You are on page 1of 5

Fiompiana

AKOHO NENTIM-PAHARAZANA NOHATSARAINA


1./ TRANO
• Tanjona : Fampitomboana ny vokatry ny
fiompiana

1.1-/ Zava-tsoa azo azo tranon’akoho nohatsaraina

• Miaro ny biby amin’ny rivotra, orana,


masoandro
• Misakana ny fidiran’ny biby fahavalon’ny
akoho sy ny mpitondra aretina
• Mampihena ny fahafatesana eo amin’ny akoho
latsaky ny telo volana
• Manamora ny asan’ny mpiasa sy ny
fandraofana sy ny fanangonan-jezika
• Manamora ny fanaraha-maso ny fanisana ny
isan’ny akoho

1.2-/ Fisafidianana ny toeran’ny tranon’akoho


• Toerana milamina, maina
• Tsaratsara kokoa ambanin’ny hazo ahafahana
mametra ny fiantraikan’ny hafananana .
• Tsy atao mitodika any amin’ny be rivotra

1.3-/ Ny fitaovana ampiasaina amin’ny fananganana ny


trano

• Sarahana ny tranon’akoho lehibe sy ny kely (0


ka hatramin’ny 3 volana)
• Manorina trano kely eo akaikin’ny
tranon’akoho lehibe
• Ezahina ny mampiasa ny fitaovana misy eto
an-toerana
• Rindrina vita amin’ny tany mafy ary voalalotra
ny ivelany sy atiny
• Tafo-bozaka na zavamaniry hafa misy eto an-
toerana mba atao tafo
• Fefena amin’ny alalan’ny “grillage” (karakara
vy) na fitaovana azo hanoloana an’io misy eo
an-toerana

1.4-/ Fanatsarana ny toeram-ponenan’ny akoho

1.4.1-/ Fanambaniny
• Tany tsy maintsy mafy, voa-lamaka ary
voarakotra lafika (milolo; odim-boanjo, taim-
bakona)

-1-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Analamanga natao ny 07-08-09 septembra
2005
Fiompiana
1.4.2-/ Ny akany fanatodizana :
• Miataka lavidavitra ny varavarana fidirana ary
mifanihitra amin’ny hazavan’ny andro tokony
hieritreritra akany iray ho an’ny akoho lehibe
miisa 3
• Miovaova hatrany ny bikany sy ny
fipetrahan’ny akany
• Ny refiny : sakany:30 sm; halavany:30 sm;
alaliny:40 sm; fisokafany:25 sm
• Rakofana lafika ny akaniny.

1.4.3-/ Kesika misy vovompanafody


• Kesika misy ny vovom-panafody mitovy refy
amin’ny halehiben’ny akaniny, misy ny
lavenona sy ny fanafody iadiana amin’ny
katsentsitra.
• Mipetraka eo ivelan’ny fonenany mandritra ny
maintany ary ao anatiny mandritry ny fotoana
fiavian’ny orana.

1.4.4-/ Ny tavy fihinanana sy fisotroana


• Vita amin’ny akora misy eto an-toerana (hazo)
• Ny tavy fisotroana rano boribory na vita eto
an-toerana tsaratsara apetraka ivelan’ny
tranon’akoho nefa voaaro amin’ny hainandro
ovàna isan’andro na indroa isan’andro ny rano.

1.4.5-/ Ny fiteroterony:
• Tsy maintsy efajoro ary vita amin’ny hazo ;
apetraka ao anaty tranon’akoho tokony ho 1m
ny halavany ho an’ny akoho 10 ary apetraka
90cm miala ny tany.

1.5-/ Ny refin’ny tranon’akoho nohatsaraina

1.5.1-/ Trano
• 0 ka hatramin’ny 4 herinandro : 5 m2
mampiasa lamba tsy lena mandritry ny 2
herinandro voalohany dia ahisaka tsikelikely
• 5 ka hatramin’ny 8 herinandro : 10 m2 ho
• manomboka 9 herinandro : 15 – 20 m2

1.5.2-/ Fisakafoanana ( akoho 100 )


• Akoho kely : Fihinana 4 eo amin’ny
1mx0,2mx0,10m
• Akoho lehibe Fihinanan 6 eo amin’ny 1,5m x
0,20m

-2-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Analamanga natao ny 07-08-09 septembra
2005
Fiompiana
1.5.3-/ Fisotroana rano ( akoho 100 )
• 0 ka hatramin’ny 4 herinandro dia tokony
fisotroana 2 , mahalany 2 litatra avy
• Akoho lehibe : fisotroana 6 mahalany 5 litatra
avy

