ny fanaon’ny Kristia-
`
nina ny fetin’ny maty taty aoriana.”
Fety hafa. Tsy ho voaresaka eto daholo ny fety fanaon’ny
olona eran-tany. Tsy ankasitrahan’i Jehovah anefa izay fety
manindrahindra olona na fikambanan’olombelona. (Jeremia
17:5-7; Asan’ny Apostoly 10:25, 26) Mila jerena koa ny niando-
han’ny fety ara-pivavahana, satria miankina amin’izay no
ahitana raha mampifaly an’Andriamanitra ilay izy na tsia.
(Isaia 52:11; Apokalypsy 18:4) Ary ny fety tsy ara-pivavahana?
Misy toro lalana ara-baiboly ao amin’ny Toko faha-16 amin’
ity boky ity, ahitana raha ankasitrahan’Andriamanitra ny fety
iray na tsia.
Misy fanontanianao ve? Midira ao amin’ny www.jw.org/mg.
Azonao atao koa ny mifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

You might also like