1.5.4-/ Fanatodizana
• 1 ho an’ny akoho 5

1.5.5-/ Fiteronteronana
• Halavany: 1m ho an’ny akoho 10
• Habeny hazo fiteronana : 2sm x 4sm x 4sm
(sakany sy hateviny)

2./ SAKAFO.
• Tanjona: tsinjovina tsara ny fitomboan’ny
akoho
• Ny tokony atao: ampiasaina araka izay tratra
ny sakafo misy eto an-toerana ary fenoina
arakarak’izay zavatra mora vidy.
• Ho an’ny akoho kely: lanjalanjaina araka izay
tokony ho izy ny sakafony.
• Endriky ny sakafo: vovoka ho an’ny akoho
kely; vaventiventy ho an’ny akoho lehibe
• Raha tsy ampy ny akora (katsaka), mampiasa
famenony amin’ny alalan’ny voly mamaody
(mangahahzo, vomanga . . .).
• Ampiana akora mitondra herim-panorenana:
vovotrondro, kankana, votra, sahona …
• Fotoana fizarana sakafo: maraina be amin’ny
fotoana famoahana tranon’akoho ary ny hariva
amin’ny fotoana fanidina ny tranon’akoho.

3./ NY FITANTANANA SY NY FIKARAKARANA

3.1-/ Tanjona sy fitsinjarany :


• Hampaharitra ny fiompiana
• Akoho lahy iray ho an’ny akoho vavy
mpamokatra 7 -8
• Ny fahanterana: lahy 3 taona , ary ny vavy
kosa dia 2,5 taona
• Ny fiavian’ny akoho lahy dia avy any
ivelan’ny fiompiana (akoho tsy mitovy razam-
be)

3.2-/ Aty ampiandohan’ny fiompiana dia


• Famonoana otrik’aretina sy bibikely ao
amin’ny tranon’akoho
• Hamarinina ny hamafin’ny tafo sy ny rindrina

-3-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Analamanga natao ny 07-08-09 septembra
2005
Fiompiana
• Hamarinina ny toerana sy ny faampian’ny
fihinanana sy ny fisotroana

3.3-/ Isan’andro
• Avoaka sy omena sakafo
• Omena rano
• Fanadiovana ny fihinanana sy fisotroana
• Manara-maso sy manisa ny biby

3.4-/ Isan-kerinandro
• Manara-maso sy manisa ny biby
• Fanesorana sy famenoana vaovao ny « baka »
fasiana vovom-panafody : lehibe

3.5-/ Isam-bolana
• Manara-maso sy manisa ny biby
• Atao ny fanalana kankana : latsaky ny 3 volana
• Fanesorana sy famenoana vaovao ny « baka »
fasiana vovom-panafody mandritra ny
telovolana voalohany ( 0-3 volana )

3.6-/ Isan -telo volana


• Jerena ny hamafin’ny tafo sy ny rindrina
• Atao vakisiny fanefitra ny barika
• Atao fanalana kankana ny lehibe

3.7-/ Isaky ny enim-bolana


• Soloina ny lafika eo amin’ny tany

3.8-/ Isan-taona
• Atao vakisiny ny zanak’akoho 5 andro
nahafoizana : varavia
• Atao vakisiny fanefitra ny pesta

3.9-/ Aoriana ny roa taona sy tapany


• Famonoana otrik’aretina sy bibikely ao
amin’ny tranon’akoho
• Havaozina sy soloina ny mpamokatra

4./ FANADIOVANA FAMONOANA BIBIKELY. FAMONOANA


OTRIK’ARETINA AMIN’NY TRANON’AKOHO

4.1-/ Famonoana otrik’aretina


• Tanjona: fampihenana ny herin’ny
otrik’aretina
• Fatanterahana: ao aoriana ny fanesorana ny
lafika sy amin’ny fotoana tsy misy biby
-4-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Analamanga natao ny 07-08-09 septembra
2005
Fiompiana
• Fanafody ampiasaina: crésyl amin’ny taharo 4
ho an’ny 1000 ampiasaina ho fanadiovana ny
rindrina , ny tany …

4.2-/ Famonoana bibikely


• Tanjona: famonoana bibikeley(parasy,
tsingoatra) hanatsarana ny fiainany ara-
pahasalamana
• Fanafody ampiasaina: “baka” misy fanafody
famonoana bibikely

-5-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Analamanga natao ny 07-08-09 septembra
2005

You might also like